2010–2019
Mbola mitohy ny diabe!
Ôktôbra 2017


Mbola mitohy ny diabe!

Ny diantsika miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra no dia manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika.

Fitopolo amby zato taona lasa izay no nanopazan’ny Filoha Brigham Young ny masony voalohany tamin’ny Lemak’i Salt Lake City ka nanambarany hoe: “Ity mihitsy ilay toerana!”1 Fantany ilay toerana satria ny Tompo no nanambara izany taminy.

Hatramin’ny taona 1869 dia Olomasina 70.000 mahery no nanao diabe nitovy tamin’io. Na dia teo aza ny fahasamihafana maro tamin’ny fiteny, kolontsaina, ary toeram-piaviana dia samy nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra, sy i Jesoa Kristy, ary ny Fanahy Masina izy ireo. Samy nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy fanirina hanangana an’i Ziona, toeran’ny fiadanana, fahasambarana, ary hatsarana hiomanana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izy ireo.

Sary
Jane Manning James

Anisan’ireo Olomasina voalohany tonga tao Utah i Jane Manning James, zanakavavina andevo nafahana iray, niova fo ho an’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, ary mpanara-dia miavaka izay niaina fanamby sarotra. Nijanona ho Olomasin’ny Andro Farany mahatoky rahavavy James mandra-pahafatiny tamin’ny taona 1908.

Toy izao no nosoratany: “Tiako holazaina izao ankehitriny izao fa ny finoako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, araka ny ampianarin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia mbola mafy orina hatrany, tsia, raha mety, dia matanjaka kokoa noho ny tamin’ny andro nanaovana batisa ahy voalohany. Mandoa ny fahafolonkarenako sy ny fanomezako amin’ny fifadiankanina aho, mitandrina ny tenin’ny fahendrena, matory aloha ary mifoha maraina. Miezaka aho amin’ny toe-batako izay marefo mba haneho ohatra tsara amin’ny rehetra.”2

Tahaka ny Olomasin’ny Andro Farany hafa maro, ny rahavavy James dia tsy vitan’ny hoe nampiorina an’i Ziona tamin’ny ra, sy dinitra, ary ranomaso fotsiny ihany fa nikatsaka ireo fitahian’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara araka izay tsara indrindra vitany no sady nifikitra tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ilay mpanasitrana lehibean’ireo izay mitady Azy amin-kitsim-po.

Tsy tanteraka ireo Olomasina taloha kanefa izy ireo dia nanorina fototra iray izay anorenantsika fianakaviana sy fiarahamonina izay tia sy mitandrina fanekempihavanana. Izany dia misongadina any amin’ireo tantara amin’ny vaovao maneran-tany noho ny fanolorantenantsika amin’i Jesoa Kristy sy ireo ezaka an-tsitrapo ataontsika hanampiana ireo akaiky sy any lavitra any.3

Ry Filoha Eyring, mamelà ahy hanolotra fankasitrahana fanampiny ho an’ireo anjely ana hetsiny nanao akanjo mavo nanompo tao Texas, Mexique, sy tany amin’ny toerana hafa izay hitanao.

Resy lahatra tanteraka aho fa raha toa ka ariantsika ny fifandraisantsika amin’ireo izay efa lasana talohantsika, anisan’izany ireo razambentsika lahy sy vavy mpisavalalana, dia ho very harena sarobidy iray isika. Efa niresaka momba ny “Fitarihan’ny finoana isaky ny dingana iray atao” aho taloha ary mbola hiresaka momba izany amin’ny ho avy satria fantatro fa ireo taranaka vao misondrotra dia tsy maintsy manana io karazana finonana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny nananan’ireo Olomasina taloha io.4

Ireo razambeko lahy sy vavy mpisavalalana dia anisan’ireo mpisavalalana mahatoky izay nitarika sarety tarihan-tanana, sy nisarika sarety fitataren’entana, ary nandeha dia an-tongotra ho any Utah. Tahaka an-drahavavy Jane Manning James, izy ireo koa dia nanana finoana lalim-paka isaky ny dingana ataon’izy ireo tsirairay teo am-panaovan’izy ireo ny diany.

Ny diarin’izy ireo dia feno famariparitana ny fahasahiranana, sy ny hanoanana ary ny aretina ary koa ireo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Tena vitsy ny fananan’izy ireo kanefa nankafy ny fitahiana sesehena avy tamin’ny firahalahiana sy ny maha-mpirahavavy hitany tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izy ireo. Raha afaka nanao izany izy ireo dia nampitraka ireo ory sy nitahy ireo marary tamin’ny alalan’ny fifanompoana sy ny fisoronan’ Andriamanitra.

Ireo anabavy tao amin’ny Lemak’i Cache Utah dia nanompo ireo Olomasina tamin’ny fanahin’ny Fikambanana Ifanampiana mba “hiasa ao anatin’ny firaisan-kina hanampy ireo sahirana.”5 I Margaret McNeil Ballard renibeko dia niara-nanompo tamin’i Henry vadiny nandritra ny 40 taona nitantanany tamin’ny naha-eveka azy tao amin’ny Paroasy Faharoan’ny Logan. I Margaret no filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny paroasy nandritra ny 30 tamin’ireo taona ireo. Nampiantranoiny tao an-tranony ny mahantra, ny marary, ary ny maty vady sy ny kamboty. Ary nampiankanjo ny maty tamin’ny akanjo madion’ny tempoly mihitsy aza izy.

Na dia ilaina sy manan-danja aza ny mahatsiaro ny tantaran’ny diaben’ny mpisava lalana Môrmôna tamin’ny taonjato faha-19 dia mila tsaroantsika fa “mitohy ny diabe mitety ny fiainana!” mba hahafahan’ny tsirairay avy amintsika maneho ny “[finoantsika manokana] isaky ny mandingana.”

Sary
Mivory ao amin’ny toeram-piangonan’izy ireo ao an-toerana ireo mpikambana

Tsy mivory any amin’ireo toerana fitobian’ny mpisava lalana any amin’ny faritra andrefan’i Etazonia intsony ankehitriny ireo mpikambana vao niova fo. Ankehitriny kosa, ireo mpikambana vao niova fo dia miangona any amin’ny vondrona misy azy. Toerana izay itsaohan’ny Olomasina ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amin’ireo vondrona mihoatra ny telo hetsy (30.000) misy manerana izao tontolo izao, ny tsirairay avy dia samy miangona any amin’ny Ziona misy azy avy. Araka ny lazain’ny soratra masina hoe “Fa i Ziona dia izao—ny madio am-po.”6

Mandritra ny diantsika eto amin’ny fiainana, dia hosedraina isika mba hahatina raha toa ka “[h]itandrina ny zava-drehetra izay efa nandidian[’ny Tompo].”7

Maro amintsika no mizotra amina lalam-piainana ahitana zava-baovao izay mitarika amin’ny fahafaham-po manokana sy fahatakarana ara-panahy. Ny sasany amintsika kosa manao dia be izay mitarika mankany amin’ny alahelo, fahotana, fahoriam-be, ary famoizam-po.

Eto amin’ity sahankevitra ity dia miangavy aho; manontania tena hoe: Aiza no toerana hiafarako? Mitondra anao mankaiza ny dia raisinao? Ary ny lalana izoranao ve mitondra anao any amin’ny “fitahiana sesehena” nampanantenain’ny Mpamonjy?8

Ny diabe miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra no diabe manan-danja indrindra amin’ny fiainantsika ary mitohy isan’andro, isan-kerinandro, ary isan-taona izany arakaraka ny hampitomboantsika ny finoantsika Azy sy i Jesoa Kristy Zanany Malala,

Tsy maintsy mitandrina isika amin’izay itondran’ny dia ataontsika eto amin’ny fiainana antsika. Tsy maintsy mailo sy mihaino ilay torohevitr’i Jesoa tamin’ireo mpanaradia Azy isika raha namaly ireto fiangaviana ireto Izy: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.

“Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo.”9

Anio dia averiko ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana fahiny.

  • Ry rahalahy sy ranabavy, tandrovy ho madio ny fotopampianaran’i Kristy ary aoka tsy ho voafitak’ireo izay manovaova ny fotopampianarana. Ny filazantsaran’ny Ray sy ny Zanaka dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith, ilay Mpaminanin’ity fotoampitantanana farany ity.

  • Aza mihaino ireo izay tsy voatendry sy/na tsy natokana ho amin’ny antson’izy ireo ao am-piangonana ka notohanana tamin’ny faneken’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra.10

  • Aoka ho malina amin’ireo fikambanana, vondrona, na olona izay milaza ho manana valiny miafina ho an’ireo fanontaniana ara-potopampianarana izay lazain’izy ireo ho tsy ananana na tsy takatr’ireo apôstôly sy mpaminany ankehitriny.

  • Aza mihaino ireo izay mamporisika anao amin’ny tetika hahazoan-karena. Efa very vola tsy toko tsy forohana ny mpikambana tato amintsika koa mitandrema.

Amin’ny toerana sasany dia maro loatra amin’ireo olontsika no mibanjina any ivelan’ny tanjona ary mikatsaka fahalalana miafina amin’ny alalan’ny fanaovana fomba fanao lafo vidy sy mampiahiahy ho fanasitranana sy fanohanana.

Misy fanambarana ôfisialin’ny Fiangonana iray, izay navoaka herin-taona lasa izay, milaza hoe: “Manainga ny mpikamban’ny Fiangonana izahay ho malina amin’ny fandraisana anjara amina vondrona na toy inona na toy inona izay mampanantena, ka atakalo vola, fanasitranana mahagaga na milaza ho manana fomba manokana mba hahazoana hery fanasitranana ka tsy natokan’ny mpihazona fisoronana ara-dalana.”11

Ny Boky torolalana an’ny Fiangonana dia manoro hevitra fa: “Ny mpikambana dia tsy tokony hampiasa ireo fomba amam-panao hoentina mitsabo sy hitandroana ny fahasalamana izay mampiahiahy eo amin’ny fitondrantena na eo anatrehan’ny lalàna. Ireo mpitarika eo an-toerana dia tokony hanoro hevitra ny mpikambana izay tsy salama mba hanatona ireo mpitsabo matihanina manampahaizana manokana momba izany, izay manana fahazoan-dalana hanao izany asa izany ao amin’ireo firenena hiasan’izy ireo.”12

Ry rahalahy sy ranabavy, mba hendry ary aoka ho fantatrareo fa ny fomba toy ireny dia mety manintona ara-pihetseham-po kanefa mety ho lasa mampidi-doza ara-panahy sy ara-batana.

Ho an’ireo razambetsika mpisava lalana, ny fahavitan-tena sy ny fizakan-tena dia tena nanan-danja, kanefa tsy latsa-danja amin’izany ny fahaizan’izy ireo mifanampy. Niara-niasa izy ireo ary nifanampy mba handresena ireo fanamby ara-batana sy ara-pihetseham-po tamin’ny andron’izy ireo. Ho an’ireo lehilahy, dia nisy ny kolejin’ny fisoronana, ary ny vehivavy dia nokarakarain’ny Fikambanana Ifanampiana. Tsy mbola niova ireny amin’izao androntsika izao.

Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kolejin’ny fisoronana dia manome fahasalamana ara-batana sy ara-panahin’ireo mpikambana ato amintsika.

Mijanòna eo amin’ny lalan’ny filazantsara amin’ny fananana “finoana isaky ny mandinga” mba hahafahanao miverina tsy misy tomika eo anatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo. Ny Tompo no Mpamonjy tsy sarobidintsika. Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Tokony hanaja ny anarany masina isika sy tsy hampiasa izany fahatany, ary hiezaka ny hitandrina ny didiny mandrakariva. Raha manao izany isika dia hitahy antsika Izy ary hitarika antsika hiverina soamantsara any an-trano.

Manasa ny tsirairay izay mahare ny feoko aho mba handray sy hikarakara ny olona izay manomboka ny diabeny androany na aiza na aiza misy azy ireo eo amin’izany diany izany.

Tadidio fa tsy misy fitahiana lehibe kokoa izay azon’ny rehetra zaraina mihoatra ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny izay rehefa noraisina sy iainana dia mampanantena hafaliana sy fiadanana maharitra, eny ny fiainana mandrakizay mihitsy aza. Ndeha hampiasaintsika ny herintsika, ny tanjatsika, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny alalan’ny fanampiana ireo misiônerantsika hitady sy hampianatra ary hanao batisa ny zanak’ Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo hahazo ny herin’ny fotopampianaran’ny filazantsara mitarika ny fiainany isan’andro.

Mila mandray ny zanak’ Andriamanitra amim-pangorahana isika ary mamongotra izay mety ho fankahalana, ao anatin’izany ny fanavakavaham-bolon-koditra, fanavakavahana ara-pananahana, ary fanakavahana ara-piaviana. Aleo hazava tsara fa isika dia tena mino fa natao ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny fitahiana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Mijoro ho vavolombelona aho fa “mbola mitohy ny diabe,” ary manasa anareo aho mba hijanona eo amin’ny lalan’ny filazantsara rehefa mibosesika mandroso amin’ny alalan’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra amim-pitiavana, sy fangorahana ianareo, mba hiarahantsika manadio ny fo sy ny tanantsika mba handray ireo “fitahiana sesehena” miandry ireo izay tia marina ny Ray any An-danitra sy ny Zanany malalany. Izany no entiko am-bavaka amim-panetrentena amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.