2010–2019
Zanaky ny Ray ve aho?
Aprily 2018


Zanaky ny Ray ve aho?

Ahoana no ahafahan’ny tsirairay avy amintsika hahatsapa ny herin’ny fahatakarana ny maha-andriamanitra antsika? Manomboka amin’ny fikatsahana ny hahafantatra an’ Andriamanitra Raintsika izany.

Vao haingana aho no niaraka tamin’ny reniko mahafinaritra nandeha nivavaka tany amin’ny fiangonana mirary vato nisy anay taloha. Voasariky ny feon’ireo ankizy avy tao amin’ilay efitranon’ny Kilonga natrehako taona maro lasa aho ka niditra nankeny amin’ny faran’ny efitrano nandinika ireo mpitarika tia mikarakara mampianatra ny lohahevitry ny Kilonga amin’ity taona ity hoe:“Zanak’ Andriamanitra aho.”1 Nitsiky aho raha nahatsiaro ireo mpampianatra feno faharetana sy fitiavana nandritra ireo fotoana fianaran-kira tamin’izany, izay nijery tany amiko matetika—ilay zazalahy kely mahery setra izay mipetraka eny amin’ny sisiny indrindra amin’ny seza lavan’ny fiangonana—toa manontany tena izany ry zareo hoe “Tena zanak’ Andriamanitra marina ve izy? Ary iza no nandefa azy tety?”2

Manasa antsika aho hamela ny Fanahy Masina izay “miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika” hikasika ny aty fanahintsika.3

Tsotra sy sarobidy ireo tenin’ny Filoha Boyd K. Packer: “ Zanak’ Andriamanitra ianao. Izy no Rain’ny fanahinao. Raha ara-panahy dia avy amin’ny taranaka ambony ianao, taranaky ny Mpanjakan’ny Lanitra. Apetraho ao an-tsainao izany fahamarinana izany ary mifikira amin’izany. Na dia efa taranaka maro aza ireo razambenao nifandimby teto an-tany, na inona na inona firazananao ary na olona avy aiza ianao na avy aiza, dia azo soratana eo amin’ny tsipika iray ihany ny rohim-pirazanan’ny fanahinao. Zanaky ny Ray ianao!”4

“Rehefa … hahita ny Raintsika ianao,” hoy ny i Brigham Young raha namariparitra izany, “dia hahita olona iray izay efa fantatrao hatry ny ela, ary Izy handray anao eny an-tsandriny, ka ho vonona ny hiantoraka hofihininy sy hanoroka Azy ianao.”5

Ilay Ady Lehibe mahakasika ny maha-andriamanitra

Nianatra momba ny lovany avy amin’ Andriamanitra i Mosesy raha niresaka nifanatri-tava tamin’ny Tompo. Taorian’izany zavatra niainany izany dia “tonga i Satana naka fanahy” tsy nivantana kanefa tamim-pikasan-dratsy mba hanova ny maha-izy azy an’i Mosesy “nanao hoe: Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy. Ary … dia nijery an’i Satana i Mosesy ary nanao hoe: Iza moa ianao? Fa indro izaho dia zanak’ Andriamanitra.6

Ity ady lehibe mahakasika ny maha-andriamanitra ity dia mbola iadian-kevitra hatrany, raha eo am-pampitomboana tsy ankiato ireo paik’ady mamitaka entina hamotehana ny finoantsika sy ny fahalalantsika ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra i Satana. Soa ihany fa notahiana tamin’ny fahatakarana mazava ny amin’ny maha-izy antsika hatrany am-boalohany isika : “Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika,” 7 ary manambara ireo mpaminany velona fa: “Ny [olombelona] tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary, araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”8

Ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo amim-patokiana9 dia manampy antsika handresy ireo fizahan-toetra, sy fahasahiranana, ary ny fahoriana isan-karazany.10 Raha nanontaniana ny Apôstôlin’ny Tompo iray hoe: “Ahoana no fomba hanampiantsika ireo izay mitolona amin’ny [fanamby ho an’ny tenany manokana]?” dia hoy izy nanoro hevitra: “Ampianaro azy ny maha-izy azy sy ny tanjony.”11

“Ny fahalalana mahery vaika indrindra ananako”

Ireo fahamarinana mahery vaika ireo dia tena nanova ny fiainan’i Jen namako12 izay fony izy zatovo dia nahatonga lozam-piarakodia nampidi-doza. Na dia lehibe tokoa aza ny fijaliany dia nahatsapa fijaliana lehibe kokoa izy satria maty ilay mpamily iray hafa. “Maty ny renin’olona ary izany dia noho ny hadisoako,” hoy izy. I Jen, izay vao andro vitsy lasa no nijoro sy nanao tsianjery hoe: “Zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra isika, Izay tia antsika,”13 no manontany tena ankehitry hoe: “Ahoana no mbola itiavany ahy?”

“Nifarana ilay fijaliana ara-batana,” hoy izy, “fa tsy noheveriko hoe ho sitrana tamin’ireo ratra ara-pihetseham-po sy ara-panahy mihitsy aho.”

Mba hahavelomany, dia nafenin’i Jenifer ireo fahatsapany lalina tamin’ny alalan’ny fitokana-monina sy tsy fanehoana fihetseham-po. Taona iray taty aoriana rehefa afaka niresaka momba ilay loza izy nony farany, ny mpanoro hevitra nentanim-panahy iray dia nanasa azy hanoratra ny fehezan-teny hoe “Zanak’ Andriamanitra aho” hanonona izany im-polo isan’andro.

“Mora ny nanoratra ireo teny,” hoy izy nitantara, “kanefa tsy vitany ny niteny izany. … Tena sarotra loatra izany ary tsy nino mihitsy aho fa tian’ Andriamanitra ny hanana ahy ho zanany. Nitakoko nitomany foana aho tamin’izany.”

Volana maro taty aoriana dia vitan’i Jen nony farany ny namita isan’andro ilay zavatra nampanaovina azy. “Noborahiko ny aty fanahiko manontolo,” hoy izy, “nitalaho tamin’ Andriamanitra. … Dia nanomboka nino ireo teny aho.” Izany finoana izany dia namela ny Mpamonjy nanomboka nanasitrana ny fanahiny maratra. Ny Bokin’i Môrmôna dia nitondra fampiononana sy fankaherezana ao amin’ny Sorompanavotany.14

Nofaranan’i Jen tamin’ny hoe: “Tsapan’i Kristy ny fijaliako, ny fahoriako, ny fahamelohako.” “Tsapako ny fitiavana madion’ Andriamanitra ary tsy mbola niaina zavatra mahery vaika toy izany aho! Ny fahafantarana fa izaho dia zanak’ Andriamanitra no fahalalana mahery vaika indrindra ananako!”

Mikatsaka ny hahafantatra an’ Andriamanitra Raintsika

Ry rahalahy sy ranabavy, ahoana no ahafahan’ny tsirairay avy amintsika hahatsapa ny herin’ny fahatakarana ny maha-andriamanitra antsika? Manomboka amin’ny fikatsahana ny hahafantatra an’ Andriamanitra Raintsika izany.15 Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Misy zavatra tena mahery vaika mitranga rehefa mikatsaka ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny Malala ny zanak’ Andriamanitra iray.”16

Manampy antsika hahafantatra ny Ray ny fianarana avy amin’ny Mpamonjy sy ny fanarahana Azy. “Amin’ny maha- … endriky ny tenany indrindra [amin’ny Rainy Azy],”17 dia nampianatra toy izao i Jesoa: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray.”18 Tamin’ny teny sy asa nataony rehetra i Kristy dia naneho ny tena toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy.19 Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland fa “Tamin’ny ra nipoitra teny amin’ny mason-koditra rehetra sy ny fitalahoana feno fahoriana teo amin’ny molony no nitadiavan’i Kristy Ilay izay notadiaviny mandrakariva—dia ny Rainy. ‘Ray ô’, hoy izy nihiaka, ‘Dada a.’”20

Mitovy tamin’ny nikatsahan’i Jesoa tamin-kitsim-po ny Rainy tao Getsemane no nikatsahan’i Joseph Smith, fony izy tanora, an’ Andriamanitra tamin’ny vavaka tao amin’ilay Ala Masina tamin’ny 1820. Nisintaka mba hivavaka i Joseph rehefa avy namaky hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”21

“Nandohalika aho”, hoy izy nanoratra taty aoriana, “ary nanomboka nanolotra an’ Andriamanitra ny fanirian’ny foko. …

“… Nahita andrim-pahazavana aho teo ambonin’ny lohako indrindra. …

“… Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—[Joseph,] Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!22

Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy sy ny an’ny Mpaminany Joseph isika amin’ny fikatsahana an’ Andriamanitra amin-kitsim-po, dia hanjary hahatakatra amin’ny fomba tena azo antoka, mitovy tamin’ny an’i Jen, fa mahafantatra antsika amin’ny anarantsika ny Ray, fa zanany isika.

Ho an’ireo reny, indrindra fa ireo vao herotrerony, izay matetika mahatsapa tena ho tototra sy sempotra eo am-pitolomana amin’ny fanabeazana “taranaka mahatohitra ny fahotana,”23 dia aza manambany na oviana na oviana ny halehiben’ny anjara andraikitrareo eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Mandritra ireo fotoana manahiran-tsaina anareo—mety hoe rehefa mifanjevo amin’ireo zanaka kelinareo ianareo no misy fofona may manaitra anareo fa lasa fanatitra hodorana ilay sakafo hariva nokarakarainareo tamim-pitiavana—dia fantaro fa manamasina ireo andronareo sarotra indrindra Andriamanitra.24 “Aza matahotra; fa momba anao Aho,”25 izany no fanomezan-toky nataony tamim-pahatoniana. Manaja anareo izahay amin’ny fanatanterahanareo ny fanantenan’ny Rahavavy Joy D. Jones izay nilaza fa “Ireo zanatsika dia mendrika ny hahatakatra ny maha-andriamanitra azy ireo.”26

Manasa antsika tsirairay avy aho mba hikatsaka an’ Andriamanitra sy ny Zanany Malala. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Tsy misy fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy mahery vaika kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.”27 Sokafy ireo pejiny ary ianaro fa Andriamanitra dia manao “ny zava-drehetra ho fiadanan[tsika] sy ho fahasambaran[tsika]”;28 fa Izy dia “mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po”;29 ary “[ho Azy dia] mitovy ny rehetra.”30 Rehefa mahatsapa tena ho voadona, very, matahotra, tezitra, malahelo, noana, na tavela ho irery tsy misy fanantenana mandritra ireo fitsapana sarotra indrindra ianao31 dia sokafy ny Bokin’i Môrmôna, ary ho takatrao fa “[Andriamanitra dia] tsy handao antsika izany. Tsy mbola nanao an’izany Izy, ary tsy hanao izany na oviana na oviana. Tsy afaka manao izany Izy. Tsy toetrany [ny manao] izany.”32

Ny fahafantarana ny Raintsika dia manova ny zava-drehetra, indrindra ny fontsika, rehefa manamafy ny maha-izy antsika sy ny halehiben’ny lanjantsika eo imasony ny Fanahiny malefaka.33 Miara-dia amintsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana Andriamanitra rehefa mikatsaka Azy amin’ny alalan’ny fitalahoana am-bavaka, sy ny fandalinana soratra masina, ary ny fiezahana hitandrina ny didy isika.

Tsy misy tomika ny Toetran’ Andriamanitra—teny vavolombeloko izany

Tiako ny Andriamanitr’ireo razambeko,34 ny “Tompo Andriamanitra Tsitoha,”35 izay miara-mitomany amintsika ao anatin’ireo fahoriantsika, manafay amim-paharetana ireo tsy fahamarinantsika, ary mifaly rehefa mikatsaka ny “ha[moy] ny fahotan[tsika] rehetra [isika] mba hahafantara[na Azy].”36 Izaho dia manompo Azy, izay hatrizay no “Rain’ny kamboty”37 sy namana ho an’ireo izay tsy mana-namana. Amim-pankasitrahana no ijoroako ho vavolombelona fa nanjary nahafantatra an’ Andriamanitra, Raiko aho, ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahalavorariana, sy ny hatsaram-panahy, ary ny maha-“tsy misy tomika ny toetrany.”38

Enga anie isika tsirairay avy hahatakatra marina sy hankamamy ny “fiaviantsika mendri-kaja”39 amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika amin’ny fahafantarana Azy ho “Ilay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahi[ny]”40. Izany no no vavaka ataokoamin-kafanam-po amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.