2010–2019
Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika
Aprily 2018


Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika

Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.

Voninahitra lehibe tokoa ny nankalaza ny Paska niaraka taminareo tamin’ity alahadin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity! Tsy misy zavatra afaka ny hanan-danja kokoa noho ny fahatsiarovana ny zava-nitranga manan-danja indrindra izay niseho teto amin’ity tany ity amin’ny alalan’ny fitsaohana ilay Olona manan-danja indrindra izay niaina teto amin’ity tany ity. Ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mitsaoka Azy izay nanomboka ny Sorompanavotany tsisy fetra tao amin’ny Sahan’i Getsemane isika. Vonona ny hijaly noho ny fahotana sy ny fahalementsika tsirairay avy Izy, ary izany fijaliana izany dia nahatonga Azy “hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra.”1 Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary Izy2 ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo amin’ny maha-olona voalohany nitsangana tamin’ny maty Azy amin’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra. Tiako Izy ary mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy! Izy no mitondra sy mitarika ny Fiangonany.

Raha tsy nisy ny Sorompanavotana tsisy fetran’ny Mpanavotra antsika, dia tsy hisy olona na iza na iza ho nanana fanantenana ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra. Raha tsy nisy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia ho ny fahafatesana no hiafaran’ny fisiantsika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika dia nahatonga ny fiainana mandrakizay ho afaka ho azon’ny olona rehetra ary ny tsy fahafatesana ho zavatra efa azon’ny rehetra.

Noho ny iraka mahatalanjona nampanaovina Azy sy ny fiadanana omeny ireo mpanara-dia Azy no nahatsapanay sy i Wendy vadiko fampiononana ny alin’ny 2 janoary 2018, rehefa nofohazin’ny antso an-telefaonina izahay, izay nilaza taminay fa niampita ny voaly ny Filoha Thomas S. Monson.

Sary
Ny Filoha RussellM. Nelson sy ny Filoha Thomas S. Monson

Tena malahelo ny Filoha Monson izahay! Manome voninahitra ny fiainany sy ny lova navelany izahay. Tena natanjaka ara-panahy izy, ka namela marika tsy hay kosehina teo amin’ireo rehetra izay nahafantatra azy sy teo amin’ny Fiangonana izay tiany.

Ny alahady 14 janoary 2018, tao amin’ny efitra ambony indrindra tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake City, dia narafitra indray araka ny lamina tsotra kanefa masina izay napetraky ny Tompo ny Fiadidiana Voalohany. Ary tamin’ny fivoriana masina omaly maraina, dia nanangana ny tanany ny mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao hanamafy ny zavatra efa notanterahin’ireo Apôstôly taloha kelin’izany. Feno fankasitrahana amim-panetrentena aho noho ny fanohananareo maharitra.

Feno fankasitrahana ihany koa aho noho ireo izay dimbiasako amin’ity andraikitra ity. Tombontsoa ho ahy ny nanompo tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny 34 taona sy ny nananako fifandraisana akaiky tamin’ireo Filohan’ny Fiangonana 10 tamin’ireo 16 teo aloha. Nianatra zavatra maro tamin’izy ireo aho.

Feno fankasitrahana an’ireo razambekokoa aho. Mpikambana niova fo tao amin’ny Fiangonana tany Eorôpa avokoa ireo ray aman-drenin’ireo ray aman-drenibeko anankivalo. Nahafoy ny zavatra rehetra ny tsirairay tamin’ireo fanahy mahery fo ireo hankanesana any Ziona. Kanefa, tao anatin’ireo taranaka nifandimby taty aoriana, dia tsy ny razambeko rehetra akory no nijanona ho mpanolo-tena tahaka izany. Vokatr’izany, dia tsy notezaina tao anatin’ny tokantrano nifantoka tamin’ny filazantsara aho.

Sary
Ny ray aman-drenin’ny Filoha Nelson.
Sary
Ny fianakavian’ny Filoha Nelson vao erotrerony

Tena tiako ny ray aman-dreniko. Tena mamiko izy ireo ary nampianatra ahy lesona tena manan-danja. Tsy ho ampy mihitsy ny fisaorako azy ireo noho ny fiainana feno fifaliana tao an-trano izay naorin’izy ireo ho ahy sy ny mpiray tampo amiko. Kanefa tetsy ankilan’izay, dia fantatro fa nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainako, na dia mbola zazalahikely aza aho. Indray andro dia niakatra tao anaty fiara fitateram-bahoaka aho dia nandeha tany amin’ny fivarotam-bokin’ny OAF hitady boky momba ny Fiangonana. Tiako ny nianatra momba ny filazantsara.

Rehefa lasa nahatakatra ny Tenin’ny Fahendrena aho, dia tiako hiaina izany lalàna izany ny ray aman-dreniko. Ka noho izany, indray andro fony aho mbola tena kely, dia nandeha tao amin’ny lakavinay aho dia natontoko ho vaky teo amin’ny tany vita amin’ny simenitra ny tavoahangy rehetra nisy zava-pisotro misy alikaola! Efa nampoiziko ny hanasazian’ny raiko aho, saingy tsy niteny na inona na inona momba izany mihitsy izy.

Rehefa nihalehibe aho ka nanomboka nahatakatra ny hatsaran’ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia matetika aho no niteny tao an-tsaiko hoe: “Tsy mila fanomezana hafa intsony aho rehefa Krismasy! Te ho voafehy amin’ny ray aman-dreniko fotsiny aho.” Tsy nitranga izany fotoan-dehibe nandrandraiko izany raha tsy efa 80 taona mahery ireo ray aman-dreniko, ary dia nitranga tokoa izany. Tsy haiko ny manambara amin’ny fahafenoany ny fifaliana tsapako tamin’io andro io,3 ary isan’andro dia tsapako io fifaliana noho ny namahezana azy ireo sy ny namehezana ahy tamin’izy ireo.

Sary
I Russell sy Dantzel Nelson

Tamin’ny 1945, fony aho mbola tao amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo, dia nanambady an’i Dantzel White aho tao amin’ny tempolin’i Salt Lake. Nahazo zanaka vavy tsara tarehy sivy izahay sy zanaka lahy iray sarobidy. Ankehitriny dia anisan’ireo antom-pifaliana lehibe eo amin’ny fiainako ny fianakavianay izay tsy mitsaha-mitombo hatrany.

Sary
Filoha sy Rahavavy Nelson ary ireo zanakavavin’izy ireo
Sary
Filoha Nelson sy ny zananilahy

Tamin’ny 2005, rehefa akaiky ho 60 taona nivadiana, dia nodimandry tampoka i Dantzel malalako. Nandritra ny fotoana maharitra, dia efa saika tsy nahafahano nanao na inona na inona ny alaheloko. Kanefa dia nanampy ahy ny hafatry ny Paska sy ny fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty.

Sary
I Wendy sy RussellM. Nelson

Taorian’izay dia nomen’ny Tompo an’i Wendy Watson aho ho eto anilako. Nofehezina tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izahay tamin’ny 6 aprily 2006. Tiako ange izy e! Vehivavy mahatalanjona izy, fitahiana lehibe ho ahy sy ho an’ny fianakaviako, ary ho an’ny Fiangonana manontolo.

Ireo fitahiana tsirairay ireo dia tonga noho ny fikatsahana sy ny fihainoana ny bitsiky ny Fanahy Masina. Hoy ny Filoha Lorenzo Snow: “Izao ny tombontsoa lehibe ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay … dia ny zontsika hahatsapa ny fiasan’ny Fanahy isan’andro eo amin’ny fiainantsika.”4

Anisan’ireo zavatra napetraky ny Fanahy imbetsaka tato an-tsaiko hatramin’ny nahazoako ny antsoko vaovao ho Filohan’ny Fiangonana ny hoe hatraiza ny fahavononan’ny Tompo hanambara ny sainy sy ny sitrapony. Ny tombontsoa noho ny fandraisana fanambarana dia anisan’ireo fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany.

Amin’ny alalan’ireo fanehoana avy amin’ny Fanahy Masina no hanampian’ny Tompo antsika amin’ireo asa feno fahamarinana rehetra ataontsika. Tsaroako tao amin’ny efitrano fandidiana iray, dia nijoro teo akaikin’ny marary iray aho, tsy nahafantatra tsara ny fomba hanatanterahana fandidiana iray tsy mbola natao mihitsy, ary nahatsapa ny Fanahy Masina naneho tamiko tao an-tsaiko ny paikady hanaovana izany.5

Mba hanamafisana ny fangatahako an’i Wendy ho vady ka hanekeny izany, dia hoy aho taminy: “Fantatro ny atao hoe fanambarana sy ny fomba handraisana izany.” Ho fiderako azy noho ny valinteniny, sy araka izay vao nianarako fa efa toetrany mihitsy, dia efa nikatsaka sy nandray fanambarana ho an’ny tenany manokana momba anay izy, izay nanome azy herim-po hiteny hoe eny.

Amin’ny maha-mpikambana ahy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nivavaka isan’andro aho mba hahazo fanambarana ary nisaotra ny Tompo isak’izay niteny tao an-tsaiko sy tao am-poko Izy.

Alaivo sary an-tsaina anie ny maha-fahagagana ny fahazoana fanambarana e! Na inona na inona antsontsika ato amin’ny Fiangonana, dia afaka mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra isika, ary mandray fitarihana sy torolalana, mahazo fampitandremana momba ireo loza sy zavatra mety hahavariana, ary lasa afaka manatanteraka ireo zavatra izay tsy vitantsika samirery tsotra izao. Raha manday marina ny Fanahy Masina isika ary mianatra mamantatra sy mahatakatra ny bitsiny, dia hotarihina amin’ireo toe-javatra lehibe na kely.

Raha nanao ilay asa sarotra fisafidianana mpanolotsaina roa aho vao haingana, dia nanontany tena hoe ahoana no ahafahako mifidy roa monja amin’ireo lehilahy roa ambin’ny folo izay tiako sy hajaiko.

Koa satria fantatro fa ny aingam-panahy tsara dia miainga avy amin’ny fahafantarana tsara, dia nihaona tamim-bavaka tamin’ireo Apôstôly tsirairay aho.6 Taorian’izay aho dia nandeha nitokana tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny tempoly ary nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia nanoro ahy mba hifidy ny Filoha Dallin H. Oaks sy ny Filoha Henry B. Eyring mba ho mpanolotsaiko ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Tahaka izany ihany, mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo no nanentana ny fanahy teo amin’ny fiantsoana ny Loholona Gerrit W. Gong sy ny Loholona Ulisses Soares mba hotendrena ho Apôstôliny. Miarahaba azy ireo aho sy isika rehetra, tonga soa ato amin’ity firahalahiana miavaka natao hanompoana ity.

Rehefa nivory amin’ny maha-Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izahay, dia lasa efitranon’ny fanambarana ny efitrano fivorianay. Tena tsapa fa eo ny Fanahy. Rehefa sahirana mafy tamin’ireo toe-javatra sarotra tokony ho vahana izahay, dia misy zavatra mampientanentana mitranga rehefa milaza amin-kalalahana ny eritreriny sy ny heviny ny Apôstôly tsirairay. Na dia mety ho tsy mitovy aza ny fomba fijerinay any am-boalohany, dia tsy miova mihitsy ny fifankatiavana tsapanay. Manampy anay hamantatra ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny Fiangonany ny firaisanay hina.

Mandritra ny fivorianay dia tsy misy mihitsy izany hoe ny hevitry ny antsasa-manila no ampanjakaina! Mifampihaino amim-bavaka izahay ary mifampiresaka mandra-piray saina anay. Ary rehefa samy manaiky tanteraka izahay, dia mampientanentana ery ny fitaomana mampiray avy amin’ny Fanahy Masina! Miaina ny zavatra fantatry ny Mpaminany Joseph Smith izahay tamin’izy nampianatra hoe: “Rehefa mitovy ny fahatsapana ananantsika dia mahazo hery avy amin’ Andriamanitra isika.”7 Tsy misy mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Roambinifololahy handray fanapahan-kevitra ho an’ny Fiangonana kanefa tsy mangataka ny hevitry ny Tompo!

Ry rahalahy sy anabavy, ahoana no ahafahantsika ho lasa ireo lehilahy sy vehivavy, ireo mpanompo tahaka an’i Kristy, izay tian’ny Tompo hahatongavantsika? Ahoana no ahafahantsika mahita ny valin’ireo fanontaniana izay mampisavorovoro ny saintsika? Raha misy zavatra ampianarin’ilay zavatra mahatalanjona niainan’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely masina antsika, dia tsy inona izany fa ny hoe misokatra ny lanitra ary miresaka amin’ireo Zanany Andriamanitra.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nametraka fomba ho arahantsika eo amin’ny fitadiavana valiny ho an’ireo fanontaniantsika. Rehefa notarihin’ilay fampanantenana nomen’i Jakoba i Joseph zazalahikely, hoe raha tsy manana fahendrena isika dia afaka mangataka amin’ Andriamanitra,8 dia napetrany mivantana tamin’ny Ray any An-danitra ny fanontaniany. Nikatsaka fanambarana ho an’ny tenany manokana izy, ka dia nanokatra ity fotoampitantanana farany ity ny fikatsahany izany.

Tahaka izany koa, hanokatra inona ho anareo ny fikatsahana ataonareo? Inona no fahendrena tsy anananareo? Inona no tsapanareo fa ilainareo fantarina na takarina haingana? Araho ny ohatry ny Mpaminany Joseph. Mitadiava toerana mangina azonareo aleha foana. Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. Mitodiha any Aminy mba hahazoana valim-panontaniana sy fampiononana.

Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia “hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana.”9

Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! “Toy ny tsy ahafahan’ny olona maninjitra ny sandriny malemy mba hanakanana ny reniranon’i Missouri tsy hikoriana amin’ny lalany efa voatendry … no tsy ahafahana manakana ny Tsitoha tsy hampidina fahalalana avy any an-danitra ho eo ambony lohan’ny Olomasin’ny Andro Farany.”10

Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo.11 Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith, ary ity no Fiangonan’ny Tompo. Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina.

Mamporisika anao aho hampitombo ny fahafahanao ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenanao manokana, satria ny Tompo dia nampanantena fa “raha mangataka ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana, mba hahafantaranao ireo mistery sy ireo zavatra mitondra fiadanana—izay mitondra fifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay.”12

Eny, mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao. Araka ny nampianarin’ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ho an’ireo izay manana maso hahitana sy sofina hihainoana, dia mazava fa ny Ray sy ny Zanaka dia mampahafantatra ny tsiambaratelon’izao tontolo rehetra izao!”13

Tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsim-po, ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,14 ary ny fanokanana fotoana matetika hanaovana asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.

Azo antoka fa mety hisy fotoana hahatsapanao fa toa mikatona ny lanitra. Mampanantena aho anefa fa rehefa manohy mankatò ianao, sy maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana rehetra omen’ny Tompo anao, ary rehefa manaja amim-paharetana ny fotoan’ny Tompo ianao, dia homena ny fahalalana sy ny fahatakarana izay katsahinao. Ho tonga aorian’izay ireo fitahiana rehetra nomanin’ny Tompo ho anao, ary fahagagana ihany koa aza. Izany no zavatra entin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana ho anao.

Velom-panantenana aho ny amin’ny hoavy. Ho feno fahafahana mivoatra ho antsika tsirairay izany, sy fahafahana mitondra anjara biriky, ary mitondra ny filazantsara manerana ny vazan-tany rehetra. Kanefa fantatro ihany koa ny zavatra miandry amin’ny hoavy. Miaina ao anatin’ny tontolo manahirana sy feno fifandirana tsy mitsaha-mitombo isika. Ny fahafahana mampiasa tsy tapaka ny tambazotra ifaneraserana sy ireo vaovao mandeha ao anatin’ny 24 ora isan’andro dia manototra antsika amin’ireo hafatra tsy an-kitsahatra. Raha te hanana fanantenana ny hahay hifantina tsara izay mahasoa ao anatin’ireo hafatra tsy tambo ho isaina sy ireo filôzôfian’olombelona izay manafika ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy mianatra mandray fanambarana.

I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zananilahy dia mitantana ity tany ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra. Saingy ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. Enga anie ity alahadin’ny Paska ity mba ho fotoana hanombohan’ny fanovana eo amin’ny fiainanareo. Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa.

Miombona amin’i Môrônia aho mamporisika anareo amin’ity Sabatan’ny Paska ity mba “hanatonanareo an’i Kristy sy hihazonanareo ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra,”15 manomboka amin’ny Fanomezana ny Fanahy Masina, izay fanomezana afaka manova ary tena hanova ny fiainanareo.

Mpanara-dia an’i Jesoa Kristy isika. Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona. Velona Izy! Izy no mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray, Ilay Ohatra ho antsika, ary ilay Mpanavotra antsika. Amin’ity alahadin’ny Paska ity isika dia mankalaza ny Sorompanavotany, ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny, ary ny maha-Andriamanitra Azy.

Ity no Fiangonany, izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, miaraka amin’ny fanehoako ny fitiavako anareo tsirairay avy, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.