2010–2019
Raiso ho mpitari-dalana anao ny Fanahy Masina
Aprily 2018


Raiso ho mpitari-dalana anao ny Fanahy Masina

Endrey izany fanomezana tsy manam-paharoa tonga amin’ireo izay mametraka ny finoany ao amin’i Jesoa Kristy. Ny Fanahy Masina izany fanomezana izany.

Amin’ity alahadin’ny Paska ity, ny saintsika dia mitodika amin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny maty sy ilay fasana foana izay manome ho an’ny mpino rehetra ny fanantenana amin’ny fandresen’i Kristy ny zavatra sasantsasany izay tsy ho resy raha tsy noho Izy. Mino aho, miaraka amin’i Paoly Apôstôly, fa tahaka ny “nananganan[’ Andriamanitra] an’i Kristy tamin’ny maty no hamelo[many] ny tenan[tsika] mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatin[tsika].”1

Ny hoe mamelona dia midika hoe manome aina. Tahaka an’i Kristy izay mamerina ny vatantsika amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana ara-batana amin’ny alalan’ny herin’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia afaka mamelona antsika ihany koa Izy, na manome aina antsika avy ao amin’ny fahafatesana ara-panahy.2 Mamaky isika ao amin’ny bokin’i Mosesy fa i Adama dia nandalo io karazana famelomana io: “Ary dia toy izany no nanaovana batisa [an’i Adama] ary nidina teo aminy ny Fanahin’ Andriamanitra ka nateraky ny Fanahy toy izany izy ary novelomina ny toe-panahy tao anatiny.”3

Endrey izany fanomezana tsy manam-paharoa tonga amin’ireo izay mametraka ny finoany ao amin’i Jesoa Kristy. Izany fanomezana izany dia ilay Fanahy Masina manome antsika ilay antsoin’ny Testamenta Vaovao hoe “aina ao amin’i Kristy.”4 Saingy matetika ve isika no mandray ny fanomezana lehibe toy izany ho zontsika?

Ry rahalahy sy ranabavy, voninahitra mahatalanjona ho antsika ny “mandray … ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana [antsika],”6 toy ny asehon’izao traikefa manaraka izao.

Sary
Lietnà Frank Blair

Nandritra ny ady tany Korea dia niasa tao amin’ny sambo mpitatitra miaramila niantsona tao Japana i Lietnà Frank Blair.7 Tsy tena goavana ilay sambo ka tsy nanana mpitondra fivavahana ôfisialy, koa nangataka an-dRahalahy Blair ilay kapiteny mba ho mpitondra fivavahana tsy ôfisialy, rehefa tsikariny fa olona nanam-pinoana sy fitsipika, ary nohajain’ilay ekipa manontolo fatratra ilay zatovolahy.

Sary
Lietnà Blair

Nanoratra i Lietnà Blair hoe: “Raikitra tao anatin’ny rivo-doza goavana ny sambonay. Nahatratra 14 metatra ny haavon’ny onja. Niambina aho … ka nandritra izany fotoana izany dia nijanona tsy niasa ny iray tamin’ireo maoteranay anankitelo ary voalaza fa nisy triatra teo afovoan’ilay sambo. Roa sisa ny maotera nanananay, ka ny iray tamin’izany dia efa antsasany sisa ny heriny. Tena tra-doza mafy izahay.”

Namita ny fiambenany i Lietnà Blair ary efa handeha hatory izy raha nandondona ny varavarany ny kapiteny. Nangataka izy hoe: “Afaka mivavaka ho an’ity sambo ity ve ianao?” Nanaiky ny hanao izany i Lietnà Blair mazava ho azy.

Afaka nivavaka tsotra izao i Lietnà Blair tamin’io fotoana io ka hanao hoe: “Ry Ray any An-danitra ô, mba tahio ny sambonay ary arovy izahay,” dia namonjy fandriana avy teo. Fa nivavaka kosa izy ny mba hahafantatra raha toa ka nisy zavatra azony natao mba hanampiana amin’ny fiarovana ilay sambo. Ho valin’ny vavaka nataon-dRahalahy Blair dia nibitsika taminy ny Fanahy Masina mba handeha teo amin’ny fitoeran’ny kapitenin-tsambo ka hiresaka amin’ny kapiteny ary haka fampahalalana misimisy kokoa. Hitany fa niezaka namantatra ny hafainganam-pandeha hampandehanana ireo maotera sisa tavela ilay kapiteny. Niverina tany an’efitranony i Lietnà Blair mba hivavaka indray.

Nivavaka izy nanao hoe: “Inona no azoko atao mba hanampiana amin’ny famahana ireo olana eo amin’ireo maotera?”

Ho valin’izany dia nibitsika ny Fanahy Masina fa mila mandeha manodidina ilay sambo izy ka handinika mba hanangonana fampahalalana fanampiny. Dia niverina tany amin’ilay kapiteny izy ka nangataka fahazoan-dalana handeha manodidina ny tokotanin-tsambo. Dia nivoaka tany amin’ny rivo-doza izy, niaraka tamin’ny tady fiarovana aina nifatotra teo amin’ny valahany.

Raha nijoro teo amin’ny vodin’ilay tsambo izy dia nandinika ireo helisy goavam-be, raha nivoaka avy tao anaty rano izany rehefa tafakatra teo an-tendron’ny onja ilay sambo. Iray ihany no tena niasa tanteraka, ary nihodinkodina mafy izany. Dia nivavaka indray i Lietnà Blair rehefa avy nandinika ireo. Ny valiny mazava azony dia hoe niasa mafy loatra ilay maotera hany ka mila hahena. Koa niverina tany amin’ilay kapiteny izy dia nangataka ny hanaovana izany. Gaga ilay kapiteny, nilaza taminy fa vao nandroso hevitra mifanohitra amin’izany ny injenieran’ilay sambo, fa tokony hampitombo ny hafainganam-pandehan’ilay maotera tsara izy ireo mba hitsoahana ilay rivo-doza. Na izany aza dia nisafidy ny hanaraka ny torohevitr’i Lietnà Blair ilay kapiteny ka nanena ny fiasan’ilay maotera. Tonga teny amin’ny rano tony ilay sambo ny maraina mangiran-dratsy.

Adiny roa taty aoriana vao nijanona tsy niara-niasa intsony ireo maotera tsara. Niaraka tamin’ny antsasaky ny hery nananan’ilay maotera sisa tavela dia afaka niantsona teny amin’ny seranana ilay sambo.

Nilaza tamin’i Lietnà Blair ilay kapiteny nanao hoe: “Raha toa ka tsy nanena ny fiasan’io maotera io tamin’ny fotoana nanaovantsika izany isika, dia ho nanary izany teo afovoan’ny rivo-doza.”

Raha tsy nisy io maotera io dia tsy ho nisy fomba hamoriana ilay sambo. Ho nivadika ilay sambo ka nilentika. Nisaotra ilay mpitondra fivavahana OAF tanora ilay kapiteny ka nilaza fa nino izy fa ny fanarahana ireo fitaomam-panahin’i Lietnà Blair no nanavotra ilay sambo sy ny epikany.

Somary mampihetsi-po izany tantara izany. Na dia tsy hiatrika toe-javatra miseho mahatahotra ohatra izany aza isika, io tantara io dia ahitana torolalana manan-danja momba ny fomba ahafahantsika mandray matetika kokoa ny fitarihan’ny Fanahy.

Voalohany, rehefa fanambarana no resahina, dia tsy maintsy mampifanitsy araka ny tokony ho izy ny fifandraisantsika amin’ny an’ny lanitra isika. Nanana fiainana madio sy mahatoky i Lietnà Blair. Raha toa ka tsy nankatò izy dia tsy ho nandray ny fahatokisana ara-panahy nilaina mba hanaovana vavaka tahaka ny nataony ho fiarovana ny sambo nisy azy sy handray torolalana mazava toy izany. Tsy maintsy manao ezaka mba hampifanitsy ny fiainantsika amin’ireo didin’ Andriamanitra isika tsirairay mba ho tarihiny.

Tsy afaka maheno ny fanairana avy any an-danitra isika indraindray satria tsy mendrika. Ny fibebahana sy ny fankatoavana no fomba ahazoana fifandraisana mazava indray. Ny teny hoe mibebaka ao amin’ny Testamenta Taloha dia midika hoe “mitodika” na “miamboho.”7 Rehefa mahatsapa ho lavitra an’Andriamanitra ianao dia mila mandray ny fanapahan-kevitra hiamboho ny fahotana fotsiny, ka hahita Azy eo hiandry anao, miaraka amin’ny sandriny mivelatra hamihina. Sondriana hitarika anao Izy, ary vavaka iray fotsiny no ilainao atao mba hahazoana indray izany fitarihana izany.8

Faharoa, i Lietnà Blair dia tsy nangataka fotsiny tamin’ny Tompo mba hamaha ny olany. Nanontany izay azony natao izy mba ho ampahany amin’ilay vahaolana. Torak’izany koa, afaka manontany ny Tompo isika hoe: “Tompo ô, inona no tokony hataoko mba hahatonga ahy ho ampahany amin’ny vahaolana?” Ho solon’ny fitanisana ireo olantsika ao anatin’ny vavaka sy ny fangatahana amin’ny Tompo mba hamaha azy ireny, dia tokony hikatsaka fomba mitarika asa bebe kokoa isika hahazoana ny fanampian’ny Tompo sy hanolorana tena mba hanao asa araka ny fitarihan’ny Fanahy.

Misy lesona manan-danja fahatelo ao amin’ny tantaran’i Lietnà Blair. Afaka nivavaka sady nanana fitokisana tony toy izany ve izy raha tsy nahazo fitarihana avy tamin’ny Fanahy tamin’ny zava-nitranga teo aloha? Ny fahatongavan’ny rivo-doza iray dia tsy fotoana iray hamafana ny vovoka eo amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina ka hamantarana ny fomba fampiasana izany. Io zatovolahy io dia nanaraka lamina efa nampiasaina imbetsaka teo aloha mazava ho azy, anisan’izany ny naha-misiônera tamin’ny fotoana feno izy. Mila ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika isika eny amin’ny rano tony ka tsy ho vaovao amintsika ny feony ao anatin’ny tafiotra mahery vaika.

Ny sasany dia mety hihevitra fa tsy tokony hanantena fitarihana isan’andro avy amin’ny Fanahy isika satria “tsy mety ny hibaiko[an’ Andriamanitra amin’ny zava-drehetra],” raha tsy izany dia ho lasa mpanompo kamo isika.9 Ny soratra masina, anefa, dia nomena ireo misiônera sasany tany aloha izay nangataka tamin’i Joseph Smith mba handray ny fanambarana tokony ho noraisin’izy ireo. Tao anatin’ny andininy iray teo aloha, ny Tompo dia nilaza tamin’izy ireo mba ho tonga eo amin’ny sahan’ny misiôna “araka izay hifandinihan’izy ireo Amiko.” 10

Naniry fanambarana mazava momba ny drafitra amin’ny diany ireo misiônera. Tsy mbola nianatra nikatsaka tari-dalana manokana amin’ny zavatra mahakasika ny tena manokana izy ireo. Ny Tompo dia niantso io fitondrantena io hoe: hakamoana. Mety ho faly loatra ireo mpikambana tany amin’ny fiandohan’ny Fiangonana fa nanana mpaminany marina ka saika tsy hianatra ny fomba ahazoana fanambarana ho an’ny tenany manokana izy ireo. Ny fizakan-tena ara-panahy dia ny mihaino ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahiny ho an’ny fiainanao manokana.

Nanome torohevitra ny zanany lahy i Almà hoe “milà hevitra amin’ny Tompo amin’izay ataonao rehetra.”11 Ny miaina toy izany, ilay antsointsika matetika hoe “miaina araka ny Fanahy”, dia voninahitra lehibe. Mitondra fitoniana sy fahazoana antoka izany ary koa ireo vokatry ny Fanahy toy ny fitiavana, sy fifaliana, ary fiadanana.12

Nanavotra an’i Lietnà Blair sy ireo tantsambo namany tamin’ny tafiotra mahery ny fahafahany nandray fanambarana. Misy karazana tafiotra misafotofoto amin’izao fotoana izao. Ny fanoharana momba ny hazon’aina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna13 dia manolotra sary mahery vaika ny amin’ny fomba ahazoana fiarovana ara-panahy eto amin’izao tontolo izao. Io nofy io dia milaza momba ny zavon’ny haizina nipoitra tampoka mba hitondrana fandringanana ara-panahy tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana nandeha teo amin’ilay lalana miverina any amin’ Andriamanitra.14

Sary
Ny nofin’i Lehia

Rehefa mandinika io sary io aho dia mahita ao an-tsaiko andian’olona marobe mandeha amin’izany lalana izany, ny sasany mihazona mafy ny anja-by, fa ny maro hafa dia manaraka fotsiny ny tongotry ny olona eo anoloan’izy ireo. Tsy mitaky eritreriritra na ezaka be io farany io. Afaka manao zavatra sy mieritreritra izay ataon’ny hafa sy eritreretin’ny hafa fotsiny ianao. Mandaitra tsara izany rehefa mibaliaka ny masoandro. Saingy mipoitra tsy misy fampitandremana ireo tafiotry ny fitaka sy ny zavon’ny sandoka. Amin’ireo trangan-javatra ireo, dia miantoka ny fiainana na ny fahafatesana ara-panahy ny fahafantarana ny feon’ny Fanahy Masina.

Ny fampanantenana mahery vaika nataon’i Nefia dia hoe: “na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy …hihazona mafy izany, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ny famongorana.”15

Tsy ampy ny fanarahana ny tongotr’ireo olona eo anoloanareo eo amin’ilay lalana. Tsy afaka manao zavatra sy mieritreritra izay ataon’ny hafa sy eritreretin’ny hafa fotsiny isika; mila manana fiainana misy fitarihana isika. Tsy maintsy eo amin’ny anja-by ny tanantsika tsirairay. Dia afaka mandeha eo amin’ny Tompo isika miaraka amin’ny fahatokisana feno fanetrentena, sady mahafantatra fa Izy dia “hitarika [antsika] amin’ny tanana sy hanome [antsika] ny valin’ny fivava[tsika].”16 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.