Fomba Efatra Iantsoana Antsika

Nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany


Dieter F. Uchtdorf
Te hanolotra fomba iantsoana efatra [aho] … izay mety hanampy antsika hahatakatra ny anjara toerantsika tsirairay eo amin’ny drafitra mandrakizay an’Andriamanitra sy ny mety hahatongavantsika amin’ny maha mpihazona fisoronana antsika.

Ry rahalahiko malala sy namako tiako isany, maha feno fankasitrahana sy fifaliana ny foko ny miaraka aminareo. Midera anareo aho ry raim-pianakaviana sy ry dadabe izay nitondra ny zanakareo sy ny zafikelinareo lahy. Miarahaba anareo aho ry zatovolahy izay nisafidy ny ho eto anio. Ity no toerana tena tokony hisy anareo. Manantena aho fa tsapanareo ny firahalahiana izay mampiray antsika, ary mivavaka aho mba hahatsiarovanareo ho tamana sy hahatsiarovanareo fanohanana sy finamanana eto anivon’ireo rahalahinareo.

Isika lehilahy indraindray dia mamaritra ny tenantsika amin’ny alalan’ny fomba iantsoana antsika. Maro amintsika no manana fomba maro iantsoana antsika, ary ny tsirairay amin’izy ireny dia milaza zavatra manan-danja mikasika ny maha isika antsika. Ohatra, ny fomba iantsoana sasany dia mamaritra ny anjara toerantsika ao anatin’ny fianakaviana, toy ny hoe zanakalahy, na rahalahy, na vady na ray. Ny fomba iantsoana hafa dia mamaritra ny anton’asantsika eo amin’izao tontolo izao, toy ny hoe dokotera, na miaramila na mpanamory fiaramanidina. Ary ny sasany dia mamaritra ny antso hazonintsika ato amin’ny Fiangonana.

Anio aho dia te hanolotra fomba iantsoana efatra izay inoako fa azo ampiharina amin’ny mpihazona fisoronana rehetra maneran-tany—fomba iantsoana izay mety hanampy antsika hahatakatra ny anjara toerantsika tsirairay eo amin’ny drafitra mandrakizay an’Andriamanitra sy ny mety hahatongavantsika amin’ny maha mpihazona fisoronana antsika ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Zanaky ny Ray any An-danitra

Fomba iantsoana iray izay mamaritra antsika rehetra, amin’ny lafiny faran’izay fototra indrindra, ny hoe zanaky ny Ray any An-danitra. Na iza isika na iza eo amin’ny fiainana ary na inona na inona ataontsika dia tsy tokony hadinointsika mihitsy hoe fanahy zanak’Andriamanitra ara-bakiteny isika. Zanany isika talohan’ny nahatongavana teto amin’ity tany ity, ary mbola ho Zanany mandrakizay. Io fahamarinana fototra io dia tokony hanova ny fomba fiheverantsika ny tenantsika, sy ireo rahalahy sy anabavintsika, ary ny fiainana mihitsy.

Mampalahelo anefa fa tsy misy amintsika izay tena miaina araka io fomba iantsoana antsika io, “fa samy efa nanota [isika] rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.”1

Mety mahakivy indraindray ny mahafantatra ny dikan’ny hoe zanakalahin’Andriamanitra ianao kanefa tsy mahavita azy araka izany. Tia manararaotra izany fahatsapana izany ny devoly. Aleon’i Satana ianao mamaritra ny tenanao amin’ny alalan’ny fahotanao toy izay amin’ny alalan’ny hery anaty izay mety hahatongavanao ho tahaka an’Andriamanitra. Ry rahalahy isany, aza mihaino azy.

Samy efa nahita zaza miana-mandeha isika rehetra. Mandroso kely izy aloha dia mivembena. Ary mianjera. Moa ve itezerantsika izany andrana izany? Mazava ho azy fa tsia. Ray toy ny ahoana no hanasazy zaza iray noho ny fianjerany? Amporisihana izy, sy tehafana ary deraina, satria isaky ny mandingana kely indray mandeha ilay zaza dia miha mitovy amin’ireo ray aman-dreniny.

Ankehitriny ry rahalahy isany, raha ampitahaina amin’ny fahatanterahan’Andriamanitra isika dia tsy mihoatra lavitra noho ny zazakely miambakavaka sy tsy mahatoky tena. Saingy tian’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana isika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa, ary izany koa ry rahalahy malala isany, no tokony ho tanjontsika mandrakizay koa. Takatr’Andriamanitra tsara raha hoe tsy ao anatin’ny indray mipi-maso isika no tonga amin’izany fa amin’ny alalan’ny dingana iray isaky ny mandeha.

Izaho tsy mino Andriamanitra iray izay mametraka lalàna sy didy mba hiandrasana kendry tohana antsika fotsiny hoe ho lavo mba hahafahana manasazy antsika avy eo. Ny inoako dia Ray any An-danitra iray izay tia sy feno fiahiana ary mifaly amin’ny ezaka rehetra izay ataontsika hivoarana sy hahatongavana ho tahaka Azy. Na dia rehefa solafaka aza isika, dia mitaona antsika Izy mba tsy ho kivy—tsy hilavo lefona na hitsoaka adidy na oviana na oviana—fa ny hahazo hery, sy hanam-pinoana ary hanandrana hatrany.

Mitantana ireo zanany ny Raintsika any An-danitra ary matetika dia mandefa fanampiana tsy hita maso ho an’ireo izay maniry hanara-dia ny Mpamonjy.

Mpianatr’i Jesoa Kristy

Ary izany no mitondra antsika amin’ilay fomba fiantsoana manaraka izay iraisantsika rehetra: ireo rehetra izay miezaka amin-kitsim-po hanara-dia an’i Kristy dia antsoina hoe Mpianany. Na dia miaiky aza isika fa samy tsy misy tanteraka, dia tsy manao izany ho fialan-tsiny isika mba hanamaivanana ny zavatra andrandraintsika, na hiainana lavitry ny tombontsoa tokony ho azontsika, na hanemoana ny andron’ny fibebahantsika, na handavana tsy hivoatra ho tonga mpanara-dia tsara kokoa, lafatra kokoa, voadio kokoa, an’ilay Mpampianatra sy Mpanjakantsika.

Tsarovy fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy naorina ho an’ny lehilahy sy vehivavy tonga lafatra na tsy iharan’ny fakam-panahin’ny fiainana an-tany fa naorina kosa ho an’ny olona izay tsy misy hafa amiko sy aminao. Ary naorina teo ambonin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy Tompo,2 izay amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no ahafahantsika ho voadio sy ho tonga “mpiray fanjakana amin’ny … ankohonan’Andriamanitra.”3

Raha tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ho toy ny lalana tsy mitondra na mankaiza na mankaiza ny fiainana, tsy misy fanantenana na hoavy. Noho ny Sorompanavotana dia lasa dia mampisandratra sy mitaona fanahy ny fiainana, izay hitomboana sy hivoarana ary mitondra mankamin’ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra.

Fa na dia natao hanampiana antsika rehetra ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa aza ny Sorompanavotana, dia tsy natao hahatonga antsika rehetra hitovy daholo. Indraindray dia afangarontsika ny fahasamihafan-toetra sy ny fahotana. Indraindray aza isika dia manao mihitsy ilay hadisoana hoe mihevitra fa tsy mahafaly an’Andriamanitra ny olona iray matoa tsy mitovy amintsika. Izany fomba fisainana izany dia mahatonga ny olona sasany hihevitra fa ny Fiangonana dia te hamolavola ny mpikambana rehetra ho lasitra iray—hoe ny tsirairay dia tokony hitovy amin’ny hafa rehetra ny endriny sy ny heviny ary ny fitondran-tenany. Hifanohitra amin’ny fahendren’Andriamanitra izany, izay nahary ny olona rehetra samy hafa amin’ny rahalahiny, ny zanakalahy rehetra samy hafa amin-drainy. Na dia ny kambana tsy misy hafa aza dia tsy mitovy eo amin’ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy ara-panahy.

Izany dia mifanohitra koa amin’ny tanjon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, izay manaiky sy miaro ny fahafahana misafidy—sy ireo vokany tsy hita sesehena rehetra—izay ananan’ny zanak’Andriamanitra tsirairay. Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia iray isika eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy eo amin’ny fanolorantenantsika hitandrina ny didin’Andriamanitra. Saingy samy hafa isika eo amin’ny zavatra tiantsika mikasika ny kolotsaina sy ny ara-tsôsialy ary ny pôlitika.

Mihamatanjaka ny Fiangonana rehefa manararaotra izany fahasamihafana izany isika ary mifamporisika mba hikolokolo sy hampiasa ny talentantsika mba hampivoarana sy hanatanjahana ireo mpianatra namantsika.

Ry rahalahy isany, ny maha mpianatra dia lalana iray mandritra ny androm-piainana hanarahana ny Mpamonjintsika. Eny an-dalana miainga avy ao Betlehema mankany Golgota dia hanana fotoana maro isika ahafahana miala amin’ilay dia ataontsika. Indraindray ilay lalana dia toa mitaky mihoatra noho izay nantenaintsika. Kanefa amin’ny maha lehilahin’ny fisoronana antsika dia tsy maintsy manana ny herim-po ilaina isika hanarahana ny Mpanavotra antsika, na dia amin’ny fotoana hoe toa mavesatra loatra tsy hay ho zakaina aza ny hazofijaliantsika.

Isaky ny mandingana isika eo am-panarahana ny Zanak’Andriamanitra, dia mety hahatsiaro ho mbola tsy tanteraka. Fa tokony ho mpianatra mafy orina sy tsy miovaova isika. Tokony tsy hilavo lefona isika. Hitandrina amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana nataontsika. Ary hijery manoloana hatrany mitodika any amin’ilay Mpisolovava sy Mpanavotra antsika eo am-pandehanantsika mankany Aminy, indray mandingana tsy tonga lafatra isaky ny mandeha.

Mpanasitrana Fanahy

Ry rahalahy isany, raha te hanara-dia an’i Jesoa Kristy Tompo isika dia tsy maintsy manaiky tanteraka ny fomba iray fahatelo iantsoana antsika, dia ny hoe: mpanasitrana fanahy. Isika izay notendrena ato amin’ny fisoronan’Andriamanitra dia voantso hanasitrana ny hafa.4

Anjara asantsika ny manorina, manamboatra, mampatanjaka, mankahery, ary manasitrana. Ny nampandraiketina antsika dia ny manaraka ny ohatry ny Mpamonjy sy ny manolo-tanana ireo izay mijaly. “[M]iara malahelo amin’izay malahelo [isika] … ary [m]ampionona ireo izay mila fampiononana.”5 Mifehy ny ratran’ireo izay ory isika na ara-batana na ara-panahy. “[Mamonjy] ny osa [isika], [mampiakatra] ny tanana miraviravy ary [manatanjaka] ny lohalika malemy.”6

Amin’ny maha mpampianatra isan-tokantrano antsika dia mpanasitrana isika. Amin’ny maha-mpitarika antsika dia mpanasitrana isika. Amin’ny maha ray, sy zanakalahy, sy rahalahy, ary vady antsika dia tokony ho mpanasitrana manolo-tena sy mahafatra-po isika. Amin’ny tanana ilany isika mitondra tavoahangy kely misy menaka voahasina ho fitsofan-drano ireo marary; amin’ny ilany kosa isika mitondra mofo hamahanana ireo noana; ary ao am-pontsika isika mitondra ilay tenin’Andriamanitra mitondra fiadanana, “izay manasitrana ny fanahy maratra.”7

Ny ho mpanasitrana no andraikitsika voalohany sy manan-danja indrindra amin’ny maha mpihazona fisoronana antsika—ary samy iharan’izany ny mpihazona fisoronana na Aharôna izany na Melkizedeka. Mitahy ny fiainan’ny olona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, tsy hoe rehefa mino izany fotsiny isika—fa indrindra indrindra rehefa miaina izany. Mahazo hery ny tsirairay ary mafy orina ny fianakaviana rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara. Tsy ny milaza izay tokony holazaina fotsiny no tombontsoantsika sy andraikitsika, fa ny manao ihany koa izay tokony hatao.

Ny Mpamonjy no manatanteraka fahagagana. Izy no Mpanasitrana lehibe. Izy no ohatra arahintsika, sy fahazavantsika na dia amin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza, ary atorony antsika ny lalana marina.

Tokony hanaraka Azy isika. Tokony hanatanteraka ny anjara asantsika ary ho tonga mpanasitrana amin’ny alalan’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika.

Mpandova ny Fiainana Mandrakizay

Ny fomba iantsoana fahefatra izay iraisantsika dia mamerina antsika any amin’ilay fomba iantsoana voalohany ao amin’ny lisitra antsika. Amin’ny maha zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika dia mpandova izay rehetra Ananany isika.

“Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.

“Ary raha zanaka, dia mpandova; sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manamboninahitra aminy koa.”8

Diniho izany, ry rahalahiko malala isany. Mpiray lova amin’i Kristy isika!

Koa misy dikany inona izany hoe maro amintsika no mandany betsaka tokoa amin’ny fotoantsika sy ny saintsika, sy ny fananantsika ary ny herintsika hikatsahana voninahitra na fananana araka izao tontolo izao na fahafinaretana azo avy amin’ny fitaovana elektrônika hiaka farany sy raitra indrindra?

Napetraky ny Tompo tamintsika ilay fampanantenana masina hoe “na zovy na zovy no mahatoky ka mahazo ireo fisoronana roa … ireo, sy milofo amin’ny antso ananany, … dia [h]andray Ahy, hoy ny Tompo; … ary izay mandray Ahy dia mandray ny Raiko; … koa izay rehetra ananan’ny Raiko dia homena azy.”9

Tsy takatry ny saiko ny zavatra rehetra fonosan’izany fampanantenana izany. Fa ny fantatro dia mahatalanjona izany, masina, mandrakizay, ary mendrika ny hanaovana ny ezaka rehetra vitantsika eo amin’ny fiainana.

Raha mahafantatra izany dia nahoana no tsy hirotsaka amim-piniavana sy amim-pifaliana ao amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny mpiara-belona amintsika ary hanatanteraka ny andraikitsika ao amin’ny fisoronan’Andriamanitra?

Tena asa lehibe indrindra izany, izay hitondra fanamby ho antsika amin’ny lafiny rehetra ary hitaky ny hampiasantsika ny fahaizantsika rehetra. Moa ve tiantsika ny hahazo fitahiana sy fitarihana avy any an-danitra ary ny ho vavolombelon’ireo fitaoman’ny Fanahy Masina manoro ny lalana hiverenantsika any? Koa dia tokony hanomboka hiasa isika ary hanao ny ezaka rehetra ho amin’ity asa lehibe ity, ity foto-kevitra izay lehibe lavitra noho isika ity!

Ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona dia hitondra fanamby amintsika ary hanova antsika ho tonga lehibe kokoa noho izay mety ho heverintsika ho azo tratrarina.

Angamba ianao mety hihevitra ho tsy ilaina—na tsy raharahiana na tsy ankasitrahana, na hoe tsinontsinona.

Tena malahelo aho raha misy mpihazona fisoronana mahatsiaro tena ho toy izany. Azo antoka fa tsy hoe tsy raharahian’ny Rainao any An-danitra ianao na hoe tsy ilainy. Tiany ianao. Ary ambarako aminao amim-pahatokiana tanteraka fa ilain’ny Fiangonanao ianao.

Tsy fantatrao va fa “ny adala amin’izao tontolo izao no nofinidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofinidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery”?10

Marina angamba fa hoe malemy isika. Mety tsy hendry na mahery angamba isika. Fa rehefa miasa amin’ny alalantsika Andriamanitra, dia tsy misy olona na zavatra afaka manohitra antsika.11

Izany no antony ilàna anao. Manana anjara biriky manokana hatolotra ianao, ary afaka manitatra izany anjara biriky izany Andriamanitra amin’ny fomba mahery. Ny fahafahanao mandray anjara dia tsy miankina amin’ny antsonao ao am-piangonana. Tsy voafetra ny fahafahanao manompo. Raha toa ianao ka miandry eny an-tsisiny, dia manainga anao aho hirotsaka an-tsehatra.

Aza miandry antso iray manokana izay vao hirotsaka tanteraka amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny maha mpihazona fisoronana anao dia efa voantso ho amin’ny asa ianao. Halalino isan’andro ny tenin’Andriamanitra, mivavaha isan’andro amin’ny Ray any An-danitra, raiketo ho ao amin’ny fiainanao ireo fitsipiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, misaora an’Andriamanitra, ary mangataha fitarihana. Avy eo dia iaino izay nianaranao, ao amin’ny ankohonanao aloha, fa amin’ny toe-javatra rehetra mitranga amin’ny fiainanao ihany koa.

Ao amin’ilay symphonie noforonin’ilay Mpanakanto lehibe dia manana ny anjaranao manokana ianao ho tendrena—sy ireo naotinao manokana ho hiraina. Na dia tsy ataonao aza ireny dia azo antoka fa mbola hitohy ihany ilay symphonie. Fa raha mihetsika ianao ka mitambatra amin’ny amboaram-peo ary mamela ny herin’Andriamanitra hiasa amin’ny alalanao, dia ho hitanao hivoha “ny varavaran’ny lanitra,” ary “hampidina […] fitahiana manana amby ampy ho [anao]” Izy.12 Tanteraho ny tena hery anaty anananao amin’ny maha zanakalahin’Andriamanitra anao, ary dia ho tonga hery fitaomana amin’ny tsara ianao ao amin’ny fianakavianao, sy ny ankohonanao, sy ny fiaraha-monina misy anao, ny firenenao, ary eny, ao amin’izao tontolo izao.

Ary ao amin’izany drafitra izany, rehefa “[m]ahavery ny ain[ao]” ianao eo amin’ny fanompoana ny hafa13 dia hitombo ianao ary hivoatra ambara-pahatratranao “ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”14 Amin’izay fotoana izay ianao dia ho vonona handova, miaraka amin’i Kristy, izay rehetra ananan’ny Rainao.

Manan-danja amin’Andriamanitra Ianao

Ry rahalahiko malala isany, ry namako isany, manan-danja ianareo. Tiana ianareo. Ilaina ianareo. Marina ity asa ity. Tena an’Andriamanitra marina io fisoronana izay entinareo io.

Mivavaka aho, eo amim-pandinihanareo ireo fomba maro iantsoana ny mpihazona fisoronana iray mendrika, mba hahitanareo fanampiana avy amin’Andriamanitra, izay manampy anareo hatrany hivoatra mankany amin’ilay lova lehibe izay natokan’ny Rainareo any An-danitra ho anareo. Izany tsodrano sy fijoroana ho vavolombelona izany no apetrako aminareo amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.