2010–2019
“Miaraha mandeha Amiko”
Aprily 2017


“Miaraha mandeha Amiko”

Ny fanendrena antsika ho amin’ny fisoronana dia fanasana avy amin’ny Tompo mba hiaraka handeha Aminy, hanao izay ataony, ary hanompo araka ny fomba nanompoany.

Ry rahalahiko malala ao amin’ny fisoronana, ny tanjoko anio dia ny sady hanome toky anareo no hampavitribitrika anareo amin’ny fanompoanareo ao amin’ny fisoronana. Amin’ny lafiny sasany dia mitovy amin’ny tanjona izay heveriko fa nananan’ny Mpamonjy rehefa nihaona tamin’ilay lehilahy tanora manan-karena iray izany, izay nanontany hoe: “Inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” (Matio 19:16). Mety tonga ato amin’izao fihaonambe izao angamba ianao, tahaka ny nanatonan’ilay lehilahy tanora ny Mpamonjy, ka manontany tena raha toa ankasitrahana ny fanompoana ataonao. Dia mety hahatsapa ihany koa ianao miaraka amin’izany fa mbola betsaka no azo atao, mbola betsaka mihitsy angamba! Mivavaka aho ny mba hahafahako mampita ny fankasitrahan’ny Tompo feno fitiavana anao noho ny zavatra efa vitanao, ary koa fanolorana sombina famporisihana ny amin’izay mety mbola azonao atao miaraka amin’ny fanampiany, amin’ny maha-mpihazona ny fisoronany masina anao.

Nangatahana ilay lehilahy tanora mpanan-karena hivarotra ny zavatra rehetra nananany sy hanome ho an’ny mahantra ary hanaraka ny Mpamonjy. Mety tsy hitaky izany ny fivoaranao amin’ny hoavy, saingy tena mety hitaky fahafoizantena avy aminao tokoa izany. Na izany na tsia dia manantena aho fa ny hafatro dia tsy hahatonga anao “[hiala] amin’ny alahelo” tahaka ilay lehilahy tanora. (Jereo ny Matio 7:20–22.) Matoky kosa aho fa “[hanohy] amim-pifaliana ny dianao” (F&F 84:105) ianao satria te hivoatra ary heverinao fa afaka mivoatra ianao.

Na dia izany aza dia tsy mahagaga ny hahatsapana ho tsy dia mahay rehefa dinihana ny zavatra asain’ny Tompo ataontsika. Raha ny marina, raha milaza amiko ianao fa mahatsapa ho tena afaka manatanteraka amin’ny fomba tena lafatra ny andraikitrao ao amin’ny fisoronana, dia mety ahiako hoe tsy mahatakatra izany ianao. Etsy ankilany kosa, raha milaza amiko ianao fa mahatsapa ho te hilavo lefona satria mihoatra lavitra noho ny fahaizanao ny asa, dia maniry ny hanampy anao hahatakatra ny fomba fampivoaran’ny Tompo sy fankaherezany ireo mpihazona ny fisoronany mba hahavita ireo zavatra izay tsy ho vitan’izy ireo irery mihitsy aho.

Marina izany raha ny mahakasika ny antsoko ary marina ihany koa raha ny mahakasika ny antsonao. Tsy misy amintsika afaka manao ny asan’ny fisoronana, ary manao izany tsara ka niantehitra fotsiny tamin’ny fahendreny sy ny talentany. Izany no izy satria tsy asantsika ity, asan’ny Tompo ity. Koa ny hany fomba hahombiazana dia ny miantehitra Aminy, na diakona vao nantsoina hitondra ampahana hery ara-panahy ho an’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ianao; na mpampianatra isan-tokantrano tanora notendren’ny Tompo hitia sy hanompo fianakaviana tsy fantatrao ary toa tsy maniry ny fitiavanao sy ny fanompoanao; na raim-pianakaviana mahafantatra fa tokony hiahy ny tokantranony amim-pahamarinana, nefa mety tsy dia mahazo antoka loatra ny amin’ny fomba tokony hanaovana izany, satria ireo ankizy dia mitombo haingana ary izao tontolo izao dia toa feno fankahalana sy fahasarotana.

Koa raha mahatsapa ho sahirankirana ianao dia raiso ho famantarana tsara izany. Manambara izany fa afaka mahatsapa ny halehiben’ny toky napetrak’ Andriamanitra aminao ianao. Midika izany fa efa manana fahatakarana momba ny tena dikan’ny fisoronana ianao.

Vitsy tokoa ny olona eto amin’izao tontolo izao no manana izany fahatakarana izany. Na dia ireo izay afaka milaza famaritana azo ekena aza dia mety tsy mahatakatra izany tsara . Misy ireo soratra masina sasany izay afaka mahatonga antsika ho talanjona kokoa amin’ny fisoronana masina, noho ny herin’ny Fanahy izay hoentiny. Ireto misy vitsivitsy amin’ireo soratra masina ireo:

“Ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana ambonimbony kokoa na ny Fisoronana Melkizedeka dia ny mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana—

“Ny manana ny tombontsoa handray ny misterin’ny fanjakan’ny lanitra, ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany, ny miombona amin’ ny fivoriana faobe sy ny fiangonan’ny Lahimatoa ary ny manana anjara amin’ny fiombonana sy ny fanatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao.

“Ny hery sy ny fahefan’… ny Fisoronana Aharôna, dia ny mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely” (F&F 107:18–20).

“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansin’[ny fisoronana] ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. …

“Fa raha tsy misy izany, dia tsy misy olona afaka mahita ny tavan’ Andriamanitra, dia ny Ray, ary ho velona” (F&F 84:20, 22).

“Ity fisoronana avo [ity dia] araka ny lamin’ny Zana[k’ Andriamanitra, izay lamina nisy hatry ny fanorenana izao tontolo izao; na amin’ny teny hafa, tsy nisy fiandohan’andro na fiafaran-taona, efa voaomana hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay, araka ny fahalalany mialoha ny zava-drehetra” (Almà 13:7).

“Fa ny olona rehetra izay atokana araka ity lamina sy antso ity dia hanana fahefana, amin’ny alalan’ny finoana hamaky tendrombohitra, hampisaraka ranomasina, handritra rano, hampivily izany hiala amin’ny lalany;

“Hihantsy ireo miaramilan’ny firenena, hizara ny tany, hanapatapaka ny fatorana rehetra, hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra; hanao ny zava-drehetra araka ny sitrapony, araka ny didiny, hampanoa ireo fanapahana sy fahefana; ary izany dia amin’ny alalan’ny sitrapon’ny Zanak’ Andriamanitra izay nisy hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao” (Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:30–31 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]).

Ny fomba iray hasetrintsika izany famariparitana mampitolagaga ny herin’ny fisoronana izany dia ny fiheverana fa tsy mihatra amintsika izany. Ny fomba iray hafa hasetrintsika izany dia amin’ny alalan’ny fandinihan-tena lalina, ny fametrahana fanontaniana ao am-pontsika toy hy hoe: Efa nahatsapa ny nisokafan’ny lanitra tamiko ve aho? Mety hisy hampiasa ilay andian-teny hoe “fanompoan’ny anjely” ve hoentina hanoritsoritana ny fanompoako ao amin’ny fisoronana? Mitondra ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” eo amin’ny fiainan’ireo izay tompoiko ve aho? Efa namaky tendrombohitra, nihantsy miaramila, nanapatapaka ny fatoran’ny olona iray, na nampanoa ny fanapahan’izao tontolo izao ve aho, na dia ara-tsarinteny fotsiny aza, mba hanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra?

Izany karazana fandinihan-tena izany dia mitondra fahatsapana hatrany fa afaka manao misimisy kokoa ao amin’ny fanompoana ny Tompo isika. Manantena aho fa manome anareo fahatsapana mba haniry ny hahavita misimisy kokoa ihany koa izany, dia fanantenana mba handray anjara fenofeno kokoa amin’ny asan’ny Tompo mahagaga. Izany karazana fahatsapana izany no dingana voalohany mankany amin’ny hoe lasa ilay karazana lehilahy tokony voavolavolan’ny fanompoana ao amin’ny fisoronana.

Ny dingana manaraka dia fariparitana ao amin’ny fifandraisana nisy teo amin’i Jehovah sy Enoka. Fantatsika fa mpaminany nahery iray izay nanorina an’i Ziona teo anivon’ny faharatsiana lehibe i Enoka. Kanefa talohan’ny naha-mpaminany lehibe azy dia nandray ny tenany ho “mbola zatovolahy, … miadam-piteny,” sy nankahalan’ny vahoaka manontolo i Enoka (Mosesy 6:31). Henoy ireo tenin’ny Tompo nentiny nankaherezana an’i Enoka. Teny miantefa ho anao izay nantsoina hanompo ny hafa amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana anao ihany koa izy ireo:

“Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Mandehana ary ataovy izay efa nandidiako anao ary tsy misy olona hanagorobaka anao. Sokafy ny vavanao dia hofenoina izany ary homeko izay holazainao, fa eo an-tanako ny nofo rehetra, ary Izaho dia manao izay heveriko fa tsara. …

“Indro mby eo aminao ny Fanahiko, koa ny teninao rehetra dia hohamariniko; ary ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao, ary ny renirano dia hivily amin’ny lalany; ary hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko” (Mosesy 6:32, 34).

Ry rahalahy isany, ny fanendrena antsika ho amin’ny fisoronana dia fanasana avy amin’ny Tompo mba hiaraka handeha Aminy. Inona ny dikan’ny hoe miara-mandeha amin’ny Tompo? Izany dia midika hoe manao izay ataony, manompo amin’ny fomba hanompoany. Nahafoy ny tombotsoany Izy mba hitahiana ireo sahirana, koa izany koa no ezahantsika hatao. Toa nahatsikaritra manokana ireo olona izay tsy dia niraharahaina firy Izy ary ireo narian’ny fiaraha-monina mihitsy aza, koa tokony hiezaka hanao izany ihany koa isika. Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana nefa tamim-pitiavana momba ny fotopampianarana marina noraisiny avy tamin’ny Rainy Izy, na dia tsy nalaza aza izany, ary isika koa dia tsy maintsy manao izany. Hoy Izy tamin’ny rehetra hoe, “Mankanesa atỳ amiko” (Matio 11:28), ary isika dia miteny amin’ny rehetra hoe, “Mankanesa any Aminy.” Isika no solontenany amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika. Tsy manao zavatra ho an’ny tenantsika isika fa ho Azy. Tsy miteny ny tenintsika isika fa ny Azy. Ireo olona izay tompointsika dia mahafantatra Azy tsaratsara kokoa vokatry ny fanompoantsika.

Raha vantany vao manaiky ilay fanasana nomen’ny Tompo hoe “Miaraha-mandeha Amiko” isika dia miova ny toetran’ny fanompoantsika ao amin’ny fisoronana. Lasa avoavo kokoa sy mendri-kaja kokoa izany, nefa koa azo vitaina kokoa satria mahafantatra isika fa tsy irery. Nahatsapa izany tamin-kery indrindra aho rehefa nametraka ny tanany teo amin’ny lohako ny Filoha Thomas S. Monson sivy taona lasa izay, izay nitsodrano ahy teo am-panombohako ny fanompoana ao amin’ny antsoko amin’izao fotoana. Tao amin’ilay tsodrano dia niteny izao teny nolazain’ny Mpamonjy izao izy: “Ary na zovy na zovy no mandray [anao], dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo [alohanao]. Ho eo [ankavananao] sy eo [ankavianao] Aho, ary ho ao [am-ponao] ny Fanahiko, ary hanodidina [anao] ny anjeliko mba hanohana [anao]” (F&F 84:88).

Niantehitra tamin’io fampanantenana io im-betsaka aho, ary nahita ny nahatanterahan’izany tamin’ny fomba maro aho nandritra ireo 72 taona nanompoako tao amin’ny fisoronana. Nitranga izany fony aho mpihazona ny Fisoronana Aharôna vaovao notendrena hizara ny fanasan’ny Tompo. Koa satria natahotra ny hanao fahadisoana aho dia nivoaka tany ivelan’ny trano fiangonana mialoha ny fiatombohan’ny fivoriana ary nivavaka mafy tamim-pahakiviana mba hahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra. Nahazo valim-bavaka aho. Nahatsapa aho fa niaraka tamiko ny Tompo. Tsapako ny fahatokisany ahy, ary tsapako koa ny fahatokisan-tenako tao anatin’ny asany.

Nitranga indray izany tamin’ny fotoana naha-eveka ahy. Nandray antso an-tariby avy tamin’ny vehivavy iray izay nanao fahadisoana goavana aho ary voatery nandray fanapahan-kevitra sarotra izay hitondra fiovana eo amin’ny fiainany. Rehefa namangy azy aho dia nahatsapa fa nahafantatra ny vahaolana amin’ny olany, saingy nahatsapa mafy ihany koa aho fa tsy tokony hanome azy izany vahaolana izany; mila izy mihitsy no nitady izany. Ny teny nolazaiko taminy dia nanao hoe “Mino aho fa hilaza aminao izay tokony atao Andriamanitra raha toa manontany Azy ianao.” Taty aoriana izy dia nilaza tamiko fa nanontany an’ Andriamanitra dia nolazainy taminy ilay izy.

Tamin’ny fotoana iray hafa dia nahazo antso an-tariby aho fony aho eveka, ary avy tamin’ny mpitandro filaminana izany tamin’io indray mitoraka io. Nolazaina tamiko fa nandona ny fitaratry ny banky iray tamin’ny fiarakodiany ny mpamily mamo iray ka tafiditra tao anatin’ilay banky. Rehefa nahita ny mpiambina ny banky nanambana ny basiny taminy ilay mpamily mamo dia nitomany izy sady nilaza hoe: “Aza mitifitra! Môrmôna Aho!”

Fantatra avy teo fa mpikambana tao amin’ny paroasiko ilay mpamily mamo, vita batisa vao tsy ela. Raha niandry ny hiresaka taminy tao amin’ny biraon’ny eveka aho dia nanomana izay zavatra hoteneniko mba hahatsapany nenina noho ny tsy nitandremany ny fanekempihavanany sy ny nanalany baraka ny Fiangonana. Saingy rehefa nipetraka sy nijery azy aho dia nahare feo tao an-tsaiko nilaza, mazava tsara tahaka ny hoe misy olona iray miresaka amiko, hoe: “Avelako mahita azy araka ny fahitako azy ianao.” Dia hitako niova nandritra ny fotoana fohy ny endriny manontolo. Tsy lehilahy tanora mamomamo no hitako fa zanakalahin’ Andriamanitra, mamirapiratra, ary heni-kaja kosa. Nahatsapa tampoka ny fitiavan’ny Tompo azy aho. Izany fomba fijery izany dia nanova ny resadresaka nataonay. Nanova ahy ihany koa izany.

Nianatra lesona manan-danja avy amin’izany traikefa amin’ny fiarahana mandeha amin’ny Tompo rehefa manao ny asany izany aho. Tiako ny hizara aminareo ny telo amin’izany. Ny voalohany dia ny hoe mahafantatra sy manohana na dia ny diakona vaovao sy tanora indrindra Andriamanitra. Tsy tokony hahatsapa mihitsy ianao hoe kely loatra na tsy manan-danja loatra ho Azy ka tsy fantany ianao sy ny fanompoana izay ataonao amin’ny anarany.

Ny lesona faharoa dia ny hoe tsy fitadiavana vahaolana fotsiny ihany ny asan’ny Tompo; fanorenana ny olona mba hiorim-paka izany. Noho izany, rehefa mandeha miaraka Aminy manompo ao amin’ny fisoronana ianao dia mety hahita indraindray fa ilay toa vahaolana mahomby indrindra dia tsy ny vahaolana tian’ny Tompo indrindra satria tsy mamela ny olona hitombo izany. Raha mihaino ianao dia hampianatra anao ny fombany Izy. Tsarovy fa ny asa sy ny voninahitr’ Andriamanitra dia tsy ny hitantana fikambanana mahomby fotsiny. “Ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” izany (Mosesy 1:39). Raha ny marina dia izany ny antony nanomezany ny fahefam-pisoronany ho an’ny olona misy fahalemena tahaka ahy sy ianao ary hanasany antsika mba handray anjara amin’ny asany. Ny fivoarantsika dia ny asany!

Izao ilay lesona fahatelo: Ny fiarahana mandeha amin’ny Mpamonjy rehefa manompo ao amin’ny fisoronana dia hanova ny fomba fijerintsika ny hafa. Hampianatra anao hijery amin’ny alalan’ny masony Izy, izay midika hoe mijery mihoatra ny endrika ivelany sy mijery ao am-po (jereo ny 1 Samoela 16:7). Izany no fomba nahafahan’ny Mpamonjy nahita an’i Simona ho tsy ilay mpanjono natahotahotra fa ilay Petera, mpitarika matanjaka ao amin’ny Fiangonana amin’ny hoavy (jereo ny Lioka 5:1–11). Izany no nahafahany nahita an’i Zakaiosy ho tsy ilay mpamory hetra feno kolikoly hitan’ny hafa fa ilay zanakalahin’ Abrahama marin-toetra sy tsara kosa (jereo ny Lioka 19:1–9). Raha elaela kokoa no hiarahanao mandeha amin’ny Mpamonjy dia hianatra ianao ny hijery ny olona tsirairay avy amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy izay mety ho lasa lavitra, na nanao ahoana na nanao ahoana ny fiainany lasa. Ary raha mbola manohy mandeha miaraka amin’ny Mpamonjy ianao dia hikolokolo fanomezam-pahasoavana hafa, dia ny fahaizana manampy ny olona hahafantatra fa mety ho lasa lavitra izy ka hibebaka.

Ry rahalahiko malala ao amin’ny fisoronana, amin’ny lafiny maro dia tahaka ireo mpianatra anankiroa izay nandeha teo amin’ny lalana nankany Emaosy tamin’ilay alahady voalohan’ny Paska isika. Marainan’ny Fitsanganana tamin’ny maty tamin’izay, saingy tsy mbola nahazo antoka izy ireo fa misy ny fitsanganana amin’ny maty na ny dikan’ny hoe fitsanganana amin’ny maty mihitsy aza. “[Nantenain’]izy ireo fa i [Jesoa avy any Nazareta] no Ilay efa hanavotra ny Isiraely,” saingy “votsa saina ka tsy mino” ny zava-drehetra izay nampianarin’ny soratra masina momba ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. Raha nandeha sy niezaka nahatakatra izany miaraka izy ireo dia “nanatona Jesosy ka niaraka tamin[izy ireo]’. Nefa ny mason’ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.” (Jereo ny Lioka 24:13–32.)

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny fanompoana ao amin’ny fisoronana isika dia mandeha miaraka amintsika i Jesoa Kristy Mpamonjy, satria lalany izany. Hialoha-lalana antsika ny fahazavany, ary hanodidina antsika ireo anjeliny. Mety tsy hanana fahatakarana feno ny amin’ny hoe inona ny fisoronana isika na ny fomba fampiasana izany tahaka Azy. Saingy raha malina tsara isika mandritra ireo fotoana izay “[mampangorakoraka] ny fontsika” (Lioka 24:32), dia afaka hosokafana ny masontsika ary hahita ny tanany eo amin’ny fiainantsika sy ao amin’ny fanompoantsika isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra Azy indrindra isika rehefa miara-miasa Aminy ary manompo Azy ao amin’ny asa lehibe fitondrana famonjena ho an’ny zanak’ Andriamanitra. “Fa ahoana moa no ahalalan’ny olona iray ny tompo izay tsy notompoiny sy izay vahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ny fony?” (Môsià 5:13). I Jesoa Kristy no Tompontsika. Fiangonany ity. Fisoronany no hazonintsika. Enga anie isika rehetra hisafidy ny hiara-handeha Aminy ary hahafantatra fa miara-mandeha amintsika Izy.

Omeko anareo ny tenivavolombeloko fa i Jesoa no ilay Kristy, Tompontsika tafatsangana amin’ny maty. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny fisoronana izay nampandraiketina antsika no hery hahafahana miteny sy miasa amin’ny anarany. Isika dia zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana izay mamaly ny vavaka ataontsika sy mandefa ny Fanahy Masina mba hankahery antsika amin’ny andraikitra ao amin’ny fisoronana izay hitahiana antsika. Nahita ny Ray sy ny Zanaka i Joseph Smith. Izy dia nandray ireo fanalahidin’ny fisoronana izay niampita any amin’ny Filoha Thomas S. Monson, izay mampiasa izany ankehitriny. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.