2010–2019
Areheto ny fahazavanareo
Ôktôbra 2017


Areheto ny fahazavanareo

Manasa antsika ireo mpaminany, ry rahavaviko. Haneho fahamarinana ve ianareo? Hampiseho ny finoanareo ve ianareo? Harehitrao ve ny fahazavanao?

Mety tsy fantatrareo izao, fa izaho sy ny Filoha Monson dia kambana. Tamin’ny andro nahaterahako mihitsy tany avaratr’i Californie, dia notohanana ho Apôstoly zandriny indrindra i Thomas Monson izay 36 taona tamin’izay. Tiako ilay fifandraisana miavaka sy manokana ananako amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra, dia ny Filoha Monson.

Miresaka momba ny vehivavy ireo mpaminany.1 Hahare ny sasany amin’ny tenin’izy ireo ianareo amin’ity fivoriana ity. Ho an’ny lahateniko dia hiverina eo amin’ny 40 taona lasa eo aho amin’ny faminaniana iray izay mahavariana nosoratan’ny Filoha Spencer W. Kimball. Ny volana septambra 1979 no vao fotoana faharoa nanaovan’ny vehivavin’ny Fiangonana maneran-tany fihaonambe. Efa nomanin’ny Filoha Kimball ny lahateniny, saingy rehefa tonga ilay andron’ny fihaonambe, dia tany amin’ny hôpitaly izy. Koa nangataka an’i Camilla Eyring Kimball vadiny izy mba hamaky ny lahateniny ho azy.2

Novakian-dRahavavy Kimball ny tenin’ny mpaminany, izay nanasongadina ny fitaomana entin’ny vehivavy OAF eo amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao mialoha ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Tany amin’ny faraparany, dia nisy fientanentanana lehibe tsapan’ireo vehivavin’ny Fiangonana izay efa noresahinay hatrizay.

Mamelà ahy ianareo hitanisa ny zavatra nolazan’ny Filoha Kimball:

“Farany, ry ranabavy malalako, dia te handroso aminareo zavatra izay tsy mbola voalaza mihitsy aho, na mbola tsy nolazaina tamin’izao fomba izao. “Maro amin’ireo fivoarana lehibe izay tonga amin’ny Fiangonana amin’ny andro farany no ho tonga satria maro amin’ireo vehivavy marin’izao tontolo izao … no ho voataona ho ao amin’ny Fiangonana ary maro an’isa izy ireo. Izany dia hitranga ka ny vehivavin’ny Fiangonana dia hampiseho fahamarinana sy fahaizana maneho ny maha-izy azy ary ireo vehivavin’ny Fiangonana dia ho hita miavaka sy samy hafa, amin’ny lafin’ny fifaliana, amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao.”

“Anisan’ireo vehivavy tena mahery fo eo amin’izao tontolo izao izay hiditra ato amin’ny Fiangonana ireo vehivavy izay mandala ny fahamarinana fa tsy ny fitiavan-tena. Ireo vehivavy tena mahery fo ireo dia manana fanetrentena marina, izay manome lanja ambony kokoa ny fahamendrehana toy izay ny fisehosehoana. …

“… Ireo vehivavy fakan-tahaka ato amin’ny Fiangonana no ho hery manan-danja amin’ny fitomboan’ny Fiangonana arak’isa sy ara-panahy amin’ny andro farany.”3

Teny faminaniana tokoa izany. Ho famintinana:

  • Ny fifandraisana tsara eo amin’ny vehivavy no tena hampisy ilay fitomboana lehibe izay hitranga amin’ny Fiangonana mandritra ireo taona ho avy.

  • Ny finamanana aorin’ireo vehivavin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo zatovovavy ary ireo ankizivavy ao amin’ny Kilonga amin’ireo vehivavy sy ankizivavy mahitsy fo sy mahatoky ary tia mivavaka avy ao amin’ny fiangonana na finoana hafa no ho hery manan-danja amin’ny fitombon’ny Fiangonana amin’ny andro farany.

  • Nantsoin’ny Filoha Kimball hoe “vehivavy mahery fo” ireo vehivavy avy amin’ny fivavahana hafa ireo izay handala kokoa ny fahamarinana toy izay ny fitiavan-tena, izay haneho amintsika fa ny fahamendrehana dia manan-danja kokoa noho ny fisehosehoana.

Efa nihaona tamin’ny maro amin’ireo vehivavy ireo aho rehefa nanatanteraka ny asako manerana izao tontolo izao. Sarobidy amiko ny finamanan’izy ireo. Mahafantatra azy ireo ihany koa ianareo any amin’ireo namanareo sy mpiara-monina aminareo. Mety ho mpikambana na tsy mpikamban’ny Fiangonana izy ireo izao, saingy ny finamanantsika amin’izy ireo dia tena manan-danja. Ahoana no fomba handraisantsika ny andraikitsika? Inona no tokony hataontsika?” Nilaza zavatra dimy ny Filoha Kimball:

Ny voalohany dia ny fanehoana fahamarinana. Ny hoe marina dia tsy midika hoe tonga lafatra na tsy manao fahadisoana. Izany dia midika fampivoarana fifandraisana lalina amin’ Andriamanitra, fibebahana amin’ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika, ary fanampiana ny hafa tsy mila tambiny. Ny vehivavy izay nibebaka dia manova ny fozotry ny tantarany. Manana namana iray aho izay niharan’ny lozam-piarakodia tamin’ny fahatanorany ary lasa niankin-doha amin’ny fanafody manala fanaintainana. Taty aoriana dia nisaraka ny ray aman-dreniny. Lasa bevohoka avy tamin’ny fiarahana fohy tamin’olona izy, ary mbola nitohy ny fiankinan-dohany. Saingy indray alina, dia nijery ny tsy filaminana sy ny fikorontanan’ny fiainany izy dia nieritreritra hoe: “Ampy izay.” Dia nitalaho tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy izy mba hanampy azy. Nilaza izy fa nianatra hoe i Jesoa Kristy dia matanjaka kokoa noho ny zavatra iainany. Afaka miantehitra amin’ny heriny izy eo am-pandehanany amin’ny lalan’ny fibebahana. Tamin’ny fiverenany tany amin’ny Tompo sy ny fombany, dia nanova ny fizotry ny tantarany izy. Olo-marina izy, ary manana fangoraham-po tanteraka amin’ny hafa izay nanao fahadisoana sy te hiova izy. Tahaka antsika rehetra dia tsy tonga lafatra ny fiainany, saingy fantany ny fomba fibebahana sy ny fomba fiezahana manandrana hatrany.

Ny faharoa dia ny fanehoana ny maha-izy anao. Ny hoe fanehoana ny maha-izy anao dia midika filazana mazava tsara ny hoe inona ny zavatra tsapanao manoloana ny zavatra iray ary nahoana. Tany am-piandohan’ity taona ity dia nisy petadrindrina iray tao amin’ny pejiko Facebook izay nanaratsy ny Kristianisma. Novakiako izany dia tezitra kely aho saingy tsy noraharahiako ilay izy. Na izany aza dia nisy olom-pantatro iray izay tsy mpikambana ato amin’ny finoantsika namaly tamin’ny petadrindrina iray izay nataony. Toy izao no nosoratany: “[Izao] mihitsy no mifanohitra amin’ny zavatra nijoroan’i Jesoa- ambony fisainana izy … tamin’ny fotoany satria … tsy navakavahiny izao tontolo izao. … [Niresaka] tamin’ireo mpivaro-tena izy, [niara-nihinana] tamin’ilay mpamory hetra … , naka namana … ireo vehivavy sy ankizy tsy manan-kery, [ary] nanome antsika ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy. … Mazava ho azy noho izany fa ny tena Kristianina … dia tokony hiezaka ny ho ny olona be fitiavana INDRINDRA eto an-tany.” Rehefa namaky izany aho, dia nieritreritra hoe: “Nahoana aho no tsy nanoratra izany?”.

Mila manao izay tsara indrindra isika tsirairay avy amin’ny fanehoana ny anton’ny finoantsika. Inona no tsapanao momba an’i Jesoa Kristy? Nahoana ianao no mijanona ato am-piangonana? Nahoana ianao no mino fa soratra masina ny Bokin’i Môrmôna? Aiza no ahazoanao fiadanana? Nahoana no zava-dehibe ny hoe manana zavatra holazaina ny mpaminany amin’ny taona 2017? Ahoana no ahafantaranao fa mpaminany marina izy? Ampiasao ny feonao sy ny herinao mba hanehoana ny zavatra tsapanao sy fantatrao (eny amin’ny tambazotra ifaneraserana, amin’ireo resaka mangina ataonao amin’ireo namanao, ao amin’ny fifaneraseranao amin’ireo zafikelinao amin’ny Internet.) Lazao azy ireo hoe nahoana ianao no mino, ahoana no ahafantaranao, manao ahoana izany, efa nisalasala ve ianao, ahoana no nahatongavanao tao, midika inona aminao i Jesoa Kristy. Araka ny nolazain’ny Apôstôly Petera manao hoe: “Aza matahotra … ; fa manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.”4

Ny fahatelo dia ny fahasamihafana. Mamelà ahy ianareo hilaza tantara iray izay nitranga tamin’ny volana jolay teo teny amoron-dranomasin’i Panama City ao Floride.5 Tamin’ny harivariva i Roberta Ursrey dia nahita ny zanany lahy anankiroa nikiakiaka niantso vonjy avy teny amin’ny 90 m anaty ranomasina. Azon’ny onjan-drano mafy izy ireo ka lasa lavitra teny amin’ny ranomasina. Nisy mpivady teo akaiky teo nanandrana nanavotra ireo zazalahy, ary lasa nentin’ilay onja ihany koa izy ireo Nisy fianakavian-dry Ursrey niroboka tao anatin’ilay rano hanavotra ireto mpilomano sahirana ireto, ary vetivety teo dia olona sivy no tratra tao amin’ilay riaka.

Tsy nisy tady teo. Tsy nisy mpamonjy voina. Nandefa sambo mpamonjy olona ny pôlisy saingy efa sahirana nandritra ny 20 minitra ireo olona tao an-dranomasina ireo ary efa reraka sy efa hilentika ao anaty rano. Anisan’ireo mpijery teo amoron-dranomasina i Jessica Mae Simmons. Nanana hevitra izy sy ny vadiny hanao rojon’olona. Niantsoantso ireo olona teo amoron-dranomasina izy ireo mba hanampy azy. Olona am-polony maro no nampifandray ny sandriny ary niditra tao amin’ny ranomasina. Nilaza tamin’ny gazety i Jessica hoe: “Tena nahavariana tanteraka ny nahita ireo olona samy hafa fiaviana sy karazana manao zavatra hamonjena olona tsy fantatra MIHITSY!”6 Rojon’olona 80 no nihinjitra hatrany amin’ireo mpilomano. Jereo ange ny sarin’izany fotoana mahavariana izany e.

Ny olona tsirairay teo amoron’ilay ranomasina dia tsy nieritreritra afa-tsy ireo vahaolana mahazatra ihany ary dia ankona. Saingy nisy mpivady iray, tao anatin’ny fotoana fohy, dia nieritreritra vahaolana hafa. Ny fitondrana zava-baovao sy ny famoronan-javatra dia fanomezana ara-panahy. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia mety ho lasa samihafa amin’ny olona eo amin’ny fombafombantsika sy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika, saingy manome fahafahana antsika hanana aingam-panahy izany ka hahatonga antsika hieritreritra vahaolana hafa, fomba fiasa hafa, fampiharana hafa. Tsy hitovy hevitra amin’izao tontolo izao foana isika, saingy ny fahasamihafantsika amin’ny fomba tsara dia mety hamelona ny hafa izay sahirana.

Ny fahefatra dia ny fiavahana. Ny hoe miavaka dia midika hoe voafaritra tsara amin’ny fomba azo fantarina. Mamelà ahy hiverina indray amin’ilay tantaran’i Jessica Mae Simmons teo amoron’ilay ranomasina. Raha vao nihinjitra ka tonga tany amin’ireo mpilomano ilay rojon’olona dia fantany fa afaka nanampy izy Hoy i Jessica Mae hoe: “Afaka hihazona ny fofon’aiko aho …dia hilomano mora foana ao amin’ny dobo filomanosana amin’ny Olaimpika! [Haiko ny miala avy ao amin’ny herin’ny riaka.] Fantatro fa ho azoko amin’ilay rojon’olona [ny mpilomano tsirairay].”7 Naka hazo fisaka fampiasan’ny mpanao surf izy sy ny vadiny ary nilomano nanaraka ilay rojo mandrapahatongany teo amin’ireo mpilomano ary dia nentin’izy ireo niverina tsirairay teo amin’ilay rojo izy ireo, izay nandefa azy ireo soa aman-tsara teny amin’ny sisiny. Nanana fahaiza-manao miavaka i Jessica: hainy ny milomano manohitra ny riaka. Ny filazantsara naverina amin’ny laoniny dia voafaritra tsara amin’ny fomba azo fantarina. Saingy mila miavaka tsara isika amin’ny fomba fanarahantsika izany. Tahaka an’i Jessica, dia mila mampihatra ny fiainana ny filazantsara isika mialoha ny tampoka, amin’izay sady tsy matahotra isika no matanjaka tsara mba hanampy rehefa entin’ny onja mandeha lavitra ny hafa.

Ary farany, ny fahadimy dia ny fanaovana ireo dingana efatra voalaza etsy ambony ireo amin-kafaliana. Ny hoe faly dia tsy midika akory hoe manana endrika sariaka foana na inona na inona mitranga. Fa midika kosa izany hoe mitandrina ireo didin’ Andriamanitra ary mampiorina sy manampy ny hafa.8 Rehefa mampiorina isika, rehefa mitondra ny enta-mavesatry ny hafa isika, dia mitahy ny fiainantsika izany amin’ny fomba izay tsy azon’ny fitsapana antsika alaina. Misy teny nataon’ny Filoha Hinckley napetrako teo amin’ny toerana hahitako izany isan’andro. Hoy izy: “Ianao dia tsy … manorin-javatra avy amin’ny fijerena ny lafiratsin-javatra sy ny fanesoesoana. Rehefa manana toe-tsaina tia mijery ny lafitsaran-javatra ianao, rehefa miasa am-pinoana ianao, dia handeha tsara ny zava-drehetra.”9

Ho ohatra amin’izany toe-tsaina falifaly sy tia mijery ny lafitsaran-javatra izany dia mahafantatra zatovovavy iray 13 taona antsoina hoe Elsa izay aho izay nifindra trano tany Baton Rouge, Louisiana, 2.900 km lavitr’ireo namany ny fianakaviany. Tsy mora izany hoe 13 taona izany ka mifindra amin’ny toerana vaovao. Tsy mahagaga raha tsy azon’i Elsa antoka ilay fifindrana koa nomen’ny dadany tsodrano izy. Teo am-panaovana ilay tsodrano mihitsy dia naharay hafatra ny findain-dreniny. Nandefa an’ity sary misy soratra hoe “Mba mifindrà aty amin’ny paroasy misy anay!” ity ireo zatovovavy tao amin’ny paroasy tao Louisiana.10 Ny lafitsarany no nojeren’ireo zatovovavy ireo satria notiaviny i Elsa na dia mbola tsy nihaona tamin’izy ireo mihitsy aza. Nahatonga an’i Elsa hijery ny lafitsaran’ny fifindrany ny fientanentanan’izy ireo ary namaly ny vavaka nataony momba ny hoe ho tsara sa tsia ny zavatra rehetra. Misy hery tonga avy amin’ny fifaliana sy ny toe-tsaina tia mijery ny lafitsaran-javatra, hery izay tsy hoe mitahy antsika fotsiny fa mampiorina ny rehetra manodidina antsika. Izay zavatra kely rehetra ataonao hampisy fifaliana amin’ny hafa dia maneho fa efa mitondra ilay hazavana narehitry ny Filoha Kimball ianao.

15 taona aho tamin’ny fotoana namakiana ny lahatenin’ny Filoha Kimball. Isika izay mihoatra ny 40 taona dia efa nitondra izany andraikitra avy tamin’ny Filoha Kimball izany hatramin’io andro io. Ankehitriny aho dia mijery an’ireo 8 taona, sy ireo 14 taona, sy ireo 20 taona, sy ireo 35 taona, ary dia homeko anareo izany andraikitra izany. Ianareo no ho mpitarika ato amin’ity Fiangonana ity, ary hiankina aminareo izany raha hitondra io hazavana io mandroso ianareo ary hahatanteraka an’io faminaniana io. Mampifandray ny sandrinay amin’ny anareo izahay mihoatra ny 40 taona ary mahatsapa ny herinareo sy ny tanjakareo. Mila anareo izahay.

Henoy izao soratra masina hita ao amin’ny F&F 49:26–28 izao. Mety nosoratana noho ny toe-javatra hafa izany saingy anio hariva, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, dia manantena aho ho raisinareo ho toy ny antsonareo manokana ho amin’ity asa masina ity izany.

“Indro Izaho milaza aminareo hoe mandehana araka izay efa nandidiako anareo; mibebaha amin’ ny fahotanareo rehetra; mangataha dia hahazo ianareo; dondòny dia hovohana ianareo.

“Indro, Izaho handeha eo alohanareo ary ho vodilaharanareo; ary Izaho ho eo afovoanareo, ary tsy hangaihay ianareo.

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy, ary avy faingana Aho.”11

Manentana anareo tsirairay aho mba hametraka ny tenanareo eo amin’ny toerana iray izay hahafahanareo mahatsapa ny fitiavana be ananan’ Andriamanitra ho anareo. Tsy afaka mametraka ny tenanareo amin’ny toerana tsy ho azon’izany fitiavana izany ianareo. Rehefa mahatsapa ny fitiavany ianareo, rehefa tia Azy ianareo, dia hibebaka ianareo ary hitandrina ireo didiny. Rehefa mitandrina ny didiny ianareo, dia afaka mampiasa antsika amin’ny asany Izy. Ny asany sy voninahiny dia ny fisandratana sy ny fianana mandrakizan’ny vehivavy sy ny lehilahy.

Manasa antsika ireo mpaminany, ry rahavaviko. Haneho fahamarinana ve ianareo? Hampiseho ny finoanareo ve ianareo? Afaka ny hiavaka sy ho hafa ve ianao? Hanova ny hafa izay tsara sy mendri-kaja ary mila ny finamananao ve ny hafalianao na dia eo aza ireo fitsapana mahazo anao? Harehitrao ve ny fahazavanao? Mijoro ho vavolombelona aho fa handeha eo anoloantsika sy ho eo anivontsika i Jesoa Kristy Tompo.

Faranako amin’ny tenin’ny mpaminany izay tiantsika fatratra, dia i Thomas S. Monson, ny lahateniko: “Ranabaviko malala isany, andronareo izao, fotoanareo izao.”12 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Filoha Brigham Young: “Avelao [ireo rahavavy] hanorina ireo Fikambanana Ifanampian’ny vehivavy any amin’ireo paroasy samihafa. Misy vehivavy manan-talenta maro eto anivontsika, ary mitady ny fanampian’izy ireo isika amin’ity sehatra ity. Mety hieritreritra ny sasany fa zavatra tsy misy dikany izany, saingy tsy izany, ary ho hitanareo fa ny vehivavy no ho hery mampihodina izao raharaha izao” (ao amin’ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society [2011], 41).

    Filoha Lorenzo Snow: “Hita teo anilan’ireo mpihazona Fisoronana foana ianareo, vonona … ny handray ny andraikitrareo hampandroso izay zavatra mahasoa ny fanjakan’ Andriamanitra, ary satria nandray anjara tamin’ ity asa ity ianareo dia azo antoka fa hahazo anjara amin’ ny fahombiazan’ ity asa ity ianareo sy hahazo anjara amin’ ny fisandratana sy ny voninahitra izay homen’ ny Tompo an’ ireo zanany mahatoky.”(ao amin’ny Daughters in My Kingdom7).

    Filoha Spencer W. Kimball: “Misy hery ao anatin’ ity rafitry ny Fikambanana Ifanampiana ity izay tsy mbola nampiasaina tanteraka mba hanamafisan’ orina ny tokantranon’ i Ziona sy hanorenana ny Fanjakan’ Andriamanitra—ary tsy ho ampiasaina tanteraka izany raha tsy efa samy mahatakatra ny hery ananan’ ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy sy ny fisoronana”(ao amin’ny Daughters in My Kingdom, 142).

    Filoha Howard W. Hunter: “Ilaina tokoa ny mampiray ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana mba hiara-hitsangana sy hanohana ireo Rahalahy amin’ny fampitsaharana ny fitombon’ny ratsy izay manodidina antsika sy amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Mpamonjintsika. … “Koa manasa anareo izahay hitondra fanampiana amin’ny alalan’ilay ohatra mahery vaika anananareo mba hitaona amin’ny tsara amin’ny fampatanjahana ny fianakaviantsika, ny Fiangonantsika ary ny fiarahamonina misy antsika” (ao amin’ny Daughters in My Kingdom, 157).

    Filoha Gordon B. Hinckley: “Misy hery sy fahaiza-manao lehibe ao amin’ireo vehivavin’ity Fiangonana ity. Manana fahaiza-mitarika, toe-tsaina mahaleo tena, kanefa manana fahafahampo tanteraka fa anisan’ity fanjakan’ Andriamanitra ity sy miara-miasa amin’ny fisoronana mba hampandroso izany” (ao amin’ny Daughters in My Kingdom, 143).

    Filoha Thomas S. Monson: namerina ny tenin’i Belle Smith, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, izay nanoratra hoe: “‘Tsy mbola lehibe mihoatra ny amin’izao andro izao ny fitaomana entin’ireo vehivavy hatrizay. Tsy mbola nisokatra be toy izao ny varavarana ahafahan’izy ireo manao zavatra. Vanim-potoana misarika, mampientanentana, sarotra ary be fitakiana izao ho an’ny vehivavy. Fotoana iray feno valisoa raha mahay mandanjalanja sy mianatra ny tena lanjan’ny fiainana ary mamantatra amim-pahendrena ny laharam-pahamehana isika’ [A Woman’s Reach (1974), 21]. Ranabaviko malala isany, andronareo izao, fotoanareo izao” (“The Mighty Strength of the Relief Society,” Ensign, Nov. 1997, 95).

    Filoha Russell M. Nelson: “Koa anio dia miangavy an’ireo rahavavy ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho mba handroso hanao asa! Raiso ny toeranareo izay anananareo zo sady ilainareo ao an-tokantranonareo sy any amin’ny fiarahamonina misy anareo ary ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ataovy mihoatra noho izay nataonareo teo aloha izany. Miangavy anareo aho mba hanatanteraka ny faminanian’ny Filoha Kimball. Ary mampanantena anareo aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, fa raha manao izany ianareo, dia hampitombo ny fitaomana anananareo amin’ny ambaratonga ambony kokoa ny Fanahy Masina!” (“Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 97).

  2. Jereo ny horonantsarin-dRahavavy Camilla Kimball mamaky ny lahatenin’ny Filoha Spencer W. Kimballa ao amin’ny lds.org/general-conference/1979/10/the-role-of-righteous-women; jereo ihany koa ny Spencer W. Kimball, “The Role of Righteous Women,” Ensign, nôv. 1979, 102–4.

  3. Spencer W. Kimball, “The Role of Righteous Women,” 103–4; nampiana fanamafisana.

  4. 1 Petera 3:14–15.

  5. Jereo ny McKinley Corbley, “80 Beachgoers form Human Chain to Save Family Being Dragged Out to Sea by Riptide,” 12 jolay 2017,

    goodnewsnetwork.org.

  6. Jessica Mae Simmons, tao amin’ny Corbley, “80 Beachgoers Form Human Chain.”

  7. Simmons, tao amin’ny Corbley, “80 Beachgoers Form Human Chain.”

  8. Jereo ny Almà 41:10; 34:28Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27; Lioka 16:19–25

  9. Teachings of Presidents of the Church: Gordon B. Hinckley (2016), 71.

  10. Fanamarihana avy tamin’ny fianakaviana Virgina Pearce.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:26–28.

  12. Thomas S. Monson, “The Mighty Strength of the Relief SocietyEnsign, nôv. 1997, 95.