2010–2019
Ny zavatra tokony ho takatry ny mpihazona ny fisoronana Aharôna tsirairay avy
Aprily 2018


Ny zavatra tokony ho takatry ny mpihazona ny fisoronana Aharôna tsirairay avy

Ny fanendrena anareo ho amin’ny Fisoronana Aharôna dia tena manan-danja amin’ny fanampiana ny zanak’ Andriamanitra handray ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy.

Ry rahalahy isany, voninahitra lehibe tokoa ny miaraka aminareo amin’ity fihaonambe manan-tantara ity. Fony aho filohan’ny misiôna vaovao, dia faly ery aho nandray ny andiana misiônera vaovao voalohany tao aminay. Niomana hanao fivoriana fohy niaraka tamin’izy ireo ny misiôneranay vitsivitsy izay efa nahazo traikefa kokoa. Dia tsikaritro fa nandamina sezan’ankizy tamin’ny endrika faribolana izy ireo.

“Fa hataonareo inona ireo seza kely ireo?” Hoy aho nanontany.

Niteny tamim-pahamenamenarana ireo misiônera hoe: “Ho an’ireo misiônera vaovao.”

Mino aho fa misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fomba fiheveran’ny hafa ny tenany sy izay mety hahatongavany ny fomba fiheverantsika azy ireo.1 Nipetraka tamin’ny sezan’olon-dehibe ireo misiôneranay vaovao tamin’izay andro izay.

Manahy aho fa indraindray isika dia toy ny manome sezan’ankizy ho an’ireo zatovolahintsika ao amin’ny Fisoronana Aharôna mba hipetrahan’izy ireo, fa tsy manampy azy ireo hahatakatra fa Andriamanitra dia nanome andraikitra masina sy asa manan-danja azy ireo mba ho ataony.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanoro hevitra antsika fa ny zatovolahy dia mila mahatakatra “ny dikan’ny hoe … mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra. Mila tarihina ho amin’ny fahatsiarovan-tena ara-panahy ny amin’ny fahamasinan’ny antso nanendrena azy izy ireo.”2

Anio aho dia mivavaka ny mba hitarihan’ny Fanahy Masina antsika hahazo fahatakarana lehibe kokoa momba ny hery sy ny fahamasinan’ny Fisoronana Aharôna sy ny hitarihany antsika hifantoka amim-pahazotoana kokoa amin’ny adidintsika ao amin’ny fisoronana. Ny hafatro dia ho an’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ihany koa ireo izay efa mihazona ny Fisoronana Melkizedeka.

Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund fa ny tanjon’ny fisoronana dia ny hanome an’ireo zanak’ Andriamanitra fahafahana hahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.3 Mba handraisana ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika, dia tsy maintsy mino Azy isika, mibebaka amin’ny fahotantsika, manao sy mitandrina fanekempihavanana masina amin’ny alalan’ireo ôrdônansy, ary mandray ny Fanahy Masina.4 Tsy fitsipika handraisantsika anjara indray mandeha fotsiny ireo, fa miara-miasa, mifanamafy sy mifampiorina ao anatin’ny dingana mitohin’ny fivoarana miakatra hatrany mba “[hanatona] an’ i Kristy, [sy] hatao tanteraka ao Aminy.”5

Koa inona ary no anjara asan’ny Fisoronana Aharôna ao anatin’izany? Ahoana no hanampian’izany antsika hahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy? Inoako fa ao amin’ny fanalahidy izay hazonin’ny Fisoronana Aharôna no ahitana ny valin’izany, dia ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny filazantsara fiomanana.6

Ny fanompoan’ny anjely

Lafin-javatra iray amin’ny fanompoan’ny anjely no tiako hanombohana azy. Alohan’ny hahafahan’ny zanak’ Andriamanitra hino an’i Jesoa Kristy, dia mila mahafantatra ny momba Azy sy ampianarina ny filazantsarany izy ireo. Araka ny nolazain’i Paoly Apôstôly hoe:

“Hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?

Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? …

“Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.”7

Efa hatrany am-boalohany Andriamanitra no “[naniraka] ny anjely hanompo ny zanak’ olombelona, mba hampiseho … ny fiavian’i Kristy.”8 Ny anjely dia olona avy any an-danitra izay mitondra ny hafatr’ Andriamanitra.9 Na amin’ny teny Hebreo na amin’ny teny Grika, ny foto-tenin’ny hoe anjely dia midika hoe “iraka.”10

Tahaka ny maha-iraka nahazo lalana ny anjely, izay nirahin’ Andriamanitra mba hanambara ny teniny sy hampiorina ny finoana noho izany, dia mitovy be amin’izany ny hoe isika izay mihazona ny Fisoronana Aharôna dia notendrena mba “hampianatra sy hanasa ny rehetra hanatona an’ i Kristy.”11 Adidin’ny fisoronana ny mitory ny filazantsara. Ary ny hery mifandraika amin’io adidy io dia tsy ho an’ireo mpaminany fotsiny, na ho an’ireo misiônera fotsiny ihany. Ho anareo izany!12

Koa ahoana ary no hahazoantsika an’io hery io? Ahoana no ahafahan’ny diakona 12 taona, na ny iray amintsika, hitondra finoana an’i Kristy any am-pon’ny zanak’ Andriamanitra? Atombotsika amin’ny fampitoerana ny teniny ao amintsika izany mba hahatonga ny herin’izany ho ao anatintsika.13 Nampanantena Izy fa raha manao izany isika dia hanana “ny herin’ Andriamanitra … ho fandresen-dahatra ny olona” [isika].14 Mety ho fahafahana hampianatra ao amin’ny fivorian’ny kôlejy na hitsidika ny tokantranon’ny mpikambana iray izany. Mety ho andraikitra tsy dia ôfisialy ilay izy, toy ny fifampiresahana amin’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana. Amin’ireo sehatra rehetra ireo, raha niomana isika, dia afaka mampianatra ny filazantsara amin’ny fomba fanaovan’ny anjely izany isika: dia amin’ny herin’ny Fanahy Masina.15

Sary
I Jacob sy ny Rahalahy Holmes

Vao haingana aho no nahafantatra momba an’i Jacob, mpihazona ny Fisoronana Aharôna ao Papouasie-Nouvelle-Guinée, nijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba nanampian’izany azy hanohitra ny ratsy ka hanaraka ny Fanahy. Nampitombo ny finoako sy ny finoan’ny hafa ny teniny. Nitombo ihany koa ny finoako rehefa nahare mpihazona ny Fisoronana Aharôna nampianatra sy nijoro ho vavolombelona tao amin’ny fivorian’ny kôlejin’izy ireo aho.

Ry zatovolahy, iraka nahazo lalana ianareo. Ianareo dia afaka mitondra ny finoana an’i Kristy any am-pon’ny zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny teny sy ny asa ataonareo.16 Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ho azy ireo ianareo dia toy ny anjely izay manompo.”17

Ny Filazantsara fiomanana

Ny finoana an’i Kristy izay mitombo dia mitarika mandrakariva amin’ny fananana faniriana hiova na hibebaka.18 Ka noho izany dia mazava ho azy raha miaraka amin’ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely ny fanalahidin’ny filazantsara fiomanana, dia ny “filazantsaran’ny fibebahana sy ny batisa sy ny famelana ny fahotana.”19

Rehefa mandalina ny adidinareo ao amin’ny Fisoronana Aharôna ianareo, dia hahita didy iray mazava, dia ny hanasa ny hafa hibebaka sy hivoatra.20 Tsy midika akory izany hoe hijoro eny an-tsisin-dalana isika dia hiantsoantso hoe: “Mibebaha ianareo!” Fa matetika kokoa izany dia midika hoe mibebaka isika, mamela heloka isika, ary rehefa manompo ny hafa isika dia manolotra ny fanantenana sy ny fiadanana hoentin’ny fibebahana, satria niainantsika manokana ilay izy.

Efa niaraka tamin’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna aho raha namangy ireo mpikambana namany ao amin’ny kôlejiny izy ireo. Hitako ny nanalefahan’ny fitiavana nasehon’izy ireo ny fon’ny hafa sy ny nanampian’izany ireo rahalahiny hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Nahare zatovolahy iray aho nijoro ho vavolombelona tamin’ireo namany momba ny herin’ny fibebahana. Rehefa nanao izany izy, dia nalefaka ny fon’ny olona, nisy ireo nanao fanoloran-tena, ary tsapa ny hery manasitran’i Kristy.

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Zavatra iray ny mibebaka. Fa zavatra iray hafa ihany koa ny mahazo ny famelana ny helotsika. Ao amin’ny Fisoronana Aharôna no misy ny hery ahafahana mitondra izany.”21 Ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo izay an’ny Fisoronana Aharôna dia vavolombelon’ny fibebahantsika ho fahazoana famelan-keloka ary mahatanteraka izany.22 Nanazava izany araka izao fomba izao ny Filoha Dallin H. Oaks: “Didina isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika sy hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ary handray ny fanasan’ny Tompo. … Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadion’ny batisantsika.”23

Ry rahalahy isany, tombontsoa lehibe ny manatanteraka ireo ôrdônansy izay mitondra famelan-keloka ho an’ireo fo mibebaka amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.24

Vao haingana no nisy nitantara tamiko ny momba ny mpisorona iray izay sahirana tamin’ny fitenenana, izay vao sambany no nanamasina ny fanasan’ny Tompo. Rehefa nanao izany izy, dia nisy fanahy mahery vaika tonga teo aminy sy ny mpiangona. Afaka fotoana vitsy nandritra ilay fivoriana, dia nanao fijoroana ho vavolombelona tsotra nefa mazava momba ny herin’ Andriamanitra izay tsapany nandritra ilay ôrdônansy izy.

Sary
Ny kôlejin’ny mpisorona miaraka amin’ny fianakaviana Mbuelongo

Tany Sydney, Australie, dia nisy mpikambana efatra tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona nanao batisa ny olona tao amin’ny fianakaviana Mbuelongo. Nitantara tamiko ny fiantraikan’io traikefa io tamin’ny fomba mahery vaika teo amin’ny zanany lahy ny renin’ny iray amin’ireo mpisorona ireo. Ireo mpisorona ireo dia lasa nahatakatra ny dikan’ny hoe “manana ny fahefana avy amin’i Jesoa Kristy.”25

Araka ny efa fantatrareo, ny mpisorona amin’izao dia afaka mandray anjara amin’ny fanantanterahana batisa isoloana tena any amin’ny tempoly. Vao haingana ny zanako lahy 17 taona no nanao batisa ny tenako ho an’ireo razambenay sasany. Samy nahatsapa fankasitrahana lalina noho ny Fisoronana Aharôna sy ny tombontsoa amin’ny fanaovana asa ho an’ny famonjena ny zanak’ Andriamanitra izahay.

Ry zatovolahy, rehefa mandray anjara amim-pahazotoana amin’ny andraikitrareo ao amin’ny fisoronana ianareo, dia mandray anjara miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny asany, dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”26 Ny traikefa tahaka izany dia mampitombo ny fanirianareo sy manomana anareo hampianatra ny fibebahana sy hanao batisa ireo niova fo amin’ny maha-misiônera anareo. Izy ireo koa dia manomana anareo amin’ny asa fanompoana mandritra ny fiainana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka.

I Jaona Mpanao Batisa, ilay ohatra ho antsika

Ry mpihazona ny Fisoronana Aharôna, manana tombontsoa sy adidy isika ny ho lasa mpiara-manompo amin’i Jaona Mpanao Batisa. Nalefa ho iraka nahazo lalana i Jaona mba hijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy sy hanasa ny rehetra hibebaka sy hatao batisa, izany hoe nampiasa ny fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna izay noresahantsika izy. Dia nanao fanambarana i Jaona tamin’izay hoe: “Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho … ; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.”27

Noho izany, ny Fisoronana Aharôna, miaraka amin’ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny filazantsara fiomanana, dia manomana ny lalan’ny zanak’ Andriamanitra mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay fanomezana lehibe indrindra azo omena antsika eto amin’ity fiainana ity, amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka.28

Andraikitra lehibe nomen’ Andriamanitra ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izany!

Fanasana sy fampanantenana

Ry ray aman-dreny sy mpitarika ao amin’ny fisoronana, tsapanareo ve ny halehiben’ny torohevitry ny Filoha Monson mba hanampy ny zatovolahy hahatakatra “ny dikan’ny hoe … mpitondra ny fisoronan’ Andriamanitra”?29 Ny fahatakarana sy ny fanajana ny Fisoronana Aharôna dia hanomana azy ireo ho lasa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mahatoky, sy ho misiônera feno hery, ary ho vady sy raim-pianakaviana feno fahamarinana. Amin’ny alalan’ny fanompoany, dia ho takany sy ho tsapany ny maha-tena misy ny herin’ny fisoronana, ny hery hiasana amin’ny anaran’i Kristy ho famonjena ireo zanak’ Andriamanitra.

Ry zatovolahy, manana asa ampanaovina anareo Andriamanitra.30 Ny fanendrena anareo ho amin’ny Fisoronana Aharôna dia tena manan-danja amin’ny fanampiana ny zanany handray ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy. Mampanantena anareo aho fa raha ataonareo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanareo ireo adidy masina ireo, dia hahatsapa ny herin’ Andriamanitra tahaka izay tsy mbola nahatsapanareo azy teo aloha mihitsy ianareo. Ho takatrareo ny maha-zanakalahin’ Andriamanitra anareo, izay nantsoina tamin’ny antso masina mba hanao ny asany. Ary tahaka an’i Jaona Mpanao Batisa, ianareo dia hanomana ny lalana ho an’ny fiavian’ny Zanany Lahy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Izao no nitranga tamin’i Mosesy. Taorian’ilay fihaonany miavaka tamin’ Andriamanitra, dia nanomboka niova ny fiheverany ny tenany, lasa nahita ny tenany toy ny zanak’ Andriamanitra izy. Io fomba fijery io dia nanampy azy hanohitra an’i Satana, izay niantso azy hoe “zanak’olona” (jereo ny Mosesy 1:1–20). Jereo koa ny Thomas S. Monson, “Mijery ny hafa araka izay mety hahatongavany,” Liahona, Nôv. 2012, 68–71; Dale G. Renlund, “Amin’ny fijerin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 93–94.

  2. Thomas S. Monson, Fivorian’ny mpitarika mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana, mar. 2011.

  3. Jereo ny Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2017, 64–67.

  4. Jereo ny 2 Nefia 31–32; 3 Nefia 11:30–41; 27:13–21; Etera 4:18–19; Mosesy 6:52–68; 8:24.

  5. Môrônia 10:32; jereo koa ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 7.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; 84:26–27; 107:20.

  7. Rômana 10:14–15, 17. Nampianatra io fahamarinana io koa i Joseph Smith hoe: “Ny finoana dia azo avy amin’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fijoroan’ireo mpanompon’ Andriamanitra ho vavolombelona; ary izany fijoroana ho vavolombelona izany dia miaraka hatrany amin’ny Fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana” (Enseignements des Présidents de l’ Eglise: Joseph Smith [2007]).

  8. Môrônia 7:22; jereo ny Almà 12:28–30; 13:21–24; 32:22–23; 39:17–19; Helamàna 5:11; Môrônia 7:21–25, 29–32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:35; 29:41–42; Mosesy 5:58; jereo ihany koa ny Matio 28:19; Romana 10:13–17.

  9. Jereo ny George Q. Cannon, Gospel Truth, nofantenin’i Jerreld L. Newquist (1987), 54.

  10. Jereo ny James Strong, The New Strong’s Exhaustive Concordance of the Bible (1984), Hebrew and Chaldee dictionary section, 66, Greek dictionary section, 7.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:59.

  12. Jereo ny Henry B. Eyring, “Mba hahatonga azy ho matanjaka ihany koa,” Liahona, nôv. 2016, 75–78; Almà 17:3; Helamàna 5:18; 6:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:3.

  13. Jereo ny 1 Jaona 2:14; Almà 17:2; 26:13; 32:42. Ny Accomplir mon Devoir envers Dieu: pour les détenteurs de la Prêtrise d’Aaron dia fitaovana sarobidy mba hanampiana amin’ny fanatanterahana izany.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85.

  15. Jereo ny 2 Nefia 32:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14; 50:17–22.

  16. Jereo ny Môrônia 7:25.

  17. Russell M. Nelson, “Honoring the Priesthood,” Ensign, mey 1993, 40; jereo koa ny Almà 27:4.

  18. Jereo ny Almà 34:17; Helamàna 14:13.

  19. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:27.

  20. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46, 51–59, 73–79. Ny Accomplir mon Devoir envers Dieu: pour les détenteurs de la Prêtrise d’Aaron dia fitaovana sarobidy mba hanampiana antsika hahatakatra ny adidintsika.

  21. Gordon B. Hinckley, “The Aaronic Priesthood—a Gift from God,” Ensign, mey 1988, 46.

  22. Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny batisan’ny rano no dingana farany na manan-danja indrindra amin’ny dingan’ny fibebahana. Ny fialana amin’ny fahotana, miaraka amin’ny fanekempihavanan’ny fankatoavana ataontsika no mamarana ny fibebahantsika. Mazava ho azy fa tsy vita hatramin’ny farany ny fibebahana raha tsy misy izany fanekempihavanana izany” (“Building Faith in Christ,” Liahona, sept. 2012, 14–15). Jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38–41; Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 26:24 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra masina).

    Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia manome antsika “fahafahana isan-kerinandro mba hanavao ireo fanekempihavanana masina izay mamela antsika handray ny fahasoavana manavotry ny Mpamonjy miaraka amin’ilay vokatra manasitrana ara-panahy avy amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana” (“Understanding Our Covenants with God,” Liahona, jolay 2012, 21). Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Always Have His Spirit,” Ensign, nôv. 1996, 59–61.

  23. Dallin H. Oaks, “The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Liahona, jan. 1999, 44.

  24. Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana izay tanterahina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia mihoatra lavitra noho ny hoe fomba fanao na zavatra atao mifono tandindona. Fa manorina fantsona nankatoavina izy ireo izay ahafahan’ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra mirotsaka eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay” (“Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 60).

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73.

  26. Mosesy 1:39.

  27. Matio 3:11.

  28. Maro ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay niantso ny Fanahy Masina ho ny fanomezana lehibe indrindra eto amin’ny fiainana an-tany.

    Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fananana mandrakariva ny Fanahy Masina ho namana no fananana sarobidy indrindra afaka ho azontsika eto amin’ny fiainana an-tany” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Liahona, jan. 1999, 44).

    Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nampianatra hoe: “Raha resahina avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia ny fiainana mandrakizay no lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra. Fa rehefa hakelezina ho amin’izao fiainana an-tany izao ihany ilay fomba fijery, dia ny fanomezana ny Fanahy Masina no fanomezana lehibe indrindra afaka ho azon’ny olombelona iray” (“What Is Meant by ‘The Holy Spirit’?” Instructor, feb. 1965, 57).

    Ny filoha Wilford Woodruff dia nijoro ho vavolombelona hoe: “Raha manana ny Fanahy Masina miaraka aminareo ianareo, ary tokony hanana izany avokoa ny tsirairay, dia afaka milaza aminareo aho fa tsy misy fanomezana lehibe kokoa, tsy misy fitahiana lehibe kokoa, tsy misy fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa noho izany omena ny olona eto an-tany na iza izany na iza. Mety hanana ny fanompoan’ny anjely ianareo, mety hahita fahagagana maro, mety hahita zavatra mahatalanjona maro eto an-tany ianareo, saingy ambarako fa ny fanomezana ny Fanahy Masina no fanomezana lehibe indrindra afaka omena ny olona” (Enseignements des présidents de l’eglise: Wilford Woodruff [2004]).

    Ary nanampy ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny didy avy amin’Andriamanitra izay hankatoavintsika sy ny torohevitra tarihin’ny Fanahy avy amin’ny mpitarika ny Fiangonana izay harahintsika dia mifantoka indrindra amin’ny fahazoana ny fiarahan’ny Fanahy Masina. Raha jerena ifotony, ny fampianarana sy ny asa atao ao anatin’ny filazantsara rehetra dia mifototra amin’ny fanatonana an’i Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika” (“Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010, 97).

  29. Thomas S. Monson, fivorian’ny mpitarika mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana, mar. 2011.

  30. Jereo ny Mosesy 1:6.