Fahafahana ny Fankatoavana ny Lalàna

Nataon’ny Loholona L. Tom Perry

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


L. Tom Perry
Mahazo ny fahafahany misafidy toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra ny olona, saingy ny fahafahan’izy ireo, ary vokatr’izany, ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay dia azo avy amin’ny fankatoavana ireo lalàny.

Nahazo fanomezana miavaka aho ny krismasy lasa teo izay nitondra fahatsiarovana maro niaraka taminy. Nomen’ny zanakavavin’ny anabaviko ahy ilay izy. Niaraka tamin’ireo zavatra navelako tao amin’ny tranon’ny fianakaviako taloha izany rehefa nifindra trano aho taorian’ny nanambadiako. Ity boky kely volon-tsôkôla ety an-tanako ity ilay fanomezana. Boky nomena ireo mpanompo tanindrazana Olomasin’ny Andro Farany nirotsaka tao amin’ny tafika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa izy ity. Ny tenako manokana dia nandray ilay boky ho toy ny fanomezana avy amin’ny Filoha Heber J. Grant sy ireo mpanolotsaina azy, J. Reuben Clark Jr. sy David O. McKay.

Nanoratra tao amin’ny fiandohan’ilay boky ireo mpaminanin’Andriamanitra telo ireo hoe: “Tsy mamela anay hifandray tsy tapaka aminareo ireo zava-misy eo amin’ny tafika, na mivantana izany na amin’ny alalan’ny solontena. Ny zavatra tsara indrindra manaraka ataonay dia ny manome anareo ny ampahan’ny fanambarana maoderina toy ity sy ny fanazavana ny fitsipiky ny Filazantsara izay hitondra fanantenana sy finoana vaovao ho anareo, na aiza na aiza no misy anareo, ary koa fampiononana sy fiadanam-panahy.”1

Ao anatin’ny ady iray hafa isika amin’izao fotoana izao. Tsy ady amin’ny fitaovam-piadiana izy ity. Ady amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny zavatra atao izany. Ady amin’ny fahotana izany ary tena mila ampahatsiahivina ireo didy mihoatra ny teo aloha isika. Toa lasa fenitra arahana ny firehan-kevitra lahika ary maro amin’ireo zavatra inoana sy zavatra atao ao anatin’izany no manohitra mivantana ireo izay napetraky ny Tompo mba ho tombontsoan’ireo zanany.

Misy “Fanamarihana fanomanana” ho an’ireo Lehilahy Miaramila mitondra ny lohateny hoe: Fahafahana ny Fankatoavana ny Lalàna” ao anatin’ilay boky kely volon-tsôkôla, ary manaraka izany avy hatrany ilay taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany. Mampitaha ny lalàna miaramila, izay “natao hahatsara ireo rehetra manao fanompoana miaramila” sy ny lalàn’Andriamanitra izany.

Izao no voalaza ao hoe “Eto amin’izao tontolo izao koa, izay tantanan’Andriamanitra, dia misy lalàna—ho an’izao tontolo izao sy lalàna … mandrakizay—miaraka amin’ny fitahiana sy sazy tsy azo ovaina.”

Mifantoka amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ireo teny farany amin’ilay fanamarihana manao hoe: “Raha te hiverina hiaraka tsy misy nenina amin’ireo olona tianao ianao … raha tena te ho lehilahy sy te hiaina amim-pahasambarana ianao—dia tandremo ny lalàn’Andriamanitra. Rehefa manao izany ianao dia afaka mampitombo ireo fahafahana tsy voavidy vola izay ezahanao arovana, fiarovana iray hafa izay mety hianteheran’ny hafa, fahafahana amin’ny ota; satria tena ‘fahafahana ny fankatoavana ny lalàna.’”2

Nahoana no nisy dikany lehibe tamiko ilay fehezan-teny hoe “fahafahana ny fankatoavana lalàna” tamin’izany fotoana izany? Nahoana no misy dikany lehibe ho antsika rehetra izany ankehitriny?

Angamba noho isika manana fahalalana avy amin’ny fanambarana mikasika ny tantarantsika talohan’ny nahaterahana izany. Mahafantatra isika fa rehefa nanolotra ny drafiny Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay tany am-piandohana—dia tian’i Satana ny hanova izany drafitra izany. Nilaza izy fa hanavotra ny olon-drehetra. Tsy hisy olona iray ho very ary natoky tena i Satana fa afaka hanatontosa ny drafitra nataony. Saingy nisy tambiny tsy azo nekena ilay izy—ny fanimbana ny fahafahan’ny olona misafidy, izay fanomezana nomen’Andriamanitra hatrizay (jereo ny Mosesy 4:1–3). Hoy ny Filoha Harold B. Lee mikasika io fanomezana io hoe “Manarakaraka ny fiainana dia ny fahafahana misafidy malalaka no fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona.”3 Noho izany dia tsy zavatra tsy misy lanjany ho an’i Satana ny tsy firaharahiany ny fahafahan’ny olona misafidy. Raha ny marina dia io no lasa olana fototra nanaovana ilay Ady tany an-danitra. Fandresena ho an’ny fahafahan’ny olona misafidy ilay fandresena tamin’ny Ady tany An-danitra.

Tsy vita hatreo anefa ny amin’i Satana. Ny drafitra nomaniny ho solon’izay—ilay drafitra notanterahany nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy Eva—dia ny haka fanahy ny lehilahy sy ny vehivavy, mba hanaporofo tokoa fa tsy mendrika io fanomezan’ny fahafahana misafidy avy amin’Andriamanitra io isika. Manana antony maro hanaovany ny zavatra ataony i Satana. Angamba ny fahavononana hamaly faty no antony mahery vaika indrindra, fa tiany ho ory tahaka azy koa ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy tokony hisy mihitsy amintsika hanamaivana ny fahavononan’i Satana hahomby. Ny anjara asany ao amin’ny Drafitr’Andriamanitra mandrakizay dia ny hanisy “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11) sy hizaha toetra ny fahafahantsika misafidy. Fizahan-toetra ny fahafahantsika misafidy ny safidy tsirairay ataontsika sy ianao—na mifidy ny hankatò isika na ny tsy hankatò ny didin’Andriamanitra, raha ny marina dia fisafidianana ny “fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” sy ny “fahababoana sy fahafatesana” izany.

Ampianarina mazava tsara ao amin’ny toko faharoan’ny 2 Nefia ity fotopampianarana fototra ity manao hoe: “Noho izany dia afaka ny olona araka ny nofo; ary omena azy ny zavatra rehetra izay ilain’ny olona. Ary afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’Ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ny devoly; satria katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy” (2 Nefia 2:27).

Niady foana tamin’ny fomba maro ity tontolo ity. Mino aho fa niahiahy tamin’ny ady lehibe kokoa noho ny Ady Lehibe II ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny fotoana nandefasan’izy ireo ny bokikeliko volon-tsôkôla. Mino koa aho fa izy ireo dia nanantena fa ho ampingan’ny finoana hanoherana an’i Satana sy ny miaramilany ao anatin’ity ady lehibe kokoa ity—ilay ady amin’ny fahotana—ary ho toy ny fampahatsiahivana ho ahy mba hiaina ireo didin’Andriamanitra.

Fomba iray handrefesantsika ny tenantsika sy hampitahana antsika amin’ireo taranaka teo aloha ny fampiasana ny iray amin’ireo faneva fantatry ny olona—ny Didy Folo. Faritra nekena sy maharitra indrindra mampisaraka ny tsara sy ny ratsy ny Didy Folo hatrizay ho an’ny maro amin’ireo tontolo mandroso, indrindra fa ny tontolon’ny fivavahana Jiosy-Kristianina.

Raha ny fijeriko azy dia efatra amin’ireo Didy Folo no hajaina tsara amin’izao fotoana izao mihoatra ny teo aloha. Raha ao anatin’ny kolontsaina mankahala sy manameloka ny famonoana olona sy ny fangalarana sy ny fandaingana isika, ary mbola mino foana ny andraikitry ny zanaka amin’ireo ray aman-dreniny.

Kanefa tsinontsinoavintsika amim-pahazarana ireo didy enina hafa eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina lehibe kokoa:

  • Raha toa ka tena ilaina ireo lazaina fa lohalaharan’izao tontolo izao dia tena manana “Andriamani-kafa” apetratsika alohan’ilay tena Andriamanitra isika.

  • Tompointsika ireo olo-malaza, ny fomba fiainana, ny harena, ary indraindray dia tompointsika tokoa ireo sary sokitra na zavatra.

  • Mampiasa ny anaran’Andriamanitra amin’ireo karazam-pomba maniratsira rehetra isika, anisan’izany ny hiakam-pahatairantsika sy ny fitenenan-dratsy ataontsika.

  • Ampiasaintsika amin’ireo lalao lehibe indrindra ataontsika ny andro Sabata, ny fialam-boly tiantsika indrindra, ny fiantsenana be indrindra ataontsika, ary saika ho ny zavatra rehetra afa-tsy ny fitsaohana.

  • Raisintsika ho toy ny fandaniana andro sy fialam-boly ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana.

  • Ary lasa fomba fiainana matetika ny fitsiriritana. (Jereo ny Eksodosy 20:3–17.)

Nampitandrina hatrany hatrany amin’ny fandikana ny roa amin’ireo didy lehibe indrindra ireo mpaminany tao anatin’ny fotoampitantanana rehetra—ireo izay miresaka momba ny famonoana olona sy ny fijangajangana. Mahita fototra iraisana aho ho an’ireo didy roa manan-danja lehibe ireo—ny finoana fa ny fiainana dia tombontsoa manokana avy amin’Andriamanitra ary ny vatantsika izay tempolin’ny fiainana eto an-tany dia tokony hoforonina ao anatin’ny fifandraisana izay napetrak’Andriamanitra. Ny fanoloan’ny olona ny lalàn’Andriamanitra amin’ny lalan’izy ireo mikasika ny fahariana na fanaisorana aina no ohatra faratampony indrindra amin’ny fianara-kendry sy ny halalin’ny fahotana.

Ny fiantraikany fototra avy amin’ireo fihetsika tsy manisy lanja ny fahamasinan’ny fanambadiana ireo dia ny fiantraikany eo amin’ny fianakaviana—mihasimba amin’ny hafainganam-pandeha mampatahotra ny tanjaky ny fianakaviana. Miteraka fahasimbana manerana ny fiaraha-monina ity fahasimbana ity. Mahita antony sy vokany mivantana aho. Rehefa milavo lefona amin’ ny fanoloran-tena sy ny fahatokiantsika amin’ny vadintsika isika dia manaisotra ny dity mampitambatra ny fiaraha-monintsika.

Fomba iray tena ilaina hiheverana ireo didy ny hoe torohevitra avy amin’ny Ray any an-danitra be fitiavana sy mahalala ny zava-drehetra izy ireo. Ny fahasambarantsika mandrakizay no tanjony ary ireo didiny no fanoroan-dalana nomeny antsika mba hiverenana any Aminy, izay hany lalana hahatonga antsika ho sambatra mandrakizay. Hatraiza ny lanjan’ny tokantrano sy ny fianakaviana ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay? Izao no voalaza ao amin’ny pejy faha 141 ao amin’ny bokikeliko volon-tsôkôla hoe: Ny lanitra ho antsika dia mihoatra kely kokoa noho ny fanitarana ny fiainan-tokantranontsika any amin’ny mandrakizay4

Vao haingana no namafisina tamin’ny fanazavana sy tamin-kery lehibe ny fotopampianaran’ny fianakaviana sy ny tokantrano ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.” Nanambara ny toetra voajanahary mandrakizain’ny fianakaviana izany ary avy eo dia nanazava ny fifandraisan’izany amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly. Manambara ilay lalàna ifotoran’ny fahasambarana mandrakizain’ny fianakaviana koa ilay fanambarana, anisan’izany ny hoe “Ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana.”5

Mampahafantatra ireo mpaminaniny Andriamanitra fa misy ireo fitsipi-pitondrantena. Ho fahotana foana ny fahotana. Manaisotra foana ireo fitahian’Andriamanitra antsika ny tsy fankatoavana. Miova tsy ankiato sy haingana tokoa izao tontolo izao, kanefa tsy miova Andriamanitra sy ny didiny ary ireo fitahiana nampanantenainy. Efa tapaka sy tsy miova izy ireo. Mahazo ny fahafahany misafidy toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra ny olona, saingy ny fahafahan’izy ireo, ary vokatr’izany, ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay dia azo avy amin’ny fankatoavana ny lalàny. Araka ny nananaran’i Almà an’i Kôriantôna zanany lahy nania hoe: “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana” (Almà 41:10).

Nampahafantarin’ny Tompo antsika indray amin’izao fotoan’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara izao ireo fitahiana nampanantenaina antsika noho ny fankatoavana ny didiny.

Ahitantsika ny toy izao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 hoe:

“Misy lalàna navoaka tsy azo novana tany an-danitra, talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, izay ifotoran’ny fitahiana rehetra—

“Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany” (F&F 130:20–21).

Azo antoka fa tsy nisy fotopampianarana mafonja nambara tamin-kery kokoa ao amin’ny soratra masina mihoatra ny didin’ny Tompo izay tsy miova sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fahasambarantsika sy zava-mahasoa ny tenantsika manokana sy ny fianakaviantsika ary ny fiaraha-monina. Misy ireo fitsipi-pitondrantena. Manaisotra foana ireo fitahian’Andriamanitra antsika ny tsy fankatoavana. Tsy miova ireo zavatra ireo.

Tsy hihozongozona mihitsy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ary toy izany koa ny tsatòka sy ny paroasy, ny fianakaviana, na ireo mpikambana tsirairay ao anatin’ny tontolo izay mampangozohozo ny torolalana ara-pitondrantena. Tsy tokony hifidy ny didy heverintsika ho manan-danja mba hotandremana isika fa tokony hanaiky ny didin’Andriamanitra rehetra. Tokony ho mafy orina tsy ho azo hozongozonina isika, ary matoky tanteraka ny tsy fiovaovan’ny Tompo sy ny fitokisana feno amin’ny fampanantenany.

Enga anie isika ka ho fahazavana eo an-tampon-tendrombohitra mandrakariva, ohatra amin’ny fitandremana ireo didy izay tsy mbola niova toy ny namporisihan’ity boky kely ity ireo miaramila Olomasin’ny Andro Farany mba hijoro ho matanjaka amin’ny fahadiovam-pitondrantena nandritra ny ady, dia enga koa anie isika, amin’izao adin’ny andro farany izao ho loharanom-pahazavana sy fitaomam-panahy ho an’ny tany rehetra, indrindra fa ho an’ny zanak’Andriamanitra izay mikatsaka ireo fitahian’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Show References

  1.  

    1. Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Principles of the Gospel (1943), i.

  2.  

    2. Principles of the Gospel, v, vii, viii.

  3.  

    3. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Harold B. Lee (2000), 4.

  4.  

    4. Stephen L Richards, ao amin’ny Principles of the Gospel, 141.

  5.  

    5. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.