2010–2019
Ireo fahamarinana manan-danja, ny tokony hanaovantsika asa
Ôktôbra 2017


Ireo fahamarinana manan-danja, ny tokony hanaovantsika asa

Ny fahitana voalohany sy ny Mpampinany Joseph Smith dia nitondra fahalalana sy fahamarinana izay tena ilaina amin’ny fahasambarantsika mandritra ity fiainana ity sy amin’ny fisandratantsika.

Fony aho teo amin’ny fito taona teo ho eo, dia nanontany ny reniko aho hoe: “Rehefa maty izaho sy ianao ka mankany an-danitra, dia mbola ho reniko foana ve ianao?” Tsy nampoiziny ny fanontaniana toy izany. Kanefa hoy izy namaly araka izay fahalalana tsara indrindra nananany: “Tsia, any an-danitra isika dia ho lasa mpianadahy. Tsy ho reninao aho.” Tsy izay ilay valiny nantenaiko.

Fotoana vitsivitsy taorian’io resaka fohy io dia nisy zatovolahy roa tonga teo amin’ny vavahadin’ny tranonay. Somary nahagaga fa navelan’ny raiko hiditra izy ireo. Nilaza izy ireo fa misiônera avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ireo Elder ireo, izany moa no fiantsoana azy araka ny nianaranay, dia nanomboka nampianatra ny fianakavianay. Tsaroako tsara ny fahatsapana fifaliana sy fibitabitahana nanananay isaky ny mankany an-tranonay izy ireo. Nolazain’izy ireo taminay fa nisy zatovolahy iray nankany amin’ny alakely iray mba hanontany an’ Andriamanitra hoe iza no fiangonana marina dia nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy izy.1 Nampiseho anay ny sary maneho izany fahitana izany ireo Elder, ary rehefa nahita izany aho, dia nahafantatra fa nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy tokoa i Joseph Smith. Nilaza ireo misiônera fa noho io fahitana io dia tafaverina etỳ an-tany indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.2

Sary
Ny Fahitana voalohany

Nampianatra anay ny drafitry ny fahasambarana nataon’ Andriamanitra ihany koa ireo misiônera ary namaly ireo fanontanian’ny fianakavianay momba ny fivavahana. Nampianatra anay izy ireo fa ny fianakaviana dia tena afaka ny hiaraka marina tokoa aorian’ity fiainana ity amin’ny maha-ray sy reny sy zanakalahy ary zanakavavy azy ireo.

Natao batisa ny fianakavianay. Nisy fotoana ny lalana mankany amin’ny fanovana ireo fahazarana taloha, sy ny famoizana ny fombafombanay ary ny fahatongavanay ho mpikambana mazoto tao amin’ny Fiangonana dia sarotra. Kanefa nohon’ny famindrampo sy ny fitiavan’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fanampian’ny mpitarika sy mpikambana maro, dia vitanay izany nandritra ireo taona voalohany izay feno fanamby.

Olona an-tapitrisany maro izay efa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, sy ireo maro izay miova fo sy atao batisa isan-kerinandro, no nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahitana voalohany. Afaka mamerimberina io tenivavolombelona io amintsika tsirairay avy ny Fanahy Masina rehefa milofo hiaina ireo fahamarinana tsotran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

Ny fahitana voalohany sy ny Mpampinany Joseph Smith dia nitondra fahalalana sy fahamarinana fanampiny izay tena ilaina amin’ny fahasambarantsika mandritra ity fiainana ity sy amin’ny fisandratantsika ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Hiresaka ny anankitelo amin’ireo fahamarinana izay azontsika sy tokony hiasantsika noho ilay tovolahy iray izay nandohalika nivavaka an-kitsim-po aho.

Miantso mpaminany Andriamanitra mba hitarika sy hanoro lalana antsika

Fahamarinana iray manan-danja ianarantsika avy amin’ny fahitana foalohany sy ny Mpaminany Joseph Smith ny hoe miantso mpaminany3 sy mpahita ary mpanambara Andriamanitra mba hampianatra sy hanoro lalana sy hampitandrina ary hitarika antsika.4 Ireo lehilahy masina ireo dia mpitondratenin’ Andriamanitra etỳ an-tany,5 izay manana ny fahefana hiteny sy hanao asa amin’ny anaran’ny Tompo.6 Amin’ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny torohevitr’ izy ireo, dia ho voaro isika ka handray ireo fitahiana soa indrindra mandritra ny diantsika etỳ an-tany.

Fony aho nianatra tao amin’ny Oniversite Brigham Young raha mbola misiônera avy nanompo, tokantena, dia nanatrika fivorian’ny fisoronana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tao amin’ny Tabernakely eo amin’ny Temple Square. Ny Filoha Ezra Taft Benson, izay Filohan’ny Fiangonana tamin’izany, dia nanainga ireo misiônera avy nanompo rehetra mba handray ny fanambadiana ho tena matotra ary hanao izany ho lohalaharana amin’ity fiainana ity.7 Taorian’ilay fivoriana, dia nahafantatra aho fa nantsoina mba hibebaka ary nila nanao asa mifanaraka ny torohevitry ny mpaminany.

Noho izany dia nanapaka hevitra aho ny ho any Brésil, izay tany niaviako, mba hitady vady. Talohan’ny niaingako hankany Brésil hanao asa fiofanana mandritra ny roa volana, dia niantso an-taribỳ ny mamako sy ny namako vitsivitsy aho ka namorona lisitra nisy zatovovavy folo teo ho eo, izay mety halaina ho vady ny tsirairay amin’izy ireo.

Rehefa tany Brésil, taorian’ny fisaintsainana lalina sy vavaka maro dia nihaona tamin’ny iray amin’ireo zatovovavy tao amin’ilay lisitra aho, dia niarakaraka teny izahay ary nampakatra azy ho fofombadiko sy nametraka daty hanambadiana azy aho. Ho an’ny mpianatra tao Provo, Utah dia tsy zava-mahatalanjona ahazoana amboara ny fe-potoana niarahako tamin’ olona sy nampakarako azy ho fofombady, saingy tena fohy izany raha ny fenitra nisy tany Brésil.

Volana vitsy tatỳ aoriana, dia nanambady an’i Elaine aho. Izy no ilay olon-tiako eo amin’ny fiainako sy fitahiana soa tokoa.

Tsy manoro hevitra aho hoe tokony hanao lisitra mitovy amin’izany ny rehetra, saingy manoro hevitra kosa aho, ary mety hoe mihoatra noho ny manoro hevitra, fa tokony hanao asa foana isika rehefa miteny ny mpaminany velona.

Sary
Sarin’ny Filoha Thomas S. Monson

Ny mpaminanin’ Andriamanitra ankehitriny dia ny Filoha Thomas S. Monson, ary hotahiana isika amin’ny fanarahana ny toroheviny amin’ny an-tsakany sy an-davany.

Ny fahafantarana ny tena toetran’ Andriamanitra marina

Ny fahamarinana iray hafa ianarantsika noho ny fahitana voalohany sy ny mpaminany Joseph Smith dia ny tena toetran’ Andriamanitra marina. Alaivo sary an-tsaina fotsiny hoe akory ny hasambarantsika amin’ny fahafantarana fa Andriamanitra dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny antsika,8 ary isika dia afaka mivavaka amin’ Andriamanitra izay tena misy sy azontsika takarina, izay naneho ny Tenany sy ny Zananilahy tamin’ireo mpaminaniny, na ny mpaminany taloha na ny mpaminany amin’ny andro farany izany.9 Izy dia Andriamanitra izay mandre sy mamaly ireo vavaka ataontsika;10 Andriamanitra izay mibanjina antsika avy ao an-danitra ambony ao11 ary Izy dia tsy mitsahatra ny miahiahy ny amin’izay mahatsara ara-panahy sy ara-batana antsika; Andriamanitra izay nanome antsika fahafahana hanao safidy ho an’ny tenantsika mba hanaraka Azy sy hankatò ireo didiny tsy misy faneriterena Izy;12 Andriamanitra izay manome antsika fitahiana sy mamela antsika hiatrika fitsapana mba hahafahantsika mivoatra ka ho lasa tahaka Azy.

Izy dia Andriamanitra feno fitiavana izay nanome drafitra izay amin’ny alalan’izany no hahazoantsika fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.

I Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika

Avy amin’ny fahitana voalohany sy ny Mpaminany Joseph Smith, isika dia nandray fahalalana momba ny tena fisian’i Jesoa Kristy Tompo, izay vatofehizoron’ny fivavahantsika, sy ny asa masina nanirahana Azy.

Satria ny fahafatesana dia nampidirina teo amin’izao tontolo izao, tahaka ny maha-azo antoka ny fahavelomantsika amin’izao, dia ho faty isika rehetra indray andro any. Iray amin’ireo vokatra ateraky ny fahafatesana ny fahaverezan’ny vatantsika ara-nofo; ary tsy afaka ny hanao na inona na inona isika hitakiana azy. Fanampin’izany, satria isika rehetra dia manota mandritra ny diantsika etỳ an-tany, dia tsy ho afaka ny hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra na oviana na oviana isika.

Azonao alaina sary an-tsaina ve ireo vokatry ny hoe tsy eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny hoe tsy manana vatana intsony mandrakizay?

Nilaina ny Mpamonjy sy Mpanavotra mba hanafaka antsika amin’ny fahafatesana sy ny fahotana. Teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra, dia tonga tetỳ an-tany i Jesoa Kristy, nijaly sy maty teo amin’ny hazo fijaliana Izy ary nitsangana tamin’ny maty mba hahafahantsika koa hitsangana amin’ny maty sy ho eo anatrehan’ Andriamanitra indray raha mibebaka marina ary manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina.

Nanazava i Jakôba hoe: “Ô endrey ny halehiben’ny hatsaram-pon’ny Andriamanitsika izay manomana lalana mba hialantsika amin’ny fihazonan’io biby mahatsiravina io; eny, ilay biby, fahafatesana sy helo izay antsoiko hoe ny fahafatesan’ny vatana, ary koa ny fahafatesan’ny fanahy.”13

Sary
I Jesoa sy i Maria teo am-pasana

Jesoa no ilay Mesia nampanantenaina, ilay Mpanome ny lalàna, ilay Iray Masin’ny Isiraely, Tompontsika, Mpamonjy antsika, Mpanavotra antsika, Mpanjakantsika, Zava-drehetra amintsika.

Enga anie isika hanohy hanao asa araka ireo fahamarinana sy fahalalana manan-danja ireo, sady manolotra ny fankatoavantsika an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny Malala. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.