“Tompo ô, Mino aho”

Nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Jeffrey R. Holland
Ekeo amin-kitsim-po ireo fanontaniana anananao sy ireo olanao fa hatanjaho mandrakizay aloha ilay afon’ny finoana efa anananao, satria ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

Indray mandeha i Jesoa Kristy dia nanatona andian’olona izay niady hevitra tamim-pahatezerana tamin’ireo Mpianany. Rehefa nanontany mikasika ny anton’izany fifandirana izany i Jesoa dia nandroso ny rain’ny ankizy marary iray ary nilaza fa nanatona ireo mpianatr’i Jesoa izy mba hitsofana rano ny zanany, saingy tsy afaka nanao izany izy ireo. Raha mbola nikatro-nify ilay zazalahy, sady nivoaka faroratra ny vavany ary nihinjitsinjitra teo amin’ny tany teo anoloan’izy ireo, dia nanontany an’i Jesoa ilay raim-pianakaviana, tamin’ny feo tsy maintsy nifono ala-nenina farany, nanao hoe:

“Fa raha mba misy hainao,” hoy izy, “dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.

“Fa hoy Jesoa taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

“Ary niaraka tamin’izay dia niantso [sady nandrotsa-dranomaso] ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako.”1

Ny finoan’io lehilahy io tany am-boalohany, araka ny fiaikiny, dia voafetra ihany. Saingy nanana faniriana maika sy lalina izy, noho ilay lahitokany. Voalaza fa efa ampy izany ho fanombohana. “Na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo,” hoy i Almà, “dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo.”2 Rehefa tsy nanana fanantenana hafa intsony ity raim-pianakaviana ity, dia naneho ny finoana nananany izy ka nitalaho tamin’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao hoe: “Raha mba misy hai nao dia mamindrà fo ami nay, ka vonjeo izahay.”3 Sarotra amiko ny hamaky ireo teny ireo ka tsy hitomany. Ilay solon’anarana hoe izahay dia mazava fa niniana nampiasaina. Raha ny marina, dia milaza ity lehilahy ity hoe: “Mitalaho daholo izahay mianakavy. Tsy misy fijanonany mihitsy ny fahasahirananay. Reraka izahay. Sasatry ny mianjera ao anaty rano ny zanakay. Mianjera anaty afo. Toa tandindomi-doza hatrany izy ary tsy afa-tahotra mihitsy izahay. Tsy mahita olon-kafa azo hitodihana izahay. Afaka manampy anay ve Ianao? Ho velom-pankasitrahana izahay na inona na inona mitranga eo—sombim-pitahiana kely, fanantenana kely fotsiny, fanamaivanana kely ny enta-mavesatra zakain’ny renin’ity zaza ity isan’andro eo amin’ny fiainany.”

Ilay hoe “Raha mba misy hainao” voalazan’ilay raim-pianakaviana dia niverina taminy ihany, izay lasa hoe “Raha mba mino ianao,” izay voalazan’ny Tompo.4

“Niaraka tamin’izay” hoy ny soratra masina—tsy medameda na feno fisalasalana na feno fanahiana fa “niaraka tamin’izay”—dia niantso tamin-dranomaso ilay raim-pianakaviana, naneho tamin-kitsim-po ny fahoriany hoe: “[Tompo ô, mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako.” Ho valin’ny finoana vao sy mbola ampahany dia nositranin’i Jesoa ilay zazalahy, saika efa ho nanangana azy tamin’ny maty ara-bakiteny mihitsy araka ny fitantaran’i Marka.5

Raha mandinika io tantara mampihetsi-po io aho dia te hiresaka mivantana amin’ireo tanoran’ny Fiangonana—tanora amin’ny taonany, na tanora amin’ny naharetan’ny naha mpikambana azy, na tanora amin’ny finoany. Saika isika rehetra no voaray ao amin’izany na manao ahoana na manao ahoana.

Ny tsara ho marihana voalohany mikasika io tantara io dia rehefa teo anatrehan’ny fanamby tokony hanehoana finoana, dia nanamarina ny tanjany aloha ilay raim-pianakaviana, avy eo vao niaiky ny tsy fahatanterahany. Ny fanambarany voalohany dia marina ary tsy nisy fisalasalana: “[Tompo ô], mino aho.” Te hiteny amin’ireo rehetra izay maniry hanana finoana kokoa aho hoe tsarovy io lehilahy io! Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. Ao anatin’ilay fitomboana izay tsy maintsy holalovantsika rehetra mandritra ny fiainana an-tany dia hitranga amintsika ny zavatra mitovy hevitra ara-panahy amin’ny aretin’io zazalahy io na ny fahorian’ity raim-pianakaviana ity. Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa. Izany zava-nitranga izany indrindra, izany fahagagana manokana izany, no nahatonga an’i Jesoa nilaza hoe: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.”6 Tsy ny halehiben’ny finoanao na ny halalin’ny fahalalanao no zava-dehibe—fa ny fahamarinan-toetra asehonao mikasika ny finoana anananao sy ny fahamarinana izay efa fantatrao.

Ny tsara ho marihana faharoa dia misy fiovana kely amin’ilay voalohany. Rehefa tonga ny olana ka mipetraka ny fanontaniana, rehefa mikatsaka finoana ianao dia aza atomboka amin’ny hoe hatraiza ny tsy fanananao finoana, aza atomboka amin’ny “tsy finoanao.” Izany dia toy ny mampiletra zavatra betsaka ny vorontsiloza avy any amin’ny vavany! Aoka aloha hazava tsara ity zavatra iray ity: Tsy mangataka anareo aho hilaza ho manana ny finoana izay tsy anananareo. Ny tena angatahiko aminareo dia ny hiorim-paka amin’ny finoana izay tena anananareo. Indraindray isika dia manao toy ny hoe ny fanambarana amin-kitsimpo ny tsy finoana no maneho herim-po ara-môraly lehibe kokoa toy izay ny fanambarana amin-kitsimpo ny finoana. Tsy izany mihitsy! Koa aoka isika rehetra hahatsiaro ny hafatra mazava ao amin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity: Aoka ianao ho marina araka izay ilaina momba ny ahiahinao; rakotra azy ireny ny fiainana ary manana karazana ahiahy foana isika rehetra. Saingy raha te ho sitranina ianao sy ny fianakavianao dia aza avela hanembantsembana ny finoana ireo ahiahy ireo ka tsy hahafahany miteraka fahagagana.

Mihoatra noho izany, manana finoana mihoatra noho izay heverinao ianao, noho ilay antsoin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “halehiben’ireo porofo.”7 “Ny voany no hahafantaranareo azy,” hoy i Jesoa,8 ary ny vokatra azo noho ny fiainana ny filazantsara dia hita mazava eo amin’ny fiainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany na aiza na aiza. Toy izay nolazain’i Petera sy Jaona indray mandeha tamin’ireo nanatrika azy ireo fahiny, dia miteny aminao aho ankehitriny hoe: “Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay,” ary ny zavatra efa hitanay sy renay dia hoe: “famantarana malaza tokoa [no efa natao]” teo amin’ny fiainan’ny mpikambana an-tapitrisany ato amin’ity Fiangonana ity. Tsy azo lavina izany.9

Ry rahalahy sy anabavy isany, asan’Andriamanitra eo an-dalam-pahatanterahana izy ity ary ny fisehony sy ny fitahiana maro avy amin’izany dia hita na aiza na aiza, koa miangavy anareo aho, aza diso sahiran-tsaina loatra raha toa ka misy olana mitranga indraindray, izay tokony ho dinihina sy ho takarina ary ho vahana. Hitranga tokoa izany ary tsy maintsy atao izany. Ato amin’ity Fiangonana ity, ny zavatra izay fantatsika dia hanan-danja kokoa hatrany noho izay mety ho zavatra tsy fantatsika. Ary tsarovy fa eto amin’ity izao tontolo izao ity dia tokony hiaina amin’ny finoana daholo isika rehetra.

Koa manehoa hatsaram-panahy amin’ny fahalemen’olombelona—ny anao sy ny an’ireo izay miara-manompo aminao ao amin’ny Fiangonana, izay tarihan’ny lehilahy sy vehivavy tsara sitrapo sy mety maty. Ankoatran’ilay hany Zanany Lahitokana tonga lafatra, dia olona tsy tanteraka avokoa no niarahan’Andriamanitra niasa. Tsy maintsy ho nandiso fanantenana be Azy izany, saingy tsy mampaninona Azy. Tokony ho toy izany koa isika. Ary rehefa mahita tsy fahatanterahana ianao, dia tsarovy fa ny tsy fahatanterahana dia tsy eo amin’ny maha an’Andriamanitra an’ilay asa. Araka ny filazan’ny mpanoratra manan-talenta iray hoe: Rehefa mirotsaka ny fahafenoana tsy misy fetra, dia tsy hadisoan’ilay menaka raha toa ka misy very, satria tsy tena omby manontolo ao anaty fitoerana voafetra izany.10 Ireo fitoerana voafetra ireo dia izaho sy ianao, koa mananà faharetana sy hatsaram-panahy ary mamelà heloka.

Zavatra iray farany tsara ho marihana: rehefa tonga ny ahiahy na ny olana, dia aza matahotra mangataka fanampiana. Raha mila izany isika, ka feno fanetren-tena sy hitsimpo tahaka an’ity ray ity, dia afaka mahazo izany. Izany faniriana lehibe izany dia faritan’ny soratra masina hoe “omban’ny fikasana marina,” atao “amin’ny finiavan’ny fo … manontolo, tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’Andriamanitra.”11 Ijoroako ho vavolombelona fa ho valin’io karazana fitalahoana io dia handefa fanampiana avy amin’ireo andaniny roa amin’ny voaly Andriamanitra mba hanatanjahana ny finoantsika.

Nilaza aho teo hoe niresaka tamin’ireo tanora aho. Mbola manao izany aho hatramin’izao. Vao tsy ela no nisy zazalahy 14 taona iray nilaza tamiko sady somary nisalasala hoe: “Rahalahy Holland, mbola tsy afaka miteny aho hoe mahafantatra fa marina ny Fiangonana, saingy inoako izany.” Nofihiniko mafy io zazalahy io mandra-pivontiriky ny voamasony. Nolazaiko azy tamin’ny hafanam-po rehetra nananako fa ny hoe mino dia teny sarobidy, fihetsika iray mbola sarobidy kokoa aza ary tsy mila miala tsiny velively izy hoe “mino fotsiny ihany.” Nolazaiko azy fa i Kristy mihitsy no niteny hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany,”12 izay teny nanampy an’i Gordon B. Hinckley fony izy mbola tanora tany amin’ny sahan’ny misiona.13 Nolazaiko tamin’io zazalahy io fa ny finoana hatrany no dingana voalohany mankany amin’ny faharesen-dahatra ary ireo fanekempinoana izay mamaritra ny finoana iraisantsika dia manantitrantitra mafy ny hoe “Mino isika fa.”14 Ary nolazaiko azy hoe tena reharehako izy noho ny hitsim-pony eo am-pikatsahany ny fahamarinan’ny Fiangonana.

Ankehitriny, noho ny tombony ananako rehefa avy niaina sy nianatra nandritra ny 60 taona taorian’ny naha zazalahy 14 taona ahy izay nino fotsiny, dia manambara ny zavatra fantatro amin’izao fotoana izao aho. Fantatro fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra be fitiavana sy mamela heloka, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny fomba rehetra ary amin’ny toe-javatra rehetra. Fantatro fa i Jesoa no hany Zanany tonga lafatra, izay sitrapon’ny Ray sy ny Zanaka no nanolorany ny ainy mba ho fanavotana antsika rehetra izay tsy tanteraka. Fantatro fa nitsangana tamin’ny maty Izy mba hiaina indray ary satria nitsangan-ko velona Izy dia ho toy izany koa izaho sy ianao. Fantatro fa i Joseph Smith, izay niaiky fa tsy tanteraka,15 no fitaovana nofinidy teo am-pelatanan’Andriamanitra namerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara mandrakizay teto an-tany. Fantatro koa fa ny fanaovany izany—indrindra indrindra tamin’ny nandikany ny Bokin’i Môrmôna—dia nampianatra ahy bebe kokoa mikasika ny fitiavan’Andriamanitra, sy ny maha Andriamanitra an’i Kristy, ary ny herin’ny fisoronana mihoatra noho izay mpaminany hafa rehetra efa novakiako na fantatro na henoko ny momba azy hatrizay, nandritra ny androm-piainana nikatsahana. Fantatro fa ny Filoha Thomas S. Monson, izay feno fanoloran-tena sy herim-po raha manakaiky ny faha 50 taona nanendrena azy ho Apôstôlin’ny Tompo, no mpandimby ara-dalàna eo amin’izany antso maha-mpaminany izany ankehitriny. Nahita io fahefana maha-mpaminany izay entiny io indray isika nandritra ity fihaonambe ity. Fantatro fa lehilahy 14 hafa izay tohananareo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara no manohana azy amin’ny tanany sy ny fony ary ny fanalahidy apôstôlika izay hazonin’izy ireo manokana.

Ireo zavatra ireo no ambarako aminareo amin’ny alalan’ilay finoana izay nantsoin’i Petera hoe “teny faminaniana atao mafy orina kokoa.”16 Ilay masomboly kelin’ny finoana teo aloha ho ahy dia nitombo lasa hazon’aina, koa raha somary voasedra kely ny finoanao amin’izao fotoana izao na amin’ny fotoana hafa dia manasa anao aho hiantehitra amin’ny finoako. Fantatro fa fahamarinan’Andriamanitra ity asa ity, ary fantatro fa ho loza ho antsika ihany ny famelana ny ahiahy na ny devoly hanakana antsika tsy hiaina ireo fitsipika sy fampianarana ao aminy. Manàna fanantenana hatrany. Tohizo ny dia. Ekeo amin-kitsimpo ireo fanontaniana anananao sy ireo olanao fa hatanjaho mandrakizay aloha ilay afon’ny finoana efa anananao, satria ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Show References

  1.  

    1. Marka 9:22–24; jereo ihany koa ny andininy 14–21.

  2.  

    2. Almà 32:27; nampiana fanamafisana.

  3.  

    3. Marka 9:22; nampiana fanamafisana.

  4.  

    4. Marka 9:22, 23; nampiana fanamafisana.

  5.  

    5. Jereo ny Marka 9:24–27.

  6.  

    6. Matio 17:20.

  7.  

    7. Helamàna 5:50.

  8.  

    8. Matio 7:16.

  9.  

    9. Jereo ny Asan’ny Apôstôly 4:16, 20.

  10.  

    10. Nalaina avy tao amin’ny Alfred Edersheim, The Life and Times of Jesus the Messiah, boky 2 (1883), 2:108.

  11.  

    11. 2 Nefia 31:13.

  12.  

    12. Marka 5:36.

  13.  

    13. Jereo ny Gordon B. Hinckley, ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1969, 114.

  14.  

    14. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:1–13.

  15.  

    15. Jereo ny Enseignement des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 522.

  16.  

    16. 2 Petera 1:19.