2010–2019
Ny Feon’ny Tompo
Ôktôbra 2017


Ny Feon’ny Tompo

Mijoro ho vavolombelona aho fa naheno ny feon’ny isika tato amin’ity fihaonambe ity. Ny fitsapana ho antsika tsirairay dia ny fihetsika asetrintsika ny zavatra miseho.

Voalohany dia teny mamy ho an’ireo ankizy kely. Eny, ity no fivoriana farany, ary eny, izaho no mpandahateny farany.

Vao haingana, rehefa nitsidika ny Tempolin’i Provo City aho, dia nandinika ny sary hosodoko iray mitondra ny lohateny hoe Fahitana Voalohany, hita avy lavitra. Ilay sary hosodoko dia mampiseho ny fahazavana sy ny herin’ny lanitra rehefa nitsidika an’i Joseph Smith fony izy zatovo ny Ray sy ny Zanaka.

Sary
Fahitana Voalohany, hita avy lavitra

Tsy manao fampitahana amin’ny zava-nitranga tena masina izay nampiditra ny Famerenana amin’ny laoniny aho, fa afaka naka sary an-tsaina fahitana iray mitovy amin’izany izay maneho ny fahazavana sy ny hery ara-panahin’ Andriamanitra milatsaka eto amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity ary manenika izao tontolo izao izany hery izany avy eo.

Sary
Fahazavana sy hery mirotsaka eto amin’ny fihaonambe
Sary
Hery sy fahazavana manenika izao tontolo izao

Omeko anareo ny tenivavolombeloko fa i Jesoa no Kristy, fa Izy no mitarika ny raharahan’ity asa masina ity, ary ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no iray amin’ireo fotoana tena manan-danja hanomezany fitarihana ho an’ny Fiangonany sy ho antsika manokana.

Mandray fampianarana avy any an-danitra

Tamin’ny andro nananganana ny Fiangonana dia nanendry an’i Joseph Smith ho mpaminany sy mpahita ary apôstôliny i Jesoa Kristy Tompo1 ka niteny tamin’ny Fiangonana hoe:

“Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.

“Fa amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo; … ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo.”2

Taty aoriana dia notohanana sy notendrena ho mpaminany, mpahita ary mpanambara ihany koa ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.3

Ankehitriny, eto am-pivoriantsika eo ambany fitarihan’ny Filoha Thomas S. Monson, dia antenaintsika ny haheno ny “sitrapon’ny Tompo, … [ny] sain’ny Tompo, … [ny] feon’ny Tompo, dia ny herin’ Andriamanitra ho famonjena.”4 Ny Tompo mihitsy no niteny hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”5

Eo amin’ny fifandonana sy fikorontanana misy amin’izao tontolo maoderina misy antsika izao dia tena manan-danja ho an’ny fitomboantsika ara-panahy sy ny faharetantsika ny fitokisana sy ny finoana ny tenin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.6

Niaraka tonga isika hanatrika ity fihaonambe mahafinaritra ity. Olomasin’ny Andro Farany sy mpivavaka hafa an-davitrisany any amin’ny firenena mihoatra ny 200, miteny fiteny mihoatra ny 93, no manatrika ireto fivoriana ireto na mamaky ireo hafatra avy amin’ny fihaonambe.

Tonga eto isika efa avy nivavaka sy niomana. Ho an’ny ankamaroantsika dia misy tahotra manery sy fanontaniana tiana ho voavaly faingana. Maniry ny hanavao ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika sy hampatanjaka ny fahafahantsika mandresy ireo fakam-panahy ary hiala amin’ireo zava-mahavariana isika. Tonga eto mba handray fampianarana avy any an-danitra isika.

Ny saina sy ny sitrapon’ny Tompo

Ho an’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy, izay mandahateny isaky ny fihaonambe raha ny tokony ho izy, ilay andraikitra goavana hanomanana ireo hafatra dia sady vesatra miverimberina no fitokiana masina.

Taona maro lasa izay, mialoha ny naha-Manampahefana Ambony ahy, dia nanontany ny Loholona Dallin H. Oaks aho raha toa ka nanomana lahateny mitokana isaky ny fihaonamben’ny tsatoka izy. Namaly izy hoe tsy manao izany izy saingy nampiany hoe: “Kanefa samy hafa amin’izany ireo lahateniko mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Afaka manoratra fanandramana 15 ka hatramin’ny 20 isa aho mba hahazoako antoka fa milaza izay tian’ny Tompo holazaiko.”7

Amin’ny fotoana manao ahoana sy amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’ny fitaomam-panahy hanomanana ny lahateny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Hitantsika ny fandrindran’ny lanitra amin’ny fomba kanto, na dia tsy misy lohahevitra omena aza, ireo foto-dresaka sy ventin-kevitra momba ireo fahamarinana mandrakizay isaky ny misy fihaonambe.

Ny iray tamin’ireo Rahalahy miara-manompo amiko dia nilaza tamiko fa ny foto-dresaka ho an’ity fihaonambe ity dia nomena azy avy hatrany taorian’ny lahateniny tamin’ny aprily lasa teo. Ny iray hafa dia nilaza telo herinandro lasa izay fa mbola nivavaka sy niandry ny Tompo izy. Ny iray hafa rehefa nanontaniana hoe hafiriana laniny hanoratana lahateny saropady iray, dia namaly hoe: “Dimy amby roapolo taona.”

Misy fotoana mety ho tonga faingana ny foto-kevitra, saingy mbola mitaky fihanihana ara-panahy goavana ny votoatin-kevitra sy ireo antsipiriany. Ampahan’ilay dingana foana ny fifadian-kanina sy ny vavaka, ny fandalinana sy ny finoana. Tsy mila fihamboana hampihena ny feony ho an’ny Olomasiny ny Tompo.

Ireo torolalana momba ny lahateny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany matetika dia tonga ny alina na ny marainan’iny, rehefa lavitry ny eritreritry ny saina ilay lahateny. Tampoka eo dia mikoriana toy ny fanambarana madio ny hevi-baovao tsy nandrasana, indraindray, teny na andian-teny miavaka.8

Rehefa mihaino ianareo dia mety ho tena ara-bakiteny ny hafatra raisinareo na mety ho namboarina manaokana ho anareo irery izany.

Rehefa nanao lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho taona maro lasa izay, dia niteny fehezan-teny iray aho izay niditra tao an-tsaiko rehefa nanontany tena raha toa ka vonona hanao asa fitoriana aho. Izao ilay fehezan-teny: “Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra ianao, kanefa ampy izay fantatrao!”9 Ny zatovovavy iray izay nipetraka tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’io andro io dia nilaza tamiko fa nivavaka momba ny fangatahana azy ho vady izy, sady nanontany tena hoe hatraiza ny fahafantarany ilay zatovolahy. Rehefa noteneniko ireo teny hoe :“Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra ianao, kanefa ampy izay fantatrao,” dia nijoro ho vavolombelona taminy ny Fanahy fa tena fantany tsara izy. Nivady tao anatin’ny fifaliana efa nandritra ny taona maro izy ireo.

Mampanantena anareo aho fa rehefa manomana ny fanahinareo ianareo, ka tonga miaraka amin’ny fanantenana fa haheno ny tenin’ny Tompo, dia hisy eritreritra sy fahatsapana ho tonga ao an-tsainareo izay natao manokana ho anareo. Efa tsapanareo ireo teto amin’ity fihaonambe ity, na ho tsapanareo izany rehefa mandalina ireo hafatra ianareo mandritra ireo herinandro manaraka.

Manomboka izao sy mandritra ireo volana manaraka

Hoy ny Filoha Monson hoe:

“Makà fotoana hamakiana ireo hafatra nandritra ny fihaonambe rehefa mivoaka izany.”10

“Saintsaino [izy ireny] … Tsapako … fa mahazo tombontsoa kokoa avy amin’ireo lahateny nentanim-panahy ireo aho rehefa mandalina azy ireo lalina kokoa.”11

Ireo fampianarana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no ireo fifantohana irian’ny Tompo ho eo anoloantsika manomboka izao sy mandritra ireo volana manaraka.

Ilay mpiandry ondry “mialoha [ny ondriny], ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.”12

Matetika ny feony no mitarika antsika hanova zavatra eo amin’ny fiainantsika. Manasa antsika hibebaka Izy. Manasa antsika Izy “hanaraka Azy.”

Eritrereto ireto teny ireto izay avy tamin’ity fihaonambe ity:

Filoha Eyring ny maraina teo: “Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray ary tiany hody any Aminy ianao. Inty no Fiangonana marin’i Jesoa Kristy Tompo. Fantany ianao, tiany ianao, ary miahy anao Izy.”13

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf omaly: “Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manao na manohy ny dia izay mitondra mankany amin’ Andriamanitra isika, dia ho tsara kokoa ny fiainantsika … ary ny Tompo dia hampiasa antsika amin’ny fomba mahagaga maro hitahiana ireo manodidina antsika sy hanatanterahana ny tanjony mandrakizay.”14

Filoha Russell M. Nelson omaly tolakandro: “Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vanin’andro izao, tafiditra amin’izany mihitsy ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina.”15

Loholona Dallin H. Oaks omaly: “Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia filazana fahamarinana mandrakizay, ny sitrapon’ny Tompo ho an’ireo zanany izay mikatsaka ny fiainana amndrakizay.”16

Ary ny Loholona M Russell Ballard vao minitra vitsy lasa izay: “Mila mandray ny zanak’ Andriamanitra amim-pangorahana isika ary mamongotra izay mety ho fankahalana, ao anatin’izany ny fanavakavaham-bolon-koditra, fanavakavahana ara-pananahana, ary fanavakavahana ara-piaviana.”17

Koa satria isika mbola manana fotoana kely dia tiako ny hanao fanamarihana fohy fanampiny momba ny Loholona Robert D. Hales. Nilaza tamin’ny Loholona Hales ny Fiadidiana Voalohany fa afaka manolotra hafatra fohy izy mandritra ny fivoriana alahady maraina raha mamela azy hanao izany ny toe-pahasalamany. Na dia tsy namela azy hanao izany aza ny toe-pahasalamany, dia nanomana hafatra izy, izay vitany tamin’ny herinandro lasa ary nozarainy tamiko. Noho ny fodiamandriny tokotokony ho adiny telo lasa izay, dia hizara andalana telo fotsiny avy amin’ny lahateniny aho.

Teny nindramina avy amin’ny Loholona Hales: “Rehefa mifidy ny hanam-pinoana isika, dia vonona ny hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra. … Taorian’ny nanomboana ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana, dia tamin’ireo -izay efa nahatoky tamin’ny tenivavolombelo[ny], fony izy ireo tao amin’ny toetry ny mety maty- ihany izy no niseho. [F&F 138:12.] Ireo -izay efa nitsipaka ireo tenivavolombelo[n’] … ireo mpaminany fahiny dia [tsy afaka] nahita [ny Mpamonjy] mifanatrika na nijery ny tavany.- [F&F 138:21.] … Manomana antsika hifanatrika amin’ny Tompo ny finoantsika.”

Endrey ny hatsaram-panahin’ny Tompo nitaona ny fanahin’ny Filoha Russell M. Nelson raha vantany vao tapitra ny fivoriana androany maraina mba handao haingana ity trano ity, sy tsy hisakafo antoandro, ary hihazakazaka ho eo an-tsisim-pandrian’ny Loholona Hales, ka nahafahany, ilay filohan’ny Kôlejiny, ho tonga tany sy nanatrika teo, niaraka tamin’i Mary Hales izay manana toetran’anjely, rehefa nahavita soa aman-tsara ka nandao ny fiainany an-tany ny Loholona Hales.

Mamaly ny feon’ny Tompo

Mijoro ho vavolombelona aho fa naheno ny feon’ny isika tato amin’ity fihaonambe ity.

Tsy tokony ho taitra isika rehefa mifanohitra amin’ny eritreritr’izao tontolo izao, ary, indraindray, amin’ny eritrerintsika ny tenin’ireo mpanompon’ny Tompo. Efa toy izany foana izany hatramin’izay. Mandohalika tsy tapaka ao amin’ny tempoly aho miaraka amin’ireo Rahalahy mpiara-manompo amiko. Manamafy aho fa feno hatsarana ny fanahin’izy. Ny fanirian’izy ireo lehibe indrindra dia ny hahafaly ny Tompo sy ny hanampy ireo zanak’ Andriamanitra hiverina eo anatrehany.

Ny Fitopololahy, ny Episkôpa, ireo mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana, ny Zatovolahy, ny Zatovovavy, ny Kilonga, ary ireo vondrona fanampiny hafa maneran-tany dia nitondra fitaomam-panahy lehibe tamin’ity fihaonambe ity, tahaka ny hira kanto sy ireo vavaka voasaina tsara.

Misy fitarihana avy any an-danitra toy ny harena miafina miandry ny hahitanareo azy ao amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny fitsapana ho antsika tsirairay dia ny zavatra ataonsika ho setrin’ny zavatra rentsika sy ny zavatra vakintsika ary ny zavatra tsapantsika.

Mamelà ahy hizara traikefa iray teo amin’ny fiainan’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fihetsika hasetry ny tenin’ny mpaminany:

Tamin’ny 1979, dimy taona talohan’ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony, dia nanatrika fivoriana iray talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Rahalahy Nelson. “Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanasa ny mpanatrika rehetra mba hanamafy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fitondrana ny filazantsara mankany amin’izao tontolo izao manontolo. Anisan’ireo firenena notononin’ny Filoha Kimball manokana i Chine, ka nanambarany hoe: ‘Tokony hanompo ny Sinoa isika. Tokony hianatra ny fitenin’izy ireo isika. Tokony hivavaka ho azy ireo sy hanampy azy ireo isika.’”18

Sary
Ny Filoha RussellM. Nelson amin’ny maha-mpandidy azy

Tamin’ny faha-54 taonany, ny Rahalahy Nelson dia nanana fahatsapana nandritra ilay fivoriana fa tokony hianatra ny teny Mandarin izy. Na dia mpandidy fo be asa aza izy dia naka mpampianatra iray avy hatrany.

Fotoana tsy ela taorian’ny nanombohany ny fandalinany, raha nanatrika fivoriana ny Dr. Nelson dia tsy nanam-po fa nipetraka teo akaikin’ny “Sinoa iray izay mpandidy miavaka, i Dr. Wu Yingkai izy. … Satria nandalina ny teny Mandarin [Rahalahy Nelson] dia nanomboka resadresaka [iray] [tamin’i Dr. Wu] izy.”19

Sary
Dokotera Russell M. Nelson miaraka amin’ny Dokotera Wu Yingkai

Ny fanirian’i Dr. Nelson mba hanaraka ny mpaminany dia nitarika an’i Dr. Wu hitsidika an’i Salt Lake City ary i Dr. Nelson handeha tany Chine mba hampianatra sy hanatanteraka fandidiana.

Nitombo ny fitiavany ny vahoaka Sinoa, ary ny fitiavan’izy ireo sy ny fanajany azy.

Tamin’ny febroary 1985, folo volana taorian’ny antsony ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nahazo antso mahavariana avy tany Chine ny Loholona Nelson izay niangavy azy mba ho avy any Beijing handidy ny fo mararin’ny mpihira opera malaza indrindra tany Chine. Niverina tany Chine ny Loholona Nelson rehefa nahazo famporisihana avy tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Tany amin’ny vahoaka tao amin’ny Repoblikan’i Chine no nanaovana ny fandidiana farany tamin’ireo rehetra izay notanterahany.

Sary
Ny Filoha RussellM. Nelson, nomem-boninahitra

Vao roa taona lasa izay, tamin’ny ôktôbra 2015, dia nomem-boninahitra indray ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fanambarana ôfisialy iray izay niantsoana azy hoe “Naman’i Chine efa hatry ny ela.”

Dia omaly isika naheno ny Filoha Russell M. Nelson izay 93 taona izao niresaka momba ny fiangavian’ny FilohaThomas S. Monson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana [tamin’ny aprily lasa teo] ny “handalinantsika tsirairay ombam-bavaka sy hisaintsainantsika ny Bokin’i Môrmôna isan’andro.”

Tahaka ny nataony fony izy mpadidy fo be asa, rehefa nanakarama mpampianatra teny Mandarin iray, dia noraisin’ny Filoha Nelson avy hatrany ny torohevitry ny Filoha Monson ka nampihariny tamin’ny faiainany manokana. Ankoatra ny famakiana fotsiny, hoy izy, dia “ataony lisitra ny atao hoe Bokin’i Môrmôna, sy izay amafisiny, sy izay heveriny sy izay tanterahiny, sy izay hazavainy, ary izay ambarany.”20

Ary mahavariana fa vao tamin’ny maraina teo, ho toy ny vavolombelona faharoa ny amin’izany, dia niresaka momba ny nasetriny ilay anatry ny Filoha Monson ny Filoha Henry B. Eyring. Tadidinareo ve ireto teny ireto? “Tahaka ny maro aminareo, izaho dia nandre ny tenin’ny mpaminany toy ny feon’ny Tompo miresaka amiko. Ary tahaka ny maro aminareo koa, izaho dia nanapakevitra ny hankatò ireo teny ireo.”21

Enga anie isika hahita izany ho ohatra ho an’ny fiainantsika manokana.

Fampanantenana sy fitahiana

Mampanantena aho fa rehefa mahare ny feon’ny Tompo ianareo miresaka aminareo ianareo ao anatin’ireo fampianarana mandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity, ary manao asa araka ireo bitsika ireo avy eo, dia ho tsapanareo eo aminareo ny tanan’ny lanitra, ary ho voatahy ny fiainanareo sy ny fiainan’ireo izay manodidina anareo.22

Nandritra ity fihaonambe ity isika dia nieritreritra ny mpaminany malalantsika. Tianay ianao ry Filoha Monson. hofaranako amin’ny teny nolazainy teto amin’ity polipitra ity izany. Mino aho fa tsodrano iray tiany homena antsika tsirairay avy androany izany, raha afaka niaraka tamintsika teto izy. Hoy izy hoe: “Raha handao ity fihaonambe ity isika dia miantso ireo fitahian’ny lanitra aho mba hirotsaka aminareo tsirairay avy. … Mivavaka aho mba hitahy anao sy ny fianakavianao ny Ray any An-danitra. Enga anie ny hafatra sy ny fanahin’ity fihaonambe ity hanampy amin’ny zavatra rehetra ataonao: ao an-tokantranonao, ao amin’ny asanao, ao amin’ireo fivoriana atrehinao ary eny amin’ny lalana alehanao.”

Nofaranany hoe: “Tiako ianareo. Mivavaka ho anareo aho. Hitahy anareo anie Andriamanitra. Ho aminareo anie ny fiadanana nampanantenainy anio ary ho mandrakizay.”23

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5–6.

  3. Noraketin’i Joseph Smith fa izao manaraka izao dia niseho nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 27 Martsa 1836:

    “Dia nanao lahateny fohy aho, ary nangataka ireo kôlejy maromaro, sy ny vondron’Olomasina rehetra niangona teo, mba hanaiky ny Fiadidiana [Voalohany] ho Mpaminany sy Mpahita, ary hanohana azy ireo amin’ny alalan’ny vavaka ataon’izy ireo. Dia nanao fanekempihavanana ny hanao izany izy ireo, tamin’ny alalan’ny fitsanganana.

    “Dia nangataka ireo kôlejy sy ny vondron’Olomasina niangona aho mba hanaiky ny Apôstôly Roambinifolo, izay nanatrika teo, ho Mpaminany, Mpahita, Mpanambara, ary vavolombelona manokana ho an’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany, mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana, mba hamaha izany, na hahatonga izany ho tontosa, eo anivon’izy ireo, ary hanohana azy ireo amin’ny alalan’ny vavaka ataon’izy ireo, izay nekeny tamin’ny alalan’ny fitsanganana” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 199).

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38

  6. Hoy ny Filoha Henry B. Eyring indray mandeha hoe:

    “Ny fisafidianana ny tsy handray ireo torohevitry ny mpaminany dia manova tanteraka ny faritra ijoroantsika. Lasa mampidi-doza kokoa izany. Ny tsy fanekena ny torohevitry ny mpaminany dia mampihena ny herintsika handray torohevitra nentanim-panahy amin’ny ho avy. Ny fotoana tsara indrindra nanapahana hevitra ny hanampy an’i Noa hanamboatra ilay sambofiara dia tamin’ny fotoana voalohany nangatahany izany. Isaky ny nangataka izy taorian’izay, ny tsy famaliana tsirairay dia nampihena ny fahenoana ny Fanahy. Ary dia toy izany fa isaky ny nangataka izy dia toa miha-adaladala kokoa izany, mandrapahatongan’ny orana. Dia efa tara loatra izany.

    “Isak’izay nisafidy ny hanemotra ny fanarahako ireo torohevitra nentanim-panahy teo amin’ny fiainako aho, na nanapa-kevitra fa niavaka tamin’ny rehetra ny tenako, dia fantatro fa nampidi-doza ny tenako aho. Isaky ny avy nihaino ny torohevitr’ireo mpaminany aho, ka nahazo fanamafisana izany avy amin’ny vavaka, ary avy eo dia nanaraka izany, dia hitako hoe nandroso nankany amin’ny fahazoana fiarovana ny tenako” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 25).

  7. Jereo ny Neil L. Andersen, “Teaching Our Children to Love the Prophets,” Ensign, Apr. 1996, 47.

  8. Hoy i Boyd K. Packer indray mandeha hoe:

    “Naheno ny Filoha Harold B. Lee nanomboka nilaza zavatra maro mikasika ireo zavatra miresaka momba ny fanambarana aho tamin’ny filazana zavatra toy izao: ‘Vao maraina be, raha nisaintsaina momba izao lohahevitra izao aho …’ Nataony fahazarana ny miasa vao maraina be amin’ireo olana nilana fanambarana.

    “Nisy zavatra fantatry ny Tompo rehefa nandidy Izy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: ‘Atsaharo ny fidonanaha-poana; atsaharo ny tsy fahadiovana; atsaharo ny fifanomezan-tsiny; atsaharo ny fatoriana mihoatra noho izay ilaina; vonjeo aloha ny fandrianareo mba tsy hahatonga anareo ho reraka; mifohaza aloha mba hahatonga ny vatanareo sy ny sainareo ho mavitrika.’ (F&F 88:124.) …

    “Nianarako ny herin’ilay fitenenana hoe: ‘Matory aloha, dia mifoha aloha.’ Rehefa latsaka an-katerena aho dia tsy ho hitanao hiari-tory amin’ny alina. Aleoko mihitsy matory aloha dia mifoha maraina be, amin’ny fotoana izay hahafahako manakaiky be Azy izay mitarika ity asa ity” (Teach Ye Diligently [2005], 244-45).

  9. Neil L. Andersen, “Ampy ny fahafantaranao,” Liahona, nôv. 2008, 13.

  10. Thomas S. Monson, “Mandrapihaonantsika indray,” Liahona mey 2014, 115.

  11. Thomas S. Monson, “Homba Anao Hatrany Anie ny Ray,” Liahona, nôv. 2012, 110.

  12. Jaona 10:4

  13. Henry B. Eyring, “Aza matahotra ny hanao soa,” Liahona, nôv. 2017, 103.

  14. Dieter F. Uchtdorf, “Manin-te hody,” Liahona, nôv. 2017, 22, 24.

  15. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 106.

  16. Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra sy ilay fanambarana,” Liahona, nôv. 2017, 30–31.

  17. M. Russell Ballard, “Mbola mitohy ny diabe!Liahona, nôv. 2017, 106.

  18. Spencer J. Condie, Russell M. Nelson: Father, Surgeon, Apostle (2003), 215.

  19. Spencer J. Condie, Russell M. Nelson, 215.

  20. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” 61.

  21. Henry B. Eyring, “Aza matahotra ny hanao soa,” 100.

  22. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley indray mandeha hoe:

    “Ho avy ny fitsapana ao amin’ny fampiharana ireo fampianarana nomena. Raha aorian’izao isika lasa tsara fanahy kely kokoa, raha tia mpiara-belona kokoa, lasa akaiky kokoa ny Mpamonjy, sady manana fahavononana mafy kokoa hanaraka ireo fampianarany sy ny ohatra nasehony, dia tena fahombiazana mahafinaritra tokoa izany ity fihaonambe ity. Raha tsy misy fivoarana kosa anefa ny fianantsika etsy ankilan’izany, dia tena tsy nahomby mihitsy izany ireo izay nandahateny.

    “Mety tsy ho hita mivaingana ao anatin’ny indray andro na herinandro na volana ireo fiovana. Ny fahavononana dia tonga vetivety ary vetivety dia hadino. Saingy afaka herintaona manomboka amin’izao, raha manao zavatra tsaratsara kokoa noho izay vitantsika tamin’ny lasa isika, dia tsy ho zava-poana ireo ezaka natao nandritra ireny andro ireny” (“An Humble and a Contrite Heart,” Ensign, Nov. 2000, 88).

  23. Thomas S. Monson, “A Word at Closing,” Liahona, mey 2010, 113.