2010–2019
Zava-madinika sy tsotra
Aprily 2018


Zava-madinika sy tsotra

Mila ampahatsiahivina isika fa rehefa mitambatra mandritra ny fotoana ela ireo zavatra toa madinika ireo dia mahatanteraka zavatra lehibe.

I.

Ry rahalahy sy anabavy malala, tahaka anareo koa, izaho dia voakasika lalina sy nahazo hery ary nahazo fitaomam-panahy tamin’ny alalan’ireo hafatra sy hira ary ny zavatra tsapa tamin’ity fotoana niarahana teto ity. Azoko antoka fa miray feo amiko ianareo amin’ny fanehoana fankasitrahana an’ireo rahalahy sy anabavintsika izay nanolotra ho antsika ny fanamafisana orina entin’ity fotoana hiarahana eto ity, amin’ny maha-fitaovana azy ireo eo am-pelatanan’ny Tompo.

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka aminareo mpanatrika eto amin’izao Alahadin’ny Paska izao. Androany isika dia miara-mankalaza amin’ireo Kristianina hafa ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny maty. Ho an’ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia andry iankinan’ny finoantsika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ara-bakiteny.

Noho isika mino na ireo tantara ao amin’ny Baiboly na ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ara-bakiteny, dia inoantsika koa ireo fampianarana maro ao amin’ny soratra masina fa hisy fitsanganana amin’ny maty mitovy amin’izany hihatra amin’ireo olombelona rehetra niaina teto an-tany hatrizay. Manome antsika ilay antsoin’ny Apôstôly Petera hoe “fanantenana velona” (1 Petera 1:3) izany fitsanganana amin’ny maty izany. Izany fanantenana velona izany dia ilay finoantsika mafy orina fa tsy fiafaran’ny fisiantsika akory ny fahafatesana fa dingana iray ihany izay ilaina eo amin’ilay drafitra feno famindram-pon’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny famonjena ny zanany. Mitaky fiovana avy amin’ny mety maty mankany amin’ny tsy fahafatesana izany drafitra izany. Ny zava-dehibe ao anatin’izany fiovana izany dia ny filentehan’ny fahafatesana sy ny fiposahan’ny maraina lehibe izay tanteraka noho ny Fitsanganan’ilay Tompo sy Mpanavotra antsika tamin’ny maty izay ankalazaintsika amin’izao Alahadin’ny Paska izao.

II.

Ao amin’ilay hira tena tsara izay nosoratan’i Eliza R. Snow dia mihira izao isika:

Endrey voninahitra be,

Fanavotana re.

Fitiavana, famindram-po,

No tafaraka soa!1

Mivory ao anatin’ireo fivoriana isika, tafiditra ao anatin’izany ity fihaonambe ity mba hifampianatra sy hifampahery ho fanatanterahana izany drafitra sy lamina masina izany.

Amin’ity maraina ity aho dia nanapa-kevitra fa ny fampianaran’i Almà ho an’i Helamàna zanany lahy izay voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no lahatsoratra hampiasaiko: “Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe” (Almà 37:6).

Ampianarina zava-madinika sy tsotra maro isika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mila ampahatsiahivina isika fa rehefa mitambatra mandritra ny fotoana ela ireo zavatra toa madinika ireo dia mahatanteraka zavatra lehibe. Maro ireo lahateny mikasika io lohahevitra io izay nataon’ireo Manampahefana Ambony sy ireo mpampianatra hafa manana ny maha-izy azy. Tena manan-danja loatra io lohahevitra io ka nahatsapa aho fa tokony hiresaka momba izany indray.

Izaho dia nahatsiaro ny herin’ireo zava-madinika sy tsotra rehefa mandeha ny fotoana, tamin’ny alalan’ny zavatra iray izay hitako raha nanao dia an-tongotra vao maraina. Inty no sary nalaiko. Tresaka ilay sisin-dalana béton matevina sy mafy. Moa ve izany vokatry ny zavatra lehibe sy matanjaka izay manosika avy ao ambany? Tsia, io fitresahana io dia vokatry ny iray amin’ireo faka misandrahak’ilay hazo eo akaiky eo izay mitombo moramora sy tsikelikely. Indro misy ohatra iray mitovy amin’izany izay hitako tany amin’ny lalana anankiray hafa.

Sary
Tresaka eo amin’ny sisin-dalana
Sary
Tresaka iray hafa eo amin’ny sisin-dalana

Kely loatra ka tsy azo refesina isan’andro na isam-bolana mihitsy aza ny hery manosika izay nampitresaska ireo sisin-dalana vita amin’ny béton ireo, kanefa faran’izay mahery vaika ny vokany rehefa taty aoriana.

Mitovy amin’izany ny vokany mahery vaika entin’ireo zava-madinika sy tsotra rehefa mandeha ny fotoana izay ampianarina antsika ao amin’ny soratra masina sy ampianarin’ireo mpaminany velona. Eritrereto ny fandalinana soratra masina izay nampianarina fa tokony hampidirintsika ao anatin’ny fiainantsika isan’andro. Na eritrereto ny vavaka ataon’ny tena manokana na ny vavaka ataon’ny mpianakavy amim-pandohalihana izay fomba fanao mahazatra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky. Eritrereto ny fanatrehana seminera ho an’ny zatovo na ny fanatrehana ny kilasin’ny institiota ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony. Na dia toa madinika sy tsotra aza ireo fomba fanao tsirairay ireo dia miteraka fivoarana sy fitomboana ara-panahy mahery vaika rehefa mandeha ny fotoana. Miseho izany satria ny tsirairay amin’ireo zava-madinika sy tsotra ireo dia manasa ny Fanahy Masina ho namana, ilay Mpijoro ho vavolombelona izay manazava antsika sy mitarika antsika any amin’ny fahamarinana, araka izay nohazavain’ny Filoha Eyring.

Ny loharano iray hafa hahazoana fivoarana ara-panahy dia ny fanohizana ny fampiharana ny fibebahana na dia amin’ny fandikan-dalàna izay toa bitika aza. Afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba tsy nampahomby antsika sy ny fomba ahafahantsika manao zavatra amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny tomban’ezaka avy amin’ny fitaomam-panahy ataontsika manokana. Tokony hialoha ny fandraisantsika ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ny fibebahana toy izany. Atolotra ao amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Have I Done Any Good?” (Nanao soa teto an-tany ve aho androany) ireo asa sasantsasany tokony hoeritreretina ao anatin’io dingan’ny fibebahana io.

Nanao soa teto an-tany ve aho androany?

Ka nanampy ireo mila izany?

Nankahery ny malahelo ve aho ary nampifaly ny hafa koa?

Raha tsy izay dia tsy nahomby tokoa.

Nisy enta-mavesatra nihamaivana ve androany

Noho ny finiavako hizara?

Nisy marary sy trotraka nila fanampiana ve tany ho any?

Ka teo ve aho nikarakara?2

Tena zava-madinika tokoa ireo, kanefa tena ohatra tsara maneho ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Helamàna zanany lahy hoe: “Ary ny Tompo Andriamanitra dia miasa amin’ny alalan’ny fitaovana mba hanatanteraka ny fikasany lehibe sy mandrakizay; ary amin’ny alalan’ny zavatra tena madinika no … itondran’ny Tompo ny famonjena ho an’ny fanahy maro” (Almà 37:7).

Ny Filoha Steven C. Wheelwright dia nanolotra ho an’ny mpanatrika tany amin’ny Oniversiten’i Brigham Young–Hawaï ity famaritana tena tsara mikasika ny fampianaran’i Almà ity: “Nohamafisin’i Almà tamin’ny zanany lahy, fa tena marina tokoa fa ilay lamina arahin’ny Tompo rehefa mampihatra finoana Azy isika sy manaraka ny toroheviny amin’ny fanatanterahana zavatra madinika sy tsotra, dia ny fanaovany fahagagana madinika isan’andro ho antsika ary asa mahatalanjona ho antsika rehefa mandeha ny fotoana.”3

Ny Filoha Howard W. Hunter dia nampianatra fa “matetika ireo zavatra fanao mahazatra … no mitondra vokany tsara indrindra eo amin’ny fiainan’ny hafa raha oharina amin’ireo zavatra izay matetika sokajian’izao tontolo izao ho toy ny zavatra tena lehibe.”4

Misy fampianarana lahika iray mampandresy lahatra mikasika an’io fitsipika io ihany avy amin’i Dan Coats Senatera teo aloha an’i Indiana: “Ny hany fiomanana ho an’ilay fanapahan-kevitra lalina tokona izay afaka manova fiainana iray na firenena iray mihitsy aza dia ireo fanapahan-kevitra an-jatony sy an’arivony nataon’ny tena manokana ireo, izay zara raha neritreretina sy mamaritra ny toetran’ny tena ary toa heverina ho tsy manan-danja.”5

Ireo fanapahan-kevitra manokana izay “toa heverina ho tsy manan-danja” ireo dia ahitana ny fomba fampiasantsika ny fotoantsika, ny zavatra jerentsika amin’ny fahitalavitra sy ny internet, ny zavatra vakintsika, ny zavakanto sy ny mozika avelantsika hanemitra antsika manodidina any am-piasana sy any an-tokantrano, ny fialamboly tadiavintsika, ary ny fomba fampiharantsika ny fanolorantenantsika ny ho marin-toetra. Ny zavatra iray hafa izay toa madinika sy tsotra dia ny mahalala fomba sy sariaka rehefa mifandray amin’ny hafa.

Tsy misy amin’ireo zava-madinika sy tsotra izay mampitsiriritra ireo ka hoe hampisondrotra antsika any amin’ny zavatra lehibe raha tsy ampiharina tsy tapaka. Nisy nilaza fa ny Filoha Brigham Young dia niteny hoe: “Ny fiainantsika dia voarafitra amin’ireo toe-javatra kely sy tsotra izay lasa tena manan-danja rehefa atambatra ary mamintina ny fiainan’ilay lehilahy na ilay vehivavy iray manontolo.”6

Voahodidin’ny fitaoman’ireo haino aman-jery sy ny fahasimban’ny kolontsaina isika izay hitondra antsika manaraka ny riaka any amin’ny fampidinana ny fenitr’ireo soatoavintsika raha tsy manohitra tsy tapaka isika. Mba handrosoana mifanohitra amin’ny riaka mankany amin’ilay tanjontsika mandrakizay, dia tsy maintsy mivoy tsy tapaka isika. Manampy ny maha-ao anatin’ny ekipa iray izay miaraka mivoy, tahaka ny ekipa mpivoy lakana miara-miasa. Raha hitarina kokoa io ohatra io, dia mahery tokoa ny koriandrano ka raha toa mijanona mivoy isika, dia ho entin’ny riaka midina any amina toerana izay tsy nokatsahintsika, izay tsy azo ihodivirana raha toa ka tsy miezaka mandroso tsy tapaka isika.

Rehefa avy nitantara zava-nitranga iray izay toa madinika nefa nisy vokany lehibe i Nefia, dia nanoratra hoe: “Afaka manatanteraka zava-dehibe amin’ny alalan’ny zava-madinika ny Tompo” (1 Nefia 16:29). Ahitana ohatra tsy hay hadinoina momba izany ny Testamenta Taloha. Hitantsika ao ny nikaikeran’ireo menaran’afo ny Isiraelita. Olona maro no maty noho ny kaikitr’izy ireo (jereo ny Nomery 21:6). Rehefa nivavaka i Mosesy mba hahazo fanamaivanana, dia nentanin’ny fanahy izy hanao “menarana varahina … ka nanantona azy tamin’ny hazo lava.” Ary “izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona” (andininy 9). Zava-madinika toy izany tokoa moa dia niteraka vokany mahagaga tahaka izany! Kanefa araka ny nohazavain’i Nefia rehefa nampianatra io ohatra io izy tamin’ireo izay nikomy tamin’ny Tompo, na dia nanomana lalana tsotra hahafahan’izy ireo ho sitrana aza ny Tompo, “noho ny fahatsoran’ny lalana, na noho ny hamorany, dia nisy maro ireo izay maty” (1 Nefia 17:41).

Io ohatra sy fampianarana io dia mampahatsiahy antsika fa ny fahatsoran’ny lalana na ny fahamoran’ilay asa asaina atao dia tsy midika hoe ampahany tsy manan-danja izany eo amin’ny fanatanterahantsika izay faniriana tsara ananantsika.

Torak’izany koa, na dia ireo fihetsika madinika maneho tsy fankatoavana na ireo tsy fanarahana kely ireo fomba fanao mifanaraka amin’ny tokony ho izy aza dia afaka mitarika antsika hankany amin’ny vokany izay efa nampitandremana antsika mba hosorohina. Manome ohatra mikasika izany ny Tenin’ny Fahendrena. Tsy azo refesina angamba ny vokatry ny sigara iray na ny toaka iray vera na ny zava-mahadomelina indray mampiasa eo amin’ny vatana. Saingy rehefa mandeha ny fotoana dia mahery vaika ny vokany ary mety tsy ho azo averina amin’ny teo aloha intsony. Tsarovy ny fitresahan’ilay sisin-dalana noho ny fitombon’ny fakan’ilay hazo tsikelikely. Tena azo antoka fa azo sorohina tanteraka ny voka-dratsin’ny firotsahana ao anatin’izay zavatra rehetra mampiankin-doha toy ny zava-mahadomelina manimba ny vatantsika na ny pôrnôgrafia izay mampikororosy fahana ny saintsika, raha toa ka tsy mirotsaka ao anatin’izany velively isika, na dia indray mandeha monja aza.

Taona maro lasa izay dia nohazavain’ny Filoha M. Russell Ballard tamin’ireo mpanatrika ny fihaonambe hoe “ahoana no ahafahan’ny zava-madinika sy tsotra hisy voka-dratsy sy hanimba eo amin’ny famonjena olona iray.” Nampianatra izy hoe: “Ireo zava-madinika ireo rehefa atambatra, dia afaka ny ho lasa mafy tsy hay tapahina, toy ny tsiratsiraka malemilemy, izay atambatra ho lasa kofehy, dia avy eo lasa kofehy mirandrana ary farany lasa tady. Tokony hahafantatra foana ny hery ananan’ireo zava-madinika sy tsotra ireo isika eo amin’ny fanorenana ny fiainam-panahy,” hoy izy. “Ary sady tokony hahafantatra koa isika fa i Satana dia hampiasa ireo zava-madinika sy tsotra mba hitarihana antsika any amin’ny fahakiviana sy ny fahoriana.”7

Nanome fampitandremana mitovy amin’izany an’ireo izay nanatrika azy tany BYU–Hawaï ny Filoha Wheelwright: “Ao anatin’ny tsy fanaovana ireo zava-madinika sy tsotra no mampihozongozona ny finoana sy mampitsahatra ny fahagagana ary mihantona aloha ny fivoarana mankany amin’ny Tompo sy ny fanjakany, ary avy eo manomboka miharava satria nosoloina fikatsahana zavatra ara-nofo sy faniriana hanana ny zavatr’izao tontolo izao ilay fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra.”8

Ilaintsika ny fanarahana ny lamina ara-panahin’ny zava-madinika sy tsotra mba hiarovana amin’ny voka-dratsy mitambatambatra izay manimba ny fivoarantsika ara-panahy. Nanoritsoritra io fitsipika io ny Loholona David A. Bednar nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy tao BYU ka nilaza hoe: “Isika dia afaka mianatra zavatra betsaka mikasika ny toetoetra sy ny lanjan’io lamina ara-panahy io avy amin’ny fomba … fanatetevana rano amin’ny fatrany tena kely hiditra ny tany,” izay mifanohitra amin’ny fanondrahana na fanatobasana rano be any amin’ny toerana mety tsy ilana izany.

Nanazava izy hoe: “Ilay rano mitete tsy tapaka dia miditra lalina any anaty tany ary manome hamandoana tena betsaka izay ahafahan’ny zavamaniry miroborobo. Torak’izany koa raha toa izaho sy ianao ka mifantoka ary mahazo matetika teten’ny famahanana ara-panahy tsy tapaka, dia hilentika lalina any anatintsika ny fakan’ny filazantsara ka afaka hiorina mafy sy hanana fototra tsara ary afaka hamokatra voa mahataIanjona sy matsiro.

Dia notohizany hoe: “Ny lamina ara-panahin’ny zava-madinika sy tsotra izay mitondra zavatra lehibe dia miteraka fiorenana mafy, sy fikirizana, sy fanolorantena lalina ary fiovam-po feno kokoa amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany.”9

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra io fitsipika io tamin’ny alalan’ireo teny izay ankehitriny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Aoka tsy hisy olona hihevitra azy ireny ho toy ny zavatra madinika; fa betsaka … ny mikasika ny olomasina no miankina amin’ireny zavatra ireny” (F&F 123:15).

Tao anatin’ireo fiezahana tany am-piandohana hanorina ny Fiangonana tany Missouri, dia nanoro hevitra ny Tompo ny mba hananana faharetana satria “tsy maintsy mitranga amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra” (F&F 64:32). Dia nanome ity fampianarana lehibe ity Izy avy eo: “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” (F&F 64:33).

Mino aho fa maniry daholo isika ny hanaraka ny fanamby nampanaovin’ny Filoha Russell M. Nelson mba hibosesika handroso “eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”10 Ny fanolorantenantsika hanao izany dia atanjahan’ny fanarahana tsy tapaka ireo “zava-madinika” izay ampianarin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana. Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho ary mangataka ny hirotsahan’ny fitahiany eo amin’ireo rehetra izay mikatsaka ny hanohy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Endrey fahendrena, fitia” Fihirana sy Hiran’ny ankizy, lah. 37.

  2. “Have I Done Any Good?” Hymns, no. 223.

  3. Steven C. Wheelwright, “The Power of Small and Simple Things” (Brigham Young University–Hawaii devotional, Aug. 31, 2007), 2, devotional.byuh.edu.

  4. Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball (2015), 165.

  5. Dan Coats, “America’s Youth: A Crisis of Character,” Imprimis, vol. 20, no. 9 (Sept. 1991), 4; jereo koa ny Elder Wilford Andersen in his column in the Mesa Tribune, May 1996.

  6. Brigham Young, lahateny tao amin’ny Tabernakelin’i Ogden , 19 July 1877, araka ny taterina ao amin’ny “Discourse,” Deseret News, Oct. 17, 1877, 578.

  7. M. Russell Ballard, “Small and Simple Things,” Ensign, May 1990, 7, 8.

  8. Steven C. Wheelwright, “The Power of Small and Simple Things,” 3.

  9. David A. Bednar, “By Small and Simple Things Are Great Things Brought to Pass” (Brigham Young University Women’s Conference, Apr. 29, 2011), womensconference.byu.edu.

  10. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” Liahona, Apr. 2018, 7.