2010–2019
Ndao handroso hatrany
Aprily 2018


Ndao handroso hatrany

Ny fanirianareo hankato dia hitombo rehefa mahatsiaro sy misaintsaina ny zavatra tsapanareo nandritra izay roa andro lasa izay ianareo.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, eto am-pamaranantsika ity fihaonambe manan-tantara ity dia miara-misaotra ny Tompo aminareo aho noho ny fitarihany sy ny fitaomam-panahy avy aminy. Nahafinaritra sy nanome hery tokoa ny hira. Tsy vitan’ny hoe nanome hery ireo hafatra fa sady nampiova fiainana ihany koa!

Tao anatin’ny fivoriana masina no nanohanantsika Fiadidiana Voalohany vaovao. Lehilahy roa mahafinaritra no nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ary Manampahefana Ambony Fitopololahy valo vaovao koa no nantsoina.

Ankehitriny dia hira ankamamiana iray no mamintina ny fahavononantsika nohavaozina, sy ny fanambintsika, ary ny andraikitsika mba handroso hatrany:

‘Ndao handroso hatrany hanao ny asan’ny Tompo,

Rahatrizay dia handray ny valisoa;

Ny sabatra no ho fiadiana,

Ho an’ny marina.

Aza matahotra fahavalo;

Sahia, ny Tompo eo akaikinao.

Tsy hahoantsika izay fanenjehana,

Fa ny Tompo no hotoavina.1

Mamporisika anareo aho handalina matetika ireo hafatra avy amin’ity fihaonambe ity—na dia averimberina mihitsy aza—mandritra ireo enimbolana ho avy. Tadiavo amim-pahamalinana ireo fomba hampidirana ireny hafatra ireny ao amin’ny takarivan’ny mpianakavinareo, ny fampianaranareo ny filazantsara, sy ireo resaka ataonareo amin’ny fianakaviana sy namana, eny fa na dia ireo resaka ifanaovanareo amin’ireo izay tsy iray finoana amintsika aza. Maro ireo olona tsara handray ireo fahamarinana nampianarina tamin’ity fihaonambe ity raha toa ka zaraina amim-pitiavana. Ary ny fanirianareo hankatò dia hitombo rehefa mahatsiaro sy misaintsaina ny zavatra tsapanareo nandritra izay roa andro lasa izay ianareo.

Manamarika fotoam-pitarihana vaovao ity fihaonamben’ny Fiangonana ity. Nitondra fivoarana manan-danja eo amin’ny fomba hifanompoana ny Tompo. Hifanompo, ireo rahavavy sy rahalahy—lehibe sy zatovo—amin’ny fomba vaovao, fomba masina kokoa. Hohatanjahina ireo kôlejin’ny loholona entina hitahiana ny fiainan’ireo lehilahy, vehivavy ary zanaka manerana an’izao tontolo izao. Hanohy hanompo araka ny fombany miavaka sy feno fitiavana ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ka manitatra ny fahafahana ho an’ireo rahavavy tanora mba hiaraka amin’izy ireo araka ny fanendrena voalamina.

Ny hafatsika ho an’izao tontolo izao dia tsotra sy avy amin’ny fo: manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny andaniny roa amin’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay.2

Ny fisandratana any am-parany any dia mitaky ny fahatokiantsika tanteraka amin’izao fotoana izao amin’ireo fanekempihavanana ataontsika sy ireo ôrdônansy raisintsika ao amin’ny tranon’ny Tompo. Ankehitriny dia 159 ireo tempoly amperinasa ananantsika ary maro no eo an-dalam-piorenana. Te hampanakaiky kokoa ny tempoly amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana misandrahaka izahay. Koa ankehitriny dia am-pifaliana no hanambarana ny fananganana tempoly fito hafa. Ireo tempoly ireo dia ho hita ao amin’ireto toerana manaraka ireto: Salta, Argentine; Bengaluru, Inde; Managua, Nicaragua; Cagayan de Oro, Philippines; Layton, Utah; Richmond, Virginia; ary ao amin’ny tanàn-dehibe iray mbola hotapahana ao Russie.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mety tsy hampiova ny fiainanao ny fananganana ireo tempoly fa ny fanokananao fotoana ho ao amin’ireny tempoly kosa anefa dia hampiova izany. Mitsodrano anareo aho mba hahafantatra ireo zavatra izay azonareo ahilika mba hahazoanareo mandany fotoana bebe kokoa ao amin’ny tempoly. Mitsodrano anareo aho mba hisian’ny filaminana sy fitiavana bebe kokoa ao an-tokantranonareo ary faniriana lalina kokoa mba hikarakara ireo fifandraisana misy eo amin’ny fianakaviana mandrakizainareo. Mitsodrano anareo aho mba hanananareo finoanareo bebe kokoa an’i Jesoa Kristy Tompo sy hanananareo fahafahana lehibe kokoa mba hanaraka Azy amin’ny maha-mpianany marina anareo.

Mitsodrano anareo aho mba hanandratra ny feonareo amin’ny fijoroana ho vavolombelona, tahaka izao ataoko izao, fa isika dia mirotsaka amin’ny asan’ilay Andriamanitra Mahery! I Jesoa no ilay Kristy. Ity no Fiangonany izay tarihany amin’ny alalan’ireo mpanompo voahosony. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, miaraka amin’ny fanehoako ny fitiavako anareo tsirairay avy, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Ndao handroso hatrany,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 20.

  2. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7 ho ny “fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”