2010–2019
Malemy fanahy sy mietry am-po
Aprily 2018


Malemy fanahy sy mietry am-po

Toetra mamaritra ny Mpanavotra ny halemem-panahy ary miavaka amin’ny fiaikena hanao zavatra amim-pahamarinana sy ny fanoavana an-tsitrapo, ary ny fahaizana mifehy tena.

Mifaly aho ny amin’ny fahafahana masina hanohana ireo mpitarika ny Fiangonantsika, ary miarahaba amin’ny fo manontolo ireo Loholona isany Gong sy Soares aho tonga soa ato amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ny asa fanompoan’ireo lehilahy mahatoky ireo dia hitahy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana manerana izao tontolo izao, ary tsy andriko ny hiara-hanompo sy ny hianatra avy amin’izy ireo.

Mivavaka aho mba hampianatra sy hanazava antsika ny Fanahy Masina eo am-piarahantsika mianatra ny lafiny iray manan-danja amin’ny toetoetra maha-Andriamanitra1 an’ny Mpamonjy ary izay tokony hoezahantsika tsirairay hotahafina.

Haneho ohatra maromaro aho izay hampivoitra ity toetran’i Kristy ity mialoha ny hampahafantarako ilay toetra miavaka ao anatin’ny hafatro ao aoriana kely.Miangavy aho, henoy tsara ny ohatra tsirairay ary eritrereto miaraka amiko izay mety ho valin’ny fanontaniana izay ho apetrako.

Ohatra #1. Ilay tovolahy mpanankarena sy i Amioleka

Ao amin’ny Testamenta Vaovao isika dia mianatra mikasika ilay tovolahy mpanankarena izay nanontany an’i Jesoa hoe: “Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?”2 Nampianatra azy aloha ny Mpamonjy hitandrina ny didy. Avy eo ny Mpampianatra dia nanome fepetra fanampiny nifanaraka tamin’ny toe-javatra nisy azy sy ny zavatra nilainy manokana.

“Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.

“Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo izy, satria nanana fananana be.”3

Ampitahao ny fihetsik’ilay tovolahy mpanankarena sy ny zavatra niainan’i Amioleka, araka izay voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. I Amioleka dia lehilahy nazoto niasa sy nanan-karena ary nanana havana sy namana maro.4 Izy dia nilaza ny tenany ho lehilahy efa nantsoina imbetsaka fa tsy te hihaino, lehilahy izay nahalala ireo zavatr’ Andriamanitra fa tsy te hahafantatra.5 Tamin’ny ankapobeny i Amioleka dia lehilahy tsara saingy variana tamin’ny zavatr’izao tontolo izao tahaka ilay tovolahy voalaza tao amin’ny Testamenta Vaovao.

Na dia nanamafy ny fony aza i Amioleka teo aloha dia nihaino ny feon’ilay anjely izy ka nampiantrano an’i Almà mpaminany ary nandroso sakafo ho azy.Nifoha ara-panahy izy nandritra ny fitsidihan’i Almà, ary nantsoina hitory ny filazantsara.Avy eo i Amioleka dia nahafoy ny “volamenany rehetra sy ny volafotsiny, ary ny zava-tsarobidiny … noho ny tenin’ Andriamanitra, [ary] nolavin’ireo izay sakaizany fahiny [izy] ary koa ny rainy sy ny mpianakaviny.”6

Inona araka ny eritreritrao no manazava ny fahasamihafan’ny fihetsik’ilay tovolahy mpanankarena sy ny an’i Amioleka?

Ohatra faha #2. Pahôràna

Nandritra ny fotoan’ady nahatsiravina voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nisy fifandefasana taratasy teo amin’i Môrônia, kapitenin’ny tafika Nefita sy i Pahôràna, lohan’ny mpitsara sy governoran’ny tany. I Môrônia, izay nijaly ny tafika notarihany noho ny tsy fahampian’ny fanohanana avy tamin’ny governemanta, dia nanoratra tamin’i Pahôràna “ho fanamelohana”7 ary niampanga azy sy ny mpitarika namany noho ny tsy fikarakarana, ny tsy fandraisan’andraikitra, ny tsirambina ary ho mpamadika mihitsy aza.8

Mety ho mora foana tamin’i Pahôràna ny ho sosotra tamin’i Môrônia sy ny fanendrikendrehana tsy nitombina nataony, kanefa tsy nanao izany izy. Namaly tamim-pangorahana izy ary nanazava ny fikomiana nihatra tamin’ny governemanta izay tsy fantatr’i Môrônia akory. Dia hoy i Pahôrana avy eo:

“Indro, lazaiko aminao, ry Môrônia, fa tsy mifaly amin’ny fahorianao lehibe aho, eny, mampalahelo ny fanahiko izany. …

“… Efa naniny ahy ianao tao amin’ny taratasinao, nefa tsy maninona izany; tsy tezitra aho, fa mifaly kosa amin’ny fahalehibeazan’ny fonao.”9

Inona no heverinao ho anton’ny valinteny feno fitoniana nomen’i Pahôràna nanoloana ny fanomezan-tsinin’i Môrônia?

Ohatra faha #3. Ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha Henry B. Eyring

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany enim-bolana lasa izay, ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza ny fomba namaliany ny fanasana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson hianatra sy handalina ary hampihatra ireo fahamarinana ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Hoy Izy: “Niezaka nanaraka ny toroheviny aho. Ankoatra ny zavatra natao hafa dia nanao lisitra aho momba ny hoe inona no Bokin’i Môrmôna, inona no hamafisiny, inona no laviny, inona no tanterahiny, inona no hazavainy, ary inona no hambarany. Ny mandalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’izany fijery izany dia fanao tena nahazoam-pahalalana sy fankaherezana mihitsy! Mamporisika anareo hanao toy izany koa aho.”10

Ny Filoha Henry B. Eyring ihany koa dia nanamafy ny lanjan’ny fangatahan’ny Filoha Monson teo amin’ny fiainany. Hoy ny nambarany:

“Namaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro aho nandritra ny 50 taona mahery. Ka noho ny fanaovako izany, dia afaka nieritreritra tsara mihitsy aho fa natao ho an’olon-kafa ny tenin’ny Filoha Monson. Kanefa, tahaka ny maro aminareo, izaho dia nahatsapa fa nanasa ahy hanao ezaka lehibe kokoa ny famporisihan’ny mpaminany sy ny fampanantenana nataony. …

“Ny vokatra mahafaly azoko, sy azon’ny maro taminareo, dia ny zavatra nampanantenain’ny mpaminany.”11

Inona no heverinao ho anton’ny fihetsika teo no ho eo sy tamin-kitsimpo nasetrin’ireto mpitarika ny Fiangonan’ny Tompo roa ireto an’ilay fanasana nataon’ny Filoha Monson?

Tsy manoro hevitra akory aho hoe ireo fihetsika matanjaka ara-panahy nasetrin’i Amioleka sy i Pahôràna ary ny Filoha Nelson sy ny Filoha Eyring ireo dia toetran’i Kristy tokana monja no manazava azy. Mazava ho azy fa toetra sy traikefa maro mifamatotra no nitondra nankamin’ny fahamatorana ara-panahy izay hita taratra eo amin’ny fiainan’ireo mpanompo efatra ambony ireo. Kanefa ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny dia nanantitrantitra toetra iray manan-danja izay ilaintsika rehetra ho takarina kokoa sy hiezahana ho ampiharina kokoa eo amin’ny fiainantsika.

Fahalemem-panahy

Mariho ilay toetoetra ampiasan’ny Tompo mba hanoritsoritana ny Tenany ao anatin’izao soratra masina manaraka izao: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho: dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.”12

Manoloana ireo toetra tsara rehetra izay azony notsongaina dia te hampianatra antsika ny Mpamonjy raha nisafidy ny hifantoka manokana amin’ny fahalemem-panahy.

Misy fampianarana mitovy amin’izany ihany koa ao amin’ny fanambarana iray noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1829. Nanambara ny Tompo hoe: “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao.”13

Toetra mamaritra ny Mpanavotra ny halemem-panahy ary miavaka amin’ny fiaikena hanao zavatra amim-pahamarinana sy ny fanoavana an-tsitrapo, ary ny fahaizana mifehy tena. Io toetra io dia manampy antsika hahatakatra amin’ny fahafenoana kokoa ny fihetsika nasetrin’i Amioleka sy i Pahôràna ary ny Filoha Nelson sy ny Filoha Eyring.

Ohatra, ny Filoha Nelson sy ny Filoha Eyring dia namaly haingana sy tamim-pahamarinana ny famporisihan’ny Filoha Monson hamaky sy handalina ny Bokin’i Môrmôna. Na dia samy nanompo tamin’ny antso manan-danja sy miharihary ato amin’ny Fiangonana aza ireo lehilahy roa ireo ary efa nandalina ny soratra masina am-polo taonany, dia hita taratra tamin’ny fihetsiny fa tsy naneho fisalasalana izy ireo na nihevi-tena ho ambony loatra.

Nanaiky an-tsitrapo ny sitrapon’ Andriamanitra i Amioleka, ka nanaiky ny antso hitory ny filazantsara ary namoy ny fiainam-piadanany sy ny fifandraisana tamin’ny havana sy ny namana. Ary i Pahôràna dia nomenafahatakarana syfananana fanapahan-kevitra hentitra ny hanao asa fa tsy hamaly ratsy rehefa nanazava tamin’i Môrônia ireo olana nipoitra avy amin’ny fikomiana tao amin’ny governemanta.

Ilay toetra tahaka ny an’i Kristy hoe halemem-panahy matetika dia tsy takatry ny olona amin’izao tontolo ankehitriny izao. Ny halemem-panahy dia matanjaka fa tsy osa, mandray andraikitra fa tsy miandry baiko; sahy fa tsy saron-kenatra; mahafehy tena fa tsy entim-po; manetry tena fa tsy mieboebo; malala-tanana fa tsy manana fo vato. Ny olona malemy fanahy dia tsy mora sosotra na miseho ho mahavita azy na manjakazaka, ary mankasitraka avy hatrany ny fahombiazan’ny hafa.

Raha toa ny fanetrentena amin’ny ankapobeny ka maneho fiankinan-doha amin’ Andriamanitra sy filàna ny fitarihany sy ny fanohanany tsy tapaka, ny toetra mampiavaka ny halemem-panahy kosa dia ny fahaizana ara-panahy mandray fampianarana avy amin’ny Fanahy Masina sy avy amin’ny olona izay mety ho tsy dia manam-pahaizana, na tsy manan-traikefa, na tsy nianatra, olona izay mety tsy mihazona antso ambony na ihany koa olona izay toa tsy dia manam-pahalalana ahafahana mitondra anjara biriky. Tsarovy ny fomba nandresen’i Namàna Komandin’ny miaramilan’ny Mpanjakan’i Syria ny avonavona, sy ny nanekeny tamim-pahalemem-panahy ny torohevitry ny mpanompony hoe hankatò ny tenin’i Elisa mpaminany ka handro impito ao amin’ny reniranon’i Jordana.14 Ny halemem-panahy no fiarovana fototra amin’ny fahajambana feno avonavona izay matetika ateraky ny laza, ny toerana hazonina, ny fahefana, ny harena, ary ny fandokafana.

Halemem-panahy: Toetran’i Kristy sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Ny halemem-panahy dia toetra volavolaina amin’ny alalan’ny faniriana sy ny fampiasana ny safidim-pitondrantena amim-pahamarinana, ary amin’ny fiezahana hatrany hitàna mandrakariva ny famelana ny fahotana.15 Izany ihany koa dia fanomezam-pahasoavan’ny fanahy izay azontsika katsahina tsara.16 Tokony hotsaroantsika anefa fa ny tanjona nanomezana io fanomezam-pahasoavana io, dia natao indrindra hanasoavana sy hanompoana ireo zanak’ Andriamanitra.17

Rehefa manatona sy manaraka ny Mpamonjy isika dia lasa mihamanana fahafahana ny hitovy kokoa Aminy. Ampatanjahin’ny Fanahy isika amin’ny alalan’ny fifehezan-tena sy ny fitondrantena tsy miovaova sy tony. Araka izany, tsy zavatra ataontsika fotsiny ny hoe malemy fanahy fa io no ahatongavantsika amin’ny maha-mpanara-dia an’ilay Mpampianatra.

“Ary Mosesy [dia] nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana, ary nahery tamin’ny teniny sy ny asany izy.”18 Kanefa izy dia “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra aty ambonin’ny tany.”19 Ny fahalalany sy ny fahaizany dia nety ho nahatonga azy ho mpieboebo. Kanefa, ilay toetra sy fanomezam-pahasoavan’ny fanahin’ny halemem-panahy izay nananany dia nampihena ny avonavom-po teo amin’ny fiainany ary nanefy an’i Mosesy ho fitaovana hanatanterahana ny fikasan’ Andriamanitra.

Ilay Mpampianatra no ohatra eo amin’ny halemem-panahy

Ny ohatra faratampony sy manan-danja indrindra amin’ny halemem-panahy dia hitantsika eo amin’ny fiainan’ Izy Mpamonjy.

Ilay Mpanavotra Lehibe, izay “nidina koa ho ambanin’ny zava-drehetra”20 ka nijaly sy nalatsa-dra ary maty “mba hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra,”21 diananasa tamim-pitiavana ny tongotra maloton’ireo mpianany.22 Ny halemem-panahy tahaka izany dia toetra mampiavaka ny Tompo amin’ny maha-mpanompo sy mpitarika azy.

Nanome ny ohatra faratampony amin’ny fiaikena hanao zavatra amim-pahamarinana sy ny fanoavana an-tsitrapo i Jesoa rehefa niaritrafanaintainana mivaivay tao Getsemane.

“Ary raha vao tonga tao amin’izany tany izany, dia hoy Izy tamin’ny [mpianany], Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.

“Ary Izy … nandohalika ka nivavaka hoe:

“Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”23

Ny halemem-panahin’ny Mpamonjy tamin’io zavatra manan-danja mandrakizay sy faran’izay manaintaina indrindra niainany io dia maneho amintsika tsirairay ny maha-zava-dehibe ny hametrahantsika ny fahendren’ Andriamanitra ho ambonin’ny fahendrentsika manokana.

Ny tsy fiovaovan’ny fanoavan’ny Tompo an-tsitrapo sy ny fifehezan-tena mahery nananany dia sady mahatalanjona no mampianatra antsika rehetra. Rehefa tonga tao Getsemane hamatotra sy hisambotra an’i Jesoa ireo andian-dehilahy mpiandry tempoly sy ireo miaramila Romana, dia nanatsoaka ny sabany i Petera ary nikapa ny sofina havanan’ilay mpanompon’ny mpisoronabe.24 Avy eo ny Mpamonjy dia nikasika ny sofin’ilay mpanompo ka nanasitrana azy.25 Mariho fa namonjy sy nanasitrana ilay olona izay niezaka hisambotra Azy Izy, ary nampiasa ilay herin’ny lanitra ihany izay afaka niaro Azy tsy ho voasambotra sy tsy ho voahombo.

Eritrereto ihany koa ny fomba niampangana sy nanamelohana an’ilay Mpampianatra teo anoloan’i Pilato mba homboaana.26 Hoy i Jesoa nandritra ny namitahana Azy: “Ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny?”27 Kanefa ilay “Mpitsara Mandrakizain’ny velona sy ny maty,”28mifanohitra amin’ny tokony ho izy, dia notsaraina teo anoloana manam-pahefana pôlitika amin’ny fotoana voafetra. “Ary [Jesosy] dia tsy namaly azy na dia indraim-bava akory aza ka dia gaga indrindra ny governora.”29 Ny halemem-panahin’ny Mpamonjy dia voaporofo tamin’ny fihetsika feno fifehezana sy ny fitandremana lalina ary ny tsy finiavany hampiasa ny fahefana tsy misy fetra ananany ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

I Môrmôna dia namaritra ny halemem-panahy ho toy ny fototra iavian’ireo fahaiza-manao ara-panahy sy ireo fanomezam-pahasoavana rehetra.

“Koa, raha manam-pinoana ny olona iray dia tsy maintsy ilaina ny hananany fanantenana; fa raha tsy misy finoana dia tsy mety hisy fanantenana.

“Ary koa, indro lazaiko aminareo fa tsy afaka ny hanana finoana sy fanantenana izy raha tsy malemy fanahy sy mietry am-po.

“Raha tsy izany dia foana ny finoany sy ny fanantenany, fa tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po; ary raha malemy fanahy sy mietry am-po ny olona iray, ary miaiky amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy, dia tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana; fa raha tsy manana fiantrana izy dia tsinontsinona; koa tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana.”30

Nanambara ny Mpamonjy hoe: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”31 Ny halemem-panahy dia lafiny iray manan-danja ao amin’ny toetra araka an’ Andriamanitra, ary azo raisina sy kolokoloina eo amin’ny fiainantsika noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy amin’ny alalan’izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ny maty ary velona. Ary mampanantena aho fa hitarika sy hiaro ary hankahery antsika Izy raha mandeha amin’ny halemem-panahin’ny Fanahiny isika. Ambarako ny tenivavolombeloko azo antoka ny amin’ireo fahamarinana sy fampanantenana ireo amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.