2010–2019
Hitondra hazavana mahagaga ho antsika ireo ôrdônansin’ny famonjena
Aprily 2018


Hitondra hazavana mahagaga ho antsika ireo ôrdônansin’ny famonjena

Mampanantena aho fa ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy ny fanajana ireo fanekempihavanana mifandraika amin’izy ireo dia hitondra hazavana mahagaga sy fiarovana amin’ity izao tontolo izao miharatsy ity.

Ry rahalahy sy ranabavy isany, miara-mifaly aminareo ao amin’ny filazantsara na ny fotopampianaran’i Kristy aho.

Nisy namana iray indray andro nanontany ny Loholona Neil L. Andersen, izay tao amin’ny Fitopololahy tamin’izany, hoe manao ahoana izany miresaka eo anoloan’ny olona 21.000 ao amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana izany. Namaly ny Loholona Andersen hoe: “Tsy ireo olona 21.000 no mampatahotra; fa ireo Rahalahy 15 mipetraka ao aorianao.” Nihomehy anakam-po aho tamin’izay, kanefa tsapako izany izao. Tena tia sy manohana ireo lehilahy 15 ireo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara aho.

Niteny tamin’i Abrahama ny Tompo fa amin’ny alalan’ny taranany sy amin’ny alalan’ny fisoronana no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany “amin’ny fitahian’ny Filazantsara, … dia ny fiainana mandrakizay” (Abrahama 2:11; jereo ihany koa ny andininy 2–10).

Naverina teto ambonin’ny tany ireo fitahian’ny filazantsara sy ny fisoronana nampanantenaina ireo, ary avy eo tamin’ny 1842 dia nanatontosa ny fanafiana masina tamin’ny lehilahy sy vehivavy tamin’ny isa voafetra ny Mpaminany Joseph Smith. Iray tamin’izany i Mercy Fielding Thompson. Hoy ny Mpaminany taminy: “Ity [fanafiana masina] ity dia hitondra anao hivoaka ny haizina hankao amin’ny hazavana mahagaga.”1

Anio aho dia te hifantoka amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena, izay hitondra hazavana mahagaga ho ahy sy ho anareo.

Ôrdônansy sy Fanekempihavanana

Ao amin’ny Miorim-paka amin’ny finoana isika dia mamaky toy izao: “Ny ôrdônansy dia fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. [Ny] ôrdônansy … izay tena ilaina ho an’ny fisandratantsika … [no] antsoina hoe ôrdônasin’ny famonjena. Ao anatin’izany ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana.”2

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana izay tanterahina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia … manorina fantsona nankatoavina … izay ahafahan’ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra mirotsaka eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay.”3

Tahaka ny vola madinika manana lafiny roa, ny ôrdônansin’ny famonjena rehetra dia arahana fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra. Mampanantena fitahiana ho antsika Andriamanitra raha toa ka manaja amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana ireo isika.

Nanambara ny mpaminany Amioleka hoe: “Izao … no fotoana … hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra” (Almà 34:32). Ahoana no fomba hiomanantsika? Amin’ny alalan’ny fandraisana amim-pahamendrehana ireo ôrdônansy. Isika ihany koa dia tsy maintsy “mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana” araka ny tenin’ny Filoha Nelson. Notohizan’ny Filoha Monson hoe: “Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.”4

I John sy Bonnie Newman, tahaka ny maro aminareo, dia nandray ireo fitahiana ara-panahy nampanantenain’ny Filoha Nelson. Indray alahady, rehefa avy niangona niaraka tamin’ireo zanany kely anankitelo i Bonnie dia hoy izy tamin’i John, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana tamin’izay: “Tsy vitako irery ity. Mila misafidy ianao na hiaraka aminay any amin’ny fiangonako na ianao misafidy fiangonana iray azontsika handehenana miaraka, saingy mila mahafantatra ny ankizy fa tia an’ Andriamanitra ihany koa ny dadan’izy ireo.” Ny alahady manaraka izay sy isaky ny alahady taorian’izay dia tsy hoe niangona fotsiny i John fa nanompo ihany koa: nitendry piano ho an’ny paroasy sy sampana ary Kilonga maro nandritra ny taona maro. Nanana fahafahana nihaona tamin’i John aho tamin’ny aprily 2015, ary tao anatin’izany fihaonana izany dia niresaka izahay fa ny fomba tsara indrindra nahafahany nampiseho ny fitiavany an’i Bonnie dia ny fitondrana azy tany amin’ny tempoly, saingy tsy afaka nitranga izany raha tsy natao batisa izy.

Rehefa avy namonjy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany nandritra ny 39 taona i John dia natao batisa izy tamin’ny 2015. Iray taona taty aoriana dia nofehezina tao amin’ny tempolin’i Memphis Tennessee i John sy i Bonnie, 20 taona taorian’ny nandraisan’i Bonnie ny fanafiana masina. I Robert zanakalahin’izy ireo izay 47 taona dia nilaza momba ny rainy hoe: “Tena namelana tokoa i dada hatramin’ny nandraisany ny fisoronana.” Nampian’i Bonnie hoe: “Efa olona falilafy sy miramirana hatrizay i John kanefa ny fandraisany ireo ôrdônansy sy ny fanajany ireo fanekempihavanany dia nampitombo ny hatsaram-panahiny.”

Ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny ohatra nasehony

Taona maro lasa izay dia nampitandrina ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ny fitondrantena tsara tsy miaraka amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara dia tsy hanavotra na hanandratra ny olombelona.”5 Raha ny marina dia tsy ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana fotsiny ihany no ilaintsika mba hiverenana any amin’ny Raintsika, fa mila an’i Jesoa Kristy, Zanakalahiny, sy ny Sorompanavotany ihany koa isika.

Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa ao Aminy sy amin’ny alalan’ny anaran’i Kristy ihany no hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona (jereo ny Môsià 3:17; jereo ihany koa ny Fanekem-pinoana 1:3).

Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, i Jesoa Kristy dia nanavotra antsika tamin’ireo vokatry ny Fahalavoan’i Adama ary nahatonga ny fibebahantsika sy ny mety hahazoantsika ny fisandratana ho tanteraka. Nametraka ohatra tamin’ny alalan’ny fiainany Izy mba hahazoantsika ireo ôrdônansin’ny famonjena, izay ao amin’izany no “miharihary ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra” (F&F 84:20).

Rehefa avy nandray ny ôrdônansin’ny batisa ny Mpamonjy mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (jereo ny 2 Nefia 31:5–6), dia naka fanahy Azy i Satana. Torak’izany koa, tsy mifarana aorian’ny batisa na ny famehezana antsika ireo fakam-panahy tonga eo amintsika, fa ny fandraisana ireo ôrdônansy masina sy ny fanajana ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany dia mameno antsika amin’ny hazavana mahagaga ary manome antsika tanjaka mba hanoherana sy handresena ireo fakam-panahy.

Fampitandremana

Naminany i Isaia fa amin’ny andro farany: “ny tany dia efa voavetaveta … satria izy ireo dia… namadika ny fanekena mandrakizay” (Isaia 24:5; jereo ihany koa ny F&F 1:15).

Ny fampitandremana mifandray amin’izany, izay nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, dia hoe: ny sasany “manatona [ny Tompo] amin’ ny molony … [ary] mampianatra ny didin’ olombelona ho fotopampianarana izy ireo sady manana ny fomban’ ny toetra araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny” (Joseph Smith—Tantara 1:19).

Nampitandrina ihany koa i Paoly fa maro no “manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro” (2 Timoty 3:5). Averiko hoe: ireny koa dia halaviro.

Ireo fialam-boly sy fakam-panahy maro eto amin’ny fiainana dia toy ny “amboadia mitoha” (Matio 7:15). Ilay mpiandry ondry marina no hanomana sy hiaro ary hampitandrina ny ondry sy ny andian’ondry rehefa manatona ireo amboadia ireo (jereo ny Jaona 10:11–12). Amin’ny maha-mpiandry ondry mpianatra antsika izay maka tahaka ny fiainana tonga lafatr’ilay Mpiandry Ondry Tsara, moa ve isika tsy mpiandry ny fanahintsika manokana sy ny an’ny hafa ihany koa? Afaka mahita ireo amboadia manatona isika miaraka amin’ny torohevitr’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara, izay vao notohanantsika, sy miaraka amin’ny hery sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, raha toa ka mitandrina sy miomana. Mifanohitra amin’izany, rehefa mpiandry ondry tsy miraharaha ny fanahintsika sy ny fanahin’ny hafa isika dia mety hisy voina hitranga. Ny tsy firaharahiana dia mitarika amin’ny voina. Manasa antsika tsirairay avy aho mba ho mpiandry ondry mahatoky.

Traikefa sy fijoroana ho vavolombelona

Ny fanasan’ny Tompo dia ôrdônansy iray izay manampy antsika hijanonana eo amin’ilay lalana, ary ny fandraisana izany am-pahamendrehana dia marika fa mitandrina ireo fanekempihavanana mifandraika amin’izany isika miaraka amin’ireo ôrdônansy hafa rehetra. Taona vitsy lasa izay, rehefa nanompo tao amin’ny Misiônan’i Arkansas Little Rock izaho sy i Anita vadiko, dia nandeha niara-nampianatra tamin’ny misiônera tanora roa aho. Nandritra ny lesona dia hoy ilay rahalahy mahafinaritra nampianarinay hoe: “Efa nandeha tany amin’ny fiangonanareo aho; nahoana ianareo no tsy maintsy mihinana mofo sy misotro rano isaky ny alahady? In-droa izahay no manao izany ao amin’ny fiangonanay: dia ny Paska sy ny Krismasy, ary tena manan-danja izany.”

Nozarainay taminy fa didiana isika ny “hihaona miaraka matetika mba hiara-mandray ny mofo sy ny divay” (Môrônia 6:6; jereo ihany koa ny F&F 20:75). Namaky mafy ny Matio 26 sy ny 3 Nefia 18 izahay. Namaly izy fa tsy mbola hitany ny antony ilàna izany.

Dia nizara izao fampitahana manaraka izao izahay: “Alaivo sary an-tsaina hoe niharana lozam-piarakodia mahatsiravina ianao. Naratra ianao ary tsy nahatsiaro tena. Nisy olona iray nihazakazaka, nahita anao tsy nahatsiaro tena, ka niantso ny laharan’ny vonjy taitra 911. Nokarakaraina ianao dia niverina nahatsiaro tena indray.”

Nanontanianay ity rahalahy ity hoe: “Rehefa afaka mahafantatra ireo manodidina anao ianao, inona ireo fanontaniana hapetrakao?”

Hoy izy hoe: “Tiako ho fantatra ny fomba nahatongavako teo sy izay nahita ahy. Te hisaotra azy isan’andro aho satria nanavotra ny aiko izy.”

Nozarainay tamin’ity rahalahy mahafinaritra ity ny fomba nanavotan’ny Mpamonjy ny aintsika sy ny ilantsika misaotra Azy isan’andro, isan’andro, isan’andro!

Dia nanontany izahay hoe: “Raha fantatra fa nanome ny ainy ho anao sy ho antsika Izy, isaky ny inona ianao no te hihinana ny mofo sy hisotro ny rano ho tandindon’ny vatany sy ny rany?”

Hoy izy hoe: “Azoko, azoko izany. Fa mbola misy zavatra iray hafa. Tsy velona tahaka ny anay ny fiangonanareo.”

Hoy izahay namaly izany hoe: “Inona no hataonao raha toa ka miditra ny varavaranao i Jesoa Kristy Mpamonjy?”

“Handohalika avy hatrany aho” hoy izy.

Dia nanontanianay hoe: “Tsy izany ve no tsapanao rehefa miditra ao amin’ireo trano fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao: fitsaohana ho an’ny Mpamonjy?”

Hoy izy hoe: “Azoko, azoko ilay izy!”

Nipoitra tao am-piangonana izy tamin’izay alahadin’ny Paska izay ary niverina foana.

Manasa antsika tsirairay aho mba hanontany ny tenantsika hoe: “Inona ireo ôrdônansy, tafiditra ao anatin’izany ny fanasan’ny Tompo, izay ilaiko raisina, ary inona ireo fanekempihavanana ilaiko atao sy tandremana ary hajaina?” Mampanantena aho fa ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy ny fanajana ireo fanekempihavanana mifandraika amin’izy ireo dia hitondra hazavana mahagaga sy fiarovana amin’ity izao tontolo izao izay miharatsy ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.