2010–2019
Moa efa nitsahatra va ny andron’ny fahagagana?
Ôktôbra 2017


Moa efa nitsahatra va ny andron’ny fahagagana?

Ny fifantohantsika faratampony dia tokony ho amin’ireo fahagagana ara-panahy izay mety ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Herin-taona lasa izay raha namita iraka tany Californie aho dia niaraka tamina filohan’ny tsatòka iray hamangy an’i Clark sy i Holly Fales miaraka amin’ny fianakaviany tao an-tranony. Nolazaina aho fa niaina fahagagana izy ireo vao tsy ela. Tamin’ny nahatongavanay tao dia sahirana i Clark ny hitsangana sy hiarahaba anay satria nisy fitaovana fiarovana ny taolana tapaka tsy hihetsika teny amin’ny lamosiny sy ny tendany ary ny tanany.

Vao roa volana talohan’izay i Clark sy i Ty zanany lahy ary zatovolahy hafa niisa teo amin’ny 30 teo niaraka tamin’ny mpitarika dia nandeha nivoaka nanao fitsangatsanganana lehibe, hananika ny tendrombohitra Shasta, iray amin’ireo tendrombohita avo indrindra tao Californie izay nanana haavo 4.322 metatra. Tamin’ny andro faharoa niakarana mafy dia tonga teny an-tampony ireo mpananika, zava-bita tena nahafinaritra noho ny fiomanana nandritra ny volana maro.

Iray tamin’ireo olona tafanika voalohany teny amin’ilay tampony tamin’io andro io i Clark. Rehefa avy niala sasatra kely teo amoron’ilay tampony izy dia nitsangana ary nanomboka nandeha. Raha nanao izany izy dia voafingana ary nianjera nankany aoriana teo amoron’ny hantsana iray ary dia latsaka efa ho 12 m, avy eo dia tsy nahafehy ny tenany ka lavo nitsontsorika indray tamin’ny havoana misy ranomandry efa ho 90 m teo ny haavony. Nahavariana fa tafavoaka velona i Clark saingy naratra mafy sady tsy afaka nihetsika izy.

Vao nanomboka fotsiny tamin’izay ny fahagagana niainan’i Clark tamin’io tranga nampivarahontsana io. Ny sasany tamin’ny olona voalohany tonga teo aminy dia mba “sendra” andian’olona mpihanika izay nahitana mpamonjy voina an-tendrombohitra sy manampahaizana ara-pahasalamana momba vonjy aina. Nokarakarain’izy ireo avy hatrany i Clark noho ny dona nahazo ary nomeny fitaovana hihazonana azy ho mafana. Ity vondrona ity koa dia “sendra” nanandrana fitaovam-pifandraisana vaovao ary nandefa fangatahana fanampiana maika tamin’ny toerana izay tsy nisy tambazotra ho an’ny finday. Nisy helikôptera kely avy hatrany nalefa nankany amin’ilay Tendrombohitra Shasta, adiny iray niala teo. Rehefa avy nanao andrana indroa izay nampidi-doza nefa tsy nahomby hihidina teo amin’ny haavo izay tsy vitan’ilay helikôptera, sady niady tamin’ny rivotra mahery, ilay mpanamory dia nanao andrana fahatelo sady farany. Rehefa nanatona avy tamin’ny lalana hafa ilay helikôptera no “sendra” niova ilay rivotra izay nahafahan’ilay helikôptera hipetraka nandritra ny fotoana naharitra nahafahan’ilay vondrona namehy an’i Clark haingana tamin-kasarotana teo amin’ilay toerana kely taorian’ny sezan’ilay mpanamory.

Rehefa nojerena izy tany amin’ny ivontoeram-pitsaboana ny ratra lehibe dia nambara fa nisy fahatapahana maro ny taolana tamin’ny tendany, ny lamosiny, ny tehezany ary ny tanany; trobaka ny havokavony ary nisy fahatapahana sy ratra maro. Nisy dokotera mpandidy fanta-daza manam-pahaizana momba ny faharatran’ny atidoha sy ny taovam-pahatsapana “sendra” niasa tamin’io andro io. Imbitsyisan-taona ihany izy no ao amin’io hôpitaly io. Nilaza io dokotera io taty aoriana fa tsy mbola nahita mihitsy olona niharan’ny fahavoazana be tamin’ny tsokany sy ireo lalandrà mankany amin’ny atidohany ka velona. Tsy hoe velona fotsiny ihany i Clark fa mbola afaka niverina niasa tsara daholo ny vatany manontolo. Raha nilaza ny tenany ho olona tsy mino ny fisian’ Andriamanitra ilay mpandidy dia nilaza izy fa ny momba an’i Clark dia nifanohitra tamin’ny zavatra ara-tsiansa rehetra nianarany momba ny faharatrana amin’ny taovam-pahatsapana ary tsy misy azo hamaritana izany afa-tsy hoe fahagagana.

Rehefa avy nitantara io tantara lehibe io i Clark sy i Holly dia hitako fa sarotra lazaina izany. Tsy noho ireo fahagagana mibaribary niseho fa noho ny antony iray lehibe hafa. Nanana fahatsapana lalina aho, tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy, fa i Holly sy ireo zanany dimy mahafinaritra izay nipetraka tao amin’ilay efitrano fandraisam-bahiny nanodidina ny ray aman-dreniny dia nanana finoana lehibe ka afaka nanaiky izay fiafarany mety ho nitranga tamin’io andro io ka mbola ho niroborobo ara-panahy ihany. Miaraka amintsika ato amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana izao i Ty sy i Porter zanak’i Clark sy i Holly roa zokiny indrindra.

Rehefa nandinika ny zavatra niainan’ny fianakaviana Fales aho dia nieritreritra betsaka momba ny zavatra iainan’ny olona maro hafa. Ahoana ny momba ireo Olomasin’ny Andro Farany tsy tambo isaina izay feno finoana, nandray tsodranon’ny fisoronana, nivavahana foana, nitandrina fanekempihavanana, feno fanantenana nefa tsy nety tonga ny fahagagana nilainy? Farafahakeliny mba ny fomba fahatakarany ny atao hoe fahagagana. Farafahakeliny mba ny fomba nahazoan’ny sasany fahagagana.

Ahoana izany ny momba ireo izay mijaly noho ny fahoriana, ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetsehampo, nandritra ny taona maro na am-polo taona maro na nandritra ny fiainany manontolo? Ahoana izany ny momba ireo izay maty mbola tanora be?

Vao roa volana lasa izay dia nisy mpivady mpihazona ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly anankiroa, izay manana zanaka anankitelo manompo amin’ny fotoana feno sy zanaka dimy eo anelanelan’izy ireo, niondrana tao amina fiaramanidina kely handray zotram-piaramanidina fohy. Azoko antoka fa nivavaka izy ireo mba ho voaro talohan’ilay dia ary nivavaka mafy rehefa nanana olana ara-mekanika goavana ilay fiaramanidina talohan’ny nianjerany. Tsy nisy tafavoaka velona tamin’izay. Ahoana izany ny momba azy ireo?

Rariny ve raha ny olona tsara sy ny olona tiany no hametraka ilay fanontaniana napetrak’i Môrmôna manao hoe: “Moa efa nitsahatra va ny andron’ny fahagagana?”1

Ny fahalalako voafetra dia tsy afaka hanazava hoe nahoana Andriamanitra no miditra an-tsehatra ary amin’ny fotoana hafa tsia. Fa angamba isika no tsy mahatakatra ny atao hoe fahagagana.

Matetika isika dia manoritra ny fahagagana ho fahasitranana tsy voazavan’ny fitsaboana ara-tsiansa na fisorohana ny loza voajanahary tamin’ny fanarahana bitsika mazava. Kanefa ny famaritana ny fahagagana ho “zava-nitranga niteraka tombontsoa iray nentina avy tamin’ny hery masina izay tsy takatry ny olombelona ary tsy azony alain-tahaka”2 dia manome antsika fomba fijery mivelatra kokoa mankany amin’ny zavatra maharitra mandrakizay. Io famaritana io ihany koa dia manome fahafahana antsika handinika tsara ny anjara asa lehibe sahanin’ny finoana amin’ny fandraisana fahagagana.

Nampianatra i Môrônia hoe: “Tsy nisy na iza na iza, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona, nahavita fahagagana raha tsy taorian’ny ninoany.”3 Nanambara i Amôna hoe: “Andriamanitra dia [namatsy] fitaovana, izay hahazoan’ny olona manao fahagagana mahery amin’ny alalan’ny finoana”4 Hoy ny nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith: “Fa Izaho no Andriamanitra, … ary haneho fahagagana … amin’ ireo rehetra izay mino ny anarako Aho.”5

Nangataka an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego i Nebokadnezara mpanjaka mba hivavaka amin’ny sary volamena nataony, sady nandrahoana nanao hoe: “Raha tsy mety mivavaka kosa hianareo, dia hatsipy … ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.” Avy eo dia naneso azy ireo izy hoe: “Iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany?”6

Hoy ireto mpianatra anankitelo be zotompo ireto: “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra. … Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay.”7

Nanana fahatokiana tanteraka izy ireo fa afaka manavotra azy ireo Andriamanitra, “ary na dia tsy izany aza” dia nanana finoana feno ny drafiny izy ireo.

Mitovitovy amin’izany, indray mandeha dia nanontany zatovolahy iray izay nangataka tsodranon’ny fisoronana ny Loholona David A. Bednar nanao hoe: “Raha sitrapon’ny Raintsika any An-daintra ny hamindrana anao any amin’ny tontolon’ny fanahy amin’ny alalan’ny fahafatesana amin’ny fahatanoranao mba hanohy ny fanompoanao, manana ny finoana hanaraka ny sitrapony ve ianao dia tsy ho sitrana?8 Manana finoana ve isika ka “tsy ho sitrana” amin’ireo fahoriana an-tany fa ho sitrana mandrakizay?

Ny fanontaniana iray tokony halalinina dia hoe: “Amin’iza no ametrahantsika ny finoantsika?” Moa ve ny finoantsika mifantoka fotsiny amin’ny fitadiavana fanasitranana ny rofy sy ny fahoriantsika, sa ve izany mifototra mafy amin’ Andriamanitra Ray sy ny drafiny masina ary i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany? Ny finoana ny Ray sy ny Zanaka dia mamela antsika hahatakatra sy hanaiky ny sitrapon’Izy Ireo rehefa miomana ho amin’ny mandrakizay isika.

Anio aho dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahagagana. Ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika dia fahagagana.9 Ny fandraisana vatana araka ny endriny dia fahagagana.10 Ny fanomezana Mpamonjy iray dia fahagagana.11 Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia fahagagana.12 Ny fahafahana mahazo ny fiainana mandrakizay dia fahagagana.13

Na dia tsara aza ny mivavaka sy ny manao zavatra mba hahazo fiarovana ara-batana sy ho sitrana mandritra ny fisiantsika eto an-tany, ny fifantohantsika faratampony dia tokony ho amin’ireo fahagagana ara-panahy izay mety ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.Na inona na inona firazanantsika, na aiza na aiza firenena niaviantsika, na inona na inona zavatra nataontsika ka efa nibebahantsika, na inona na inona zavatra efa nataontsika tamin’ny tenantsika, dia samy manana fahafahana mitovy hahazo ireo fahagagana ireo isika rehetra Isika dia fahagagana velona, ary mbola misy fahagagana miandry antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.