Ny Fanantenana ny Fahazavan’Andriamanitra

Nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany


Dieter F. Uchtdorf
Rehefa mikatsaka ny hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika sy miezaka ny ho tia ny namantsika dia hanodidina sy hankahery antsika ny fahazavan’ny filazantsara.

Fidirana ho amin’ny Fahazavana

Manana hosodoko ankamamiako izay aho ao amin’ny biraoko izay nomena ny anarana hoe Fidirana ho amin’ny Fahazavana. Namako iray izay no namorona izany, ilay mpahaikanto Danoa Johan Benthin, izay filohan’ny tsatòka voalohany tao Copenhague, Danemark.

Maneho efitrano maizina iray ilay hosodoko ary misy varavarana misokatra mampiditra hazavana mamiratra. Mahaliana ahy ny hoe tsy manazava ilay efitrano manontolo ilay hazavana avy eo amin’ilay varavarana—ilay faritra manatrika ny varavarana raha iny vao hiditra iny ihany no mazava.

Ny haizina sy ny hazavana ao amin’io hosodoko io amiko dia fanoharana ny fiainana. Ampahany amin’ny toe-tenantsika amin’ny maha-olona mety maty ny mahatsapa indraindray fa toy ny hoe hodidinin’ny haizina isika. Mety nodimandry ny olon-tiantsika iray, na mety nania ny zanaka iray, na mety naharay valin’ny famantarana aretina mampikorontan-tsaina isika, na mety manana olana eo amin’ny asa isika ary mety vesaran’ny ahiahy sy ny tahotra; na mety mahatsapa ho irery na tsy tiana.

Kanefa na dia mety mahatsiaro ho very eo anivon’ireo toe-javatra iainantsika ankehitriny aza isika dia nampanantena ny fanantenana ny hazavany Andriamanitra—Nampanantena ny hanazava ny lalana eo alohantsika Izy sy ny haneho antsika ny lalana hivoahana ao amin’ny haizina.

Efitrano Rakotry ny Haizina

Te hiresaka aminareo momba ny vehivavy iray nihalehibe tao anatin’ny efitrano rakotry ny haizina aho—Andeha ho antsoiko hoe i Jane izy.

Nanomboka tamin’ny fotoana naha telo taona an’i Jane dia nokapohina sy nambaniana ary nampiharana herisetra foana izy. Nampitahorina sy noesoina izy. Isa-maraina izy dia nifoha tsy nahafantatra raha mbola ho velona mandra-pahatongan’ny ampitso. Ireo olona tokony hiaro azy no nampijaly azy na namela ny hitohizan’ny herisetra natao taminy.

Nianatra nampitsahatra ny fahatsapany zavatra i Jane mba hiarovany ny tenany. Tsy nanana fanantenana ny ho avotra izy, ka dia nanamafy ny fony izy mba hiarovany tena tamin’ny zavatra nahatsiravina niainany. Tsy nisy hazavana tao amin’ny tontolo niainany, noho izany dia nionona tamin’ny haizina izy. Tamin’ny tsy fahafahana mahatsapa, izay tsy afaka ny ho tonga amin’ny tena raha tsy noho ny fifandraisana maharitra sy tsy misy fiafarany tamin’ny faharatsiana, dia nekeny ny hoe mety ho faty izy na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.

Avy eo dia nahafantatra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Jane tamin’izy 18 taona. Nilentika tao am-pony ny fifaliana sy ny fanantenana avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary nanaiky ny fanasana azy ho atao batisa izy. Sambany tamin’izay no nidiran’ny hazavana teo amin’ny fiainany ary nahitany lalana mazava teo anoloany. Nandao ny haizin’ny tontolony izy ary nanapa-kevitra ny handeha hianatra tany amin’ny toerana lavitra dia lavitra ny toerana nisy ilay mpampijaly azy. Nahatsapa ho afaka tamin’ny tontolon’ny haizina sy ny faharatsiana ihany izy tamin’ny farany—afaka mankafy amin-kalalahana ny fiadanana mamy sy ny fanasitranana mahagaga avy amin’ny Mpamonjy.

Kanefa, taona maro taty aoriana, rehefa maty ilay nanao herisetra taminy, dia niverina nikorotan-tsaina indray i Jane noho ireo zava-niseho tamin’ny fahatanorany. Nitady hanimba ilay hazavana mahagaga hitany tao amin’ny filazantsara ny alahelo sy ny hatezerana lalina. Fantany fa raha mamela izany haizina izany izy ho lasa zavatra hifantohany dia hahazo ny fandresena farany ilay mpampijaly azy.

Nitady torohevitra sy fanampiana avy amin’ny mpitsabo izy ary nanomboka nahafantatra fa ny lalana tsara indrindra ho azy hahafahany ho sitrana dia ny mahatakatra sy ny manaiky fa misy ny haizina—fa tsy ny hifantoka foana amin’izany. Satria misy koa ny hazavana, araka izay fantany ankehitriny—ary izay no nofidiany hifantohana.

Noho ireo zava-tsarotra niainany tany amin’ny lasa dia mety ho mora foana ho an’i Jane ny hanana faniriana hamaly faty, na ho feno hatezerana, na ho mahery setra. Saingy tsy nanao izany izy. Nanohitra ny fakam-panahy hanaparitaka ny haizina izy tamin’ny fanoherana ny fahatezerana, na ny faniriana hanisy ratsy, na ny fiahiahiana lava ny hafa. Fa nifantoka tamin’ny fanantenana kosa izy fa afaka ny ho sitrana noho ny fanampian’Andriamanitra. Nisafidy ny ho loharanom-pahazavana izy ary hanokana ny fiainany amin’ny fanampiana ny hafa. Nanampy azy izany hanadino ny lasa sy hisantatra ny hoavy feno voninahitra sy mamirapiratra.

Lasa mpampianatra izy, ary amin’izao fotoana izao, taona am-polony maromaro taty aoriana, dia nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’ny ankizy an-jatony ny fitiavany, nanampy azy ireo hahafantatra fa sarobidy izy ireo, fa manan-danja izy ireo. Lasa mpiaro tsy nitandro hasasarana ireo osa sy niharam-boina ary kivy izy. Nampivoatra sy nampatanjaka ary nanazava ny saina amam-panahin’ireo rehetra nanodidina azy izy.

Nianatra i Jane fa tonga ny hazavana rehefa miala ao amin’ny haizina isika ary mizotra mankany amin’ny fanantenana hazavana mamiratra kokoa. Tsy ny fiainany ihany no novainy rehefa nampihatra finoana sy fanantenana ary fiantrana izy, fa nitahy mandrakizay ihany koa ny fiainan’ny olona maro dia maro.

Ny Fahazavana Miraikitra amin’ny Fahazavana

Mety misy ny sasany aminareo mahatsapa fa mihamahazo laka eo aminareo ny haizina. Mety mahatsapa ho vesaran’ny tebiteby, na ny tahotra na ny ahiahy ianareo. Mamerina milaza fahamarinana mahatalanjona sy azo antoka aminareo sy amintsika rehetra aho: Tena misy ny fahazavan’Andriamanitra. Afaka mahazo izany ny rehetra! Manome aina ny zava-drehetra izany.1 Manana hery izany hanalefahana ny fanaintainan’ny ratra lalina indrindra. Afaka manasitrana ny fanirery sy ny aretin’ny fanahintsika izany. Afaka mamboly ny voan’ny fanantenana mamiratra kokoa izany na dia ao anatin’ny fahadisoam-panantenana aza. Afaka manome hazavana izany na dia ao anatin’ny fahoriana lalina indrindra aza. Afaka manazava ny lalana eo alohantsika izany ary mitarika antsika ao anatin’ny ali-mikitroka mba ho any amin’ny fanantenan’ny maraina vao.

Izany no “Fanahin’i Jesoa Kristy” izay manome “fahazavana ho an’ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao.”2

Na izany aza dia ankavitsiana no ahatongavan’ny fahazavana ara-panahy eo amin’ireo izay mijanona fotsiny ao amin’ny haizina miandry olona iray handrehitra ny jiro. Mitaky antsika hanao asa amim-pinoana ny fanokafana ny masontsika mba hahitana ny Fahazavan’i Kristy. Tsy azo fantarina amin’ny maso araka ny nofo ny fahazavana ara-panahy. I Jesoa Kristy mihitsy no nampianatra hoe “Izaho no fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina, ary ny haizina tsy mahazo izany.”3 Satria “ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.”4

Noho izany, amin’ny fomba ahoana no hanokafantsika ny masontsika mba hahita ny fahazavan’Andriamanitra?

Voalohany dia atombohy amin’ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao.

Moa ve tsy mahafinaritra ny mahafantatra fa tsy voatery ho tonga lafatra isika vao hahazo ireo fitahiana sy fanomezana avy amin’ny Raintsika any an-danitra? Tsy voatery hiandry ny ho tonga lafatra isika vao handray ireo fitahian’Andriamanitra. Raha ny marina dia manomboka misokatra ny lanitra ary manomboka mirotsaka eo amintsika ireo fitahiana rehefa manao ireo dingana voalohany mankany amin’ny fahazavana isika.

Ny toerana misy anao amin’izao fotoana izao no toerana tsara indrindra hanombohana. Tsy maninona na mihevi-tena ho tsy mendrika ianao na mahatsiaro-tena ho tavela any aoriana raha mitaha amin’ny hafa. Amin’ny fotoana izay anombohanao hitady ny Rainao any an-danitra iny indrindra, no hanomboka hamoha sy hamelona ny fanahinao ary hahatonga azy ho vanona ny fahazavan’ny Ray.5 Mety tsy hisava ao anatin’ny indray mipi-maso ny haizina, kanefa ho avy ny fahazavana tahaka ny maha azo antoka fa mifarana ny alina rehefa tonga ny maraina.

Faharoa, atodiho amin’ny Tompo ny fonao.

Ambarao amin’ny alalan’ny vavaka ny fahatsapana lalina indrindra ao anatinao, ary hazavao amin’ny Rainao any an-danitra ny zavatra tsapanao. Ekeo ny fahadisoanao. Lazao ny fahatsapana sy ny fanirianao lalina ary manehoa fankasitrahana. Ampahafantaro Azy ny fitsapana atrehinao. Mitalahoa Aminy amin’ny anaran’i Kristy mba hahazo hery sy fanampiana. Mangataha mba hisokafan’ny sofinao handrenesanao ny feony. Mangataha mba hisokafan’ny masonao hahitanao ny fahazavany.

Fahatelo, mandehana ao amin’ny fahazavana.

Fantatry ny Rainao any an-danitra fa hanao fahadisoana ianao. Fantany fa ho solafaka ianao—mety ho imbetsaka. Mampalahelo Azy izany, kanefa tiany ianao. Tsy maniry ny hanimba ny fanantenanao sy ny fanirianao hivoatra Izy. Mifanohitra amin’izany aza, maniry Izy ny mba hitsangananao sy hahatongavanao ho ilay olona natao hahatongavanao.

Noho io tanjona io dia nandefa ny Zanany Lahy teto amin’ity tany ity Izy hanazava ny lalana sy haneho amintsika ny fomba handikantsika tsy ho azon-doza ireo vato fahatafintohinana eny amin’ny lalantsika. Nomeny ny filazantsara isika, izay mampianatra ny fomban’ny mpanara-dia. Mampianatra antsika ny zavatra tsy maintsy fantatsika sy ataontsika ary ahatongavantsika izany mba handeha ao amin’ny fahazavany, manaraka ny dian’ny Zanany Lahy Malalany, ilay Mpamonjintsika.

Mandresy ny Haizina ny Fahazavana

Eny, hanao fahadisoana isika.

Eny, hivembena isika.

Fa rehefa mikatsaka ny hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika sy miezaka ny ho tia ny namantsika dia hanodidina sy hankahery antsika ny fahazavan’ny filazantsara. Azo antoka fa hisava ny haizina satria tsy afaka ny hisy izy rehefa eo ny fahazavana. Rehefa manakaiky an’Andriamanitra isika dia hanakaiky antsika Izy.6 Ary isan’andro dia hitombo ao anatintsika ny fanantenana ny fahazavan’Andriamanitra, “mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.”7

Ho an’ireo rehetra izay mahatsiaro ho mandeha ao amin’ny haizina dia manasa anareo aho hiantehitra amin’ity fampanantenana azo antoka nolazain’ny Mpamonjy ny olon-drehetra ity manao hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”8

Fahazavana any Afrika

Taona maro lasa izay dia niaina zavatra mendrika ny hotsaroana izaho sy i Harriet vadiko, izay nahitanay ny fahatanterahan’io fampanantenana io. Tany Afrika Andrefana izahay, faritra kanto eto amin’izao tontolo izao izay hitomboan’ny Fiangonana ary ahitana mpikambana mahafinaritra. Kanefa dia miaina fahasarotana maro koa i Afrika Andrefana. Nampalahelo ahy indrindra indrindra ny fahantrana izay hitako. Maro be ireo tsy an’asa tao amin’ireo tanàna, ary miady mafy foana ireo fianakaviana mba hamatsiana ireo zavatra ilainy andavanandro sy tsy ho azon-doza. Nandratra ny foko ny mahalala fa maro amin’ireo mpikambana sarobidintsika ao amin’ny Fiangonana no miaina ao anatin’ny tsy fahampiana toy izany. Fa nahafantatra ihany koa aho fa mifanampy ireo mpikambana tsara ireo mba hanamaivana ny enta-mavesatr’izy ireo.

Tonga tany amin’ny iray amin’ireo trano fiangonantsika nanakaiky ny tanàn-dehibe iray ihany izahay tamin’ny farany. Kanefa raha noheverinay fa hahita olona nitambesaran’ny haizina sy rakotr’izany izahay, dia olona faly mamirapiratra hazavana kosa no hitanay! Tafapaka taty aminay ny fifaliana tsapan’izy ireo noho ny filazantsara ary nankahery ny fanahinay. Nampietry ny fonay ny fitiavana nasehon’izy ireo. Tena avy amin’ny fo ny tsikin’izy ireo ary nisarika anay hitsiky.

Tsaroako aho nanontany tena tamin’izany fotoana izany raha nety nisy vahoaka faly kokoa noho izany teto amin’ity planeta ity. Na dia nohodidinin’ny zava-tsarotra sy fitsapana aza ireo Olomasina malala ireo dia feno hazavana!

Nanomboka ny fivoriana ary nanomboka niteny aho. Afaka fotoana vitsy anefa dia tapaka ny herinaratra tao amin’ilay trano, ary tao anatin’ny haizina tanteraka izahay.

Nandritra ny fotoana kely dia zara raha nahita olona teo anivon’ireo olona nanatrika aho, saingy afaka nahita sy nahatsapa ny tsiky mahafinaritr’ireo Olomasina. Tena tiako tokoa ny niaraka tamin’ireo olona mahavariana ireo!

Nitohy ny haizina tao amin’ilay trano fivavahana, ka noho izany dia nipetraka teo anilan’ny vadiko aho ary niandry ny hiverenan’ny herinaratra. Teo am-piandrasanay dia nisy zavatra mahagaga nitranga.

Nisy feo vitsivitsy nanomboka nihira ny iray amin’ireo hira momba ny Famerenana tamin’ny laoniny. Avy eo dia nisy hafa nanampy. Dia mbola niampy ihany. Vetivety teo dia nameno ilay trano fivavahana ny feon’ny amboarampeo iray izay mamy sy nambabo fo.

Tsy nila fihirana ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo; hain’izy ireo tsianjery ny tonon’ny hira rehetra nirain’izy ireo. Ary nihira hira maro tamin-kery sy fihetseham-po izay nahakasika ny foko izy ireo.

Taty aoriana dia niverina ny jiro, ary nandrakotra ny efitrano tamin’ny hazavana. Nifampijery izaho sy i Harriet, feno ranomaso ny takolakay.

Tao anatin’ny haizina lehibe, dia nofenoin’ireto Olomasina mahafinaritra ireto fahazavana ilay trano Fiangonana sy ny fanahinay.

Zavatra niainana nampiontam-po tokoa izany ho anay—fotoana iray izay tsy ho hadinonay sy i Harriet mihitsy.

Mankanesa ao amin’ny Fahazavana

Ekena fa indraindray dia toy ny voakasiky ny haizina, na rakotra mihitsy aza ny fiainantsika. Indraindray dia ho toy ny mangeja sy mahakivy ary mampatahotra ny alina manodidina antsika.

Malahelo ny foko noho ireo alahelo maro atrehin’ny sasany aminareo, noho ny fanirery maharary sy ireo tahotra mandreraka mety iainanareo.

Na izany aza dia mijoro ho vavolombelona aho fa ao amin’i Jesoa Kristy no ananantsika fanantenana velona! Izy no fidirana tena izy sy madio ary mahery mankao amin’ny hazavan’Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy afaka mahomby ny haizina rehefa miaraka amin’i Kristy. Ny haizina tsy handresy ny fahazavan’i Kristy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy afaka ny hisy eo anatrehan’ny hazavana mamiratry ny Zanakalahin’ilay Andriamanitra velona ny haizina!

Manasa anareo tsirairay aho hanokatra ny fonareo Aminy. Katsaho amin’ny fandalinana sy ny vavaka Izy. Tongava ao amin’ny Fiangonany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mianara Aminy sy ny filazantsarany, mandraisa anjara amim-pahazotoana, mifanampia ary manompoa ny Andriamanitsika amim-pifaliana.

Ry rahalahy sy rahavavy isany, na dia aorian’ny alina maizin-kitroka aza dia hitarika anareo ho any amin’ny maraina mihamazava sy mamy ary mamiratra izay hiposaka tokoa ao anatinareo ny Mpamonjy izao tontolo izao.

Rehefa mizotra mankany amin’ny fanantenana ny fahazavan’Andriamanitra ianareo dia hahita ny fangorahana sy ny fitiavana ary ny hatsaram-pon’ny Ray any an-danitra be fitiavana izay, “tsy misy maizina akory [ao aminy].”9 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.