2010–2019
Mitoetra ao amin’ Andriamanitra sy manamboatra izay rava
Ôktôbra 2017


Mitoetra ao amin’ Andriamanitra sy manamboatra izay rava

Manana ny hery hampifandraisana tsara antsika amim-pitiavana amin’ny Ray sy amintsika samy isika i Kristy.

Mila mampitombo lalina sy tsy tapaka ny fahalalantsika sy ny fankatoavantsika ny Ray any An-danitra isika. Maharitra mandrakizay ny fifandraisantsika Aminy. Zanany malalany isika, ary tsy hiova izany. Ahoana no hamaliantsika feno kokoa ny fanasany hanakaiky Azy mba hahafahantsika mianoka ireo fitahiana iriany homena antsika eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny tontolo ho avy?

Hoy ny Tompo tamin’ny Isiraely fahiny ary hoy Izy amintsika hoe: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.”1 Hoy ny Ray amintsika hoe: “Hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko.”2 Moa ampy ve ny fahatokiantsika Azy ka hijanona sy hiaraka Aminy isika?

Tonga eto an-tany isika mba hianatra sy hivoatra, ary ny fianarana sy ny fivoarana manan-danja indrindra dia ho tonga avy amin’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tonga avy amin’ny fahatokiam-pifandraisantsika amin’Izy Ireo ny fahalalana, ny fitiavana, ary ny fahafahana lehibe kokoa hanompo arakan’ Andriamanitra.

“Manana adidy ny hianatra ny zavatra rehetra nambaran’ Andriamanitra momba Azy isika.”3 Tokony hahatakatra isika fa Andriamanitra Ray dia nitarika an’i Jesoa Kristy Zanany hahary ny tany mba hivoarantsika, fa ny Ray any An-danitra dia nanome ny Zanany mba hanonitra ny fitakian’ny fahamarinana ho famonjena antsika, ary fa ny herin’ny fisoronan’ny Ray sy ny Fiangonana marin’ny Zanaka miaraka amin’ireo ôrdônansy ilaina dia naverina tamin’ny laoniny mba hitahiana antsika. Tsapanareo ve ny halalin’ny fitiavana misy ao anatin’ny fiomanana nataon’Izy Ireo mba hitondra fifaliana sy fivoarana ho antsika? Mila mahafantatra isika fa ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia ny mba hankatoavantsika ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara, dia hahazo ny fiainana mandrakizay ka noho izany dia ho lasa tahaka an’ Andriamanitra.4 Izany no fifaliana marina sy tsy manam-petra izay atolotry ny Ray any An-danitra ho antsika. Ary tsy misy fifaliana marina sy tsy manam-petra ankoatra izany.

Ny olantsika dia mety manaisotra antsika hiala eo amin’io lalan’ny fahasambarana io. Mety ho very ny fifandraisantsika feno fitokiana amin’ Andriamanitra raha mitarika antsika ho variana ny fitsapana fa tsy mitarika antsika hanetry tena sy handohalika hivavaka.

Ity andalana tsotra roa ity dia miangavy antsika handanjalanja ny laharam-pahamehantsika:

Manan-danja ny zavatra sasany; ny sasany kosa tsia.

An-kavitsiana ny zavatra maharitra, fa ny ankamaroany kosa tsia.5

Ry rahavavy, inona no manan-danja aminareo? Inona no zavatra maharitra aminareo? Ny zavatra manana lanja maharitra ho an’ny Ray dia ny hoe mianatra ny momba Azy isika, manetry tena, ary mihamankatò Azy amin’ny alalan’ireo zavatra iainana eto an-tany. Tiany hanova ny fitiavan-tenantsika ho lasa fanompoana Izy ary hanova ny tahotsika ho lasa finoana. Afaka ny ho fitsapana tena sarotra ho antsika ireo zavatra maharitra ireo.

Amin’izao fotoana izao, na dia voafetra aza ny zavatra zakantsika eto an-tany, no angatahan’ny Ray isika mba hitia rehefa ny mitia no sarotra indrindra, hanompo rehefa manahirana ny manompo, hamela heloka rehefa toa tsy vitantsika ny mamela heloka. Amin’ny fomba ahoana? Ahoana no fomba hanaovantsika izany? Mangataka amin-kitsim-po ny fanampian’ny Ray any An-danitra isika, amin’ny anaran’ny Zanany, ary manao zavatra araka ny fombany fa tsy manao zavatra amin’ny fombantsika manokana amim-piavonavonana.

Sary
Zinga

Tsapako ilay fiavonavonako rehefa niresaka momba ny fanadiovana ny atin’ny vazy ny Filoha Ezra Taft Benson.6 Nihevitra ny tenako ho toy ny zinga lava taho aho. Ahoana no hanaisorako ny faikan’avonavona ao anatin’ny zingako? Tsy tena avy amin’ny fo sy tsy misy dikany ary tsy mahomby tsotra izao ny fanerentsika manokana ny tenantsika hanetry tena sy ny fiezahana hanery ny tenantsika ho tia ny hafa. Ny fahotantsika sy ny avonavontsika dia miteraka fahatapahana na lavaka manasaraka antsika amin’ny loharanon’ny fitiavana rehetra, dia ny Raintsika any An-danitra.

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany no afaka manadio antsika amin’ny fahotantsika sy manakatona izany lavaka izany.

Maniry ny hosakambinin’ny sandrim-pitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny fitarihany isika, ka noho izany dia ny sitrapony no ataontsika lohalaharana ary mangataka amin’ny fo torotoro isika mba handrarahan’i Kristy rano manadio be dia be ao anatin’ny zingantsika. Mety ho tsikelikely ny firarahan’izany amin’ny voalohany, kanefa rehefa mikatsaka sy mangataka ary mankatò isika dia hitosaka izany. Hanomboka hameno antsika io rano velona io, ary rehefa tondraky ny fitiavany isika dia afaka hampitongilana ilay zingan’ny fanahintsika isika ary hizara ny ao anatiny amin’ny hafa izay mangetaheta fanasitranana, fanantenana, ary fananana namana. Rehefa lasa madio ny atin’ny vazintsika dia manomboka sitrana ny fifandraisantsika amin’ny hafa eto an-tany.

Takina ny hamoizantsika ny faniriantsika manokana mba hanomezana toerana ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra. Ny Mpamonjy izay miteny ho an’ny Ray dia miangavy antsika hoe “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho.”7 Ny fanakaikezana an’ Andriamanitra dia mety midika hoe mianatra ireo fahamarinany amin’ny alalan’ny soratra masina, manaraka ireo torohevitry ny mpaminany, ary miezaka manao ny sitrapony bebe kokoa.

Moa ve isika mahatakatra fa manana ny hery hampifandraisana tsara antsika amim-pitiavana amin’ny Ray sy amintsika samy isika i Kristy? Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no ahafahany manome antsika ny hevitra ilaina mba hifandraisana amin’ny hafa.

Nitantara tamiko ny zavatra iray tena manan-danja niarahany niaina tamin’ireo zazalahy 11 taona tao amin’ny kilasiny ny mpampianatra Sekoly Alahady iray. Ny iray tamin’izy ireo izay ho antsoiko hoe Jimmy dia tsy tia nandray anjara sy nitokantokana tao an-dakilasy. Indray alahady dia notaomim-panahy hampiato ny lesona nampianariny ilay mpampianatra ary nilaza ny antony hitiavany an’i Jimmy. Noresahany ny fankasitrahany azy sy ny finoany fa afaka mahavita zavatra io tovolahy io. Dia nangataka ny ankizy tao an-dakilasy ilay mpampianatra avy eo mba hilaza amin’i Jimmy ny zavatra tian’izy ireo mikasika azy. Rehefa nifandimby tsirairay ny mpianatra nilaza tamin’i Jimmy ny antony maha-olona miavaka azy ho azy ireo dia niondrika ilay zazalahy ary nanomboka nitsotsorika tamin’ny tavany ny ranomasony. Nanaisotra ny elanelana ara-pihetseham-po nisy teo amin’i Jimmy sy ny hafa io mpampianatra io sy ny mpianany. Manome fanantenana sy lanja ny hafa ny fitiavana tsotra izay aseho amim-pahamarinan-toetra. Antsoiko hoe “manamboatra izay rava” izany.

Ny fiainantsika tany amin’ny tontolo feno fitiavana talohan’ny nahaterahana, angamba, no mahatonga antsika haniry mafy fitiavana marina sy maharitra eto an-tany. Notefen’ Andriamanitra mba hanome fitiavana sy hotiavina isika, ary tsapa ilay fitiavana lalina indrindra rehefa iray amin’ Andriamanitra isika. Ny Bokin’i Môrmôna dia manasa antsika mba “[hihavana] amin[’ Andriamanitra] amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy.”8

Niresaka momba ireo izay miaina amim-pahatokiana ny lalàn’ny fifadian-kanina i Isaia ka noho izany dia lasa mpanamboatra izay rava ho an’ny taranany izy ireo. Araka ny nampanantenain’i Isaia, dia izy ireo no ireo izay “hanangana ny efa rava ela.”9 Mitovy amin’izany ihany, ny Mpamonjy dia nanamboatra izay rava teo amintsika sy ny Ray any An-danitra. Izy no nanokatra, tamin’ny alalan’ny sorompanavotana lehibe nataony, ny lalana ho antsika mba handraisana ny herim-pitiavan’ Andriamanitra, ary avy eo dia ampiana isika mba ho afaka hanangana ny “efa rava ela” eo amin’ny fiainantsika manokana. Ny fanasitranana ny elanelana ara-pihetseham-po manasaraka antsika dia hitaky ny fitiavan’ny Ray miaraka amin’ny famoizantsika ny fironantsika ara-boajanahary ho tia tena sy feno tahotra.

Indray hariva tsy hay hadinoina, dia tsy nitovy hevitra momba ny olana ara-pôlitika iray izaho sy ny havako iray. Avy hatrany dia nokianiny tanteraka ny zavatra nolazaiko, ka noporofoiny teo anatrehan’ny fianakaviana fa diso aho. Nahatsapa ho vendrana sy tsy ampy fahalalana aho, ary tena izay tokoa angamba. Tamin’izay hariva izay, rehefa nandohalika nivavaka aho, dia nanazava haingana tamin’ny Ray any An-danitra fa tena manahirana io havana io! Niresaka tsy an-kijanona aho. Mety niato kely tamin’ny fitarainako angamba aho dia mba nanana fotoana kely nisintonana ny eritreritro ny Fanahy Masina, satria tsy nampoiziko fa, reko niteny irery aho avy eo hoe: “Tianao hitia azy aho angamba.” Hitia azy hoe e? Nanohy nivavaka aho, toa niteny hoe: “Ahoana no ahafahako hitia azy? Toa tsy tiako akory aza izy. Mafy ny foko ary voatohintohina aho. Tsy vitako izany.”

Ary avy eo, izay azoko antoka fa niaraka tamin’ny fanampiana avy amin’ny Fanahy, dia nanana eritreritra vaovao aho ka niteny hoe: “Kanefa tia azy Ianao ry Ray any An-danitra. Azonao omena ampahany amin’ny fitiavanao azy ve aho, mba hahafahako mitia azy koa?” Nihena ny firehetam-poko, nanomboka niova ny foko ary hafa ny fahitako ity olona ity nanomboka teo. Hitako ny tena maha izy azy marina araka ny fahitan’ny Ray any An-danitra azy. Nanoratra i Isaia hoe: “[Fehezin’i] Jehovah ny fahatorotoroan’ny olony [ary sitraniny] ny fery tamin’ny namelezana azy.”10

Rehefa nandeha ny fotoana dia afaka tamim-pifaliana ilay elanelana nampisaraka anay. Kanefa na dia hoe tsy nanaiky ilay foko niova aza izy dia nianatra aho fa ny Ray any An-danitra dia hanampy antsika hitia na dia ireo izay mety heverintsika fa tsy azo tiavina aza raha mitalaho ny fanampiany isika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia fantsona mitondra fiantrana mikoriana tsy tapaka avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Tokony hisafidy ny hitoetra ao amin’io fitiavana io isika mba hanana fiantrana ho an’ny olon-drehetra.

Rehefa omentsika ny Ray sy ny Zanaka ny fontsika dia manova ny tontolontsika isika, eny fa na dia tsy miova aza ireo toe-javatra misy manodidina antsika. Manakaiky ny Ray any An-danitra isika ary mahatsapa ny fanekeny amim-pitiavana ny ezaka ataontsika mba ho lasa mpianatr’i Kristy marina. Mitombo ny fahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny fahatokian-tenantsika, ary ny finoantsika.

Miteny amintsika i Môrmôna mba hivavaka amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazo io fitiavana io ary dia harotsaka amintsika avy amin’ny loharano nipoirany izany, dia ny Ray any An-danitra.11 Amin’izay fotoana izay ihany isika vao ho lasa mpanamboatra izay rava eo amin’ny fifandraisana eto an-tany.

Manampy ny fitiavana tsy misy fetra ananan’ny Raintsika mba hitondra antsika hiverina ao amin’ny voninahiny sy ny fifaliany. Nanome ny Zanany Lahitokana Izy, dia i Jesoa Kristy, mba hanamboatra ny rava izay midadasika be eo anelanelantsika sy Izy. Ny fiverenana miaraka amin’ny Ray any An-danitra no fototra hisian’ny fitiavana maharitra sy ny tanjona mandrakizay. Tokony hifandray Aminy isika izao mba hianatra ny zavatra tena manan-danja, hitia tahaka ny hitiavany ary hivoatra mba ho tonga tahaka Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa manan-danja amin’Izy Ireo sy amintsika mandrakizay ny fifandraisantsika amim-pahatokiana amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.