Fanavotana

Nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


D. Todd Christofferson
Arakaraka ny hanarahantsika an’i Kristy no mahatonga antsika handray anjara sy hitondra fanampiana ao amin’ny asa fanavotana ataony.

Nisy fitadiavana mpiasa be dia be tokoa tany Amerika tamin’ny andron’ny fanjanahana. Nandritra ny taonjato faha 18 sy tany am-piandohan’ny taonjato faha 19 dia nisy ny fakana mpiasa vonona ny hifindra monina avy any Angletera, Alemana sy avy any amin’ireo firenena Eorôpeana hafa, saingy maro tamin’ireo naniry ny handeha no tsy nanam-bola handoavana ny saran’ny dia. Ny mitranga matetika ho azy ireo dia ny fanaovana ilay dia miaraka amin’ny fifanarahana fa mampanantena ny hiasa mandritra ny fotoana voafetra nefa tsy mandray karama izy ireo rehefa tonga mba handoavana ilay dian’izy ireo. Ny hafa dia tonga miaraka amin’ny fampanantenana fa hisy fianakaviana izay efa mipetraka any Amerika handoa ny saran’ny dia rehefa tonga izy ireo, saingy raha tsy mitranga izany, dia voatery tsy maintsy aloan’ireo olona vao tonga ny saran’izany amin’ny alalan’ny fanaovana asa tsy handraisan-karama. Ny voambolana hamaritana ireo mpifindra monina miasa tsy mandray karama ireo dia hoe “mpanavotra.” Tsy maintsy manefa ny saran’ny dia nataony izy ireo, na hoe mividy ny fahafahany amin’ny alalan’ny asa ataony.1

Tao anatin’ireo anarana faran’izay manan-danja niantsoana an’i Jesoa Kristy ny hoe Mpanavotra. Araka ny voalaza ao amin’ilay tantara fohy nolazaiko mikasika ireo mpifindra monina “mpanavotra,” ny teny hoe manavotra dia midika hoe manefa adidy iray na mandoa trosa. Ny hoe manavotra koa dia mety midika hoe mamonjy na manafaka, ohatra hoe amin’ny alalan’ny fandoavana onitra. Raha toa misy olona nanao fahadisoana ka manitsy na manonitra izany dia lazaintsika fa nanavotra ny tenany izy. Ireo dikany tsirairay ireo dia maneho ny lafin-javatra samihafa tao anatin’ilay Famonjena lehibe notanterahan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, izay ahitana araka ny teny ao anatin’ny rakibolana ny hoe: “manavotra amin’ny fahotana sy ny sazy avy amin’izany, amin’ny alalan’ny fanaovana sorona ho an’ilay mpanota.”2

Misy lafiny roa ny Fanavotan’ny Mpamonjy. Voalohany, manonitra ny fandikan-dalàn’i Adama izany sy ny vokatry ny Fahalavoan’ny olona amin’ny alalan’ny fandresena ilay azo antsoina hoe ny vokatra mivantana nateraky ny Fahalavoana—fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy. Takatra tsara ny fahatesan’ny vatana; ny fahafatesana ara-panahy dia ny fisarahan’ny olona amin’Andriamanitra. Hoy ny tenin’i Paoly hoe: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22). Izany fanavotana amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy izany dia samy ho an’ny olona rehetra ary tsy misy fepetra.3

Ny lafiny faharoa ao amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ny fanavotana amin’ny azo lazaina hoe vokatra ankolaka nateraky ny Fahalavoana—ny fahotantsika manokana fa tsy ny fandikan-dalàn’i Adama. Nateraka tao anatin’ny tontolon’ny fiainana an-tany isika noho ny Fahalavoana, ka ny fahotana—izay fandikàna ny lalàna masina napetraka dia—mibahan-toerana ao. Hoy ny Tompo raha niresaka momba antsika:

“Dia torontoronina ao am-pony toy izany koa ny fahotana rehefa manomboka mitombo izy, ary dia andramany ny mangidy mba hahaizany mankamamy ny tsara.

“Ary omena azy ny hanavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa manao araka izay safidiny izy” (Mosesy 6:55–56).

Noho isika tompon’andraikitra ary manao ny safidy dia misy fepetra ny fanavotana antsika amin’ny fahotantsika—miankina amin’ny fibabohantsika sy ny fanalavirantsika ny fahotana izany ary fananana fiainana feno fahamasinana, na amin’ny teny hafa dia miankina amin’ny fibebahana izany (jereo ny F&F 58:43). “Koa,” hoy ny Tompo nandidy, “ampianaro ny zanakao izao fa ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka, fa raha tsy izany dia tsy afaka mandova mihitsy ny fanjakan’Andriamanitra izy, fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany” (Mosesy 6:57).

Manavotra antsika amin’ny fahotana ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny fialany aina teo amin’ny hazo fijaliana amin’ny alalan’ny fanefana ny fitakian’ny fahamarinana amintsika. Maneho famindram-po sy mamela heloka ireo izay mibebaka Izy. Ny Sorompanavotana koa dia manefa ny trosa ananantsika amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanasitranana sy ny fanarenana antsika tamin’izay fijaliana nozakaintsika tamim-pahatsoram-po. “Fa indro miaritra ny fijalian’ny olon-drehetra Izy, eny, ny fijalian’ny manan’aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, izay isan’ny fianakavian’i Adama” (2 Nefia 9:21; jereo koa ny Almà 7:11–12).4

Arakaraka ny hanarahantsika an’i Kristy no mahatonga antsika handray anjara sy hitondra fanampiana ao amin’ny asa fanavotana ataony. Ny asa fanompoana lehibe indrindra azontsika atao amin’ny hafa eo amin’ity fiainana ity izay manomboka amin’ireo ao anatin’ny fianakaviantsika manokana, dia ny mitondra azy ireo eo amin’i Kristy amin’ny alalan’ny finoana sy ny fibebahana mba hahafahan’izy ireo miaina ilay Fanavotana—fiadanana sy fifaliana ankehitriny ary tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay any amin’ny fiainana ho avy. Fanehoana mahatalanjona ny fitiavan’ny Tompo mifono fanavotana ny asa ataon’ireo misiônerantsika. Noho izy ireo mpitondra hafatra nomena fahefana dia manolotra fitahiana tsy manam-paharoa avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo izay manokatra ny lalana mankany amin’ny fahaterahana ara-panahy indray sy ny fanavotana.

Afaka manampy amin’ny fanavotan’ny Tompo ireo izay nodimandry koa isika. “Ireo loholona mahatoky amin’ity fotoampitantanana ity, rehefa miala amin’ny toetry ny mety maty; dia manohy ny asany amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny fanavotana, amin’ny alalan’ny sorona nataon’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, eo anivon’ireo izay ao amin’ny haizina sy ao amin’ny famatoran’ny fahotana ao amin’ny tontolo lehiben’ny fanahin’ny maty” (F&F 138:57). Amin’ny alalan’ny fahafahana manatanteraka ôrdônansy isoloana tena izay ataontsika ho azy ireo any amin’ny tempolin’Andriamanitra, dia afaka mahazo fahafahana na ny maty voagejan’ny fahotana aza.5

Na dia mifandray amin’ny fibebahana sy famelan-keloka aza ireo lafiny manan-danja indrindra ao amin’ny fanavotana dia misy lafiny tena manan-danja ara-nofo ihany koa izany. Nolazaina fa nandehandeha nanao soa i Jesoa (jereo ny Asan’ny Apôstôly 10:38), izay ahitana ny fanasitranana ny marary sy ny kilemaina, ny fanomezana sakafo ireo olona marobe noana ary fampianarana ny lalana tsara indrindra. “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Matio 20: ). Noho izany enga anie isika, amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy, handehandeha hanao soa araka ilay rafi-panavotan’ny Tompo.

Miompana amin’ny fanampiana ny olona amin’ny olany io karazana asa fanavotana io. Izany dia midika hoe minamana amin’ny mahantra sy ny osa, manamaivana ny fijaliana, manitsy ny tsy rariny, miaro ny fahamarinana, mampatanjaka ny taranaka vao misondrotra ary manao izay hisian’ny filaminana sy ny fifaliana ao an-tokantrano. Ny fanampiana ny hafa hivoatra sy hanatanteraka ireo fanantenany sy faniriany izay ara-drariny no mibahana ao anatin’ny asa fanavotana ataontsika.

Misy ohatra iray avy ao amin’ny tantara noforonin’i Victor Hugo Les Misérables, na dia noforonin’ny eritreritra aza, manohina sy manentana ny fanahiko foana. Tany amin’ny voalohandohan’ny tantara dia nomen’ny Eveka Bienvenu sakafo sy toerana ipetrahana indray alina i Jean Valjean izay olona tsy manan-kialofana vao nivoaka ny fonja raha nigadra nandritra ny 19 taona noho ny fangalarany mofo iray mba hamahanany ireo zanaky ny anabaviny izay matin’ny hanoanana. Noho i Valjean lasa mafy fo sy masiaka dia ny fangalarana ireo fitaovam-pihinanana volafotsin’ny Eveka Bienvenu no nentiny nisaorana ny hatsaram-panahiny. Taty aoriana rehefa notazonin’ny mpitandro filaminana izay nanana ahiahy i Valjean dia nandainga fa fanomezana nomena azy ireo zavatra volafotsy. Rehefa notaritaritin’ireo mpitandro filaminana niverina tany amin’ny tranon’ilay eveka izy dia hatairana ny an’i Valjean satria namarinin’ny Eveka Bienvenu ny tantarany ary mba handresena lahatra bebe kokoa dia nilaza izy hoe: “‘Oadray! Nomeko anao koa anie ireo fitoeran-dabozia izay volafotsy toy ireny namany ireny ary ahazoana 200 francs raha hamidy e! Koa naninona no tsy nentinao niaraka tamin’ireo lovianao izy ireo?’ …

Nanatona azy ilay eveka ary niteny moramora taminy hoe:

‘Aza adino, aza adino velively fa nampanantena ahy ianao fa hampiasa ireo zavatra volafotsy ireo mba ho lasa olona marin-toetra.’

Nitsangana tao anatin’ny fisafotofotoan-tsaina i Jean Valjean izay tsy nahatsiaro ho nanao izany fampanantenana izany mihitsy. Notohizan’ilay eveka tamin’ny feo mafy izany hoe:

‘Ry Jean Valjean, rahalahiko: Tsy manara-dia ny ratsy intsony ianao fa ny tsara. Vidiako ho anao ny fanahinao. Esoriko hiala ao anatin’ny eritreritra maizina sy ny fahaverezana mandrakizay izany ary omeko an’Andriamanitra!’”

Tena lasa lehilahy vaovao sy marin-toetra i Jean Valjean ary nanampy olona maro. Notazoniny nandritra ny fiainany ireo fitoeran-dabozia volafotsy roa mba hampahatsiahy azy fa navotana ho an’Andriamanitra ny fiainany.6

Ny karazana fanavotana sasany dia miseho amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa. Iray amin’ireo antony nanorenan’ny Mpamonjy ny fiangonana izany. Noho isika narindra ho ao amin’ny kôlejy sy vondrona fanampiny ary ho ao amin’ny tsatòka sy paroasy ary sampana, dia tsy hoe afaka mifampianatra sy mifankahery fotsiny isika ao amin’ny filazantsara fa afaka koa mangataka ny fanampian’ny hafa sy loharano hafa hiatrehana ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. Ny olona manao zavatra irery na mivondrona noho ny antony iray manokana dia tsy afaka foana hanome fanampiana ampy hiatrehana olana lehibe kokoa. Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia vondrona irain’ny Olomasina isika izay narafitra mba hanampy amin’ny fanomezana izay ilain’ireo Olomasina namantsika ary ireo maro hafa koa izay azontsika ampiana manerana ny tany.

Noho ireo asa fanampiana olona nataontsika izay nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks, indrindra fa tamin’ny taona lasa dia olona 890.000 no nahazo rano madio tany amin’ny firenena 36. Olona 70.000 tany amin’ny firenena 57 no nahazo seza misy kodiarana. Olona 75.000 tany amin’ny firenena 25 no lasa nahita tsara ary olona tany amin’ny firenena 52 no nahazo fanampiana tena ilaina taorian’ireo loza voajanahary. Tao anatin’ny fiarahany miasa tamin’ny hafa, ny Fiangonana dia nanao vaksiny tena ilaina hiarovana amin’ny aretina ho an’ny zaza eo amin’ny 18 tapitrisa eo ary nanampy ireo Syriana tany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Turkie, Liban ary Jordanie tamin’ny fanomezana ireo kojakoja ilaina eo amin’ny fiainana. Tao anatin’izay fotoana izay ihany koa dia nahazo an-tapitrisany dôlara Amerikana tamin’ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina sy fanomezan-tanana hafa ao anatin’ny fifanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana sahirana nandritra ny taona 2012. Misaotra noho ny fahalalahan-tananareo.

Tsy mbola voaisa ao anatin’ireo akory aza ny fihetsika feno hatsaram-panahy sy fanohanana nataon’olona manokana—fanomezana sakafo, akanjo, vola, fikarakarana, ary ireo fomba maro hafa nentina hanehoana fankaherezana sy fangorahana izay ahafahantsika mandray anjara ao anatin’ilay asa fanavotana tahaka ny nataon’i Kristy. Nahita maso ny zavatra nataon’ny reniko aho fony mbola zazalahy mba hanavotana vehivavy sahirana iray. Taona maro lasa izay raha mbola kely ny zanany dia nandalo fandidiana sarotra ny reniko izay saika nanaisotra ny ainy ary tsy afa-nihetsika teo am-pandriana izy ny ankamaroan’ny fotoana tao anatin’ny herintaona latsaka. Nandritra izany fotoana izany dia nampian’ny fianakaviana sy ireo mpikambana tao amin’ny paroasy i Neny sy ny fianakavianay. Mba hitondrana fanampiana bebe kokoa dia nanoro hevitra ny ray aman-dreniko Rahavavy Abraham, filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny paroasy, mba hampiasa vehivavy iray ao amin’ny paroasy izay mitady asa mafy. Hampiasa anarana hafa hoe Sara sy Annie aho mba hiantsoana io vehivavy io sy ny zanany vavy raha hitantara ity tantara ity. Toy izao ny fitantaran’ny reniko izany:

“Tadidiko tsara mihitsy toy ny hoe vao omaly ny zava-niseho. Nandry teo am-pandriana aho raha indro Rahavavy Abraham nitondra an’i Sara teo amin’ny varavaran’ny efitrano fandriana. Tena kivy aho. Indro nijoro teo ity olona faran’izay ratsy bika aman’endrika hitako hatramin’izay—tena nahia kely; naloto, nikorontam-bolo, lamosina vokoka ary niondrika nijery ny tany ny lohany. Nanao akanjolava fitondra ao an-trano izay lehibe loatra taminy izy. Tsy sahy nitraka izy ary niteny malefaka loatra ka tsy henoko. Nisy ankizivavy kely teo amin’ny telo taona teo ho eo niafina tao aoriany. Inona re no hataoko an’ity olona ity e? Rehefa nandao ilay efitrano izy ireo dia nigogogogo nitomany aho. Fanampiana no nilaiko fa tsy olana bebe kokoa. Nijanona kely niaraka tamin’i Sara Rahavavy Abraham ka tonga dia nanadio ny trano sy nanomana sakafo tsara izy ireo. Nangataka ahy mba hijery ny fandehan-javatra mandritra ny andro vitsivitsy Rahavavy Abraham, [ary nilaza] fa tena nianjadian’ny zava-tsarotra io vehivavy io ary nila fanampiana.

“Ny ampitson’izany dia nasaiko nanakaiky ny fandriana izy tamin’ny farany mba hahafahako maheno azy. Nanontaniany ahy izay zavatra tiako hataony. Nolazaiko azy izany dia niteny aho avy eo hoe: ‘Fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ireo zanako lahy. Manokàna fotoana iarahana amin’izy ireo ary amakio boky izy ireo—manan-danja bebe kokoa noho ny trano izy ireo.’ Mpahandro mahay izy ary voadiony ny trano, voasasany ny lamba ary tsara fanahy tamin’ireo ankizilahy izy.

“Rehefa nandeha ny herinandro maromaro dia nahafantatra ny tantaran’i Sara aho. [Noho izy tsy maheno tsara dia tsy dia nahay izy tany am-pianarana ary nanajanona izany tamin’ny farany. Nanambady lehilahy mamo lava izy raha mbola tovovavy vao herotrerony. Teraka i Annie ary lasa loharanom-pifaliana ho an’i Sara. Indray alin’ny ririnina, tonga tao an-trano efa mamo ity vadiny ka nanery an’i Sara sy Annie hiditra tao anaty fiara niaraka tamin’ny akanjomandry teny an-kodin’izy ireo ary dia navoakany teny amin’ny sisin’ny lalambe roa zotra izy ireo. Tsy nahita azy intsony izy ireo avy eo. Nandeha an-tongotra an-kilaometatra maro nankany an-tranon-dreniny sady tsy nanao kiraro no matin’ny hatsiaka i Sara sy Annie. Nanaiky ny hijanonan’izy ireo ny reniny saingy ho tambin’izany dia mila manao ny raharaha ao an-trano rehetra izy sy mila mahandro sakafo sy mikarakara ny rahavaviny sy ny anadahiny izay mianatra any amin’ny lisea.

“Nentinay tany amin’ny dokotera mpitsabo sofina i Sara ary nahazo fitaovana fanampiana ny fahenoana izy. … Nasainay nanatrika fampianarana ho an’ny olon-dehibe izy ary nahazo ny mari-pahaizany tao amin’ny lisea. Nianatra tany amin’ny sekoly manao fampianarana hariva izy ary nahazo mari-pahaizana tany amin’ny oniversite dia nampianatra mikasika ny fampianarana manokana. Nividy trano kely iray izy. Nanambady tany amin’ny tempoly i Annie ary nanan-janaka roa. Natao fandidiana tamin’ny farany ny sofin’i Sara ary afaka naheno tsara ihany nony farany. Nisotro ronono izy taona maro taty aoriana ary nandeha nanao asa fitoriana. … Nisaotra anay matetika i Sara ary nilaza fa nianatra zavatra maro avy amiko, indrindra rehefa nolazaiko izy fa ny zanako lahy no manan-danja kokoa noho ny trano. Nilaza izy fa izany dia nampianatra azy hanana fisainana toy izany eo anatrehan’i Annie. … Vehivavy tena miavaka i Sara.”

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mila manao izay vitantsika isika mba hanavotana ny hafa amin’ny fijaliana sy ny enta-mavesatra. Na dia izany aza ny asa fanavotana lehibe indrindra ataontsika dia ny mitarika azy ireo hanatona an’i Kristy. Raha tsy nisy ilay Fanavotana amin’ny fahafatesana sy ny fahotana izay nataony dia tsy ho nanana afa-tsy filazantsaran’ny fahamarinana ara-tsôsialy isika. Mety hitondra fanampiana vitsivitsy sy fihavanana izany amin’izao fotoana izao saingy tsy manana hery ampy hampidinana avy any an-danitra ilay fahamarinana tonga lafatra sy famindram-po tsy manam-petra. Ao amin’i Jesoa Kristy ary ao Aminy irery ny fanavotana faratampony. Manaiky azy amim-panetrentena sy amim-pankasitrahana ho ilay Mpanavotra aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Show References

  1.  

    1. Jereo ny Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, edisiona faha 10 (1993), “redemptioner.”

  2.  

    2. Webster’s New World College Dictionary, boky nivoaka faha 3 (1988), “redeem.”

  3.  

    3. “Ny Zanak’Andriamanitra dia efa nanonitra ny fahotana fototra ka ny fahotan’ny ray aman-dreny dia tsy azo valiana eo ambonin’ny lohan’ireo zanaka, fa madio ireo hatry ny fanorenana izao tontolo izao” (Mosesy 6:54). Handresy ny fahafatesana ny rehetra ary hitsangana ka tsy ho mety maty amin’ny alalan’ny Fanavotan’i Kristy. Ankoatra izany dia handresy ny fahafatesan’ny vatana ny rehetra amin’ny alalan’ny fitondrana azy ireo miverina eo anatrehan’Andriamanitra mba hotsaraina. Hoy i Jesoa hoe: “Toy ny efa nanandratan’ny olona Ahy [teo amin’ny hazofijaliana] dia toy izany koa no hanandratan’ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ny asany” (3 Nefia 27:14). Ireo izay nodiovina tamin’ny fahotana dia hitoetra hiaraka amin’Andriamanitra any amin’ny fanjakan’ny lanitra, saingy ireo izay tsy nibebaka sy maloto dia tsy afaka ny hiaraka hipetraka amin’ny Andriamanitra masina iray ary tsy maintsy mandeha izy ireo aorian’ny fitsarana ka hianjadian’ny fahafatesana ara-panahy indray. Lazaina ho toy ny fahafatesana faharoa izany na hoe ianjadian’ny fahafatesana ara-panahy fanindroany. (Jereo ny Helamàna 14:15–18.)

  4.  

    4. Raha mikasika ny fahotantsika manokana dia milaza ny soratra masina fa misy olona sasany tsy afaka mahazo ny famonjena: “Koa ny ratsy dia mijanona ho toy ny tsy nisy fanavotana efa natao, afa-tsy ny famahana ny famatoran’ny fahafatesana” (Almà 11:41). “Fa izay tsy mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana kosa dia mankahatra ny lalàna manontolon’ny fitakian’ny fahamarinana; koa amin’izay manana finoana ho amin’ny fibebahana ihany no tanterahina ny drafitry ny famonjena lehibe sy mandrakizay” (Almà 34:16). Raha manda ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny olona iray dia tsy maintsy manefa ny trosa takian’ny fahamarinana ny tenany manokana. Hoy i Jesoa hoe: “Fa indro Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka. Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–17). Fantatra amin’ny hoe helo ny fijalian’ny olona iray vokatry ny fahotana izay tsy nahazo fanavotana. Izany dia midika hoe eo ambanin’ny ziogan’ny devoly ary faritana ao anatin’ireo fanoharana ara-tsoratra masina ho toy ny voafatotra amin’ny rojo vy na farihy afo sy solifara. Nitalaho tamin’ireo zanany lahy i Lehia mba hisafidy ny Fanavotan’i Kristy “Ary tsy hifidiananareo ny fahafatesana mandrakizay araka ny sitrapon’ny nofo sy ilay ratsy izay ao anatiny, izay manome fahefana ny fanahin’ny devoly mba hambabo sy hitondra anareo midina any amin’ny helo hahazoany manapaka aminareo ao amin’ny fanjakana ihany” (2 Nefia 2:29). Na dia izany aza, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia misy farany ny helo ary ireo izay voatery handalo izany dia “havotana amin’ny devoly [amin’ny] fitsanganana amin’ny maty farany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:85). Ireo heverina hoe “zanaky ny fahaverezana” vitsivitsy no “hany hananan’ny fahafatesana faharoa hery [farany]; eny marina tokoa, ireo no hany tsy voavotra amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo, aorian’ny fiaretana ny fisafoahany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:32, 37–38).

  5.  

    5. Tamim-pifaliana no nilazan’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Aoka ny maty hiventy antsam-piderana mandrakizay ho an’i Imanoela Mpanjaka, izay efa nanokana talohan’ny nisian’izao tontolo izao ny fomba hahafahantsika manavotra azy ireo hiala avy ao amin’ny fonjan’izy ireo; fa handeha malalaka ny voafonja” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22).

  6.  

    6. Jereo ny Victor Hugo, Les Misérables (1992), 91–92.