2010–2019
Matoky Azy ve isika? Tsara ny zavatra sarotra
Ôktôbra 2017


Matoky Azy ve isika? Tsara ny zavatra sarotra

Na inona na inona olana dia afaka ny ho tsara ny zavatra sarotra ho an’ireo izay mandroso amim-pinoana sy matoky ny Tompo sy ny drafiny.

Alohan’ny hanombohako, amin’ny maha-solontenantsika rehetra ahy izay nianjadian’ny fandravana nataon’ireo rivo-doza sy horohoron-tany vao haingana, dia maneho fankasitrahana avy amin’ny fo an’ireo Mpanome Tanana rehetra sy ireo mpandrindra ny asa izay nanome fanampiana sy fanantenana ho antsika aho.

Tamin’ny ôktôbra 2006 aho no nanao lahateny voalohany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Tsapako fa ny hafatra iray manan-danja ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao dia ahitana ny fitsipika hoe: “Matoky antsika ny Tompo!”

Matoky antsika marina tokoa amin’ny fomba tena maro Izy. Nomeny antsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary nomeny tamin’ity fotoampitantanana ity ny fahafenoan’izany. Ankininy amim-pitokiana amintsika ny fahefam-pisoronana miaraka amin’ny fanalahidy hampiasana izany araka ny tokony ho izy. Noho io hery io dia afaka mitahy, manompo, mandray ôrdônansy, ary manao fanekempihavanana isika. Ankininy amim-pitokiana amintsika ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, ary tafiditra ao anatin’izany ny tempoly masina. Ankininy amim-pitokiana amin’ireo mpanompony ny hery famehezana, mba hamehezana ety an-tany ka hamehezana izany any an-danitra! Matoky antsika mihitsy aza Izy mba ho ray aman-dreny ety an-tany, mpampianatra, ary mpikarakara ny zanany.

Taorian’izay taona maro nanompoako tamin’ny naha-Manampahefana Ambony ahy izay dia manambara amim-pahatokiana bebe kokoa aza aho hoe: Matoky antsika Izy.

Fa ny fanontaniana mandritra ity fihaonambe ity dia ny hoe: “Matoky Azy ve isika?”

Matoky Azy ve isika?

Mampahatsiahy antsika matetika ny Filoha Thomas S. Monson mba “hatoky an’i Jehovah amin’ny fonareo rehetra ary tsy miankina amin’ny fahalalanareo.

“Maneke Azy amin’ny alehana[re]o rehetra, Fa Izy handamina ny làlana[re]o.

“Aza manao ana[re]o ho hendry” (Ohabolana 3:5–7).

Matoky ve isika fa natao hahasoa antsika ny didiny? Matoky ireo mpitarika nofidiny, na dia tsy tanteraka aza, mba hitarika antsika tsara ve isika? Matoky ve isika fa azo antoka ny fampanantenany? Matoky ve isika fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra antsika sy maniry ny hanampy antsika? Na dia ao anatin’ny fitsapana, olana, fahoriana, ary fotoan-tsarotra aza, mbola matoky Azy ve isika?

Rehefa nanao jery todika ny fiainako aho dia nianatra ny sasany tamin’ireo lesona tsara indrindra nandritra ireo fotoan-tsarotra, na tamin’ny fahatanorako izany, na tany amin’ny asa fitoriana, na rehefa nanomboka asa vaovao, na rehefa niezaka nilofo tamin’ireoantsoko, na rehefa nikarakara ireo zanako maro, na rehefa sahirana tamin’ny fizakan-tena. Hitako mazava fa tsara ny zavatra sarotra!

Tsara ny zavatra sarotra

Ny zavatra sarotra dia mahatonga antsika ho matanja-tsaina kokoa, mampanetry tena antsika, ary manome antsika fahafahana hampiseho ny maha-izy antsika. Ireo mpamaky lay malalantsika izay nitondra sarety entin-tanana dia lasa nahafantatra an’ Andriamanitra nandritra ny fotoana faran’izay sarotra indrindra niainany. Nahoana no toko anankiroa no nilaina mba hahazoan’i Nefia sy ireo rahalahiny ny takela-barahina nefa andininy telo monja no nandresena lahatra ny fianakavian’i Ismaela mba hiara-honina amin’izy ireo tany an-tany foana? (jereo ny 1 Nefia 34; 7:3–5). Hita fa tian’ny Tompo ny hampatanjaka an’i Nefia tamin’ny alalan’ny fahasahiranana teo amin’ny fahazoana ireo takelaka.

Tsy tokony hahagaga antsika ny fisian’ny zavatra sarotra amin’ny fiainana. Anisan’ny fanekempihavanana voalohandohany ataontsika amin’ny Tompo ny lalàn’ny fahafoizan-tena. Raha ny famaritana azy dia tafiditra ao anatin’ny fahafoizan-tena ny fahafoizana zavatra irina. Rehefa mahazo traikefa isika dia tonga saina fa kely ny zavatra hafoy raha oharina amin’ny fitahiana mirotsaka avy eo. Teo ambany fitarihan’i Joseph Smith dia nolazaina fa: “Ny fivavahana izay tsy mitaky fahafoizana ny zava-drehetra dia tsy manana hery ampy velively hiteraka ny finoana ilaina ho amin’ny fiainana sy ny famonjena.”1

Tsy zava-baovao amin’ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra ny zavatra sarotra. Andriamanitra Ray dia nahafoy ny Zanany Lahitokana mba hiaritra ny fijaliana mahatsiravin’ny Sorompanavotana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny fanomboana tamin’ny hazofijaliana. Milaza ny soratra masina fa i Jesoa dia nianatra “fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny” (Hebreo 5:8). Niaritra an-tsitrapo ny fijaliana lehibe tamin’ny Sorompanavotana Izy. Tena manana faharetana ny Fanahy Masina mibitsika sy mampitandrina, ary mitarika antsika, nefa indraindray Izy avy eo dia tsy raharahina, na adika vilana izay lazainy, na hadinoana.

Ampahan’ilay drafitra

Ampahan’ny drafitry ny filazantsara ny zavatra sarotra. Anisan’ny tanjon’ity fiainana ity ny fizahana toetra (jereo ny Abrahama 3:25). Ankoatra ny vahoakan’i Almà dia an-kavitsiana no nijaly kokoa nefa tsy mendrika izany. Nitsoaka an’i Noà Mpanjaka ratsy fanahy izy ireo nefa dia lasa andevon’ny Lamanita avy eo! Tamin’ny alalan’ireo fitsapana ireo no nampianaran’ny Tompo azy ireo fa manafay ny olony sy mizaha-toetra “ny faharetany sy ny finoany” Izy (jereo ny Môsià 23:21

Nandritra ireo andro nahatsiravina tao amin’ny fonjan’i Liberty dia nampianatra an’i Joseph Smith ny Tompo mba “[hiaritra] tsara” (F&F 121:8) ary nampanantena Izy fa raha manao izany i Joseph, “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany” (F&F 122:7).

Niangavy antsika ny Filoha Monson hoe: “Enga anie isika hisafidy hatrany ny tsara izay mety ho sarotra atao kokoa toy izay ilay ratsy izay mety ho mora atao kokoa.”2 Raha ny tempolintsika no resahina dia nilaza izy hoe: “Tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahian[’ny tempoly] ireo.”3

Eo amin’ny tontolon’ny zava-boahary dia ampahany amin’ny lalam-piainana ny zavatra sarotra. Sarotra ho an’ny akohokely ny mivoaka miala ao amin’ny akoran’atody misy azy. Fa rehefa misy olona manao izay hahamora kokoa izany anefa dia tsy afaka mampitombo ny tanjaka ilainy amin’ny fiainany ilay akohokely. Torak’izany koa, ny fahasahiranan’ny lolo hivoaka ny akoran-dandy dia mampatanjaka azy ho amin’ny fiainany ho avy.

Amin’ny alalan’ireo ohatra ireo dia hitantsika fa ny zavatra sarotra dia zavatra iainan’ny rehetra! Manana olana avokoa isika rehetra. Ny zavatra afaka miova no hasetrintsika ny zavatra sarotra.

Nisy fotoana ny vahoaka sasany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nizaka “fanenjehana lehibe” sy “fahoriana be” (Helamàna 3:34). Inona no fihetsika nasehon’izy ireo? “Nifady hanina sy nivavaka matetika izy, ary nihanahery kokoa hatrany hatrany tao amin’ny fietreny sy nihamafy kokoa hatrany hatrany tao amin’ny finoana an’i Kristy, hany ka heniky ny fifaliana sy ny fiononana ny fanahiny” (Helamàna 3:35). Nisy ohatra iray hafa niseho taorian’ny taona maro nanjakan’ny ady: “Noho ny faharetan’ny ady izaitsizy tokoa teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita, dia maro no efa nanjary nihamafy fo …; ary maro no efa nihanalefaka noho ny fahoriany, hany ka nanetry ny tenany teo anoloan’ Andriamanitra izy” (Almà 62:41).

Samy misafidy ny zavatra ataontsika manoloana ny zavatra sarotra isika.

Mitandrema amin’ny zavatra mora atao

Talohan’ity antsoko ity dia mpanoro hevitra ara-bola tany Houston, Texas aho. Ny ankamaroan’ny asako dia niarahana tamin’ny olona manam-bola an-tapitrisany maro izay nanana ny orinasan’izy ireo manokana. Ny ankamaroan’izy rehetra dia nanangana ny orinasa mahombin’izy ireo niainga avy tamin’ny tsy misy tamin’ny alalan’ny asa mafy. Ny zavatra nampalahelo ahy indrindra dia ny naheno ny sasany tamin’izy ireo nilaza fa tiany hamoraina kokoa ny fiainan’ireo zanany. Tsy tiany hijaly tahaka azy ireo ny zanany. Izany hoe hosakanan’izy ireo ny zanany tsy hiaina ilay zavatra izay nahatonga azy ireo nahomby.

Mahafantatra fianakaviana iray anefa izahay izay nampiasa paikady hafa. Nahita hevitra avy amin’ny zavatra niainan’i J. C. Penney ireo ray aman-dreny. Ny rain’izy io dia nilaza taminy rehefa feno valo taona izy fa efa tompon’andraikitra manokana amin’ny fiainany ara-bola izy. Nanana ny fomba fanaony manokana ireo ray aman-dreny: rehefa nahavita ny fianarana tany amin’ny lisea ny zanaka tsirairay dia tompon’andraikitra manokana tamin’ny fiainany ara-bola, mba hanohizana fianarana (oniversite, fianarana amin’ny ambaratonga ambony, sns.) ary mba hianarany mitantana ny volany (mba ho tena mahaleo tena) (jereo ny F&F 83:4 Soa ihany fa nampiseho fahendrena ireo zanaka. Nahavita fianarana tany amin’ny oniversite avokoa izy rehetra, ary ny sasany amin’izy ireo dia lasa lavitra kokoa, nefa tsy nampiana. Tsy mora izany nefa vitan’izy ireo. Nahavita izany tamin’ny alalan’ny asa mafy sy ny finoana izy ireo.

Finoana mba hatoky Azy

Tsaratsara kokoa ny mametraka ilay fanontaniana hoe: “matoky Azy ve isika?” amin’ny alalan’ny hoe: “manana finoana mba hatoky Azy ve isika?”

Manana finoana mba hatoky ny fampanantenany momba ny fahafolonkarena ve isika fa metimety kokoa ny fiainantsika miaraka amin’ny 90 isan-jaton’ny vola miditra amintsika miampy ny fanampian’ny Tompo toy izay miaraka amin’ny 100 isan-jaton’ny vola miditra amintsika isan-taona ary miady irery isika?

Manana finoana ampy hatokiana Azy ve isika, fa hamangy antsika ao anatin’ny fahoriantsika Izy (jereo ny Môsià 24:14), fa hiady amin’ireo izay miady amintsika Izy (jereo ny Isaia 49:25; 2 Nefia 6:17), ary hanokana ny fahoriantsika ho tombontsoantsika Izy? (jereo ny 2 Nefia 2:2).

Hampiasa finoana ilaina mba hitandremana ny didiny ve isika mba hahafahany mitahy antsika sady ara-nofo no ara-panahy? Ary hanohy ho mahatoky hatramin’ny farany ve isika mba hahafahany mandray antsika eo anatrehany? (Jereo ny Môsià 2:41).

Ry rahalahy sy anabavy, afaka manana ny finoana mba hatoky Azy isika! Tiany hahazo izay mahasoa antsika indrindra isika (jereo ny Mosesy 1:39). Hamaly ny vavaka ataontsika Izy (jereo ny F&F 112:10). Hitazona ny fampanantenany Izy (jereo ny F&F 1:38). Manana ny hery mba hahatanteraka ireo fampanantenany ireo Izy (jereo ny Almà 37:16). Mahafantatra ny zava-drehetra Izy! Ary ny tena manan-danja indrindra, dia mahafantatra ny tsara indrindra Izy (jereo ny Isaia 55:8–9).

Tontolo mampidi-doza

Sarotra ny miaina ao amin’ny tontolontsika ankehitriny. Mirongatra hatrany ny ratsy, ahitana kolikoly ny firenena rehetra, ny asa fampihorohoroana dia tonga hatrany amin’ireo toerana azo antoka mihitsy aza, mitotongana ny toe-karena, ny tsy fananana asa, ny aretina, ny loza voajanahary, ny ady an-trano, ny mpitondra mpanao didy jadona, sy ny sisa. Inona no tokony hataontsika? Handositra ve isika sa hiady? Iza amin’ireo no mety? Samy mampidi-doza ireo safidy ireo. Nampidi-doza an’i George Washington sy ny miaramilany ny niady nefa nampidi-doza an’ireo mpamaky lay razambetsika ihany koa ny nandositra. Nampidi-doza an’i Nelson Mandela ny fitolomana ho an’ny fahalalahana. Voalaza fa ny tsy fanaovan’ny olo-marina zavatra fotsiny dia hahatonga ny fandresen’ny olon-dratsy.4

Aza matahotra!

Na inona na inona ataontsika dia tsy tokony hanapan-kevitra, na hanao zavatra noho ny tahotra isika. Marina tokoa fa “Tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika” (2 Timoty 1:7). (Hitanao ve fa ny hoe “aza matahotra” dia antitranterina tokoa ao anatin’ny soratra masina?) Nampianatra ahy ny Tompo fa ny fahakiviana sy ny tahotra dia fitaovan’ny fahavalo. Ny vahaolana omen’ny Tompo hiatrehana ny fotoan-tsarotra dia ny mandroso amim-pinoana.

Inona no atao hoe zavatra sarotra?

Mety samy hanana ny heviny momba ny atao hoe sarotra isika tsirairay avy. Ny olona sasany dia mahita fa sarotra ny mandoa fahafolonkarena rehefa teritery ny ara-bola. Matetika ireo mpitarika dia mahatsapa fa sarotra ny manantena ny mahantra handoa fahafolonkarena. Mety ho sarotra amin’ny sasany amintsika ny mandroso amim-pinoana mba hanambady na hanorina fianakaviana. Misy ireo izay mahita fa sarotra ny “[mi]faly amin’ny zavatra izay efa nozarain’ny Tompo ho [azy]” (Almà 29:3). Mety ho sarotra ny hifaly amin’ny antso ananantsika amin’izao fotoana izao (jereo ny Almà 29:6). Mety ho tena sarotra ny fitsipi-pifehezana ato amin’ny Fiangonana, nefa ho an’ny olona sasany dia manamarika ny fiantombohan’ny dingan’ny fibebahana tena izy izany.

Na inona na inona olana dia afaka ny ho tsara ny zavatra sarotra ho an’ireo izay mandroso amim-pinoana sy matoky ny Tompo sy ny drafiny.

Ny fijoroako ho vavolombelona

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa ireo mpitarika mipetraka ato aoriako ireo dia nantsoin’ Andriamanitra. Ny fanirian’izy ireo dia ny hanompo tsara ny Tompo ary hanampy antsika hanorina ny filazantsara ao am-pontsika. Tiako izy ireo ary manohana azy ireo aho.

Tiako i Jesoa Kristy Mpamonjintsika. Mitolagaga aho fa tena tiany ny Ray sy isika ka lasa Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy, ary noho izany dia nila nijaly Izy ka nahatonga Azy “hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy” (F&F 19:18). Saingy rehefa niatrika izany zavatra mahatsiravina izany sy ny naha-tena nilaina izany Izy dia nanambara tamin’ny Ray hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao” (Lioka 22:42). Miravoravo amin’ny tenin’ilay anjely aho hoe: “Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Matio 28:6).

Marina tokoa fa ny ohatra napetrany no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Amin’ny alalan’ny fanarahana izany ohatra izany ihany no hahafahantsika mahita “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” (F&F 59:23). Rehefa nanaraka ny ohatra nasehony sy nampihatra ny fampianarany aho, dia nianatra manokana fa marina ny tsirairay amin’ireo “teny fikasa[ny] sady soa no lehibe indrindra” (2 Petera 1:4).

Ny faniriako lehibe indrindra dia ny hijoro miaraka amin’i Môrmôna ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina (jereo ny 3 Nefia 5:13) ary hahare avy amin’ny molony hoe: “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky” (Matio 25:21). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Lectures on Faith (1985), 69.

  2. Thomas S. Monson, “Ireo safidy,” Liahona, mey 2016, 86.

  3. Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina— Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, mey 2011, 92.

  4. Jereo ny John Stuart Mill, Inaugural Address: Delivered to the University of St. Andrews, feb. 1, 1867 (1867), 36.