2010–2019
Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana
Aprily 2018


Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana

Rehefa manangona ny tantaram-pianakaviantsika isika ary mankany amin’ny tempoly mba hisolo tena ireo razambentsika, dia manatanteraka miaraka ireo fitahiana nampanantenainy amin’ny lafy roan’ny voaly Andriamanitra.

Ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana dia afaka ny ho anisan’ireo zavatra izay tena mitondra fahafaham-po nefa fanamby lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Betsaka amintsika no efa niatrika karazana tsy fifankahazoana tao amin’ny fianakaviantsika. Ny tsy fifankahazoana toy izany dia nitsiry teo amin’ny lehilahy be herimpo anankiroan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao. Mpirahalahy i Parley sy i Orson Pratt, olona niova fo tany am-piandohana, ary Apôstôly voatendry. Ny tsirairay tamin’izy ireo dia niatrika fitsapam-pinoana, saingy taorian’izany dia lasa nanana fijoroana ho vavolombelona tsy azo hozongozonina izy ireo. Samy nihafy sy nitondra anjara biriky lehibe ho an’ny fahamarinana izy roalahy.

Sary
Parley Pratt

Nandritra ny vanim-potoana tao Nauvoo dia niharatsy ny fifandraisan’izy ireo, ka tonga hatramin’ny fifamaliana nafana teo imasom-bahoaka izany tamin’ny taona 1846. Nanomboka teo dia lasa nisy fisaraham-bazana naharitra teo amin’izy ireo. I Parley no nanoratra voalohany tamin’i Orson mba hamaha ilay fifandirana, saingy tsy namaly i Orson. Nilavo lefona i Parley, ary nahatsapafa tapitra hatreo ny fifandraisana, raha tsy hoe i Orson angamba no maniry izany indray.1

Sary
Orson Pratt

Taona maro taty aoriana, tamin’ny martsa 1853,dia nahare i Orson fa misy ny fikasana hamoaka boky iray momba ireo taranak’i William Pratt, izay razambe Amerikanina voalohany indrindran’izy miarahalahy. Nanomboka nitomany “tahaka ny ankizy kely” i Orson raha nijery izany tantaram-pianakaviana sarobidy izany. Nihanalefaka ny fony, ary tapa-kevitra izy hihavana amin’ny rahalahiny.

Nanoratra tamin’i Orson i Parley: “Izao ry rahalahiko malala, amin’ireo taranak’i Lieutenant William Pratt Razambentsika dia tsy misy liana lalina amin’ny fikarohana momba ny taranany mihoatra noho isika mirahalahy.” Anisan’ny voalohany nahatakatra i Orson fa ireo Olomasin’ny Andro Farany dia manana adidy hikaroka sy hanangona ireo tantaram-pianakaviana mba hahafahantsika manatanteraka ôrdônansy isoloana tena ireo razambentsika. Mitohy toy izao ny taratasiny: “Fantatsika fa ilay Andriamanitr’ireo raintsika dia namporisika izao rehetra izao. … Mangataka famelana aho noho ny tsy niraharahiako ny fanoratana anao. … Manantena aho fa hamela ahy ianao.”2 Na dia teo aza ny fijoroana ho vavolombelona tsy azo hozongozonina nananan’izy ireo dia ny fitiavan’izy ireo ny razambeny no niteraka ny fandravonana ilay tsy fifankahazoana, ny fanasitranana ny ratra, ary ny fikatsahana sy fanolorana famelana.3

Rehefa mampanao antsika zavatra iray Andriamanitra dia matetikamanana tanjona maro Izy ao am-badik’izany. Ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia tsy ho an’ny maty ihany fa mitahy ny velonakoa. Ho an’i Orson sy i Parley dia nampitodika ny fon’izy samy izy izany. Ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly no nitondra ny hery hanasitranana ny zavatra nilaina nositranina.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana andraikitra masina isika hikaroka ireo razambentsika ary hanangona tantaram-pianakaviana. Mihoatra lavitra noho ny fialamboly izay anentanana antsika izany, satria ireo ôrdônansin’ny famonjena dia ilain’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.4 Isika dia tokony hamantatra ireo razambentsika izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena. Afaka manatontosa ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ny tempoly isika, ary afaka misafidy ny hanaiky izany ôrdônansy izany ireo razambentsika.5 Amporisihina koa isika hanampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka misy antsika amin’ny anaran’ireo fianakavian’izy ireo. Tena mahavariana sy mampientanentana tokoa fa, amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia afaka manampy amin’ny fanavotana ireo maty isika.

Saingy eo am-pandraisantsika anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asan’ny tempoly ankehitriny, dia afaka ny handraykoa ireo fitahiana miendrika “fanasitranana” nampanantenain’ireo mpaminany sy apôstôly isika.6 Ireo fitahiana ireo dia mahavariana sy mampientanentana koa noho ny vokany sy ny toetoetrany manokana ary ny fiantraikany etoIzany lisitra lava be izany dia ahitana ireto fitahiana ireto:

  • Fahatakarana bebe kokoa ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany;

  • Fitarihan’ny Fanahy Masina bebe kokoa7 mba hahatsapana tanjaka sy fitarihana eo amin’ny fiainantsika;

  • Finoana lehibe kokoa, mba hahafahan’ny fiovam-po ho an’ny Mpamonjy ho lalina sy maharitra;

  • Fahafahana sy fahazotoana bebe kokoa hianatra sy hibebaka8 noho ny fahatakarantsika hoe iza isika, avy aiza isika ary noho ny fahitana mazava kokoa hoe ho aiza isika;

  • Fitarihana madio sy masina ary mampahalala onony bebe kokoa ao am-pontsika;

  • Fifaliana bebe kokoa avy amin’ny fahafahana mahatsapa bebe kokoany fitiavan’[ny Tompo];

  • Fitahiana bebe kokoa ho an’ny fianakaviana, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika ankehitriny, na niainany taloha na hiainany ary na manao ahoana na manao ahoana izay mety ho tsy fahalavorarian’ny tetiarantsika;

  • Fitiavana sy fankasitrahana bebe kokoa hatrany ny razambentsika sy ny havantsika mbola velona, mba hahatsapantsika ho irery intsony;

  • Hery bebe kokoa hamantarana ireo izay mila fanasitranana, ka noho izany, hanompo ny hafa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo;

  • Fiarovana bebe kokoaamin’ny fakam-panahy sy ny fisarihana mahery vaika ataon’ny fahavalo; ary

  • Fanampiana bebe kokoamba hanasitranana ireo fo mihotakotaka, na maratra, na feno tebiteby, ary hitsaboana izay maratra.9

Raha toa efa nivavaka mba hahazo fitahiana toy izany ianao dia mandraisa anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Rehefa manao izany ianao dia hovalina ny vavaka ataonao. Rehefa tanterahina ho an’ireo izay efa nodimandry ny ôrdônansy dia sitranakoa ireo zanak’ Andriamanitra ety an-tany. Tsy mahagaga raha toa tao anatin’ny hafatra voalohany nambarany amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe: “Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanolorantenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”10

Nisy mpaminany fahiny anankiraykoa izay nahita mialoha ireo fitahiana izay sady ho an’ny velona no ho an’ny maty.11 Ny mpitondra hafatra avy any an-danitra iray dia nampiseho an’i Ezekiela fahitana momba ny tempoly iray izay nisy rano niboiboika avy taminy. Nolazaina tamin’i Ezekiela hoe:

“Ity rano ity dia mivoaka … dia midina any amin’ny tani-hay, ka miditra eo amin’ny ranomasina … , [dia] sitrana ny rano.

“Ary ny zava-manan-aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ny ony tondraka dia ho velona: … dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ny ony.”12

Tsara marihina ny toetra anankiroa nananan’ilay rano. Voalohany, na dia tsy nikoriana nankany amina renirano na farihy lehibe kokoa aza ilay ony kely dia nitombo lasa renirano lehibe izany, lasa nidadasika kokoa ary lalindalina kokoa arakaraka ny fahalaviran’ny korian-dranony. Misy zavatra mitovy amin’izany izay mitranga, dia ireofitahiana izay mirotsaka avy amin’ny tempoly izany rehefa fehezina ho fianakaviana ny olona. Misy ny fitomboana lehibe eo amin’ireo taranaka efa nifandimby sy mbola hifandimby rehefa mampifandray ireo fianakaviana ny ôrdônansin’ny famehezana.

Faharoa, nanavao izay rehetra nokasihany ilay ony. Ireo fitahian’ny tempoly dia manana fahafahana hanasitrana mahavariana toy izanykoa. Ireo fitahian’ny tempoly dia afaka manasitrana fo sy aina ary fianakaviana.

Sary
I Todd zanakalahin’i Betty

Ndeha hizara ohatra mikasika izany aho. Tamin’ny 1999 dia nitambotsotra noho ny fahatapahan’ny lalan-drà tao amin’ny atidohany ny zatovolahy iray antsoina hoe Todd. Na dia mpikamban’ny Fiangonana aza i Todd sy ny fianakaviany dia goragora ny fahazotoan’izy ireo, ary tsy mbola niaina ireo fitahian’ny tempoly izy ireo. Nandritra ilay alina farany niainan’i Todd dia nipetraka teo akaikiny i Betty reniny, nikapokapoka ny tanany no sady niteny hoe: “Todd a! Raha toa tena tsy maintsy handeha ianao dia mampanantena aho fa hanao izay hahavitan’ny asa atao any amin’ny tempoly ho anao.” Ny ampitso marainan’izay dia nambara ho nitsahatra tsy niasa intsony ny atidohan’i Todd. Nafindran’ny mpitsabo mpandidy tao amin’ny marariko iray, izay olona tena miavaka nantsoina hoe Rod, ny fon’i Todd.

Volana vitsivitsy taorian’ilayfamindrana fo dia nampahafantarina ny momba ny fianakavian’ilay nanome fo i Rod ary dia nanomboka nifandray tamin’izy ireo izy. Roa taona teo ho eo taorian’izay dia nanasa an’i Rod mba ho tonga hanatrika i Betty renin’i Todd, tamin’ny fotoana nankanesany tany amin’ny tempoly voalohany. Tao amin’ny efitra selestialin’ny tempolin’i St. George Utah no nihaonan’i Rod sy i Betty mivantana voalohany.

Fotoana iray taorian’izay dia nodimandry ny rain’i Todd, vadin’i Betty. Taona vitsivitsy taty aoriana dia nanasa an’i Rod mba hisolo tena ny zanany efa maty amin’ny fandraisana ireo ôrdônansiny i Betty. Nanatanteraka izany tamim-pankasitrahana i Rod, ary nifarana tao amin’ny efitra famehezana tao amin’ny tempolin’i St. George Utah ilay asa fisoloana tena. Nofehezina tamin’ilay vadiny efa maty i Betty, izay nandohalika teo amin’ny alitara teny ampitan’ny zafikeliny izay nanao ny fisoloana tena. Avy eo, niaraka tamin’ny ranomaso nikoriana teo amin’ny takolany, dia niantso an’i Rod mba hiaraka amin’izy ireo eo amin’ny alitara izy. Nandohalika teo akakin’izy ireo i Rod, izay nisolo tena an’i Todd zanany lahy, ary ny fon’i Todd dia mbola nidoboka hatrany tao an-tratran’i Rod. Dia voafehy mandrakizay tamin’ny ray aman-dreniny i Todd, ilay nanome ny fony ho an’i Rod. Notanterahin’ny renin’i Todd ilay fampanantenana nataony tamin’ny zanany lahy teo am-pialana aina taona vitsivitsy lasa.

Sary
I Rob sy i Kim tamin’ny andron’ny mariazin’izy ireo

Saingy tsy tapitra teo ny tantara. Dimy ambin’ny folo taona taorian’ny famindrana fo taminy dia nirotsaka tamin’ny fanambadiana i Rod ka nangataka ahy mba hanatanteraka ny famehezana ao amin’ny tempolin’i Provo Utah izy. Ny andron’ny fanambadiana dia nihaona tamin’i Rod sy i Kim, ilay vadiny mahafinaritra be aho, tao amin’ny efitra iray mifanila amin’ny efitra famehezana, izay toerana niandrasan’ireo fianakaviany sy ireo namana akaiky indrindra azy ireo. Rehefa avy niresaka tamin’i Rod sy i Kim nandritra ny fotoana fohy aho dia nanontany aho raha toa nanana fanontaniana izy ireo.

Namaly i Rod hoe: “Eny. Tonga ato ny fianakavian’ilay nanome ny fony ho ahy, ary maniry ny hihaona aminao izy ireo.”

Tsy nampoiziko izany ary nanontany aho hoe: “Izany hoe ny tianao holazaina dia ato izy ireo? Izao ve?”

Namaly i Rod hoe: “Eny.”

Nihodina kely tao amin’ny zorony aho ary niantso ilay fianakaviana tany ivelan’ilay efitra famehezana. Nanatona anay i Betty sy ny zanany vavy ary ny vinantolahiny. Nofihinin’i Rod i Betty, sy nisaorany noho ny fahatongavany, ary nampahafantariny azy ny tenakoavy eo. Hoy i Rod hoe: “Betty a! Izy no Loholona Renlund. Izy no mpitsabo nikarakara ny fon’ny zanakalahinao nandritra ny taona maro.” Namakivaky ny efitra izy dia namihina ahy. Ary nandritra ireo minitra vitsivitsy taorian’izany dia nifamihina sy latsa-dranomasom-pifaliana ny rehetra.

Rehefa nilamindamina izahay dia nandeha tao amin’ny efitra famehezana, izay namehezana an’i Rod sy i Kim mandritra izao fiainana izao symandrakizay. I Rod, i Kim, i Betty, ary ny tenako dia afaka mijoro ho vavolombelona fa tena akaiky anay ny lanitra tamin’izay, ary nisy ireo hafa izay efa nodimandry niaraka taminay tamin’io andro io.

Ao anatin’ny fahaizany tsy manam-petra Andriamanitra dia mamehy sy manasitrana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na dia eo aza ny zava-doza mitranga sy ny fahafatesana ary ny fahasarotana. Indraindray isika mampitaha ny zavatra tsapantsika ao amin’ny tempoly amin’ny fiainana sombin’ny lanitra.13 Tamin’io andro io, tao amin’ny tempolin’i Provo Utah, dia nisy dikany manokana tamiko ny teny nolazain’i C. S. Lewis: “[Ny olona mety maty] dia milaza momba ny sasany amin’ireo fijaliana tsy maharitra hoe, -Tsy misy fahasambarana afaka hanonitra izany;- noho ny tsy fahafantarany fa raha vao tratra ny Lanitra dia havadiny hovoninahitra izany fijaliana izany. … Ilay Voatahy dia hilaza hoe, -Tsy nipetraka tany amin’ny toeran-kafa afa-tsy tao an-danitra izahay.-”14

Hankahery sy hanampy ary hanohana antsika Andriamanitra;15 ary hanamasina ho antsika ny fahoriantsika lalina indrindra Izy.16 Rehefa manangona ny tantaram-pianakaviantsika isika ary mankany amin’ny tempoly mba hisolo tena ireo razambentsika, dia manatanteraka amin’ny fotoana iray ihany ny maro amin’ireo fitahiana nampanantenainy ireo amin’ny lafy roan’ny voaly Andriamanitra. Torak’izany koa, voatahy isika rehefa manampy ny hafa ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka misy antsika mba hanao toy izany koa. Ireo mpikambana izay monina lavitry ny tempoly dia mandray ireo fitahiana ireokoa amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana, ny fanangonana ny anaran’ny razambeny mba hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.

Nampitandrina anefa ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Afaka ny hanentana ny fanahintsika mandritra ny tontolo andro ireo zavatra niainan’ny hafa momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Saingy tsy maintsy manao zavatra isika mba hahatsapantsika mivantana marina ilay fifaliana.” Nanohy izy hoe: “Manasa anareo aho mba hieritreritra ombam-bavaka ny karazana fahafoizantena, tsara kokoa raha fahafoizana fotoana, azonareo atao mba hanaovana asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana bebe kokoa amin’ity taona ity.”17 Rehefa manaiky ny fanasan’ny Filoha Nelson ianareo, dia hahita sy hanangona ary hampifandray ny fianakavianareo. Ankoatra izany dia hirotsaka eo aminareo sy eo amin’ny fianakavianareo ireo fitahiana tahaka ilay ony noresahan’i Ezekiela.Hahita fanasitranana ho an’izay ilaina sitranina ianareo.

I Orson sy i Parley Pratt dia niaina ny vokatry ny fanasitranana sy ny famehezana avy amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly tany amin’ny voalohandohan’ity fotoampitantanana ity. Niaina izany i Betty sy ny fianakaviany, ary i Rod. Afaka miaina izany koa ianao. Amin’ny alalan’ny sorompanavotany, i Jesoa Kristy dia manolotra ireo fitahiana ireo ho an’ny rehetra, na ny maty izany na ny velona. Noho ireo fitahiana ireo dia hahita isika, ara-panoharana, fa “tsy nipetraka tany amin’ny toeran-kafa afa-tsy … tao an-danitra [isika].”18 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Parley P. Pratt to Orson Pratt, May 25, 1853, Orson Pratt Family Collection, Church History Library, Salt Lake City; ao amin’ny Terryl L. Givens and Matthew J. Grow, Parley P. Pratt: The Apostle Paul of Mormonism (2011), 319.

  2. Orson Pratt to Parley P. Pratt, Mar. 10, 1853, Parley P. Pratt Collection, Church History Library, Salt Lake City; ao amin’ny Givens and Grow, Parley P. Pratt, 319.

  3. Tsara ho marihina fa tsy nanampy tamin’ny famoahana ilay boky momba ireo taranak’i William Pratt fotsiny ihany i Orson Pratt fa, taona maro taty aoriana, tamin’ny 1870, dia nanatontosa batisa isoloana tena mihoatra ny 2.600 tao amin’ny Endowment House (Trano fanatanterahana ny Fanafiana masina) tao Salt Lake City ho an’ireo olona maty tao amin’ilay boky (jereo ny Breck England, The Life and Thought of Orson Pratt [1985], 247).

  4. Jereo ny Joseph Smith, History of the Church, 6:312–13.

  5. Jereo ny “Anarana alefa izay ilaina hanaovana Ôrdônansy any amin’ny Tempoly,” Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 29 feb. 2012. Ireo razambe izay hanaovana ôrdônansy any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fisoloana tena dia tokony hisy rohim-pihavanana amin’ilay mpandefa. Ireo mpikamban’ny Fiangonana tsy an-kanavaka dia tsy tokony handefa anaran’olona avy amina vondron’olona tsy nahazoana lalana, toy ireo olo-malaza sy ireo Jiosy niharan’ny Fandringanana Faobe.

  6. Jereo ny Dallin H. Oaks, “In Wisdom and Order,” Tambuli, Dec. 1989, 18–23; D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Liahona, Jan. 2001, 10–13; Boyd K. Packer, “Your Family History: Getting Started,” Liahona, Aug. 2003, 12–17; Thomas S. Monson, “Constant Truths for Changing Times,” Liahona, May 2005, 19–22; Henry B. Eyring, “Hearts Bound Together,” Liahona, May 2005, 77–80; M. Russell Ballard, “Faith, Family, Facts, and Fruits,” Liahona, Nov. 2007, 25–27; Russell M. Nelson, “Famonjena sy fisandratana,” Liahona, mey 2008, 7–10; Russell M. Nelson, “Taranaka mifandray amin’ny alalan’ny fitiavana,” Liahona, mey 2010, 91–94; David A. Bednar, “Hitodika ny fon’ny zanaka,” Liahona, nôv. 2011, 24–27; Richard G. Scott, “Ny fifaliana avy amin’ny fanavotana ny maty,” Liahona, nôv. 2012, 93–95; Quentin L. Cook, “Faka sy Sampana,” Liahona, mey 2014, 44–48; Thomas S. Monson, “Manafaingana ilay Asa,” Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, jona 2014, 4–5; Henry B. Eyring, “Ilay Fampanantenana Hampitodika ny Fo,” Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, jolay 2014, 4–5; David A. Bednar, “Asa Fitoriana, Tantaram-pianakaviana ary Asa Atao any amin’ny Tempoly,” Liahona, ôkt. 2014, 14–19; Neil L. Andersen, “‘My Days’ of Temples and Technology,” Liahona, Feb. 2015, 26–33; Neil L. Andersen, “Sharing the Temple Challenge,” Family Discovery Day, Feb. 2015, LDS.org; Quentin L. Cook, “The Joy of Family History Work,” Liahona, Feb. 2016, 22–27; Gary E. Stevenson, “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana? Liahona, mey 2016, 29–32; Dieter F. Uchtdorf, “Ho fiderana ireo izay manavotra,” Liahona, mey 2016, 77–80; Quentin L. Cook, “Alaivo sary an-tsaina ny tenanao hoe any amin’ny tempoly,” Liahona, mey 2016, 97–101; Dale G. Renlund, Ruth L. Renlund, and Ashley R. Renlund, “Family History and Temple Blessings,” Liahona, Feb. 2017, 34–39; Dallin H. Oaks and Kristen M. Oaks, “Connected to Eternal Families,” Family Discovery Day, Mar. 2018, LDS.org.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:15.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:21.

  9. Jereo ny Boyd K. Packer, “Balm of Gilead,” Ensign, nôv. 1987, 16–18; Jeremia 8:22; 51:8.

  10. Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 4.

  11. Jereo ny Ezekiela 40–47; Bible Dictionary, “Ezekiel.”

  12. Ezekiela 47:8–9.

  13. Jereo ny Spencer W. Kimball, “Glimpses of Heaven,” Ensign, des. 1971, 36–37.

  14. C. S. Lewis, The Great Divorce: A Dream (2001), 69.

  15. Jereo ny Isaia 41:10.

  16. Jereo ny “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 59.

  17. I Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson, “Open the Heavens through Temple and Family History Work,” Liahona, ôkt. 2017, 19.

  18. Lewis, The Great Divorce, 69.