2010–2019
Mitarika ny Fiangonany ny Tompo
Ôktôbra 2017


Mitarika ny Fiangonany ny Tompo

Ny fitarihan’ny Tompo ny Fiangonany dia mitaky finoana lehibe sy mafy orina avy amin’ireo rehetra izay manompo Azy eto an-tany.

Ry rahalahiko malala izay mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra, anio hariva aho dia maniry ny hiresaka aminareo mikasika ilay fomba mahatalanjona izay hitarihan’ny Tompo ny fanjakany eto an-tany. Efa fantatrareo ireo singa fototra. Mivavaka aho mba hanamafy azy ireny aminareo ny Fanahy Masina.

Voalohany dia i Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana maneran-tany.

Faharoa, mitarika ny Fiangonany Izy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny firesahana amin’ireo lehilahy nantsoina ho mpaminany, ary manao izany amin’ny alalan’ny fanambarana Izy.

Fahatelo, nanome fanambarana an’ireo mpaminaniny Izy fahiny elabe, sy mbola manao izany amin’izao fotoana izao, ary mbola hanao izany hatrany.

Fahefatra, manome fanambarana fanamafisana an’ireo izay manompo eo ambanin’ny fitarihan’ireo mpaminaniny Izy.

Raha miainga avy amin’ireo singa fototra ireo, dia miaiky isika fa ny fitarihan’ny Tompo ny Fiangonany eto an-tany dia mitaky finoana lehibe sy mafy orina avy amin’ireo rehetra izay manompo Azy eto an-tany.

Ohatra, mitaky finoana ny fahatokiana marina fa manara-maso ny antsipirian-javatra isan’andro ao amin’ny fanjakany ny Tompo. Mitaky finoana ny fahatokiana marina fa miantso olona tsy tonga lafatra hanompo amin’ny antso ilàna fitokisana Izy. Mitaky finoana ny fahatokiana marina fa mahafantatra tanteraka ny olona antsoiny Izy, na ny fahaiza-manaony na ny zavatra mety ho vitany, ka noho izany dia tsy manao fahadisoana Izy amin’ny olona antsoiny.

Mety hampitsiky na hampihifikifi-doha ny sasany izay manatrika eto izany, na ireo izay mihevitra fa mety ho fahadisoana ny antso nomena azy ireo manokana, na ireo izay mieritreritra ny olona sasany izay fantany fa tsy hahavita ny antso nomena azy ireo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo. Ny torohevitra omeko an’ireo vondrona roa ireo dia ny hanatsahatra ny fitsaratsarana toy izany mandra-pahitanareo tsara kokoa ny zavatra izay hitan’ny Tompo. Ny fitsarana ilainareo atao, ho solon’izay, dia ny hoe manana ny fahafahana handray fanambarana sy hanao asa mifanaraka amin’izany tsy amin-tahotra ianareo.

Mitaky finoana ny fanaovana izany. Mbola mitaky finoana lehibe kokoa noho izany aza ny fahatokiana marina fa ny Tompo dia niantso olombelona mpanompo tsy tonga lafatra hitarika anareo. Ny tanjoko anio hariva dia ny hampiorina ny finoanareo fa mitarika anareo amin’ny fanompoanareo Azy Andriamanitra. Ary ny tena manan-danja indrindra aza, ny fanantenako dia ny hampiorina ny finoanareo fa mitaona ny fanahin’ireo olona tsy tonga lafatra nantsoiny ho mpitarika anareo ny Tompo.

Mety hieritreritra ianareo amin’ny voalohany fa tsy zava-dehibe amin’ny fahombiazan’ny Fiangonan’ny Tompo sy ny fanjakany ny finoana toy izany. Kanefa, mety hanjary ho fantatrareo, na inona na inona ny antsonareo ao amin’ny fisoronana, manomboka any amin’ny mpaminanin’ny Tompo ka hatrany amin’ny olona vaovao iray mpihazona ny fisoronana Aarôna, fa ilaina ny finoana.

Ndeha hatombotsika amin’ny dikan’ny finoana ho an’ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra na diakona. Zava-dehibe ho azy ny mino fa niantso azy manokana ny Tompo, ary fantany tsara ny fahalemena sy ny tanjak’izany mpampianatra izany. Mila mino izy fa nahazo fanambarana avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra ilay lehilahy nanome ilay antso. Ireo mpanolotsaina azy sy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejiny dia mila izany finoana izany koa mba hanarahana azy amim-patokiantena tsy misy tahotra.

Nahita fahatokiantena toy izany aho rehefa niara-nipetraka tamin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny diakona nisy azy indray alahady maraina ny zazalahy iray. Izy no mpitantsoratr’izy ireo vao nantsoina. Nanao filankevitra izany fiadidiana vao herotrerony izany. Niresaka fomba maro azon’izy ireo hanatanterahana ny fangatahan’ny eveka izy ireo mba hamerina zazalahy malaindaina iray hiangona. Rehefa avy nivavaka sy nifanakalo hevitra izy ireo dia nomen’izy ireo andraikitra ilay mpitan-tsoratra handeha any amin’ny tranon’ny zazalahy iray izay tsy mbola nanatrika fivoriana mihitsy sy hanasa azy.

Tsy nahafantatra an’ilay zazalahy ilay mpitan-tsoratra, kanefa fantany fa mpikambana malaindaina ny iray tamin’ireo ray aman-drenin’ilay zazalahy ary tsy mpikambana sy tsy dia sariaka loatra ny iray. Nahatsapa tebiteby fa tsy tahotra ilay mpitan-tsoratra. Fantany fa nangataka ny mpihazona ny fisoronana hamerina ny ondry very ny mpaminanin’ Andriamanitra. Ary henony ny vavaka nataon’ny fiadidian’ny kôlejiny. Reny ny nifanarahan’izy ireo ny amin’ny anaran’ilay zazalahy mba hovonjena sy ny anarany manokana.

Nijery teo aho rehefa nandeha nidina teo an-dalambe nankeny amin’ny tranon’ilay zazalahy malaindaina ilay mpitantsoratra. Nandeha moramora izy, toy ireny hoe tena manaton-doza ireny. Kanefa tao anatin’ny antsasak’adiny dia niverina teo an-dalana niaraka tamin’ilay zazalahy izy, sady falifaly ery. Tsy mino aho hoe nahafantatra izy tamin’izay, fa izy dia nandeha tamim-pinoana fa namita iraka ho an’ny Tompo. Nijanona tao aminy foana izay finoana izay ary nitombo tao anatin’ireo taona naha-misiônera, raim-pianakaviana, mpitarika ny zatovolahy, ary eveka azy.

Ndeha hiresaka mikasika ny dikan’ny finoana toy izany ho an’ny eveka iray. Ny eveka iray indraindray dia antsoina mba hanompo olona izay mahafantatra azy tsara. Ny mpikambana ao amin’ny paroasy dia mahafantatra zavatra mikasika ny fahalemeny amin’ny maha-olombelona azy sy ny tanjany ara-panahy, ary mahafantatra izy ireo fa misy olona hafa azo antsoina tsara ao amin’ilay paroasy, olona hafa izay toa nandranto fianarana misimisy kokoa, manana traikefa kokoa, mahafinaritra kokoa, na tsara jerena kokoa mihitsy aza.

Mila mahafantatra ireo mpikambana ireo fa ny antso mba ho eveka dia avy amin’ny Tompo, amin’ny alalan’ny fanambarana. Raha tsy mino izany izy ireo dia ho sarotra kokoa ho an’ilay eveka nantsoin’ Andriamanitra ny hahazo ny fanambarana ilainy mba hanampiana azy ireo. Tsy hahomby izy raha tsy misy ny finoan’ireo mpikambana mba hanohana azy.

Soa ihany fa hahomby indray izy raha ny mifanohitra amin’izay no miseho. Eritrereto ny Mpanjaka Benjamina mpanompon’ny Tompo, izay nitarika ny olony hibebaka. Ny fon’ny vahoaka dia nohalefahin’ny finoan’izy ireo fa voantson’ Andriamanitra izy, na dia eo aza ny fahalemeny amin’ny maha-olombelona azy, ary avy amin’ Andriamanitra ny teny nolazainy. Tadidinareo ny zavatra nolazain’ny vahoaka: “Eny, mino ny teny rehetra izay efa nolazainao taminay izahay; … fantatray koa fa azo antoka sy marina ireny, noho ny amin’ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am-ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môsià 5:2).

Mba hahombiazan’ny mpitarika iray amin’ny asan’ny Tompo, dia tokony hatanjaka kokoa noho ny fahitan’ny olona ny rofy sy ny fahalemeny amin’ny maha-olona mety maty azy ny fahatokian’izy ireo fa voantson’ Andriamanitra izy. Tadidinareo ny fomba nanazavan’ny Mpanjaka Benjamina ny anjara asany amin’ny maha-mpitarika azy:

“Izaho dia tsy nandidy anareo ho tonga etoana mba hatahoranareo ahy na hiheveranareo fa ny tenako dia mihoatra noho ny olona mety maty.

“Fa izaho dia tahaka ny tenanareo andairan’ny karazany rehetra amin’ny rofin’ny vatana sy ny saina; kanefa dia efa nofinidin’ ity vahoaka ity aho, ary natokan’ny raiko sy navelan’ny tanan’ny Tompo mba ho mpanapaka sy ho mpanjakan’ ity vahoaka ity; ary dia efa notehirizina sy notsimbinina tamin’ny heriny tsy manan-tsahala aho mba hanompo anareo amin’ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izay efa nomen’ny Tompo ahy” (Môsià 2:10–11).

Ny mpitarika anareo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia mety ho malemy sy toa olombelona ihany raha ny fijerinareo azy, na mety ho hitanareo fa toa matanjaka na entanim-panahy. Ny marina dia fitambaran’ireo toetoetra ireo sy ny maro hafa ny mpitarika rehetra. Manampy an’ireo mpanompon’ny Tompo izay nantsoina hitarika antsika isika rehefa afaka mahita azy ireo tahaka ny nahitan’ny Tompo azy ireo tamin’ny fotoana niantsoany azy.

Mahita tanteraka ny mpanompony ny Tompo. Hitany ny hery hahafahana mahavita zavatra izay ananany sy ny hoaviny. Ary fantany ny fomba azo hanovana ny toetra ara-boajanaharin’izy ireo. Fantany ihany koa ny fomba azo hanovana azy ireo amin’ny alalan’ny traikefa azon’izy ireo miaraka amin’ireo olona tarihiny.

Mety efa nahatsapa ho nohatanjahana bebe kokoa tamin’ny alalan’ny olona izay nasaina notompoinao tamin’ny antsonao ianao. Indray mandeha aho dia nantsoina ho evekan’ny tanora tokantena. Tsy fantatro tsara na ny fanampiako Azy hitondra fiovana teo amin’izy ireo no tanjon’ny Tompo na ny fiovana izay fantany fa azon’izy ireo entina ato anatiko.

Tsy dia takatro loatra ilay izy, fa ny ankamaroan’ireo tanora tao amin’ilay paroasy ireo dia nandray ahy toy ny hoe voantson’ Andriamanitra ho azy ireo mihitsy aho. Hitan’izy ireo ny fahalemeko saingy tsy navelan’izy ireo hanimba ny fahitan’izy ireo ahy izany.

Tadidiko ny tovolahy iray izay nangataka torohevitra momba ny safidy tokony hataony amin’ny fianarany. Vao taona voalohany tao amina oniversite tena tsara izy. Herinandro taorian’ny nanomezako ilay torohevitra azy dia nangataka fotoana hihaonana amiko izy.

Rehefa tonga tao amin’ilay birao izy dia nanampoka ahy tamin’ny fanontaniana hoe: “Eveka a, afaka mivavaka ve isika alohan’ny hiresahantsika? Dia afaka mandohalika ve isika. Dia afaka mivavaka ve aho?”

Tsy nampoiziko ny fangatahany. Fa ny vavaka nataony no mbola tsy nampoiziko kokoa. Tahatahaka izao ilay izy: “Ray any An-danitra, fantatrao fa nanome torohevitra ahy ny Eveka Eyring tamin’ny herinandro, dia tsy nahomby ilay izy. Mba omeo fitaomam-panahy izy hahalala ny zavatra tokony hataoko izao.”

Mety mampitsiky anareo izany izao, fa izaho tsy nitsiky. Efa fantany ny zavatra tian’ny Tompo hataony. Saingy nanome haja ny biraon’ny eveka iray tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo izy, ary angamba naniry ny hananako fahafahana hahazo fahatokian-tena bebe kokoa mba handray fanambarana tamin’io antso io.

Nahomby ilay izy. Raha vantany vao nitsangana izahay dia nipetraka avy eo, dia tonga tao amiko ny fanambarana. Nolazaiko azy ny zavatra tsapako fa tian’ny Tompo hataony. Vao 18 taona izy tamin’izay, fa natanjaka be ara-panahy.

Efa fantany fa tsy mila mankany amin’ny eveka izy raha ny mahakasika ny olana toy izany. Saingy efa nianarany ny hanohana ny mpanompon’ny Tompo na dia eo aza ny fahalemeny amin’ny maha-olombelona azy. Lasa filohan’ny tsatòka izy taty aoriana. Tsaroany sy nampihariny foana ilay lesona niarahanay nianatra: raha mino ianao fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana omena an’ireo mpanompo tsy tonga lafatra antsoiny ny Tompo, dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra ho azy ireo, tahaka ny hanokafany izany ho anao ny Tompo.

Nianatra lesona aho, avy amin’izany zavatra niainana izany, fa ny finoan’ny olona tompointsika, izay matanjaka kokoa noho ny finoantsika indraindray, dia mitondra fanambarana ho antsika amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo.

Nisy lesona iray hafa azoko. Raha nitsara ahy tamin’ny tsy nanomezako azy torohevitra tsara tamin’ny voalohany io zazalahy io, dia tsy ho niverina mihitsy izy mba hangataka indray. Ka noho izany, rehefa nifidy ny tsy hitsara ahy izy, dia nahazo ny fanamafisana izay niriany.

Fa mbola misy lesona iray hafa avy amin’izany zavatra niainana izany, izay nanampy ahy tokoa. Raha ny fahafantarako azy hatreto, dia tsy nolazainy an’iza n’iza tao amin’ilay paroasy fa tsy nanome azy torohevitra tsara aho tamin’ny voalohany. Raha nanao izany izy, dia mety nampihena ny finoan’ny hafa tao amin’ilay paroasy mba hatoky ny fitaomam-panahy azon’ny eveka.

Miezaka ny tsy hitsara ny mpanompon’ny Tompo aho, na hiresaka ny fahalemen’izy ireo izay hita mibaribary. Ary miezaka mampianatra izany amin’ny alalan’ny ohatra amin’ireo zanako aho. Ny Filoha James E. Faust dia nizara fotopinoana iray izay ezahiko ampiharina. Zaraiko aminareo izany:

“Isika … dia mila manampy sy manohana ireo mpitarika antsika eo an-toerana, satria izy ireo … dia -voantso sy voafidy.- Ny mpikambana rehetra ato amin’ity Fiangonana ity dia afaka mandray torohevitra avy amin’ny eveka iray, na filohan’ny sampana iray, filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna iray, ary ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsy nisy nangataka ny antsony ireo rahalahy ireo. Tsy misy olona tonga lafatra. Kanefa izy ireo no mpanompon’ny Tompo, izay nantsoiny tamin’ny alalan’ireo izay nomena fahefana hahazo fitaomam-panahy. Ireo olona nantsoina, notohanana, ary natokana ireo dia manana zo ny hotohanantsika.

“… Ny tsy fanajana ireo mpitarika ara-pivavahana dia niteraka ny fihenan’ny hery ara-panahy sy ny fianjeran’ny olona maro. Tokony hamela izay mety ho tsy fahalavorariana hita taratra, na fahadisoana, na fahalemen’ireo lehilahy nantsoina hitarika antsika isika, ary hanohana ny anjara fanompoana tanan’izy ireo” (“Called and Chosen,” Liahona nôv. 2005, 54–55).

Mitahy ny mpanompon’ Andriamanitra ao anatin’ny toe-javatra misy rehetra izany torohevitra izany.

Tamin’ny fotoana niorenan’ny Fiangonan’ny Tompo vao haingana dia nanombola niresaka momba ny hadisoan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo mpitarika akaiky azy. Na dia teo aza ireo zavatra maro efa hitan’izy ireo sy fantany momba ny toerana tanany eo anatrehan’ny Tompo, dia niparitaka haingana be ny toe-tsaina tia manakiana sy ny fialonan’izy ireo. Ny iray tamin’ireo Roambinifololahy dia naneho tamintsika ny fenitry ny finoana sy ny fahatokiana rehetra tokony hananantsika raha te hanompo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo isika.

Toy izao no voalaza: “Loholona maro no nampiantso fivoriana tao amin’ny tempoly ho an’ireo rehetra izay nihevitra fa Mpaminany tsy mendrika i Joseph Smith. Nikasa ny hanendry an’i David Whitmer ho mpitarika ny Fiangonana vaovao izy ireo. … Rehefa avy nihaino ireo adihevitra nanoherana ny Mpaminany i Brigham [Young], dia nitsangana izy ary nijoro vavolombelona hoe: -Mpaminany i Joseph, ary fantatro izany, ary afaka miampanga mafy sy manaratsy azy araka izay mahafinaritra azy izy ireo; tsy afaka ny hamotika ny fanendrena ny Mpaminanin’ Andriamanitra izy ireo, ny hany azon’izy ireo atao dia ny mamotika ny fahefan’izy ireo manokana sy manapaka ny rohy izay nampifamatotra azy ireo tamin’ny Mpaminany sy tamin’ Andriamanitra, ary mitsoraka any amin’ny helo-” (Church History in the Fulness of Times Student Manual [Church Educational System manual, 2003], ed. faha-2, 174; jereo koa nyEnseignements des Présidents de l’ Église: Brigham Young [1997], 79).

Misy rohy mampifamatotra antsika amin’ny Tompo amin’ny fanompoana ataontsika. Izy io dia mifandray avy any amin’ny toerana rehetra na aiza na aiza no iantsoana antsika hanompo ao amin’ny fanjakana, ka hatrany amin’ireo izay nantsoina hitarika antsika ao amin’ny fisoronana, ary mankany amin’ny mpaminany, izay mifamatotra amin’ny Tompo. Mitaky finoana sy fanetrentena ny fanompoana eo amin’ny toerana izay niantsoana antsika, ny matoky fa niantso antsika sy ireo mpitarika antsika ny Tompo, ary ny manohana azy ireo amin’ny finoana feno.

Hisy fotoana, tahaka ny tamin’ny andron’i Kirtland, izay hilantsika ny finoana sy ny fahamarinana nananan’i Brigham Young mba hijoroantsika amin’ny antso izay niantsoan’ny Tompo antsika, mahatoky amin’ny mpaminaniny sy ireo mpitarika nantsoiny.

Zaraiko aminareo ny fijoroako ho vavolombelona, izay feno fahamatorana nefa feno fifaliana ihany koa, fa i Jesoa Kristy Tompo no eo amin’ny familiana. Mitarika ny Fiangonany sy ny mpanompony Izy. “Mijoro ho vavolombelona aho fa i Thomas S. Monson no hany lehilahy mihazona sy mampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana masina rehetra eto an-tany amin’izao fotoana izao. Ary mangataka fitahiana aho ho an’ireo mpanompo manetry tena rehetra izay manompo an-tsitrapo tokoa sady manompo tsara ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, izay tarihiny manokana. Mijoro ho vavolombelona aho fa nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith. Niresaka taminy Izy ireo. Naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitahiana ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Iraka ampanaovina antsika sy mariky ny fananantsika fitokisana ny fanompoantsika amin’ny antsontsika ao amin’ny asan’ny Tompo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.