Ny Didy Lehibe Voalohany

Nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Jeffrey R. Holland
Manana fiainana amin’ny maha-mpianatra manolo-tena antsika isika mba ho atolotra ho fanehoana ny fitiavantsika ny Tompo.

Tsy misy vondron’olona teo amin’ny tantara izay mampangoraka ahy be tokoa mihoatra noho ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo tavela taorian’ny fahafatesan’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao. Mihevitra aho fa indraindray dia hadinontsika fa mbola tsy nanana traikefa izy ireo ary tsy maintsy niantehitra tanteraka tamin’i Jesoa. Niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho … ?”1

Kanefa ho azy ireo, mazava ho azy, dia tsy niaraka tamin’izy ireo nandritra ny fotoana ela Izy. Tsy ampy ny telo taona mba hiantsoana Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo iray manontolo avy amin’ireo niova fo vitsivitsy, sy hanesorana ao anatin’izy ireo ny fahadisoana avy tamin’ny fomba nahazatra taloha, hampianarana azy ireo ny fahagagana entin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary avy eo hamelana azy ireo hanohy ny asa mandrapahatonga ny famonoana azy ireo ho faty koa. Ho sarotra ho an’ireo vondron-dehilahy vao notendrena ho loholona ireo ny hanaiky izany hoavy izany.

Tena sarotra tokoa ilay hoe navela irery izy ireo. Niezaka namerimberina niteny tamin’izy ireo i Jesoa fa tsy hiara-hitoetra amin’izy ireo foana Izy, kanefa na izy ireo tsy afaka na mody tsy nahatakatra izany toe-javatra mampalahelo izany. Nanoratra i Marka hoe:

“Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tànan’ny olona ka hovonoiny, ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.

“Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.”2

Avy eo taorian’ny fotoana fohy nianarana avy Taminy sy fotoana raha zara nisy niomanana, dia nitranga ilay tsy noeritreretina na ninoana hitranga. Nohomboana ilay Tompony sy Mpampianany, ilay Mpanolotsainy sy Mpanjakany. Tapitra ny asa fanompoany teto an-tany, ary ilay Fiangonana kely tena sahirana vao naoriny dia toa efa voalahatra ho enjehina sy ho fongorana. Nahita maso Azy ireo Apôstôly tamin’izy efa nitsangana tamin’ny maty kanefa vao mainka koa nanampy ny fikorontanan-tsain’izy ireo izany. Noho izy ireo azo antoka fa tsy maintsy nanontany tena hoe: “Inona ary no ho ataontsika izao?” dia nitodika tany amin’i Petera, ilay Apôstôly zokiny indrindra izy ireo mba hahazo valiny.

Mamela ahy ianareo hampiasa teny tsy hita ao amin’ny soratra masina mba hamaritana ny zavatra nifampiresahan’izy ireo. Toy izao no mety ho teny nolazain’i Petera ireo mpiara-dia taminy: “Ry rahalahy, telo taona nahafinaritra no nolalovantsika. Tsy nisy iray tamintsika nieritreritra fa tao anatin’ny volana vitsivitsy lasa izay dia hahita fahagagana sy hiaina zavatra masina isika. Niresaka, niara-nivavaka, niara-niasa tamin’ilay Zanakalahin’Andriamanitra isika. Niara-nandeha sy niara-nitomany Taminy isika, ary tamin’ilay alina izay nitrangan’ilay fiafaran-javatra mahatsiravina dia tsy nisy nitomany mafy noho izaho ianareo. Kanefa efa vita izany. Nahavita ny Asany Izy ary efa nitsangana avy tao am-pasana. Niasa ho an’ny famonjena ny Tenany sy ny tenantsika Izy. Ka raha manontany ianareo hoe: ‘Inona ary no ho ataontsika izao?’ Tsy misy azoko lazaina anareo ankoatra ny hoe miverina amin’ny fiainanareo teo aloha dia mifaly. Mikasa ny ‘handeha hanarato’” aho. Farafahakeliny enina tamin’ireo Apôstôly folo ambiny no nanaiky sy nilaza hoe: “Handeha hiaraka aminao koa izahay.” Nanoratra i Jaona, izay iray tamin’izy ireo hoe: “Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely.”3

Indrisy anefa fa tsy nihinana ny trondro. Ny alina voalohany niverenan’izy ireo avy teny amin’ny farihy dia tsy nahazo na inona na inona izy ireo, na dia tamingan-trondro iray aza. Rehefa tonga ny mangiran-dratsy dia nampitodika ny sambony teny amoron-drano tamim-pahadisoam-panantenana izy ireo izay nahatazanany endrik’olona tery lavidavitra niantso azy ireo no nanao hoe: “Anaka, manan-kanina va hianareo?” Tamin’ny fomba mahonena no namalian’ireto Apôstôly niverina ho mpanarato ireto ny valiny izay tsy tian’ny mpanarato indrindra. “Tsia,” hoy izy ireo nimonomonona, ary nanampy trotraka izany ny niantsoana azy ireo hoe: “anaka.”4

“Alatsaho eo amin’ny sisiny ankavanan’ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo hianareo,”5 hoy ny nolazain’ilay olon-tsy fantatra—ary niaraka tamin’ireo teny tsotra ireo no nanombohan’izy ireo nahafantatra hoe iza ity miteny ity. Vao telo taona lasa izay no nanjonoan’ireto lehilahy resahina ireto teo amin’ity ranomasina ity. Tamin’izay koa dia nanarato “nandritra ny alina [izy ireo] … , nefa tsy nahazo na inona na inona,”6 hoy ny soratra masina. Fa nisy lehilahy iray Galiliana tery amorony niteny tamin’izy ireo ny mba handatsahany ny haratony, ary dia “nahazo hazandrano be dia be izy,”7 ka triatra ny haratony, ary nanomboka nilentika ny sambony satria feno loatra.

Nitranga indray izany tamin’izay fotoana izay. Nandatsaka tamim-pahavitrihana ny haratony ireo “zanaka,” izay anarana tena niantsoana azy ireo, ary “tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.”8 Teo i Jaona no niaiky hoe: “Ny tompo iry.”9 Ary nitsambikina tsy hay nosakanana avy teny amin’ny sisin’ny sambo i Petera.

Taorian’ny fihaonana tamim-pifaliana tamin’i Jesoa efa nitsangana tamin’ny maty dia niresaka tamin’ny Mpamonjy i Petera izay azoko ambara fa fotoana lehibe teo amin’ny asa fanompoana tamin’ny naha-apôstôly an’i Petera amin’ny ankapobeny ary azo antoka fa nisy fiantraikany teo amin’ny tenany manokana koa, ka nanentana ny fanahin’ity lehilahy matanjaka toy ny vatolampy ity hanana fiainana mendri-kaja izay hanaovana asa fanompoana sy hitarihana amim-panoloran-tena. Rehefa nanopy maso tany amin’ny sambokelin’izy ireo efa antitra, sy ny haratony rovidrovitra ary ireo trondro 153 mivangongo i Jesoa dia nilaza tamin’ilay Apôstôly zokiny indrindra hoe: “Petera, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” Hoy i Petera hoe: “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho.”10

Nohenoin’ny Mpamonjy izany valinteny izany, kanefa mbola nijery ny mason’ilay mpianatra izy ary niteny indray hoe: “Petera, moa tia Ahy va hianao?” Tsy isalasalana fa tao anatin’ny fikorontanan-tsaina kely noho ny fiverenan’ilay fanontaniana no namalian’ilay mpanarato lehibe hoe: “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho.”11

Dia mbola nanome valinteny fohy ny Mpamonjy, saingy tao anatin’ny fandinihana lalina tsy an-kijanona no mbola nanontaniany fanintelony hoe: “Simona [Petera], zanak’i Jaona, moa tia Ahy va hianao?” Teto dia efa tsy nahazo aina intsony i Petera. Mety tsaroany tao am-pony ny nametrahana taminy in-telo fanontaniana iray hafa andro vitsivitsy lasa izay novaliany tamim-pahazotoana ihany koa—saingy fandavana no navaliny tamin’izay. Na mety nanomboka nanontany tena izy hoe sao dia tsy takany ny fanontanian’ilay Mpampianatra Lehibe. Na mety nikaroka ny tao am-pony izy, niandry fanamafisana mazava mikasika ny valinteny efa nomeny tamim-pahavitrihana, toy ireny mandeha ho azy ireny mihitsy aza. Na inona na inona fahatsapana nananany dia mbola namaly fanintelony i Petera hoe: “Tompoko, … fantatrao fa tia Anao aho.”12

Izay novalian’i Jesoa (ary eto indray aho dia mampiasa teny tsy ao amin’ny soratra masina) ka mety nilaza zavatra toy izao Izy: “Koa maninona eto ary ianao ry Petera? Nahoana isika no niverina ety amoron-dranomasina ity indray, miaraka amin’ireto harato ireto ihany, ary mbola manao ilay resaka efa natao taloha? Moa ve tsy nazava be tamin’izany ary tsy mazava be ankehitriny fa raha te-hahazo trondro aho dia afaka mahazo izany? Ny ilaiko ry Petera dia mpianatra—ary mila azy ireo mandrakizay aho. Mila olona hamahana ny ondriko aho ary hanavotra ny zanak’ondriko. Mila olona hitory ny filazantsarako aho ary hiaro ny fivavahako. Mila olona tena tia ahy aho, tena tia ahy, ary tia ny asa nampanaovin’ny Raintsika any an-danitra ahy. Tsy maivana akory ny hafatra ananantsika. Tsy mandritra ny fotoana fohy ny andraikitra nomena antsika. Ny asantsika dia tsy hitondra vintan-dratsy na fahadisoam-panantenana na entina hanafoanana ny fizotran’ny tantara akory. Asan’ilay Andriamanitra Tsitoha izany ary natao hanova izao tontolo izao. Koa dia miangavy anao fanindroany aho ry Petera, ary mety ho farany, mba handao ireto zavatra ireto, ary handeha hampianatra sy hijoro ho vavolombelona, hiasa sy hanompo amim-pahatokiana, mandrapatongan’ilay andro hanaovan’izy ireo aminao ny zavatra izay nataony tamiko.”

Avy eo, rehefa nitodika tamin’ireo Apôstôly rehetra izy, dia mety nilaza zavatra toy izao: “Moa ve ianareo manabohamaty toy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo? na i Heroda sy Pilato? Moa ve ianareo mieritreritra, tahaka azy ireo, fa ity asa ity dia azo vonoina tamin’ny alalan’ny namonoany ahy tsotra fotsiny? Moa ve ianareo mieritreritra, tahaka azy ireo, fa ny hazofijaliana sy ny fantsika sy ny fasana no faran’ity zavatra rehetra ity ary samy afaka hody amim-pifaliana any amin’ny zavatra nosahaniny teo aloha ny tsirairay avy eo? Anaka, moa tsy nahakasika lalina ny fonareo mihoatra noho izany ve ny fiainako sy ny fitiavako?”

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tsy fantatro izay zavatra mety hitranga amin’ny Andro Fitsarana, kanefa ho gaga ihany aho raha toa ka tsy hanontany ilay fanontaniana napetrak’i Kristy tamin’i Petera Andriamanitra izay manao hoe: “Moa tia ahy ve ianao?” Mihevitra aho fa ho tiany ny hahafantatra ao anatin’ilay fahatakarana ananantsika amin’ny maha-tena olona mety maty sy ao anatin’ilay fahatakarana ananantsika izay tena tsy ampy ary indraindray mitovy amin’ny an’ny zaza hoe moa ve isika farafaharatsiny mahatakatra didy iray, ny didy voalohany sy lehibe amin’izy rehetra—“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny tanjakao rehetra, ary ny sainao rehetra.”13 Ary raha amin’izay fotoana izay isika mba afaka mamaly hoe: “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho,” dia mety ho hampahatsiahiviny antsika fa ny endrika tsara indrindran’ny fitiavana dia ny fahatokiana foana.

Hoy i Jesoa hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”14 Noho izany dia manana namana tokony hampiana isika, zanaka tokony harovana, mahantra tokony hatraka ary fahamarinana tokony harovana. Ao ny hadisoana tokony hahitsy, ny fahamarinana tokony hozaraina, ary soa tokony hatao. Raha bangoina dia manana fiainana amin’ny maha-mpianatra manolo-tena antsika isika mba ho atolotra ho fanehoana ny fitiavantsika ny Tompo. Tsy afaka ny hiala kely isika dia hiverina indray avy eo. Tsy ho toy ny teo aloha intsony ny zava-drehetra taorian’ny nahafantarana ilay Zanakalahy velona an’Andriamanitra velona. Manamarika ny fiantombohan’ny fiainana maha-Kristianina ny Fanomboana, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ny Fitsanganana amin’ny maty fa tsy hoe fiafarana akory. Izany fahamarinana izany, izany zava-nitranga izany, no nahafahan’ireo Galiliana mpanarato vitsivitsy izay niverina niasa tamin’ny naha-Apôstôly azy na dia tsy nanana “toeram-pivavahana iray aza na sabatra”15 nanary indray ny haratony fanindroany ary nanohy namolavola ny tantaran’ity izao tontolo izao izay iainantsika ankehitriny ity.

Mijoro ho vavolombelona avy any amin’ny foko lalina miaraka amin’ny herin’ny fanahiko amin’ny olona rehetra afaka mandre ny feoko aho fa naverina amin’ny laoniny eto an-tany ireo fanalahidy hazonin’ny apôstôly ireo ary ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ho an’ireo izay tsy mbola tsy miaraka amintsika ao amin’ity asa lehibe farany an’i Kristy ity dia manasa izahay hoe: “Tongava.” Ho an’ireo izay efa niaraka taminay nefa niala an-daharana fa nisafidy ny tsy handray anjara afa-tsy amin’ireo lafiny ara-kolontsaina ato amin’ny Fiangonana fa tsy hianoka an’ilay fitahiana feno avy amin’ny famerenana amin’ny laoniny, dia hoy aho hoe, matahatotra aho fa mety miatrika alina lava maro sy harato foana ianareo. Ny antso atao dia ny hoe miverena, mijanona ho mahatoky, tiavo Andriamanitra ary manolora tanana. Ny antsoko mba hitoetra ho mahatoky dia natao koa ho an’ireo misiônera efa niverina izay nijoro teo amin’ny fitoeran-drano fanaovana batisa ary nanangana ny tanany sady niteny hoe: “Rehefa nomen’ i Jesoa Kristy fahefana aho.”16 Izany iraka izany dia tokony ho nampiova mandrakizay izany olona niova fo izany ary azo antoka fa tokony ho nampiova anao mandrakizay koa. Ho an’ireo tanora vao misondrotry ny Fiangonana hanao asa fitoriana, ho any amin’ny tempoly ary hanambady dia hoy izahay hoe: “Tiavo Andriamanitra ary mitoera ho madio amin’ny rà sy ny fahotan’ity taranaka ity. Manana asa goavana hatao ianareo, izay nantitranterin’ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ilay fanambarana mahatalanjona omaly maraina.” Miandrandra ny fitiavanareo sy ny fahatokianareo eo amin’ny dingana tsirairay eo amin’ny fiainanareo ny Rainareo any an-danitra.

Ho anareo izay mandre ahy, dia heno amin’ny fotoana rehetra ny feon’i Kristy izay manontany antsika tsirairay avy raha mbola misy ny fotoana hoe: “Moa tia ahy va ianao?” Hovaliako amim-panehoako haja sy amin’ny foko ho antsika tsirairay avy rehetra izany hoe: “Eny, Tompo, tia anao izahay.” Ary rehefa nandray “ny angady eny an-tanantsika,”17 isika dia tsy hierika mandrapahavita ity asa ity ary hitantana an’izao tontolo izao ny fitiavan’Andriamanitra marina sy ny namana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1.  Jaona 14:9.

  2.  

    2.  Marka 9:31–32.

  3.  

    3.  Jaona 21:3.

  4.  

    4. Jereo ny Jaona 21:5.

  5.  

    5.  Jaona 21:6.

  6.  

    6.  Lioka 5:5.

  7.  

    7.  Lioka 5:6.

  8.  

    8.  Jaona 21:6.

  9.  

    9.  Jaona 21:7.

  10.  

    10.  Jaona 21:15.

  11.  

    11.  Jaona 21:16.

  12.  

    12.  Jaona 21:17.

  13.  

    13.  Lioka 10:27; jereo koa ny Matio 22:37–38.

  14.  

    14.  Jaona 14:15.

  15.  

    15. Frederic W. Farrar, The Life of Christ (1994), 656; mba hahitana bebe kokoa mikasika ilay toe-javatra mampalahelo nianjady tamin’izany Fiangonana vao niorina izany dia jereo ny toko faha-62.

  16.  

    16.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73.

  17.  

    17.  Lioka 9:62.