2010–2019
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana
Aprily 2018


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana

Marihinay fa ny tatitra momba ny antontan’isa izay atolotra eto amin’ity fivoriana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana aprily ity raha ny mahazatra, dia havoaka manomboka izao ao amin’ny LDS.org aorian’ity fivoriana ity avy hatrany, ary hampidirina ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana ahitana ny fihaonambe maneran-tany.

Izao dia hanolotra ireo fiovana misy eo amin’ireo mpitarika ny Fiangonana ary ireo Mpiandraikitra maneran-tany sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra mba hotohanana aho, dia ny Rahalahy Kevin R. Jergensen, tale mpitantana ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana avy eo no hamaky ny tatitra momba ny fanamarinana ny fampiasam-bola.

Noho ny antso mba hanompo ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolahy dia aroso amintsika ny hisaorana ny Loholona Gerrit W. Gong sy Ulisses Soares tamin’ny nanompoan’izy ireo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy.

Manaraka izany, tolorantsika fisaorana ny Loholona Craig C. Christensen sy Lynn G. Robbins ary Juan A. Uceda tamin’ny nanompoan’izy ireo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, mihatra amin’ny 1 aôgositra.

Ireo izay maniry ny haneho fankasitrahana ho an’ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana feno fandavantena nataony dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana ireto manaraka ireto tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo: Steven R. Bangerter, Matthew L. Carpenter, Mathias Held, David P. Homer, Kyle S. McKay, R. Scott Runia, ary Juan Pablo Villar.

Ireo izay maniry ny hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana feno fandavantena vitan’izy ireo dia aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Aroso amintsika ny hisaorana miaraka amin’ny fankasitrahana avy amin’ny fo manontolo ny Rahavavy isany Bonnie L. Oscarson sy Carol F. McConkie ary Neill F. Marriott tamin’ny naha-Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany azy ireo. Tolorantsika fisaorana torak’izany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana ny Zatovovavy maneran-tany izay nanompo tsara tokoa.

Ireo rehetra izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahavavy ireo noho ny asa fanompoana sy fandavantena niavaka natolotr’izy ireo dia iangaviana haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana ny Rahavavy Bonnie H. Cordon tamin’ny nanompoany tamin’ny naha-Mpanolotsaina Voalohany azy tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.

Ireo izay maniry ny haneho fankasitrahana ny Rahavavy Cordon dia aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Aroso amintsika mba hotohanana ireto manaraka ireto mba hanompo ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, antso mihatra avy hatrany: Loholona Carl B. Cook sy Robert C. Gay.

Ireto manaraka ireto ihany koa dia hanompo ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, mihatra ny 1 aôgositra 2018: ireo Loholona isany Terence M. Vinson sy José A. Teixeria ary Carlos A. Godoy.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Ireo manohitra , raha misy.

Aroso amintsika ny hanohanantsika ireto manaraka ireto mba ho Fitopololahy Manampahefana Ambony: Steven R. Bangerter, Matthew L. Carpenter, Jack N. Gerard, Mathias Held, David P. Homer, Kyle S. McKay, Juan Pablo Villar, ary Takashi Wada.

Izay rehetra manohana, aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, tahaka izany ihany koa.

Aroso amintsika ny hanohanantsika ireto manaraka ireto ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra vaovao: Richard K. Ahadjie, Alberto A. Álvarez, Duane D. Bell, Glenn Burgess, Víctor R. Calderón, Ariel E. Chaparro, Daniel Córdova, John N. Craig, Michael Cziesla, William H. Davis, Richard J. DeVries, Kylar G. Dominguez, Sean Douglas, Michael A. Dunn, Kenneth J. Firmage, Edgar Flores, Silvio Flores, Saulo G. Franco, Carlos A. Genaro, Mark A. Gilmour, Sergio A. Gómez, Roberto Gonzalez, Virgilio Gonzalez, Spencer R. Griffin, Matthew S. Harding, David J. Harris, Kevin J. Hathaway, Richard Holzapfel, Eustache Ilunga, Okechukwu I. Imo, Peter M. Johnson, Michael D. Jones, Pungwe S. Kongolo, George Kenneth G. Lee, Aretemio C. Maligon, Edgar A. Mantilla, Lincoln P. Martins, Clement M. Matswagothata, Carl R. Maurer, Daniel S. Mehr II, Glen D. Mella, Isaac K. Morrison, Yutaka Nagatomo, Allistair B. Odgers, R. Jeffrey Parker, Victor P. Patrick, Denis E. Pineda, Henrique S. Simplicio, Jeffrey H. Singer, Michael L. Staheli, Djarot Subiantoro, Jeffrey K. Wetzel, Michael S. Wilstead, Helmut Wondra, ary David L. Wright.

Izay rehetra manohana, aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy.

Aroso amintsika ny hanohanantsika an’i Bonnie H. Cordon mba ho Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, miaraka amin’i Michelle Lynn Craig ho Mpanolotsaina Voalohany sy i Rebecca Lynn Craven ho Mpanolotsaina Faharoa.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Haroso amintsika ny hanohanana an’i Lisa Rene Harkness ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy.

Atolotra amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony hafa, ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo Fiadidian’ny Vondrona Fanampiny arak’izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana, aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy.

Ry Filoha Nelson, voarakitra ny fanohanana. Manasa ireo izay mety ho nanohitra ny iray tamin’ireo natolotra izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Noho ny fanohanana izay vao natao teo dia manana Manampahefana Ambony 116 isika ankehitriny. Efa ho 40 isan-jato amin’izy ireo no teraka ivelan’i Etazonia, dia avy any Alemana, Brésil, Mexique, Nouvelle Zélande, Écosse, Kanadà, Korea Atsimo, Guatemala, Arzantina, Italia, Zimbaboe, Uruguay, Pérou, Afrika Atsimo, Samoa Amerikanina, Angletera, Porto Rico, Australie, Venezoelà, Kenya, Philipines, Portugal, Fiji, Chine, Japana, Chili, Colombie, ary Frantsa.

Ry rahalahy sy anabavy isany, misaotra anareo izahay noho ny finoanareo sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana.

Asainay izao ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony, ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany vaovao, ary ny Rahavavy Harkness izay ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany mba haka ny toerany ety amin’ny lampihazo.