Manam-piniavana Hamela Heloka ny Mpamonjy

Nataon’ny Loholona Craig A. Cardon

Ao amin’ny Fitopololahy


Craig A. Cardon
Tia antsika ny Tompo ary tiany ny hahatakarantsika ny finiavany hamela heloka.

Nandritra ny fotoana nanaovan’ny Mpamonjy antsika ny asa fanompoany tety an-tany dia maro no nanara-dia azy, anisan’izany ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, “izay efa niala tamin’ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia, ary … Jerosalema.”1 Nisy lehilahy iray nararin’ny paralysisa tsy tafarina teo am-pandriany, izay naniry ny ho sitrana ka nentina namakivaky vahoaka maro, saingy tsy afaka ny hitondra azy hanakaiky ny Mpamonjy ireo namany, ka nentin’izy ireo izy niakatra tao an-tampon-trano izay nitoeran’ny Mpamonjy ka nampidininy avy tany. Rehefa nahita izany fanehoana finoana izany ny Mpamonjy, sady nanana tanjona lehibe izay tsy mbola fantatr’ireo mpihaino Azy, dia niteny hoe: “Ralehilahy, voavela ny helokao.”2

Tsy maintsy ho nanaitra ilay lehilahy izany—ary na dia tsy milaza na inona na inona momba ny fihetsiny manoloana izany aza ny soratra masina, dia angamba mety ho nieritreritra izy hoe: Mety ho nanontany tena izy hoe takatry ny Mpamonjy tokoa ve ny antony hahatongavany eo.

Fantatry ny Mpamonjy fa maro ireo olona no nanaraka Azy noho ireo fahagagana lehibe izay nataony. Efa nanova ny rano ho divay Izy,3 sy nandroaka fanahy ratsy,4 ary nanasitrana ny zanakalahin’ilay tandapa,5 sy lehilahy boka iray,6 ary ny rafozambavin’i Petera,7 sy ny maro hafa.8

Fa tamin’ity lehilahy mararin’ny paralysisa ity kosa ny Tompo dia nisafidy ny hanome porofon’ny anjara asany tsy manam-paharoa amin’ny maha Mpamonjy izao tontolo izao Azy, teo anatrehan’ireo mpianatra sy ireo izay tsy nino. Raha nandre ny tenin’ny Mpamonjy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia nanomboka niara-nisaina, nilaza amin’ny tsy fahafantarana fa fitenanana ratsy izany satria Andriamanitra ihany no afaka mamela heloka. Nahafantatra ny eritreriny ny Mpamonjy, ka niteny tamin’izy ireo hoe:

“Nahoana hianareo no mieritreritra ao am-ponareo?

“Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va, Voavela ny helokao; sa ny manao hoe, Mitsangàna, ka mandehana?”9

Tsy niandry ny valin-tenin’izy ireo ny Mpamonjy, fa nanohy nilaza hoe: “Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana ety ambonin’ny tany hamela heloka, [avy eo dia nitodika tany amin’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa Izy] Izaho milaza aminao hoe, Mitsangàna, ary batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.”10 Dia nataony izany!

Tamin’ny alàlan’izany fanasitranana ara-nofo mahagaga izany, no nanamafisan’ny Mpamonjy tamintsika rehetra ny amin’ity fahamarinana ara-panahy manan-kery lavitra kokoa ity: ny Zanak’olona dia mamela heloka!

Raha toa ka efa eken’ireo mpino rehetra izany fahamarinana izany, dia tsy ekena mora foana tahaka izany ilay fahamarinana manan-danja miaraka aminy hoe: ny Mpamonjy dia mamela heloka “ety ambonin’ny tany,” fa tsy amin’ny Fitsarana Farany fotsiny ihany. Tsy manao antsika ho afa-tsiny ao amin’ny otantsika Izy.11 Tsy manome lalana antsika hiverina amin’ireo otantsika taloha Izy.12 Kanefa rehefa mibebaka sy mankatò ny Filazantsarany isika, dia mamela ny helontsika Izy.13

Ao amin’izany famelana heloka izany no ahitantsika ny hery manome fahafahana sy manavotra ao amin’ny Sorompanavotana, izay mihatra amin’ny fomba mirindra sy feno halemem-panahy. Rehefa mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo isika, dia mankahery antsika ao anatin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika ny herin’ny Sorompanavotany izay manome fahafahana,14 ary ny heriny izay manavotra dia manamasina antsika rehefa “[manaisotra] ny maha-nofo ny olona [ao amintsika] isika.”15 Mitondra fanantenana ho an’ny rehetra izany, indrindra ho an’ireo izay mihevitra fa tsy mihatra amin’ny fahalemen’olombelona miverimberina ny finiavan’ny Mpamonjy hanampy sy hamonjy.

Nahafahan’ny Mpamonjy mitondra fahazavan-tsaina ho antsika16 ilay fanontanian’i Petera indray maka ny amin’ny hoe impiry izy no tokony hamela ny rahalahiny ary nanontany izy avy eo hoe: “Hatramin’ny impito va?” Azo antoka fa mihoatra noho ny ampy izany. Fa ny valintenin’ny Mpamonjy dia manome fahafahana antsika hahatakatra ny Fony izay feno famindrampo: “Tsy lazaiko aminao hoe, Hatramin’ny impito: fa hatramin’ny impito amby fitopolo.”17

Tia antsika ny Tompo ary tiany ny hahatakarantsika ny finiavany hamela heloka. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mihoatra ny in-20 ny Tompo no niteny tamin’ireo izay niresahany hoe: “Voavela ny fahotanao,” na teny mitovy amin’izany.18 Tamin’ny antsasany eo ho eo amin’ireo tranga ireo, dia niantefa manokana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny tenin’ny Tompo, indraindray niresaka taminy irery, indraindray niaraka tamin’ny olona hafa.19 Ny voalohany tamin’izany dia noraketina tamin’ny taona 1830, ary ny farany kosa dia tamin’ny taona 1843. Araka izany, tao anatin’ny taona maro ny Tompo dia namerimberina tamin’i Joseph hoe: “Voavela ny fahotanao.”

Na dia tsy “meloka amin’ny fahotana lehibe na mamohehatra”20 aza i Joseph, dia tsara ny hahatsiarovantsika fa ankoatra ny tranga miavaka vitsy monja, ilay “impito amby fitopolo” an’ny Tompo dia tsy mametra ny famelan-keloka arakaraka ny maha lehibe ny ota.

Raha niresaka tamin’ireo loholona tafavory tao Kirtland ny Tompo, dia niteny hoe: “Tiako ny handresenareo izao tontolo izao; koa hanana fangorahana anareo Aho.”21 Fantatry ny Tompo ny fahalementsika sy ny vokatra mandrakizay izay ateraky “izao tontolo izao” amin’ny lehilahy sy vehivavy tsy tonga lafatra.22 Ny teny hoe koa ao amin’io andininy io no filazany fa amin’ny alalan’ny fangorahany ihany no ahafahantsika amin’ny farany “[mandresy izao tontolo izao].” Ahoana no fisehon’io fangorahana io? Hoy Izy tamin’ireo loholona tao Kirtland ireo hoe: “efa navelako ny fahotanareo.”23 Manam-piniavana hamela heloka ny Mpamonjy.

Tsy misy tokony hieritreritra hoe izany famelan-keloka izany dia azo na dia tsy misy fibebahana aza. Hoy tokoa ny Tompo hoe: “Izaho Tompo dia mamela ny fahotan’ireo izay miaiky ny fahotany eo anoloako sy mangataka famelana,” ary avy eo dia nampiany ilay fepetra hoe: “afa tsy ireo izay nanota ho amin’ny fahafatesana.”24 Na dia “tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra”25 aza ny Tompo, dia manavaka ny maha lehibe ny fahotana sasany ihany Izy. Nolazainy fa tsy hisy famelan-keloka ho an’ny “fanevatevana ny Fanahy Masina.”26 Nambarany ny maha zava-dratsy ny famonoana olona27 ary nantitranteriny ny maha lalina ny fahotana ara-pahadiovam-pitondrantena toy ny fijangajangana.28 Nampahafantariny fa sarotra ny mahazo ny famelan-keloka avy Aminy raha toa miverimberina manao fahotana ara-pahadiovam-pitondrantena.29 Ary nilaza Izy fa “izay manota amin’ny hazavana lehibe kokoa dia handray fanamelohana lehibe.”30 Na izany aza anefa, noho ny Famindrapony lehibe, dia avelany hivoatra tsikelikely isika fa tsy takiany ho tonga lafatra eo no ho eo. Na dia eo aza ny fahotana maro vokatry ny fahalemena eo amin’ny fiainana an-tany, isaky ny mibebaka isika sy mikatsaka famelan-keloka avy Aminy, dia mamela heloka hatrany hatrany Izy.31

Noho izany, isika rehetra, anisan’izany ireo izay miezaka ny hiala amin’ny fahazaran-dratsy mampiankin-doha toy ny fandraisana zavatra voarara na ny fijerena zavatra mamoa fady sy ireo olona izay manodidina azy ireny, dia afaka mahafantatra fa ny Tompo dia hahalala ny ezaka ankitsim-po izay ataontsika ary hamela heloka am-pitiavana rehefa tanteraka ny fibebahana “Hatramin’ny impito amby fitopolo.” Izany anefa tsy midika fa ny olona iray dia afaka hanao fanahy iniana hiverina hanota kanefa tsy ho voasazy.32

Ny Tompo dia mijery hatrany ny ao am-pontsika,33 ary ireo finoana diso sy tsara lahatra dia tsy manamarina ny fahotana.34 Tamin’izao fotoam-pitantanana izao ny Tompo dia nampitandrina ny iray tamin’ireo mpanompony amin’izany hevitra tsara lahatra izany ka niteny hoe: “Aoka [izy] ho menatra ny tariky ny Nikôlaita sy ny fahavetavetany miafina.”35 Ny Nikôlaita dia antokom-pivavahana taloha izay nanambara fa manana alalana hanao fahotana ara-pahadiovam-pitondrantena noho ny famindram-pon’ny Tompo.36 Tsy ankasitrahan’ny Tompo izany.37 Tsy mahatonga antsika ho afa-tsiny ny fangorahany sy ny famindram-pony raha toa “tsy afa-po [ny fontsika] … ary tsy mankato ny fahamarinana [isika], fa mahita fahafinaretana ao amin’ny tsy fahamarinana.”38 Kanefa kosa, rehefa vitantsika ny zavatra rehetra azontsika atao,39 dia ny fangorahany sy ny famindram-pony no fomba ahafahantsika mandresy izao tontolo izao “rehefa afaka elaela”40 amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana izay manome fahafahana. Rehefa mikatsaka amim-panetren-tena izany fanomezana sarobidy izany isika, “ny zavatra malemy dia [ataony] tonga matanjaka ho [antsika]”41 ary amin’ny alalan’ny Heriny, no ahafahantsika manao izay zavatra tsy vitantsika samirery.

Ny Tompo dia mijery ny fahazavana izay noraisintsika,42 sy ny fanirian’ny fontsika,43 ary ny asa vitantsika,44 ary rehefa mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka avy Aminy isika, dia mamela heloka Izy. Rehefa mandinika ny fiainantsika sy ny fiainan’ireo olon-tiantsika sy ireo olom-pantatsika isika, dia tokony hanana finiavana torak’izany koa hamela heloka, na ny tenantsika na ny hafa.45

Ny Torio ny Filazantsarako dia miresaka ny maha sarotra ny fialana amin’ny fahazaran-dratsy mampiankin-doha ary mamporisika ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo mpikambana “tsy ho tohina na kivy” raha toa ka mbola manana ireo olana ireo ireo naman’ny fiangonana na ireo mpikambana vaovao. Raha ny tokony ho izy, dia toroana hevitra isika mba “haneho fahatokisana an’ilay olona ary tsy hitsara, … [mandray] izany ho toy ny toe-javatra mandalo sy azo leferina.”46 Moa ve isika afaka manao latsak’izany amin’ireo zanatsika na fianakaviantsika izay manana olana mitovy amin’izany, izay niala kely tamin’ny lalan’ny fahamarinana? Azo antoka fa mendrika ny tsy fiovaovantsika, sy ny faharetantsika, ary ny fitiavantsika izy ireo—ary koa, mendrika ny famelantsika heloka.

Vao tamin’ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny volana Ôktôbra lasa teo ny Filoha Monson no nanoro hevitra hoe:

“Mila mahatadidy isika fa afaka miova ny olona. Afaka miala amin’ireo fahazaran-dratsiny izy ireo. Afaka mibebaka tamin’ny fandikan-dalany izy ireo. …

“… Afaka manampy azy ireo handresy ny fahalemeny isika. Tokony hampitombo ny fahaizantsika mijery ireo lehilahy tsy amin’ny endriny amin’izao fotoana izao isika fa amin’ny zavatra mety ho vitany.”47

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana taloha, mitovy amin’ity fihaonambe atrehantsika ity, dia niteny tamin’ireo mpikambana ny Tompo hoe:

“Lazaiko aminareo marina tokoa, madio ianareo, nefa tsy ny rehetra; …

“Fa efa lo avokoa ny nofo eo anoloako. …

“… Satria marina tokoa fa meloka eo anoloako ny sasany aminareo, nefa ho feno famindram-po amin’ny fahalemenareo aho.48

Tsy miova ny hafany ankehitriny.

Fantatry ny Raintsika any an-danitra ny zavatra atrehantsika, fantany fa manota avokoa isika ary “tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”49 ombieny ombieny. Naniraka ny Zananilahy Izy, izay “Mahalala ny fahalemen’ny olona ary ny fomba hamonjena ireo izay alaim-panahy.”50 Nampianatra antsika Izy ny “[hivavaka] mandrakariva mba tsy [hidirantsika] amin’ny fakam-panahy.”51 Nasaina isika “[hitalaho] amin’ [Andriamanitra] ho famindrampo; fa mahery Izy ka mahavonjy.”52 Nandidy antsika ny Mpamonjy hibebaka53 sy hamela heloka.54 Ary na dia tsy mora aza ny fibebahana, rehefa miezaka amin’ny fontsika manontolo isika hankatò ny Filazantsarany, dia omeny izao fampanantenana izao: “Lazaiko aminareo marina tokoa, na dia eo aza ny [fahotanareo], dia feno fangorahana [aminareo] ny kiboko. Tsy holaviko tanteraka [ianareo]; ary amin’ny androm-pisafoahana dia hahatsiaro famindram-po Aho.55 Manam-piniavana hamela heloka ny Mpamonjy.

Isan-kerinandro ny fandaharana mandeha amin’ny haino aman-jery ataon’ny Amboarampeon’ny Tabernakely Môrmôna dia manomboka amin’ny tononkira mankahery ao amin’ny fihirana fantantsika nosoratan’i William W. Phelps hoe “Elevons nos chants sacrés.” Ny tonon’ny andininy fahaefatra anefa dia tsy fantatsika tahaka izany:

Dera ho an’ny Tompo izay masina.
Noho ny teniny sarobidy: …
Mibebaha, Mibebaha;
Fa na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanao,
Mibebaha dia ho voavela ny helokao.56

Manasa anareo aho mba hahatsiaro sy hino ny tenin’ny Tompo sy hampihatra ny finoana Azy amin’ny fibebahana.57 Tiany ianareo. Manam-piniavana hamela heloka Izy. Mijoro ho vavolombelona momba izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1. Lioka 5:17; jereo koa ny Marka 2:2.

  2.  

    2. Lioka 5:20; jereo koa ny Matio 9:2; Marka 2:5.

  3.  

    3. Jereo ny Jaona 2:1–11.

  4.  

    4. Jereo ny Marka 1:21–28; Lioka 4:33–37.

  5.  

    5. Jereo ny Jaona 4:46–54.

  6.  

    6. Jereo ny Matio 8:1–4; Marka 1:40–45; Lioka 5:12–15.

  7.  

    7. Jereo ny Matio 8:14–15; Marka 1:29–31; Lioka 4:38–39.

  8.  

    8. Jereo ny Matio 8:16–17; Marka 1:32–34; Lioka 4:40–41.

  9.  

    9. Lioka 5:22–23; jereo koa ny Matio 9:3–5; Marka 2:6–9.

  10.  

    10. Lioka 5:24; nampiana fanamafisana; jereo koa ny Matio 9:6–7; Marka 2:10–12.

  11.  

    11. Jereo ny 1 Korintiana 6:9–10; Almà 11:34, 37; Helamàna5:10–11.

  12.  

    12. Jereo ny 2 Petera 2:20; Jakôba 2:10 ao amin’ny Testamenta Vaovao; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:7.

  13.  

    13. Jereo ny Isaia 1:18; Jeremia 31:34; Lioka 7:36–50; Enôsa 1:5; Almà 24:10; Môrônia 6:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:32; 58:42–43.

  14.  

    14. Jereo ny Jakôba 4:7 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna; Almà 14:26; Môrônia 10:7.

  15.  

    15. Môsià 3:19; jereo koa ny 2 Nefia 10:24–25.

  16.  

    16. Jereo ny Almà 32:28, 34.

  17.  

    17. Matio 18:21–22; nampiana fanamafisana; jereo koa ny Lioka 17:1–4.

  18.  

    18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–7; 25:3; 29:3; 31:5; 36:1; 50:36; 60:6–7; 61:2; 62:3; 64:1–4, 5–7, 15–17; 75:6–8; 82:1; 84:60–61;90:1, 6; 108:1; 110:5; 112:3; 124:74–76, 78; 132:50.

  19.  

    19. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–7; 29:3; 60:6–7; 61:2; 62:3; 64:5–7; 84:60–61; 90:1; 110:5; 132:50.

  20.  

    20. Joseph Smith—Tantara 1:28.

  21.  

    21. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:2; nampiana fanamafisana.

  22.  

    22. Jereo ny 1 Nefia 20:9–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:2; 50:41; 63:47; 108:1–8.

  23.  

    23. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:3.

  24.  

    24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7.

  25.  

    25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31; jereo koa ny andininy 32–33; Almà 45:16.

  26.  

    26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:27; jereo koa ny Matio 12:31; Lioka 12:10.

  27.  

    27. Jereo ny Eksôdôsy 20:13; Môsià 13:21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19; Mosesy 5:31–36.

  28.  

    28. Jereo nyAlmà 39:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:24–26.

  29.  

    29. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–26, 75–78, 80–82; 63:13–17; 76:103.

  30.  

    30. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3; jereo koa ny Jaona 15:22.

  31.  

    31. Jereo ny Môrônia 6:8.

  32.  

    32. Jereo ny Môsià 15:26.

  33.  

    33. Jereo ny 1 Samoela 16:7; Salamo 24:3–4; Ohabolana 23:7; Matio 15:18–20; Marka 7:20–23; Hebreo 3:12; 3 Nefia 12:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:8; 64:34.

  34.  

    34. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–30; 121:37.

  35.  

    35. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:11.

  36.  

    36. Jereo ny Bible Dictionary, “Nicolaitans.”

  37.  

    37. Jereo ny Apôkalipsy 2:6, 15.

  38.  

    38. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:15.

  39.  

    39. Jereo ny 2 Nefia 25:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:4.

  40.  

    40. Mosesy 7:21.

  41.  

    41. Etera 12:27.

  42.  

    42. Jereo ny Jaona 15:22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:33; 82:3.

  43.  

    43. Jereo ny Almà 41:5–6; 3 Nefia 9:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9.

  44.  

    44. Jereo ny 1 Nefia 15:33; Almà 41:3–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9.

  45.  

    45. Jereo ny Matio 6:14–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8–10; 98:39–48.

  46.  

    46. Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 189.

  47.  

    47. Thomas S. Monson, “Mijery ny hafa araka izay mety ho ahatongavany,” Liahona, Nôv. 2012, 68, 69; nampiana fanamafisana.

  48.  

    48. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:10–11, 14; nampiana fanamafisana.

  49.  

    49. Romana 3:23.

  50.  

    50. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1; jereo koa ny Almà 7:12.

  51.  

    51. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:39; nampiana fanamafisana.

  52.  

    52. Almà 34:18; nampiana fanamafisana; jereo koa ny 2 Nefia 31:19; Almà 7:14.

  53.  

    53. Jereo ny Helamàna 13:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4, 13–21.

  54.  

    54. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8–10.

  55.  

    55. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:9; nampiana fanamafisana; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7.

  56.  

    56. “Elevons nos chants sacrés,” Cantiques, no. 83.

  57.  

    57. Jereo ny Almà 34:15–17.