Ny lalan’ny Tompo

Nataon’ny Loholona Stanley G. Ellis

Ao amin’ny Fitopololahy


Stanley G. Ellis
Ny lalan’ny Tompo dia ny hihainoantsika ireo fampianaran’ny mpitarika antsika, hahatakatra ireo fitsipika marina, ary hifehy ny tenantsika.

Fitopololahy

Manompo ao amin’ny Fitopololahy aho. Antsoina ho iraka ny Fitopololahy—hizara ny tenin’ny Tompo rehefa nandray izany avy tamin’ireo apôstôly sy mpaminany ary avy amin’ny Fanahy izahay, sy ho vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy, amin’ny fitoriana ny filazantsara manerana izao tontolo izao, amin’ny fanorenana ny Fiangonana, ary amin’ny fitantanana ny raharahan’ny Fiangonana (jereo ny F&F 107:25, 34).

Zazalahy Tantsaha

Lehibe tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena iray tao akaikin’ny Burley, Idaho aho—tena “Zazalahy Tantsaha avy any Idaho!” Tamin’izany aho dia nianatra ny hoe:

  1. 1.

    Miasa—tsy hanangom-bokatra ianao raha tsy mamboly.

  2. 2.

    Miasa amim-pahendrena—hanangom-bokatra bebe kokoa ianao raha manondraka sy manisy zezika.

  3. 3.

    Ny maha zava-dehibe ny fahaizana mikajy fotoana—mety hanimba ny vokatra ny ranomandry lasa aloha loatra raha tsy mamboly amin’ny fotoana tena mety ianao.

  4. 4.

    Manao izay tena ilaina na izay tsy maintsy vitaina na inona mahafinaritra, tiana kokoa, na mety kokoa—mitery ronono ianao rehefa ilain’ny omby izany, fa tsy hoe rehefa te hanao izany ianao.

  5. 5.

    Mahitsy—amin’ny resaka fiompiana biby sy ny milina izay ampiasaina dia tsy manam-potoana amin’ny “fanazavana lava reny” ianao na hiahiahy sao hanafintohina olona. (Raha ity fitsipika ity no resahina, tamin’ireo fanompoako manerana ny Fiangonana dia nanontany matetika aho hoe: “Tianareo hiresaka mahitsy ve aho sa amin’ny fomba malefaka kokoa?” Safidin’ireo Olomasina amin’ny ankapobeny ny ho “mahitsy!” Koa ho mahitsy aho anio.)

  6. 6.

    Farany dia nianatra aho amin’ny maha Zazalahy Tantsaha avy any Idaho ahy, ny hifantoka amin’ireo fitsipika fototra.

Tsy misy zavatra fototra kokoa ho antsika rehetra, sy ny fotopampianarantsika, noho ireo fahamarinana ao amin’ny fanekem-pinoana voalohany: “Mino an’Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay isika ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:1).

Ankoatra izany, Raintsika any an-danitra Izy, izay mahafantatra antsika, tia antsika, ary tiany hiverina any Aminy isika. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika i Jesoa, izay mahatonga antsika afaka handresy tsy amin’ahiahy ny fahafatesana ka ho velona indray tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana ary ahafahantsika mahazo fisandratana sy fiainana mandrakizay. Mpampionona, mpanambara, mpampianatra, mpijoro ho vavolombelona, ary mpitarika antsika ny Fanahy Masina.

Saintsaino izany ry rahalahy sy rahavavy—tsy kamboty ara-panahy isika! Tsy irery isika.

Inona ireo tombontsoan’ny fananana ray aman-dreny—ny hoe tsy kamboty? Afaka mianatra amin’izy ireny isika, mahazo tombony amin’ny traikefany, miala amin’ireo loza miafina izay ampitandreman’izy ireo antsika, ary mahatakatra bebe kokoa noho ny zavatra fantatr’izy ireo. Tsy voatery ho very isika, na hikorontan-tsaina na, diso fanantenana, na tsy haingam-piasa. Tena marina izany, indrindra amin’ny Raintsika any an-danitra, izay mampianatra sy manoro antsika ilay tena lalana fa tsy lalana iray ao anatin’ny maro.

Manana ny Lalana Andriamanitra

Raha ny tena marina, Andriamanitra dia manana ny lalana hiainana,1 hitiavana,2 hanampiana,3 hivavahana,4 hiresahana,5 hifaneraserana amin’ny tsirairay,6 hitarihana,7 hanambadiana,8 hanabeazan-janaka,9 hianarana,10 hahafantarana ny fahamarinana,11 hitoriana ny filazantsara,12 hisafidianana am-pahendrena ny zavatra hohanina,13 sns.

Miaraka amin’ny soratra masina, dia loharano lehibe ahitantsika ny lalan’ny Tompo ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana, Jeunes Soyez Fort (Ry Tanora Mahereza), sy ireo fampianarana hafa an’ireo apôstôly sy mpaminany velona.

  1. 1.

    Ohatra, nampianatra antsika ny Tompo ao amin’ny soratra masina hoe:

    “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.

    “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo, sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo” (Isaia 55:8–9).

  2. 2.

    Anisan’ireo ratsy amin’izao andro izao ny hoe “samy mandeha amin’ny làlany avy ny olona tsirairay” (F&F 1:16). Mampitandrina antsika ny ao amin’ny Ohabolana hoe: “aza manao anao ho hendry” sy hoe “aza miankina amin’ny fahalalanao” (jereo ny Ohabolana 3:5–7).

  3. 3.

    Nampianarina isika fa raha manao zavatra araka ny lalan’ny Tompo dia voafatotra Izy hitahy antsika ary afaka mitaky ny fampanantenany isika; ary raha tsy amin’ny lalany izany dia tsy manana fampanantenana isika (jereo ny F&F 82:10).

  4. 4.

    Nampitaha ny lalany amin’ny lalantsika ny Tompo tamin’ny fampianarany an’i Samoela mpaminany, izay nirahina hitady mpanjaka vaovao: “Fa hoy i Jehovah tamin’i Samoela, aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany; fa efa nolaviko izy: fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah: fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7)

  5. 5.

    Eny fa na dia mikasika ny faniriana eken’ny rehetra mba hanampy ny ory sy ny mahantra aza, dia manaiky ny safidintsika ny Tompo fa nampitandrina kosa Izy hoe: “Saingy tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany amin’ny fombako” (F&F 104:16). Raha tsy izany dia mety handratra azy ireo isika amin’ny fiezahantsika hanampy azy ireo. Nampianatra antsika hamporisika ny fahavitan-tena ny Tompo. Tsy tokony hanolotra na hanome ny zavatra azon’izy ireo atao na tokony hataony ho an’ny tenany isika na manana fahafahana amin’izany aza. Voamarina izany na aiza na aiza, mianatra ny ratsy avy amin’ny fanomezana maimaimpoana tsy misy tambiny izao tontolo izao. Mahalala ny tsara indrindra tokoa Andriamanitra.

‘Ndeha isika handinika ohatra vitsivitsy. Manana ny fomba hanaovany asa fitoriana ny Tompo. Hazavaina ao amin’ny soratra masina sy ny Torio ny Filazantsarako izany ary ampiharina araka ny fitarihan’ny Fanahy.

Manana ny fombany, na ny fomba hitiavana ny Tompo. Miteny ny olon’izao tontolo izao fa ny tena zava-dehibe dia ny fifankatiavan’ny olon-droa. Mampianatra antsika ny Ray any an-danitra fa manan-danja izany, kanefa mampianatra antsika mihoatra izany Izy: fa misy fomba sy fotoana ahazoan-dàlana hanehoana izany fitiavana izany.

Mifehy ny tenantsika

Nampianarina ny lalan’ny Tompo hatramin’ny fahatanorany i Joseph Smith. Raha nanontaniana momba ny fitarihany ny Fiangonana izy dia nanazava fa nampianatra fitsipika marina izy ary nifehy ny tenany ny mpikambana.14 Ry rahalahy sy anabavy, mbola mampianatra fitsipika marina ireo mpaminanintsika sy apôstôlintsika velona. Ny fanontaniana dia hoe: “Mampiasa ireny fitsipika ireny ve isika hifehezantsika ny tenantsika?”

Zavatra iray nampianarina antsika matetika ny hampitombo ny hery anaty ananantsika na aiza misy antsika na iza isika. Indrisy anefa fa voan’ny fakam-panahy isika ny hifindra monina amin’ny toerana vaovao, mieritreritra fa hanana namana betsaka kokoa ny zanatsika ka hahazo fandaharana tsaratsara kokoa ho an’ny tanora.

Ry rahalahy sy rahavavy, mieritreritra ve isika fa ny tanàna hipetrahantsika no tena zava-dehibe indrindra amin’ny famonjena ny zanatsika? Nampianatra antsika matetika ny apôstôly sy ny mpaminany fa manan-danja lavitra kokoa ny zava-mitranga ao anatin’ny tokantrano noho ny zavatra atrehin’ireo zanatsika any ivelany. Manan-danja kokoa ny fomba fanabeazantsika ny zanatsika noho ny toerana hanabeazantsika azy ireo.

Marina fa misy antony hafa mahatonga antsika hanapa-kevitra momba ny toerana hipetrahantsika, ary ankasitrahana tokoa fa hitarika antsika ny Tompo raha mikatsaka fanamafisana avy Aminy isika.

Fanontaniana hafa koa ny hoe: “Aiza no ilana antsika?” Nanompo nandritra ny 16 taona tao amin’ny fiadidian’ny tsatòkan’ny Houston Texas aho. Betsaka ireo nifindra monina tao amin’ny faritra nisy anay nandritra ireo taona ireo. Matetika izahay no naharay antso an-tariby milaza ny fifindran’ny olona iray ho ao ary nanontany hoe iza no paroasy tsara indrindra. Indray mandeha monja aho no naharay antso an-tariby izay nanontany ahy hoe: “Iza no paroasy mila fianakaviana tsara? Aiza no ahafahanay manampy?”

Tamin’ny fiandohan’ny Fiangonana, ny Filoha Brigham Young sy ireo hafa dia niantso mpikambana handeha amin’ny toerana iray mba hanangana ny Fiangonana tany. Ny mampihomehy dia misy mpikambana mahatoky hatramin’izao fotoana izao vonona ny handeha na aiza na aiza hanirahan’ny mpaminany azy ireo. Tena manantena tokoa ve isika fa ny Filoha Monson dia hiteny amin’ny tsirairay avy amin’ny 14 tapitrisa no mihoatra amintsika hoe aiza no ilana ny fianakaviantsika? Ny lalan’ny Tompo dia ny hihainoantsika ny fampianaran’ireo mpitarika antsika, hahatakarana fitsipika marina, ary hifehezantsika ny tenantsika.

Manan-danja indrindra

Amin’ny zava-mitranga rehetra ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, sy amin’ny fanafainganan’ny Tompo ny asany amin’ny lafiny rehetra, dia mbola manan-danja kokoa aza ny manao ny zavatra rehetra ataontsika amin’ny lalan’ny Tompo!

Indrindra fa ao amin’ny asa famonjena dia mianatra isika fa “tao amin’ ny fanomezana ny Zanany no efa nomanin’Andriamanitra ny lalana tena tsara indrindra” (Etera 12:11). Ny fotopampianaran’i Kristy “no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay ahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (2 Nefia 31:21).

Famaranana

Rehefa mahita ireo olona marobe izay miaina ao anatin’ny fisafotofotoan-tsaina eto amin’izao tontolo izao isika, na ratsy kokoa noho izany, izay miaina fiainana feno fahotana, ary mijaly noho ny vokatry ny safidy ratsy, dia mahatonga ahy te hihiaka tahaka an’i Almà izany hoe:

“Ô, inay anie aho anjely, ary nety nanana ny fanirian’ ny foko mba hahazoako mandeha sy miteny miaraka amin’ ny trompetran’Andriamanitra, amin’ ny feo mampihorohoro ny tany sy miantsoantso fibebahana amin’ ny vahoaka tsirairay!

“Eny, holazaiko ny fanahy tsirairay … sy ny drafitry ny fanavotana mba hibebahany sy hanatonany an’Andriamanitsika, mba tsy hisy alahelo intsony eo amin’ ny lafiny rehetra amin’ ny tany” (Almà 29:1–2).

Mijoro ho vavolombelona indray aho fa manana ny lalany ny Tompo! Mahafantatra antsika ny Raintsika any an-danitra, tia antsika Izy, ary te hanampy antsika. Izy no mahafantatra indrindra ny fomba hanampiana antsika. Tsy kamboty ara-panahy isika!

Ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 16:6; jereo koa ny Almà 38:9). Mifototra amin’ny fahamarinana mandrakizay ny lalany ary mitarika antsika amin’ny “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” (F&F 59:23). Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.