2010–2019
Fananana lanja tsy hay refesina
Ôktôbra 2017


Fananana lanja tsy hay refesina

Afaka ny hankafy matetika ny bitsika mahafinaritry ny Fanahy Masina isika izay manamarina ny fahamarinan’ny lanjantsika ara-panahy.

Nandritra ny dia nataoko tany Sierra Leone tao Afrika Andrefana dia nandray anjara tamina fivoriana iray izay notarihan’ny mpitarika iray tao amin’ny Kilongan’ny tsatòka ny tenako. Tamim-pitiavana sy tamin-kalefahana ary tamim-pahatokian-tena ery no nitarihan’i Mariama ny fotoana ka mora foana ny hiheverana fa efa ela no naha-mpikamban’ny Fiangonana azy. Kanefa mpikambana vao tsy ela akory i Mariama.

Sary
I Mariama sy ny zanany vavy

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny zandriny vavy, dia nanasa an’i Mariama hanatrika fotoam-pianarana tato am-piangonana niaraka taminy izy. Tena nanohina lalina an’i Mariama ny hafatra nozaraina tamin’izany. Niompana tamin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ilay lesona. Nangataka mba hampianarin’ny misiônera misimisy kokoa izy ary tsy ela dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith. Natao batisa tamin’ny taona 2014 izy ary tamin’ny volana lasa teo no vita batisa ny zanany vavy. Alaivo sary an-tsaina hoe ny fampianarana fototra roa nitondra an’i Mariama ho amin’ny fiovam-po dia ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny Mpaminany Joseph Smith. Zavatra roa izay matetika heverin’izao tontolo izao ho tsy misy dikany sy nilaozan’ny toetr’andro, na manorisory.Kanefa i Mariama dia nijoro ho vavolombelona fa toa ireny samoina voasariky ny hazavana ireny izy. “Rehefa nahita ny filazantsara aho dia nahita ny tenako,” hoy izy. Nahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra izy. Ny lanjany amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra azy dia nambara taminy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Izao indray isika dia hiresaka momba an-dry Singh mirahavavy isany avy ao Inde. I Renu, eo amin’ny sisiny an-kavanana, izay voalohany niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’izy dimy mirahavavy dia nizara ireto teny ireto:

Sary
Ry Singh mirahavavy

“Talohan’ny nanadihadiako ny Fiangonana dia tsy tena nahatsapa ny tenako hoe tena manan-danja izany aho. Izaho dia olona iray fotsiny tao anatin’ny olona maro, ary ny fiarahamonina sy kolontsaina niainako dia tsy tena nampianatra ahy fa manana ny lanjany ahoamin’ny maha-olombelona ahy. Rehefa nianatra ny filazantsara aho ka nahafantatra fazanakavavin’ny Raintsika any An-danitra aho, dia nampiova ahy izany. Tampoka teo dia nahatsapa tena ho tena niavaka aho. Raha ny marina dia nisy lanjany sy tanjona ny namoronan’ Andriamanitra ahy sy ny fanahiko ary ny fiainako.

“Talohan’ny nananako ny filazantsara teo amin’ny fiainako dia niezaka foana aho nanaporofo tamin’ny hafa fa izaho dia olona iray miavaka. Kanefa rehefa nahafantatra ny marina aho fa zanakavavin’ Andriamanitra dia tsy nila nanaporofo na inona na inona tamin’iza na iza. Fantatro tamin’izany fa olona miavaka aho. … Aza mihevitra ny tenanao ho tsinontsinona na oviana na oviana.”

Nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny fomba tonga lafatra izany rehefa niteny ireto teny ireto izy:“Ny maha-sarobidy ny fanahin’olona iray dia ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.”1

Sary
I Taiana

Vao haingana aho no nanana fahafahana nihaona tamina zatovovavy iray hafa izay mahatakatra io fahamarinana io koa. Taiana no anarany. Tao amin’ny Hôpitalin’ny Kilonga ao Salt Lake City no nihaonako taminy. Taona faharoa tao amin’ny lisea i Taiana rehefa hita fa voan’ny homamiadana. 18 volana no nitolomany tamin-kerim-po nialoha ny nahafatesany vao tsy ela akory izay.Olona feno fifaliana sy fitiavana i Taiana. Fantatra tamin’ny tsikiny izay mamindra sy ny fanehoany fankasitrahana amin’ny “ankihiben-tanany roa manondro ambony” izy. Rehefa nanontany ny hafa hoe: “ Nahoana no ianao ry Taiana no marary?”dia toy izao no navaliny, “Fa maninona moa raha izaho?” I Taiana dia nikatsaka ny ho toa ny Mpamonjy azy izay tena tiany tokoa. Nandritra ireo fitsidihanay dia nahafantatra aho fa takatr’i Taiana ny lanjany masina.Ny fahafantarany fa zanakavavin’ Andriamanitra izy dia nanome fiadanana sy herim-po ho azy hiatrehana tamim-pahatokian-tena toy ny nataony, ny fitsapana mavesatra nolalovany.

I Mariama, sy i Renu ary i Taiana dia mampianatra antsika fa ny Fanahy dia hanamafy amin’ny tsirairay avy amintsika ny fananantsika lanja masina.Ny fahafantarana marina fa zanakavavin’ Andriamanitra ianao dia hisy fiantraikany eo amin’ny lafim-piainanao rehetra ary hitarika anao ao amin’ny asa fanompoana ataonao isan’andro. Tamin’ireto teny miavaka ireto no nitondran’ny Filoha Spencer W. Kimball izao fanazavana izao:

“Andriamanitra no Rainao. Tiany ianao. Izy sy ilay reninao any an-danitra dia manome lanja anao mihoatra ny zava-drehetra. … Miavaka ianao. Olona iray izay manana faharanitan-tsaina mandrakizay izay manome anao fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay.

“Tsy tokony hiahiahy mihitsy ny amin’ny lanjan’ny tenanao manokana ianao. Ny tena tanjon’ny drafitry ny filazantsara dia ny hanomezana anao fahafahana manatratra ilay hery faratampony anananao, izay midika ho fivoarana mandrakizay sy fahafahana ho lasa andriamanitra.”2

Aleo asongadiko ny ilana hanavahana teny roa saro-pady: lanja sy ny fahamendrehana. Tsy mitovy izy roa ireo. Ny lanja ara-panahy dia midika hoe manome lanja ny tenantsika amin’ny fomba fanomezan’ny Ray lanja antsika fa tsy amin’ny fomba fanomezan’izao tontolo izao lanja antsika. Ny lanjantsika dia voafaritra mialoha ny nahatongavantsika tety an-tany.“Tsy manam-petra ny fitiavan’ Andriamanitra ary haharitra mandrakizay izany.”3

Etsy ankilany, ny fahamendrehana dia tratrarina amin’ny alalan’ny fankatoavana. Raha toa isika ka manota dia mihena ny fahamendrehantsika kanefa tsy ho tsy manan-danja na oviana na oviana isika! Manohy mibebaka sy milofo ny ho toa an’i Jesoa isika miaraka amin’ny lanjantsika tsy misy tomíka. Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe: “Ny fanahy kely indrindra eto ambonin’ny tany … dia mitovy lanja amin’ny tontolo maro.”4 Na inona na inona mitranga dia manan-danja mandrakariva isika eo imason’ny Raintsika any An-danitra.

Na dia eo aza io fahamarinana io dia firy amintsika no mitolona indraindray amin’ny fieritreretana sy fahatsapana zavatra ratsy momba ny tenantsika? Manao izany aho. Fahadisoana mora atao izany. I Satana dia rain’ny lainga rehetra indrindra raha ny amin’ny fandisoana ny mahakasika ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny tanjontsika. Tsy manampy antsika ny fieritreretana ny tenantsika ho tsy misy dikany. Fa manakana ny fivoarantsika aza izany. Araka ny nampianarina antsika matetika dia “Tsy misy olona afaka manambany anao raha tsy avelanao manao izany izy.”5 Azontsika atao ny mitsahatra tsy mampitaha ny zavatra faran’izay ratsy avy amintsika amin’ny zavatra tsara indrindra vitan’ny hafa. “Mandroba ny fifaliana ny fampitahana ny tena amin’ny hafa.”6

Kanefa ny Tompo dia manome toky antsika fa rehefa manana eritreritra madio isika dia homeny fahatokian-tena, eny fahatokian-tena ny hahafantatra ny tena maha-antsika antsika mihitsy.Tsy mbola nisy velively fotoana iray manan-danja kokoa noho ny amin’izao mba hihainoana ny teniny.Hoy Izy hoe: “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy.” “Dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary … ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava.”7

Ny Tompo dia nanambara ity fahamarinana fanampiny ity tamin’ny Mpaminany Joseph Smith: “Izay mandray avy amin’ Andriamanitra, dia aoka izy hihevitra izany ho avy amin’Andriamanitra; ary aoka izy hifaly fa isain’ Andriamanitra ho mendrika ny handray.”8 Rehefa mahatsapa ny Fanahy isika, araka ny fanazavana omen’io andinin-tsoratra masina io, dia mahafantatra fa ny zavatra izay tsapantsika dia avy amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. Mankasitraka sy midera Azy isika noho ny fitahiany antsika. Dia mihoby isika fa anisan’ireo mendrika ny handray.

Alaivo sary an-tsaina hoe indray maraina raha teo am-pamakiana ny soratra masina ianao dia nibitsika taminao ny Fanahy Masinafa marina ny zavatra novakinao. Afaka mamantatra ny Fanahy ve ianao ka ho faly fa nahatsapa ny fitiavan’ny Ray ary mendrika ny handray?

Ry reny isany, mety ho mandohalika eo akaikin’ny zanakao efa-taona ianao rehefa mivavaka mialoha ny hatoriana izy. Hisy fahatsapana hanenika anao rehefa mihaino ianao. Hahatsapa hafanana sy fiadanana ianao. Fohy ilay fahatsapana, kanefa ho fantatrao fa ianao, amin’izany fotoana izany, dia voaisa ho mendrika ny handray. Mety mahalana raha hisy aza izany, ny hahitantsika fisehoan-javatra goavana ara-panahy eo amin’ny fianantsika; saingy isika dia afaka ny hankafy matetika ny bitsika mahafinaritry ny Fanahy Masina izay manamarina ny fahamarinan’ny lanjantsika ara-panahy.

Ny Tompo dia nanazava ny fifandraisana misy eo amin’ny lanjantsika sy ny sorompanavotana lehibe nataony rehefa niteny hoe:

“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra;

“Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritra fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra, mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.”9

Ry rahavavy isany, noho ny zavatra nataony ho antsika dia, “voafatotra Aminy amin’ny rohim-pitiavana isika.”10 Hoy Izy: “Ary naniraka ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazo fijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazo fijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko.”11

Ny mpanjaka Benjamina ihany koa dia nanazava ny amin’io fifandraisana mampifamatotra amin’ny Mpamonjy antsika io: “Ary indro hiaretany ny fakampanahy sy ny fanaintainan’ny vatana, dia hanoanana, hetaheta ary harerahana na dia mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina aza izany kanefa tsy hatramin’ny fahafatesana; fa indro mivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra, fa ho lehibe loatra ny fitaintainany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ny olony.”12 Izany fijaliana izany sy ny vokatr’izany fijaliana izany dia mameno ny fontsika amin’ny fitiavana sy fankasitrahana. Nampianatra ny Loholona Paul E. Koelliker hoe: “Rehefa esorintsika ireo zavatra mahavarimbariana izay misintona antsika mankany amin’izao tontolo izao, ka ampiharintsika ny fahafahantsika misafidy mba hikatsahana Azy, dia manokatra ny fontsika isika hahazo hery selestialy iray izay misarika antsika hankany Aminy.”13 Raha toa ny fitiavana tsapantsika ho an’ny Mpamonjy sy ny zavatra vitany ho antsika ka lehibe mihoatra ny hery anomezantsika toerana ny fahalemena, tsy fahatokian-tena, na fahazaran-dratsy dia hanampy antsika handresy ireo zavatra izay mahatonga ny fijaliana eo amin’ny fiainantsika Izy. Mamonjy antsika amin’ny fahalementsika Izy.

Aleo hamafisiko indray fa raha toa ny fisarihan’izao tontolo izao ka matanjaka kokoa noho ny finoantsika ny Mpamonjy sy ny fahatokiantsika Azy dia handresy hatrany ny fisarihan’izao tontolo izao. Raha misafidy ny hifantoka amin’ny fieritreretana zavatra ratsy sy amin’ny fisalasalana ny amin’ny lanjantsika isika raha toa ka tokony hifikitra amin’ny Mpamonjy dia ho lasa sarotra kokoa ny hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Ry rahavavy, aoka isika tsy hiroaroa saina ny amin’ny hoe iza isika! Raha matetika no mora kokoa ny matoritory ara-panahy raha oharina amin’ny fanaovana ny ezaka ara-panahy mba hahatsiahy sy hanaiky ny toetrantsika amin’ny maha-Andriamanitra, dia tsy azontsika atao ny manome vahana izany amin’izao andro farany izao. Enga anie isika, amin’ny maha-mpirahavavy antsika, “ ho mahatoky ao amin’i Kristy; … fa hanandratra [antsika] kosa anie i Kristy, ary enga anie ny fijaliany sy ny fahafatesany, … ary ny famindram-pony sy ny fahari-pony ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandrakizay ao [an-tsaintsika].”14 Rehefa ampiakarin’ny Mpamonjy eo amin’ny faritra ambony kokoa isika dia tsy hoe afaka mahita mazava bebe kokoa fotsiny ilay tena maha-izy antsika fa lasa akaiky Azy kokoa noho izay noheverintsika.Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.