2010–2019
Mpihazona fahazavana avy any an-danitra
Ôktôbra 2017


Mpihazona fahazavana avy any an-danitra

Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra anao ary amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao, dia mpihazona fahazavana ianao.

Nisy lehilahy iray efa lehibe nitsangana nilahatra tao amin’ny paositra mba hividy hajia eo amin’ny toerana fividianana izany. Tsikaritry ny zatovovavy iray fa sahirana izy mamindra ka dia natorony azy ny fomba fividianana hajia amin’ny alalan’ny masinina iray mba tsy ho lany fotoana. Hoy ilay lehilahy efa lehibe izay andrian-toetra hoe: “Misaotra fa aleoko miandry. Tsy mba hanontany ahy mikasika ny arthrite izay mahazo ahy mantsy ilay masinina.”

Indraindray dia manampy ny firesahantsika amin’olona izay miraharaha ny olantsika.

Zavatra iarahantsika lalovana ny fijaliana, ny alahelo sy ny aretina. Ireo fotoana itrangan’ny loza tampoka, sy fahoriana ary vitan-dratsy dia mety tena hibahana ao an-tsaintsika.

Raha mahakasika ny mahasoa ny vatantsika dia manaiky ny fahanterana sy ny aretina ho anisan’ny tafiditra ao anatin’ilay diantsika eto an-tany isika. Mitady torohevitra any amin’ireo matihanina isika izay mahafantatra ny vatana. Rehefa tratran’ny olana ara-pihetsehampo na aretin-tsaina isika dia mitady fanampiana any amin’ireo manam-pahaizana manokana izay mitsabo ireo karazana aretina ireo.

Raha miatrika olana ara-batana sy ara-pihetsehampo isika, dia miatrika olana ara-panahy ihany koa. Ny ankamaroantsika dia efa niaina fotoana teo amin’ny fiainantsika izay nampiredareda ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Mety efa niaina fotoana izay toa naha-lavitra ny Raintsika any An-danitra koa isika. Misy fotoana izay hanomezantsika lanja lehibe amin’ny fontsika iray manontolo ireo zavatry ny Fanahy. Mety misy koa fotoana izay toa tsy dia sarobidy izy ireo na latsa-danja.

Androany dia te-hiresaka mikasika ny fahasalamana ara-panahy aho. Ny fomba ahafahantsika mahazo fahasitranana amin’ny fihazohazoana, ka handeha eo amin’ilay lalan’ny fahasalamana ara-panahy tena matanjaka.

Tsy fahasalamana ara-panahy

Matetika ny tsy fahasalamana ara-panahy dia tonga vokatry ny fahotana na ratra ara-pihetsehampo. Matetika ny fitotonganana ara-panahy dia tena tonga tsikelikely ka zara raha hitantsika ny zava-mitranga. Tahaka ireo soson’ny vato avy amin’ny antsanga, dia mety miforona tsikelikely eny ny fanaintainana sy ny fahoriana ara-panahy, ka manavesatra ny fanahintsika mandra-pahatonga izany ho tsy hay zakaina. Ohatra, mety miseho izany rehefa toa lasa tena mavesatra ireo andraikitsika any am-piasana sy any an-tokantrano ary any am-piangonana ka manadino ny fifaliana avy amin’ny filazantsara isika. Mety hahatsapa ho toy ny tsy manana omena intsony mihitsy aza isika na mahatsapa ho toy ny tsy vitantsika ny manaja ireo didy.

Saingy ny fisian’ireo fitsapana ara-panahy dia tsy midika fa tsy azo sitranina izany.

Afaka ny ho sitrana ara-panahy isika.

Na dia ireo ratra ara-panahy faran’izay lalina aza, eny fa na dia ireo izay toa tsy azo sitranina intsony aza, dia azo sitranina.

Ry namako malala, tena misy ilay hery manasitran’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao.

Ilay fikasihan’ny Mpamonjy, izay mitondra fahasitranana dia afaka manova ny fiainantsika toy ny nataony tamin’ny androny. Raha manam-pinoana fotsiny isika dia afaka mandray ny tanantsika Izy sy mameno ny fanahintsika amin’ny fahazavana avy any an-danitra sy fahasitranana, ary miteny ireo teny masina amintsika hoe: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.”1

Haizina sy fahazavana

Na inona na inona antony mahatonga ny aretintsika ara-panahy dia manana zavatra anankiray iraisana izy ireo: ny tsy fisian’ny fahazavana masina.

Mampihena ny fahafahantsika mahita mazava tsara ny haizina. Mampanjavozavo ny fahitantsika ilay zavatra izay, nisy fotoana, tsotra sy mazava izany. Rehefa ao anatin’ny haizina isika dia mety tena manao safidy ratsy satria tsy afaka mahita ny loza manambana eo amin’ny lalantsika isika. Rehefa ao anatin’ny haizina isika dia mety tena very fanantenana satria tsy afaka mahita ny fiadanana sy ny fifaliana izay miandry antsika raha manohy mibosesika hatrany fotsiny isika.

Ny fahazavana etsy ankilany dia manome fahafahana antsika hahita ireo zavatra araka ny tena toetrany. Manome antsika fahafahana hanavaka ny marina sy ny diso izany ary ny zavatra manan-danja sy ny tsy manan-danja. Rehefa ao anatin’ny fahazavana isika dia afaka manao safidy tsara izay mifototra amin’ireo fitsipika marina. Rehefa ao anatin’ny fahazavana isika dia manana “fanantenana mamirapiratra sy lavorary”2 satria afaka mahita ireo fitsapana lalovantsika eto an-tany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Hahita fahasitranana ara-panahy isika rehefa mivoaka avy ao anatin’ny alok’izao tontolo izao ary miditra ao amin’ny fahazavan’i Kristy izay maharitra mandrakizay.

Arakaraka ny hahatakarantsika sy hampiharantsika bebe kokoa ny sahan-kevitra ara-potopampianaran’ny fahazavana sy arakaraka ny hiarovantsika tena bebe kokoa amin’ny aretina ara-panahy izay mamely na manakorontana antsika avy amin’ny lafy rehetra no ahafahantsika manompo tsara kokoa amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana masina feno hery, sy mahery fo ary be fitiavana sy manetry tena antsika. Mpanompo marina ary mpianatr’ilay Mpanjaka malalantsika sy mandrakizay.

Ilay Fahazavan’izao tontolo izao

Hoy i Jesoa Kristy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”3

Inona no dikan’izany?

Tsotra fotsiny ny dikany: Izay manaraka amim-panetrentena an’i Jesoa Kristy dia hiaina ny fahazavany sy hahazo anjara amin’izany. Ary hitombo izany fahazavana izany ka handroaka na dia ny haizina faran’izay lalina aza.

Midika izany fa misy hery mitarika mahery vaika sy matanjaka izay mivoaka avy amin’ny Mpamonjy. Izany dia mivoaka “avy eo anatrehan’ Andriamanitra mba hameno ny fidadasiky ny habakabaka.”4 Noho io hery manamaivana sy mampisondrotra ary manazava ny fiainantsika io, dia matetika ny soratra masina no miantso izany hoe fahazavana, saingy antsoina koa hoe fanahy sy fahamarinana izany.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny hoe: “Fa fahamarinana ny tenin’ny Tompo, ary izay rehetra fahamarinana dia fahazavana, ary izay rehetra fahazavana dia Fanahy, dia ny Fanahin’i Jesoa Kristy.”5

Izany hevi-dehibe lalina izany, ny hoe fahazavana dia fanahy izay fahamarinana ary ny fahazavana dia mamiratra eo amin’ny fanahin’ny olona rehetra izay tonga eto an-tany, dia sady manan-danja no mitondra fanantenana. Ny Fahazavan’i Kristy dia manazava sy mameno ny fanahin’ireo izay mihaino ny feon’ny Fanahy.6

Mameno an’izao rehetra izao ny Fahazavan’i Kristy.

Mameno ny tany izany.

Ary afaka mameno ny fo rehetra izany.

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”7 Afaka mahazo ny fahazavany ny olona rehetra, na lehibe na kely, na mahantra na manan-karena, na mahita fahombiazana na tsy mahita fahombiazana.

Raha sokafinao ny sainao sy ny fonao mba handray ny Fahazavan’i Kristy ary raha manaraka amim-panetrentena ny Mpamonjy ianao, dia hahazo fahazavana bebe kokoa.Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, etsy kely ary eroa kely, dia hanangona fahazavana sy fahamarinana bebe kokoa ao anatin’ny fanahinao ianao, mandra-pialan’ny haizina tanteraka eo amin’ny fiainanao.8

Hanokatra ny masonao Andriamanitra.

Hanome fo vaovao anao Andriamanitra.

Ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahazavany ary ny fahamarinany dia mahatonga ireo zavatra natoritory ho lasa velombelona ary ho teraka indray ao anatin’ny fiainam-baovao ao amin’i Jesoa Kristy.9

Nampanantena ny Tompo hoe: “Ary raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro ny masonareo, dia ho feno fahazavana ny vatanareo manontolo ka tsy hisy haizina ao aminareo; ary izany vatana izay feno hazavana izany dia mahatakatra ny zava-drehetra.”10

Izany no fanafody faran’izay tsara ho an’ny aretina ara-panahy. Manjavona ny haizina eo anatrehan’ny fahazavana.

Fanoharana momba ny haizina ara-panahy

Tsy manery antsika handray ny fahazavany anefa Andriamanitra.

Raha lasa mahazo aina amin’ny haizina isika dia tena tsy hiova ny fontsika.

Mba hisian’ny fiovana dia mila mamela amim-pahavitrihana ilay fahazavana mba hiditra isika.

Nandritra ireo sidina nataoko nanerana an’ity planetantsika tany ity tamin’ny naha-komandàn’ny fiaramanidina ahy, dia sondriana foana tamin’ny hatsaran’ny zavatra noharian’ Andriamanitra sy ny fahalavorariany aho. Hitako tena mambabo ny fifandraisana misy eo amin’ny tany sy ny masoandro. Raisiko ho lesona an’ohatra lalina ny fisian’ny haizina sy ny fahazavana.

Fantatsika rehetra fa isaky ny 24 ora dia mivadika ho andro ny alina ary mivadika ho alina ny andro.

Noho izany ary, inona no atao hoe alina?

Aloka tsotra fotsiny ihany ny alina.

Na dia ao anatin’ny ali-mikitroka aza dia tsy mitsahatra mampiely ny hazavany ny masoandro. Mitohy ny famirapiratany bebe kokoa noho ny hatramin’izay.Saingy ao anatin’ny haizina ny antsasaky ny tany.

Miteraka haizina ny tsy fisian’ny fahazavana.

Rehefa milatsaka ny haizin’ny alina dia tsy kivy na miahiahy isika hoe novonoina ny masoandro. Tsy mieritreritra isika hoe tsy eo ny masoandro na maty izany. Takatsika fa ao anatin’ny aloka isika, ary hitohy hihodina ny tany ary amin’ny farany dia ho tonga eo amintsika indray ireo taratry ny masoandro amin’ny farany.

Ny haizina dia tsy mari-pamantarana fa tsy misy ny fahazavana. Midika tsotra fotsiny izany matetika fa tsy ao amin’ny toerana tokony ho izy mba hahazoana fahazavana isika. Nandritra ilay fanakona-masoandro vao tsy ela teo dia olona maro no niezaka mafy ho tonga ao amin’ilay aloka nateraky ny volana, eo anivon’ny andro mazavan’ny masoandro mamiratra.

Torak’izany koa, ny fahazavana ara-panahy dia mitohy mamiratra eny amin’ny zavatra nohariana rehetra. Hanao izay azony atao i Satana mba hanisy aloka na hanao izay hidirantsika ao anatin’ny aloka noforonin’ny tenantsika manokana. Hotereny hamorona zavatra tsy ahafahantsika mahita fahazavana isika. Hatosiny ao anatin’ny haizin’ny lavany isika.

Ny haizina ara-panahy dia afaka manisy voalin’ny fanadinoana na dia eo amin’ireo izay efa nandeha tao anatin’ny fahazavana sy nifaly tao amin’ny Tompo aza. Na izany aza, na dia ao anatin’ireo fotoana hisian’ny haizina lalina, dia maheno ireo fangatahana ataontsika amim-panetrentena Andriamanitra rehefa mivavaka isika manao hoe: “Tompo o! Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako.”11

Maro tamin’ny andron’i Almà no sahirana tamin’ny fanekena ireo zavatra ara-panahy ary “noho ny tsy finoany,” dia tsy afaka niditra tao am-pon’izy ireo ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany “ary nohamafisina ny fony.”12

Mpihazona fahazavana isika

Ry rahalahy, anjarantsika ny misafidy ny ho eo amin’ny toerana tokony ho izy na tsia mba hahitana ilay fahazavana masina sy ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na dia efa nilatsaka aza ny alina ary toa maizina izao tontolo izao, dia afaka misafidy ny handeha ao amin’ny fahazavan’i Kristy isika sy hitandrina ny didiny ary hijoro ho vavolombelona amin-kerimpo ny amin’ny fisiany sy ny halehibeny.

Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra anao ary amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao, dia mpihazona fahazavana ianao. Tohizo ny fanaovana ireo zavatra izay hampitombo ilay fahazavany masina. “Aingao ambony ny fahazavanareo”13 ary “aoka hazava eo imason’ny olona,” tsy hoe mba hahitany anareo sy hiderany anareo fa “mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any An-danitra.”14

Ry rahalahy malalako, fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo ianareo miaraka amin’ny tanjona hitondra fahazavana sy fahasitranana ho an’ny fanahin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Angamba mety mieritreritra ianao hoe tsy mahay manasitrana ireo izay marary ara-panahy, toy ny tsy fahaizan’ny mpiasan’ny paositra iray mihitsy manampy amin’ny ny arthrite. Mety miatrika olana ara-panahy manokana ianao. Na izany aza, dia niantso anao ny Tompo. Nomeny fahefana sy andraikitra hanampy ireo izay mila fanampiana ianao. Nomeny ny herin’ny fisoronany masina ianao mba hitondra fahazavana ao anatin’ny haizina ka hampitraka sy hitahy ireo zanak’ Andriamanitra. Naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny filazantsarany sarobidy, “izay manasitrana ny fanahy maratra.”15 Efa nomaniny ilay lalana mitondra any amin’ny fahasalamana ara-panahy mba hahazoana fahasitranana amin’ny fihazohazoana, ka hiroso mankany amin’ny fahasalamana ara-panahy tena matanjaka.

Isaky ny mampitodika ny fonareo amin’ Andriamanitra ianareo ao anatin’ny vavaka feno fanetrentena, dia miaina ny fahazavany ianareo. Isaky ny mikatsaka ny teniny sy ny sitrapony ao anatin’ny soratra masina ianareo dia mihamamiratra ilay fahazavana. Isaky ny mahatsikaritra olona iray mila fanampiana ianareo ka mahafoy ny tontolo mampiadana anareo mba hanampy amim-pitiavana dia mivelatra sy mitombo ilay fahazavana. Isaky ny manohitra fakam-panahy ary misafidy ny fahadiovana ianareo, isaky ny mikatsaka na manolotra famelana ianareo, isaky ny mijoro ho vavolombelona amin-kerimpo momba ny fahamarinana ianareo, dia roahin’ny fahazavana ny haizina ary sarihiny ireo olona hafa izay mikatsaka fahazavana sy fahamarinana ihany koa.

Eritrereto ireo zavatra niainanao manokana, sy ireo fotoana nanompoana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona ka namirapiratan’ilay fahazavana masina teo amin’ny fiainanao tany amin’ny tempoly masina, na teo amin’ny latabatry fanasan’ny Tompo, na tao anatin’ny fotoana mangingina nisaintsainana ombam-bavaka, na nandritra ny fanaovana asa fanompoana amin’ny alalan’ny fisoronana. Zarao amin’ny fianakaviana sy ny namana ireo fotoana ireo ary indrindra miaraka amin’ireo zatovonareo izay mikatsaka fahazavana. Mila maheno avy aminareo izy ireo fa avy amin’io fahazavana io dia misy ny fanantenana sy ny fahasitranana, na dia ao amin’ny tontolo feno haizina aza.

Ny fahazavan’i Kristy dia mitondra fanantenana sy fifaliana ary fahasitranan’izay mety ho ratra na aretina ara-panahy.16 Ireo izay miaina izany hery mitarika manadio izany dia lasa fitaovana eo am-pelatanan’ilay Fahazavan’izao tontolo izao mba ho fahazavana ho an’ny hafa.17 Hahatsapa ny zavatra tsapan’i Lamônia mpanjaka izy ireo: “Izany fahazavana izany dia efa nitondra fifaliana lehibe tokoa tao amin’ny fanahiny, rehefa nisava ny rahon’ny fahamaizinana ary ny fahazavan’ny fiainana maharitra mandrakizay no narehitra tao amin’ny fanahiny.”18

Ry rahalahy malalako, ry namako malala, ny zavatra katsahintsika dia ny hitady ny Tompo mandra-piredaredan’ilay fahazavan’ny fiainana maharitra mandrakizainy ao anatintsika sy mandra-pahatongan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ho feno fahatokiana sy tanjaka na dia eo afovoan’ny haizina aza.

Ny vavaka ataoko sy ny tsodrano atolotro dia ny mba hahombiazanareo eo amin’ny fanatanterahanareo ny anjaranareo amin’ny maha-mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra Tsitoha anareo sy ny mba haha-mpihazona ny fahazavany avy any an-danitra feno firavoravoana anareo hatrany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, ilay Tompontsika, amena.