2010–2019
“Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy”
Aprily 2018


“Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy”

Ny vavaka ataontsika anio dia enga anie ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra handao ity fihaonambe ity amin’ny fanoloran-tena lalina kokoa ny hifampikarakara amin’ny fo tokoa.

Raha atao amin’ny teny hafa izay nolazain’i Ralph Waldo Emerson, dia ireo fotoana tsaroana indrindra eo amin’ny fiainana dia ireo izay hahatsapantsika firotsahan’ny fanambarana.1 Ry Filoha Nelson, tsy fantatro hoe“firotsahana”firy no mbola hovoarainay amin’ity faran’ny herinandro ity Ny sasany aminay dia manana fo malemy. Saingy mieritreritra aho fa vitanao ihany koa ny mikarakara izany.Izany ka mpaminany!

Araka ny zavatra mahatalanjona nambaran’ny Filoha Nelson sy fijoroana ho vavolombelona nataony omaly hariva sy anikeho marainadia mijoro ho vavolombelona aho dia mijoro ho vavolombelona manokana aho fa ireo fanambarana ireo dia ohatra amin’ny fanambarana izay efa nitarika ity Fiangonana ity hatrany amin’ny fiantombohany. Ary mbola porofo fa manafaingana ny asany ny Tompo amin’ny fotoany. 2

Ho an’ireo rehetra izay te hahafantatra misimisy kokoa momba ireo zavatra ireo dia fantaro raha vantany vao mifarana ity fivoriana amin’ny fihaonam-be ity dia hisy taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany halefa ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay izay manana adiresy mailaka. Misy antontan-taratasy misy fanontaniana sy valiny izay mipaingotra miaraka amin’izay ho an’ireo mpitarika rehetra ao amin’ny fisoronana sy any amin’ny vondrona fanampiny. Farany, ireo fitaovana ireo dia hivoaka avy hatrany ao amin’nyministering.lds.org. “Mangataha dia hahazo ianareo; mitadiava dia hahita ianareo.”3

Izao dia hiompana amin’ny asa mahafinaritra izay nampanaovin’ny Filoha Nelson ahy sy ny Rahavavy Jean Bingham.Rahalahy sy anabavy, rehefa mihamatotra ny asan’ny kôlejy sy ny vondrona fanampiny ao amin’ny firafiny, dia tsy mahagaga raha tokony ho matotraihany koa ny tenantsika—mila amin’izay mety ho asa atao ho fahazarana fotsiny, tsy misy fihetseham-po, ka miditra amin’ilay maha-mpianatra tena nasehon’ny Mpamonjy teo am-pamaranana ny asa fanompoany teto an-tany. Rehefa niomana handao an’ilay andiana mpanara-dia vitsivitsy mbola tsy manan-tsiny sy somary sahiran-tsaina Izy, dia tsy nitanisa dingana asam-pitantanana marobe tokony hataon’izy ireo na nanolotra tatitra maro ho fenoina atao telo sosona. Tsia, nofintininy tamin’ny didy fototra tokana ny asan’izy ireo: “ny mba hifankatiavanareo; … tahaka ny nitiavako anareo. … Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”4

Eo am-piezahantsika hanatona an’io idealy araka ny filazantsara io, ilay fomba fanompoan’ny fisoroana sy ny Fikambanana Ifanampiana vao nambara, ankoatra ireo zavatra maro hafa, dia hahahitana ireto singa ireto, ka ny sasany amin’izany dia efa nampiasain’ny Fikambanana Ifanampiana tamim-pahombiazana tokoa.5

  • Tsy hampiasa ny teny hoe fampianarana isan-tokantrano sy famangiana isan-tokantrano intsony isika. Anisan’ny anton’izany dia satria ny ankamaroan’ireo ezaka fanompoana ataontsika dia ho eo amin’ny sehatra hafa noho ny tokantrano, ary koa satria ny fifandraisana ataontsika dia tsy ho faritana amin’ny fampianarana lesona voaomana iray, na dia azo atao tsara aza ny mizara lesona raha ilaina izany. Ny tena tanjon’io fanompoana io, Na inona na inona antsipiriany,tahaka ny voalaza momba ny vahoaka tamin’ny andron’i Almà, dia ny “[h]iahy ny olony, sy [ny h]amahana azy … amin’ny zavatra mikasika ny fahitsiana.”4

  • Hanohy hamangy tokantrano ihany isika raha azo atao, saingy ny toe-javatra misy eo an-toerana toy ny hamaroan’ny olona ho vangiana, ny halavirana, ny fandriam-pahalemana, sy ny toe-javatra sarotra hafa dia mety tsy ahafahana mamangy ny tokantrano rehetra isam-bolana. Araka ny torohevitry ny Fiadidiana Voalohany taona maro lasa izay, ataovy izay rehetra azonao atao.7 Ankoatra izay mety ho tetiandro apetrakao ho an’ny tena famangiana, dia azo ampidirina ao amin’io tetiandro io ny antso an-telefaonina, ny taratasy kely soratana, ny sms, ny mailaka, ny tafatafa an-tsary, ny resadresaka any amin’ny fivorian’ny Fiangonana, ny tetikasa fanompoana iarahana, ny fiaraha-mientana ara-tsôsialy, ary zavatra azo atao tsy hita isa any amin’ny tontolon’ny tambajotra ifaneraserana. Na izany aza, tokony hantitranteriko fa io fomba fijery vaovao izay mivelatra kokoa io dia tsy ahitana ilay teny mahamenatra izay hitako vao tsy ela tamin’ny sary nipetaka tamin’ny aro donan’ny fiarakodia iray. Izay mivaky hoe “Raha nampaneno klaxon taminao aho dia raiso hoe efa vita vangy izay ianao.”” Miangavy, miangavy re aho ry rahalahy (tsy meloka amin’izany ireo rahavavy —fa miresaka amin’ireo rahalahy ato amin’ny Fiangonana aho), amin’ireo fanambarana ireo dia tiana hitombo ny fikarakarana, sy ny fiahiana, fa tsy hoe hihena.

  • Amin’io fomba fanompoana vaovao, sy mifototra kokoa amin’ny filazantsara io, dia tsapako fa manomboka sahiran-tsaina ianareo mikasika ny hoe inona no azo ekena ho ao amin’ny tatitra. Aza taitra, satria tsy misy tatitra izany, raha ilay karazana tatitra atao amin’ny andro faran’ny volana aloha e, hoe “vao teo mihitsy aho vao nahavita.” Eo amin’iny lafiny iny isika dia eo am-pihezahana ny ho matotra ihany koa. Ny hany tatitra ho atao dia ny isan’ny dinidinika vitan’ireo mpitarika tamin’ireo ekipa mpiara-manompo ao amin’ny paroasy mandritra iny telovolana iny. Araka ny maha-mora izany, ry namako, ireo dinidinika ireo dia tena manan-danja. Raha tsy misy izany fampahalalana izany dia tsy hisy fomba hahafahan’ny eveka mandray ny momba momba ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ny ara-batan’ny olony. Tsarovy fa ny rahalahy mpanompo dia misolotena ny episkôpa sy fiadidian’ny kôlejy fa tsy misy azy ireo. Ny fanalahidin’ny eveka sy ny ny filohan’ny kôlejy dia tena mihoatra lavitra an’ity fandaharam-panompoana ity.

  • Noho io tatitra io izay tsy mitovy amin’izay efa nataontsika, dia izahay aty amin’ny foiben’ny Fiangonana dia tsy mila mahafantatra hoe manao ahoana na taiza na ovianano niresahana tamin’ireo olona ireo fa ny zavatra ilainay fantatra sy raharahinaydia ny hoe ianareo manaoizany ary nitahy azy ireo tamin’izay fomba rehetra vitanareo.

Ry rahalahy sy anabavy, omen’ Andriamanitra fahafahana haneho fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny maha-Fiangonana iray manontolo antsika haneho “fivavahana madio … tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra”8—“hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany” ary ny “hampionona ireo izay mila fampiononana,”9 hanomopo kamboty sy ny mpitondratena, ny manambady sy ny mpitovo, ny matanjaka sy ny ory, ny marofy sy ny salama, ny faly sy ny malahelo—Raha fehezina, isika rehetra, isika tsirairay, satria isika rehetra samy mila mahatsapa ilay hafanan’ny finamanana sy mandre fanambarana finoana mafy orina. Kanefa, mampitandrina anareo aho, ny fomba fiantsoana vaovao, sy ny fahafahana mandamina ny fanatanterahana azy, ary ny fihenan’ny isan’ny tatitra dia tsy hampiova na dia kely aza ny fanompoana ataontsika raha tsy hoe raisintsika ho toy ny fanasana hifampikarakara amin’ny fomba iray vaovao masina kokoa sy miavaka izany, araka izay vao nolazain’ny Filoha Nelson teo. Rehefa mampitraka ny masontsika ara-panahy isika hiaina feno kokoa ny lalàn’ny fitiavana, dia manome voninahitra ireo taranaka maro nanompo tamin’izany fomba izany nandritra ny taona maro. Mamelà ahy hilaza ohatra iray vao haingana amin’ny fahafoizantena toy izany, amin’ ny fanantenana fa maro lavitra kokoa no handray ilay didin’ny Tompo hoe “miaraka [amin’ireo rahalahy sy anabavintsika] sy manatanjaka”10azy ireo.

Tamin’ny 14 janoary lasa teo, andro alahady, taoriana kelin’ny tamin’ny 5:00 ora hariva, dia nifampitafatafa tao an-tranon’izy ireo tany Tempe, Arizona i Brett sy Kristin Hamblin, mpivady tanora namako, rehefa avy nanompo tao amin’ny episkôpà i Brett ny androtrio ary i Kristin kosa avy sahirana tamin’ny fikarakarana ny zanak’izy ireo dimy nandritra ny manontolo andro.

Tampoka teo, i Kristin, izay toa azo noheverina fa tafavoaka velona taorian’ny ady tamin’ny homamiadan’ny nono ny taona talohan’io, dia lasa tsy nahatsiaro tena. Raha nantsoina ireo mpamonjy voina dia nisy ekipa tonga niezaka namelona azy. Raha nivavaka nitalaho i Brett, dia antso an-telefaonina roa monja no nataony vetivety: ny iray ho an-dreniny, nangataka azy hanampy amin’ireo ankizy, ary ny iray ho an’i Edwin Potter, mpampianatra azy isan-tokantrano. Tahatahaka izao ny fandehan’ny fifampiresahan’izy ireo tamin’izany:

Hoy i Edwin, nahatsikaritra ny anaran’ilay mpiantso: “Brett, ka inona no vaovao?”

Ny valintenin’i Brett izay efa nila hikiakiaka dia hoe “Tongava aty fa mila anao aho, izao!”

Minitra vitsivitsy monja dia tonga nijoro teo anilany ilay namany tao amin’ny fisoronana, nanampy tamin’ny fikarakarana ireo ankizy ary avy eo nitondra an-drahalahy Hamblin tamin’ny fiara nankany amin’ny hôpitaly nanaraka ny fiara mpamonjy voina nitondra ny vadiny. Rehefa tonga tany dia nambaran’ireo mpitsabo fa maty i Kristin, tsy ampy 40 minitra taorian’ny nanombohany tsy nahatsiaro tena.

Rehefa nidradradradra nitomany i Brett dia nofihinin’i Edwin tsotra fotsiny izy ary niara-nitomany taminy koa izy nandritra ny fotoana ela dia ela. Avy teo dia navelan’i Edwin niara-nalahelo tamin’ny fianakaviana hafa izay tafavory i Brett ary izy kosa nandeha fiara nihazo ny tranon’ny eveka mba hilaza aminy ny zavatra izay vao nitranga. Nanainga avy hatrany ho any amin’ny hôpitaly ny eveka mahavariana iray, ary i Edwin kosa nanohy ny dia ho any an-tranon-dry Hamblin. Rehefa tonga tany izy sy i Charlotte vadiny izay efa nihazakazaka namonjy tany koa, dia niara nilalao tamin’ireo zanaky ry Humblin dimy kamboty reny, izay 3 ka hatramin’ny 12 taona. Nampisakafo hariva azy ireo izy, nanao fampisehoana an-kira tsy nomanina ary nanampy azy ireo hiomana hatory.

Taty aoriana dia nitantaraka tamiko iBrett fa: “Ny lafiny mahatalanjona ao anatin’ity tantara ity, dia tsy ny fahatongavan’i Edwin rehefa niantso azy aho. Amin’ny hamehana dia misy foana ireo olona vonona ny hanampy.Tsia, fa ny ampahany mahatalanjona ao amin’ity tantara ity dia hoe izy no tonga tao an-tsaiko.Nisy olon-kafa teo amin’ny manodidina.Nanana anadahy sy rahavavy i Kristin, izay nipetraka manodidididina ny 5 km niala teo. Nanana eveka tsara izahay, ny tsara indrindra. Saingy ny fifandraisana nisy teo aminay sy Edwin dia nahatonga ahy hiantso azy avy hatrany rehefa nila fanampiana aho. Ny Fiangonana dia manome antsika fomba voarafitra tsara hahafahana miaina tsara kokoa ilay didy faharoa, dia ny mitia sy manompo ary manorina fifandraisana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika, izay manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra.”11

Toy izao no nambaran’i Edwin momba ilay traikefa, “Ry Loholona Holland, ny mampihomehy kely ao anatin’izany rehetra izany dia ilay hoe, efa mpampianatra isan-tokantranonay nandritra ny fotoana ela i Brett, ela kokoa noho ny fotoana naha-mpampianatra isan-tokantranon’izy ireo ahy. Nandritra izany fotoana izany, dia toy ny namana no namangiany anay fa tsy noho ny adidy fotsiny. Tena ohatra lehibe izy, ohatra velona amin’ny tokony ho mpihazona fisoronana mazoto sy mandray andraikitra. Izaho sy ny vadiko ary ireo zanakay lahy, izahay, dia tsy mihevitra azy ho toy ilay olona voatery hizara hafatra isaky ny faran’ny volana, fa ho toy ny namana iray izay monina eo ambany kelinay ao ambadika kely ao, izay vonona hanao izay rehetra azony atao mba hitahiana anay. Faly aho fa afaka nanonitra na dia kely fotsiny aza amin’ny trosa izay tokony efaiko aminy.”12

Ry rahalahy sy ranabavy, miaraka aminareo aho amin’ny fanomezam-boninahitra ny mpampianatra isam-paritra, sy ny mpampianatra avy amin’ny paroasy, ary ny mpampianatra isan-tokantrano sy ny mpamangy isan-tokantrano tsirairay izay nitia sy nanompo tamim-pahatokiana tamin’io fomba io teo amin’ny tantarantsika. Ny vavaka ataontsika anio dia enga anie ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra, ary ireo tovolahy sy tovovavy, handao ity fihaonambe ity amin’ny fanoloran-tena lalina kokoa ny hifampikarakara amin’ny fo tokoa, ka ny fitiavana madion’i Kristy no hany hery manosika azy hanao izany. Na dia eo aza izay tsapantsika ho fahalementsika sy ny tsy fahafahana izay tsapantsika, ary isika rehetra dia manana olana avokoa, kanefa enga anie isika hiara-hiasa mifanila amin’ny Tompon’ny tanim-boaloboka,13 manome an’Andriamanitra sady Raintsika rehetra fanampiana amin’ny andraikiny mavesatra amin’ny famaliana vavaka, mitondra fankaherezana, mamafa ranomaso, ary mankahery ireo lohalika mitolefika.14 Rehefa manao izany isika, dia ho lasa tena mpanara-dia marina an’i Kristy izaytokony hahatongavantsika. Amin’izao Alahadin’ny Paska izao dia enga anie isika hifankatia tahaka ny nitiavany antsika,15 izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.