2010–2019
Ny fon’ilay mpitondratena
Ôktôbra 2017


Ny fon’ilay mpitondratena

Handeha isika hanao izay ilaina atao mba hananana ny fon’ilay mpitondratena, hifaly marina tokoa amin’ireo fitahiana izay hameno ny “zavatra ilaina” vokatr’izany.

Fitahiana lehibe ho ahy ny nanompo teo anivon’ireo Olomasina ao amin’ny Pasifika tamin’ny ankabetsahan’ny fotoana naha-olon-dehibe ahy. Ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahafoizan-tena mahatalanjona ananan’ireo Olomasina be fanolorantena ireo dia mahatonga ahy ho feno aingam-panahy sy fankasitrahana ary fifaliana. Toy ny anareo ny tantaran’izy ireo.

Nanana eritreritra aho fa ireo Olomasina ireo dia nisy nitovizana be tamin’ilay mpitondratena izay nodinihin’ny Mpamonjy raha “nipetraka … tandrifin’ ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy; ary maro ny mpanan-karena nandatsaka be tao.

“Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo ka nandatsaka farantsakely roa ankevitry ny variroaventy avy. …

“Ary Jesoa niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra:

“Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany dia ny fivelomany rehetra.”1

Na dia anjara biriky kely dia kely aza ireo farantsakely roa nomeny, ho an’ny Mpamonjy dia tena sarobidy tokoa ny fanomezana nomeny, satria nanome ny zavatra rehetra izy. Tamin’izay fotoana izay dia nahafantatra tanteraka ilay mpitondratena ny Mpamonjy, satria nampiseho ny fony Taminy ny fanomezana nomeny. Toy izany ny hatsarana sy ny halalin’ny fitiavany sy ny finoany ka nanome izy sady nahafantatra fa ho azo ny zavatra “ilainy.”

Hitako ny fo toy izany teo amin’ireo Olomasina tany amin’ny Pasifika. Tao amin’ny tanàna kely iray tao amin’ny iray amin’ireo nosy ireo, dia nisy lehilahy efa zokinjokiny iray niaraka tamin’ny vadiny nanaiky ny fanasan’ny misiônera mba hanontany ny Tompo raha toa ka marina ireo lesona nampianarina azy ireo. Tao amin’io dingana io dia neritreretin’izy ireo ihany koa ireo vokatra aterak’ireo fanolorantena ilain’izy ireo atao raha toa ka hitarika amin’ny faneken’izy ireo ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny valiny azon’izy ireo. Nifady hanina sy nivavaka izy ireo mba hahafantarana ny fahamarinan’ny Fiangonana sy ny maha-marina ny Bokin’i Môrmôna. Tonga tamin’ny endrika fanamafisana malefaka kanefa mazava ny valin’ny vavaka nataon’izy ireo: “Eny! Marina izany!”

Nisafidy ny hatao batisa izy ireo rehefa nandray izany tenivavolombelona izany. Tsy safidy tsy nisy tambiny manokana izany. Novidian’izy ireo lafo ny fanapahan-keviny hanaiky ny filazantsara sy ho atao batisa. Very asa izy ireo, nahafoy ny toerana nananany teo amin’ny fiarahamonina, nifarana hatreo ny finamanana manan-danja, ary nihatahan’ny fanohanana sy ny fitiavana ary ny fanajan’ny fianakaviana. Izao izy ireo dia mandeha an-tongotra mankany am-piangonana isan-kerinandro, jerijeren’ireo namana sy mpifanolobodirindrina izay mandeha any amin’ny lalana mifanohitra amin’ny azy ireo.

Tao anatin’ireo toe-java-miseho sarotra ireo dia nanontaniana ity rahalahy tsara ity ny fahatsapany momba ny fanapahan-kevitr’izy ireo hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Ny valinteny tsotra sy tsy misalasala nomeny dia hoe: “Marina izany, sa tsy izany? Mazava ny safidy nataonay.”

Tena nanana ny fon’ilay mpitondratena ireto Olomasina roa vao niova fo ireto. Izy ireo, tahaka ilay mpitondratena, dia “nandatsaka tao izay rehetra” azony nomena, sady nahafantatra fa nanome izay “nilainy.” Vokatry ny fo feno finoana sy ny finoana maharitra nananan’izy ireo nandritra ireo fotoan-tsarotra ireo dia nohamaivanina ny enta-mavesany. Nisy nanampy izy ireo ary voahodidina mpikamban’ny Fiangonana be fanohanana sy be fanompoana, ary nampatanjaka azy ireo manokana ny fanompoany tao amin’ireo antso tao am-piangonana.

Rehefa avy nandatsaka izay “rehetra” azony natolotra izy ireo, dia tonga ny andro lehibe indrindra rehefa nofehezina ho fianakaviana mandrakizay tany amin’ny tempoly izy ireo. Tahaka izay nataony tamin’ireo niova fo teo ambany fitarihan’i Almà dia: “nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ ny Tompo rehetra.”2 Toy izany ny fon’ilay mpitondratena hita taratra teo amin’ireo mpivady mahafinaritra ireo.

Mamelà ahy hiresaka momba ny zavatra niainana iray izay nahitana tsara ny fon’ilay mpitondratena. Tany Samoa, dia niara-niasa tamin’ny filankevitra tao an-tanàna izahay mba hahafahan’ny misiônera mitory ny filazantsara. Taona vitsy lasa izay dia niresaka tamin’ny lehiben’ny tanàna iray aho, ary tsy navela nitory ny filazantsara tao amin’io tanàna io ny misiônera nandritra ny taona maro dia maro aho. Nitranga ilay resadresaka tsy ela akory taorian’ny nanokafan’ilay lehibe faratampony teo amin’ny tanàna mba hidiran’ny Fiangonana, ka namela ireo misiônerantsika mba hampianatra ireo izay liana momba ny filazantsara sy ny fotopampianarana ao aminy.

Taona maro no nandrasana mba hitrangan’izany fiovan-javatra mahagaga izany, nahaliana ahy ny hahafantatra momba ny zava-nitranga ka nahatonga ilay lehibe faratampony teo amin’ny tanàna hanao izany zavatra izany. Nanontany momba izany aho, ary ilay lehibe izay nifampiresaka tamiko dia namaly hoe: “Afaka miaina ao anatin’ny haizina mandritra ny fotoana iray ny olona iray, saingy ho avy ny fotoana izay haniriany hivoaka mba ho ao amin’ny mazava.”

Ilay lehibe indrindra, rehefa nanokatra ilay tanàna, dia nampiseho ny fon’ilay mpitondratena, fo iray izay nihanalefaka rehefa niseho ny hafanana sy hazavan’ny fahamarinana. Io mpitarika io dia vonona hanary fomba amam-panao natao nandritra ny taona maro, hiatrika fanoherana, ary hijoro tsy voahozongozona mba hahafahan’ny hafa ho voatahy. Izany dia mpitarika iray izay nifantoka tamin’ny mahasoa sy ny fahasambaran’ny olony ny fony, fa tsy tamin’ny fanaovana ho ambonin-javatra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina ary ny fahefan’ny tena manokana. Nariany ireo fanahiana ireo hanarahana ilay nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika dia hanana ny fahafahana ho fahazavana eo amin’ny fiainan’ny hafa.”3

Farany dia avelao aho hizara aminareo zavatra niainako iray hafa teo anivon’ireo Olomasina tany amin’ny Pasifika izay mijanona ho miorim-paka lalina sy masina ato amin’ny fanahiko. Taona vitsy lasa izay dia mpanolotsaina vao herotrerony an’ny eveka iray tao amin’ny paroasy vaovao tao American Samoa aho. Nanana mpikambana 99 isa izahay izay nahitana mpamboly sy mpiompy hamelomana ny fianakaviany, mpiasa ao amin’ny fitahirizana sakafo am-bifotsy, mpiasan’ny governemanta, ary ny fianakavian’izy ireo. Nisy fifaliana sy fankasitrahana nasehonay rehetra rehefa nanambara ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 1977 fa hisy tempoly iray hatsangana ao Samoa. Nitaky fanaovana dia mankany Hawaii na Nouvelle Zélande ny fandehanana any amin’ny tempoly avy tany American Samoa tamin’izany fotoana izany. Dia lafo be izay tsy vitan’ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana izany.

Nandritra io fotoana io dia namporisihana ny mpikambana mba handrotsaka vola ao amin’ny kitapom-bola ho fanorenana iray entina hanampiana amin’ny fananganana tempoly. Noho izany dia nangataka ireo mpikambana tao amin’ny paroasy ny episkôpà mba hisaintsaina ombam-bavaka ny amin’izay azon’izy ireo omena. Napetraka tamin’ny fianakaviana ny daty hiangonana mba hanolorana ny vola arotsak’izy ireo. Taty aoriana, rehefa nosokafana manokana ireo vola narotsaka, dia feno fanetrentena ny episkôpà ary faly noho ny finoana sy ny halalahan-tanan’ireo mpikambana mahafinaritra tao amin’ny paroasinay.

Fantatro ny fianakaviana tsirairay sy ny zavatra niainan’izy ireo, nanana fahatsapana fahagagana sy fanajana ary fanetrentena lalina sy maharitra aho. Ireo dia tena farantsa maoderina an’ilay mpitondratena izay nomena malalaka avy tamin’ny “kely nananan’” izy ireo tamim-pifaliana mba ho an’ilay fitahiana nampanantenaina mba hanamboarana tempoly masin’ny Tompo iray ao Samoa. Ireo fianakaviana ireo dia nanokana ny zavatra rehetra azon’izy ireo nomena mba ho an’ny Tompo, niaraka tamin’ny finoana fa tsy ho tavela amin’izao tsy hahazo izany fitahiana izany izy ireo. Naneho ny fon’ilay mpitondratena izay nananan’izy ireo ny fanomezana nataony. Ireo rehetra izay nanome dia nanao izany an-tsitrapo sy tamim-piravoravoana satria ilay fon’ilay mpitondratena tao anatin’izy ireo dia afaka nahita tamin’ny mason’ny finoana ireo fitahiana goavana indrindra notahirizina ho an’ny fianakavian’izy ireo sy ireo vahoaka rehetra tao Samoa sy Samoa Amerikana, ho an’ireo taranaka maro ho avy. Fantatro fa ireo fanatitra natokan’izy ireo, ny farantsan’ilay mpitondratena izany nananany, dia fantatry ny Tompo sy ekeny.

Ny fon’ilay mpitondratena izay nanome ireo farantsa roa dia fo iray izay hanome ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny fanaovana fahafoizan-tena; amin’ny alalan’ny faharetana ny mafy sy ny fanenjehana ary ny fandavana; ary amin’ny alalan’ny fitondrana ireo enta-mavesatra maro karazany. Ny fon’ilay mpitondratena dia fo iray izay mahafantatra sy mahatsapa ary mahalala ny fahazavan’ny fahamarinana ary hanome na inona na inona mba hankamamiana izany fahamarinana izany. Izany ihany koa dia manampy ny hafa hahita izany fahazavana izany ihany sy hanatona ilay fatra-pahasambarana sy fifaliana mandrakizay. Farany, ny fon’ilay mpitondratena dia voafaritra amin’ny alalan’ny fahavononana hanome ny zava-drehetra ho fananganana ny fanjakan’Andriamanitra eto ambonin’ny tany.

Handeha isika hiaraka amin’ireo Olomasina manerana izao tontolo izao amin’ny fanaovana izay ilaina atao mba hananana ny fon’ilay mpitondratena, hifaly marina tokoa amin’ireo fitahiana izay hameno ny “zavatra ilaina” vokatr’izany. Ny vavaka ataoko ho antsika tsirairay dia fiangaviana iray mba hanana fo hizakana ireo enta-mavesatsika, hanao ireo fahafoizan-tena ilaina, ary hanana faniriana hanao asa sy hanome. Mampanantena aho fa tsy hamela anareo tsy hanana na inona na inona ny Tompo. Ny fon’ilay mpitondratena dia feno fankasitrahana fa ny Mpamonjy dia “lehilahy ory sady zatra ny fahoriana”4 ka tsy mila manandrana ilay “kapoaka mangidy”5 isika. Na eo aza ireo fahalementsika sy fahalavoantsika, ary noho izy ireny, dia manohy manolotra ny tanany, izay voalefona ho antsika, Izy. Hampitraka antsika Izy raha toa isika ka vonona ny hanatona ao amin’ny fahazavan’ny filazantsarany, hamihina Azy, ary hamela Azy hameno “izay ilaintsika.”

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fitiavana lehibe izay azontsika zaraina amin’ny maha-mpianatra sy mpanaradia an’ny Tompo Jesoa Kristy antsika. Tiako sy tohanako ho mpaminan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany ny Filoha Thomas S. Monson. Vavolombelona iray hafa momba an’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao ny Bokin’ Môrmôna, ary manasa ny rehetra aho hamaky izany sy hahita ny hafatra ho anareo ao anatin’izany. Ireo rehetra manaiky ny fanasana omen’ny Tompo mba hanatona Azy dia hahita fiadanana sy fitiavana ary fahazavana. I Jesoa Kristy no Ohatra lehibe ho antsika sy Mpanavotra antsika. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany, sy ny fahagagana nateraky ny Sorompanavotana tsy manam-petra nataony no ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.