Fantatro sy Iainako ary Tiako Izany.

Nataon’i Ann M. Dibb

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany


Ann M. Dibb
Mpanara-dia an’ilay Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika. Ny fiovam-po sy fahatokian-tena toy izany dia vokatry ny fanaovana ezaka tamim-pahavitrihana sy tamim-pandinihana. Zavatra an’ny tena manokana izany. Dingana tanterahana mandritra ny fiainana izany.

Manentana ny fanahiko ireo ohatra asehon’ireo mpikambana marin-toetra ao amin’ny Fiangonana ary ao anatin’izany ireo zatovo mendri-kaja. Miantehitra amim-pahatokiana amin’ny Mpamonjy ianareo. Mahatoky sy mankatò ary madio ianareo. Ireo fitahiana azonareo noho ny hatsaranareo dia tsy hoe misy fiantraikany eo amin’ny fiainanareo fotsiny fa misy fiantraikany lalina koa eo amin’ny fiainako sy ny fiainan’ireo olon-kafa maro, saingy matetika amin’ny fomba tsy fantatra.

Nilahatra mba hiantsena tao amin’ilay toeram-pivarotana kojakojan-kanina tany amin’ny toerana nisy ahy aho taona vitsy lasa izay. Nisy zatovovavy iray 15 taona teo ho eo, teo alohako. Toa feno fahatokian-tena sy fifaliana izy. Tsikaritro ilay ambonin’akanjo nanaovany ka tsy naharitra aho fa dia niresaka. Nanomboka aho nanao hoe: “Avy any amin’ny faritany hafa ianao, sa tsy izany?”

Taitra tamin’ilay fanontaniako izy ary namaly hoe: “Eny, avy any Colorado aho. Ahoana no nahafantaranao izany?”

Nohazavaiko hoe: “Noho ilay ambonin’akanjo anaovanao.” Ny nahazoako an’ilay vinavina marina dia taorian’ny famakiana ilay teny teo amin’ny ambonin’akanjony hoe: “Môrmôna aho. Ary ianao?”

Notohizako hoe: “Tiako ny milaza aminao fa talanjona amin’ny fahatokian-tenanao mba hiavaka sy hanao akanjo ahitana fanambarana mifono fahasahiana toy izao aho. Mahita zavatra mampiavaka anao aho ary maniry ny mba hananan’ny zatovovavy rehetra sy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra finoana sy fahatokian-tena toy izany.” Nifanao veloma sy nisaraka izahay rehefa vita ny fiantsenanay.

Kanefa mbola nieritreritra tsara an’iny fihaonana iny aho nandritra ireo andro sy herinandro vitsivitsy taty aorian’iny fotoana nisehoan’ny zavatra kisendrasendra isan’andro iny. Nanontany tena aho hoe ahoana no nahafahan’iny zatovovavy avy any Colorado iny lasa nanana fahatokian-tena toy ireny amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy. Tsy naharitra aho fa nanontany tena hoe inona ary no mba fehezan-teny manan-danja azo alaina sary an-tsaina fa hofidiako mba ho soratana eo amin’ilay ambonin’akanjo ko izay maneho ny finoako sy ny fijoroako ho vavolombelona. Nieritreritra zavatra azo lazaina maro tao an-tsaiko aho. Farany dia nieritreritra fanambarana tena tsara iray izay ho azoko entina amim-pireharehana aho: “Môrmôna aho. Fantatro sy iainako ary tiako izany.”

Te-hampifantoka ny lahateniko manodidina an’izany fanambarana feno fahasahiana sy mifono fanantenana izany aho androany.

Ny ampahany voalohan’ilay fanambarana dia mifono fahatokian-tena sy tsy misy fialan-tsiny: “Môrmôna aho.” Manantena aho fa tsy hatahotra na hisalasala velively isika ny hampahafantatra hoe: “Môrmôna aho,” toy ny tsy nahatahoran’ilay zatovovavy nifanena tamiko tao amin’ny toeram-pivarotana kojakojan-kanina mba hampahafantatra an’izao tontolo izao fa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Tokony hatoky tena toa ny Apôstôly Paoly isika rehefa nanambara izy hoe: “Fa tsy menatra amin’ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.”1 Mpanara-dia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika amin’ny maha-mpikambana antsika. Ny fiovam-po sy fahatokian-tena toy izany dia vokatry ny fanaovana ezaka tamim-pahavitrihana sy tamim-pandinihana. Zavatra an’ny tena manokana izany. Dingana tanterahana mandritra ny fiainana izany.

Ny ampahany manarak’ilay fanambarana dia milaza hoe: “Fantatro izany.” Maro dia maro eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ireo zavatra atao sy lohahevitra ary zava-mahaliana izay mifaninana isa-minitra misarika ny saintsika. Moa ve isika manana hery sy fifehezan-tena ary fanoloran-tena hifantoka lalandava amin’izay zavatra tena manan-danja eo anatrehan’ireo zavatra maro misarika ny saina ireo? Moa ve isika manam-pahalalana tsara an’ireo fahamarinan’ny filazantsara toy ny hananantsika fahalalana tsara mikasika ny fianarantsika sy ny asantsika sy ny fialambolintsika, ny fanatanjahan-tena ataontsika na ny hafatra alefantsika sy ireo teny soratantsika amin’ny alalan’ny Twitter? Moa ve isika mitady amim-pahavitrihana ireo valim-panontaniantsika amin’ny alalan’ny fivokisana amin’ny soratra masina sy ireo fampianaran’ny mpaminany? Moa ve isika mikatsaka ny fanamafisan’ny Fanahy?

Fitsipika mandrakizay ny maha-zava-dehibe ny fanovozana fahalalana. Ny Mpaminany Joseph Smith dia “tia fahalalana noho ilay hery marina ao aminy.”2 Hoy izy hoe: “Tena ilaina ny fahalalana ho an’ny fiainana sy ny toetra araka an’Andriamanitra. … Henoy ity fanalahidy lehibe ity ry rahalahiko rehetra: Ny fahalalana no herin’Andriamanitra mitondra famonjena.”3

Manan-danja ny fahamarinana sy ny fahalalana rehetra, saingy noho ireo zavatra misarika tsy tapaka ny saina eo amin’ny fiainantsika isan’andro, dia tsy maintsy mifantoka manokana amin’ny fampitomboana ny fahalalantsika ny filazantsara isika mba hahafahantsika mahatakatra ny fomba hampiharana ny fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika.4 Rehefa mitombo ny fahalalantsika ny filazantsara, dia hanomboka hahatsapa fahatokiana ao anatin’ilay fijoroantsika ho vavolombelona isika ary ho afaka hilaza hoe: “Fantatro izany.”

Ny manaraka dia ilay filazana hoe: “Iainako izany.” Mampianatra ny soratra masina fa tokony ho “mpankatò ny teny [fa tsy] mpihaino fotsiny ihany” isika.5 Miaina ny filazantsara isika ary lasa “mpankatò ny teny” amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana, fankatoavana, fanompoana amim-pitiavana ny hafa ary fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy antsika. Manao asa amim-pahamasinana isika ary manao izay fantatsika fa marina “amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra ary amin’ny toerana rehetra,”6 na iza mijery na iza tsy mijery.

Tsy misy tonga lafatra eto amin’ity fiainantsika eto an-tany ity. Hanao fahadisoana sy hanota isika rehetra na dia ao anatin’ireo ezaka tena feno fahavitrihana ataontsika mba hiainana ny filazantsara aza. Tena toky mitondra fampaherezana ny fahafantarana fa afaka ny ho voavela sy ho voadio indray isika amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy. Izany fizotran’ny fibebahana marina sy famelan-keloka izany dia mampatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny fahavononantsika hankatò ny didin’ny Tompo sy hanana fiainana mifanaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara.

Rehefa mieritreritra an’ilay fehezan-teny hoe: “Iainako izany” aho, dia mahatsiaro an’ilay zatovovavy nihaona tamiko, izay Karigan no anarany. Nanoratra izy hoe: “Herintaona mahery kely izay no naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy. … Fony aho mbola nanadihady momba ny Fiangonana, dia tonga tamiko ilay famantarana an’izany fa marina, noho ny fahatsapako fa nahita fiangonana iray izay nampianatra ny fahamaotinana sy ireo fitsipika tokony harahana ihany aho ity nony farany. Hitako tamin’ireo masoko mihitsy ny zavatra mitranga rehefa tsy miraharaha ny didy sy misafidy lalana diso ny olona. Efa ela aho no nanapa-kevitra fa hiaina fitsipika ara-pitondrantena ambony. … Mahatsapa ho tena voatahy aho noho ny nahitako ny fahamarinana sy nanaovana batisa ahy. Tena faly aho.”7

Ny fehezan-teny farany ao anatin’ilay fanambarako dia ny hoe: “Tiako izany.” Mitondra ny mpikamban’ny Fiangonana maro hihiaka amim-pirehetampo hoe: “Tiako ny filazantsara!” ny fananana fahalalana mikasika ny filazantsara ary ny fiainana amim-pahavitrihana ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Tonga izany fahatsapana izany rehefa tsapantsika ny Fanahy Masina fa mijoro ho vavolombelona amintsika hoe zanaky ny Ray any an-danitra isika ary mieritreritra antsika Izy ary eo amin’ilay lalana marina isika. Mitombo ny fitiavantsika ny filazantsara rehefa miaina ilay fitiavan’ny Raintsika any an-danitra isika sy miaina ilay fiadanana nampanantenain’ny Mpamonjy rehefa mampiseho Aminy fa vonona ny hankatò sy hanaraka Azy isika.

Misy ireo fotoana samihafa eo amin’ny fiainantsika izay ahitantsika, na olona vao vita batisa tao amin’ny Fiangonana izany na mpikambana efa ela, fa nanjavona izany firehetam-po izany. Miseho izany indraindray rehefa misy ny fahasarotana ary tsy maintsy manana faharetana isika. Miseho izany indraindray rehefa eny an-tampon’ny fiadanam-piainana sy ny firoboroboana isika. Isaky mahatsapa izany aho dia fantatro fa mila mampifantoka indray ny ezaka ataoko any amin’ny fampitomboana ny fahalalako ny filazantsara sy ny fiainana feno kokoa ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainako.

Ny fanetren-tena sy ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra no iray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara tokony ho ampiharina, izay tena mahomby nefa sarotra indraindray. Tao anatin’ny vavaka nataon’i Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane, dia naneho tamin’ny Ray Izy hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.”8 Tokony ho izany koa ny vavaka ataontsika. Matetika ao anatin’ireny fotoana tony sy fotoana ivavahana ireny no ahatsapantsika fa voahodidin’ny fitiavan’ny Ray any an-danitra isika ary miverina indray ireo fahatsapana fifaliana sy fitiavana.

Nanana fahafahana nihaona sy niresaka tamin-drahavavy Cammy Wilberger aho nandritra ny fivorian’ny Mpitarika ny Zatovovavy tany Eugene, Oregon. Ny tantara notantarain-drahavavy Wilberger ahy dia vavolombelon’ilay hery sy fitahiana azon’ny zatovovavy iray noho ny fahafantarany sy fiainany ary fitiavany ny filazantsara.

I Brooke zanakavavin-drahavavy Wilberger izay 19 taona dia maty tampoka taona maro lasa izay nandritra ny fialan-tsasatry ny fahavaratra taorian’ny taona voalohany nianarany tany amin’ny oniversite. Nitantara Rahavavy Wilberger hoe: “Fotoana sarotra sy maloka ho an’ny fianakavianay izany. Kanefa nanome fanomezana ho anay i Brooke. Tsy tsapanay izany rehefa nihalehibe izy kanefa isaky ny taona sy ny fotoana tsirairay tao anatin’ilay fiainany izay fohy dia nomen’i Brooke fanomezana faran’izay lehibe azon’ny zanakavavy iray omeny ny ray aman-dreniny izahay. Zanakavavin’Andriamanitra marin-toetra i Brooke. … Noho izany fanomezana izany ary indrindra indrindra noho ilay herin’ny Sorompanavotana izay ahafahana manao zavatra dia nahazo tanjaka sy fampaherezana ary ilay fiadanana nampanantenain’ny Mpamonjy aho. Tsy miahiahy aho hoe aiza i Brooke amin’izao fotoana izao ary miandrandra ilay fiarahanay indray izay feno fitiavana aho.”9

Manana fijoroana ho vavolombelona momba ny drafitra lehiben’ny fahasambarana mandrakizay izay an’ny Ray any an-danitra aho. Fantatro fa mahafantatra antsika Izy ary tia antsika. Fantatro fa nandefa mpaminany iray ho antsika Izy, dia ny Filoha Thomas S. Monson, mba hanome famporisihana antsika sy hitarika antsika hiverina any Aminy indray. Mivavaka aho mba hiezaka isika tsirairay hanana fahafahana hanambara amim-pahatokian-tena hoe: “Môrmôna aho. Fantatro sy iainako ary tiako izany.” Izany no ambarako amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana : Ho an’ny fandalinana fanampiny dia manoro hevitra ny mba hamakiana ny Almà 32 aho ary ny lahatenin’ny Loholona Dallin H. Oaks “The Challenge to Become” (Liahona, Jan. 2001, 40–43).

Mostrar las referencias

  1.  

    1.  Romana 1:16.

  2.  

    2. George Q. Cannon, ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 261.

  3.  

    3.  Teachings: Joseph Smith, 265; jereo koa ny Martha Jane Knowlton Coray, notebook, Church History Library, Salt Lake City.

  4.  

    4. Jereo ny knowledge value experience number 1, Young Women Personal Progress (booklet, 2009), 38.

  5.  

    5.  Jakoba 1:22.

  6.  

    6.  Môsià 18:9.

  7.  

    7. Taratasin’olona manokana.

  8.  

    8.  Lioka 22:42.

  9.  

    9. Taratasin’olona manokana.