Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena

Nataon’ny Loholona David A. Bednar

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


David A. Bednar
Hampitombo ny fifaliantsika mandritra ny fiainana an-tany ary mahatonga ny fivoarantsika ho azo tanterahina ao anatin’ny mandrakizay ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Ny hafatra entiko dia mamaly fanontaniana manan-danja izay misy vokany lehibe eo amin’ny ara-panahy: Nahoana no manan-danja tokoa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Mivavaka aho mba hanamarina ny fahamarinan’ireo fitsipika hohamafisiko eto ny Fanahy Masina.

Ny Drafitry ny Fahasambaran’ny Ray

Ny maha zava-dehibe mandrakizay ny fahadiovam-pitondrantena dia tsy afaka ny ho takatra afa-tsy ao anatin’ny fivelaran’ny votoatin-kevitry ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any an-danitra ho an’ny zanany ihany. “Ny olombelona rehetra—ny lahy sy ny vavy—dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary … manana toetra sy anjara araka an’Andriamanitra” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129). Niara-niaina tamin’Andriamanitra tamin’ny naha-zanany ara-panahy ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra talohan’ny nahatongavana tety an-tany amin’ny maha-mety maty. Ny drafitry ny Ray dia nanome fahafahana ireo zanany lahy sy vavy ara-panahy hahazo vatana, hiaina ny fiainana an-tany, ary hivoatra ho any amin’ny fisandratana faratampony.

Ny Maha zava-dehibe ny Vatana

Ny vatantsika dia manome fahafahana hahazo traikefa lalina sy mahery vaika, izay tsy afaka ny ho azo mihitsy nandritra ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Noho izany, ny fifandraisantsika amin’ny olona hafa, ny hery ananantsika ny hanaiky sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary ny fahafahatsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mihamafy amin’ny alalan’ny vatantsika. Mandritra ny fiainana mety maty isika dia miaina halemem-panahy, fitiavana, hatsaram-panahy, fahasambarana, alahelo, fahadisoam-panantenana, fanaintainana, eny fa na dia ireo zava-tsarotra avy amin’ny sakana ara-batana aza, izay manomana antsika amin’ny mandrakizay. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia misy ireo lesona tsy maintsy ianarantsika sy ireo traikefa tsy maintsy ananantsika araka izay faritan’ny soratra masina manao hoe “araka ny maha-nofo” (1 Nefia 19:6; Almà 7:12–13).

Ny Hery Hananana Zanaka

Taorian’ny nahariana ny tany dia napetraka tao amin’ny Saha Edena i Adama. Fa ny zava-dehibe nolazain’Andriamanitra aza dia ny hoe: “tsy tsara raha irery ralehilahy” (Mosesy 3:18; jereo koa ny Genesisy 2:18), ary lasa vady sy mpanampy sahaza ho an’i Adama i Eva. Ny fiarahana tsy manan-tsahalan’ny fahafahana ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetseham-po an’ny lahy sy ny vavy dia nilaina mba hanatanterahana ny drafitry ny fahasambarana. “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy” (1 Korintiana 11:11). Ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao mba hianatra avy amin’ny tsirairay, hifankahery, hifampitahy, ary hifameno.

Tendrin’Andriamanitra ny fomba namoronana ny fiainana an-tany. “Ny didy voalohany … nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva dia momba izay mety haha-ray aman-dreny azy amin’ny maha-mpivady azy” (Liahona, Nôv. 2010, 129). Ny didy ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany dia mbola manan-kery amin’izao fotoana izao. Noho izany, ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy no fomba iray nahazo lalana izay hidiran’ireo fanahy any amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana amin’ny fiainana an-tany. Ny tsy fanaovana ny firaisana ara-nofo mihitsy alohan’ny fanambadiana sy ny fijanonana ho mahatoky tanteraka ao anatin’ny fanambadiana dia miaro ny fahamasinan’io fomba masina io.

Ny hery hanan-janaka dia manan-danja ara-panahy. Ny fampiasana io hery io tsy araka ny tokony ho izy dia mikatsaka ny hanimba ny tanjon’ny drafitry ny Ray sy ny fisiantsika eto an-tany. Ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany Lahy Malalany dia mpahary ary nanankina tamintsika tsirairay avy ny ampahany amin’ny fahefan’Izy ireo mamorona. Ny torolalana manokana amin’ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fahafahana mamorona aina dia zavatra tena ilaina ao amin’ny drafitry ny Ray. Ny zavatra tsapantsika sy ny fomba fampiasantsika io herin’Andriamanitra io dia hamaritra amin’ny ankapobeny ny fahasambarantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ny anjarantsika mandrakizay.

Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks hoe:

“Ny hery hamoronana ny fiainana an-tany no hery avo indrindra nomen’Andriamanitra ireo zanany. Takian’ny didy voalohany ny fampiasana izany, kanefa misy didy iray lehibe hafa izay nomena mba handrara ny fampiasana izany tsy araka ny tokony ho izy. Ny fanantitranterana ataontsika amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia mazava amin’ny alalan’ny fahatakarantsika ny tanjon’ny hery entina hananan-janaka ho anisan’ny fanatanterahana ny drafitr’Andriamanitra. …

“Any ivelan’ny fanambadiana, na toy ny ahoana ny haben’izany na toy ny ahoana, ny fampiasana ny hery entina hananan-janaka dia heloka manimba sy fametavetana ny toetra masina indrindra ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nôv. 1993, 74).

Ny Fitsipiky ny Fahadiovam-pitondrantena

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany dia manana fitsipika tokana sy tsy miovaova mikasika ny fahadiovam-pitondrantena manao hoe: ny firaisana ara-nofo dia tsy azo atao raha tsy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny fanambadiana ihany, izay voalaza ao amin’ny drafitr’Andriamanitra. Ny fifandraisana toy izany dia tsy zava-mahaliana tiana hofantarina fotsiny ihany, na filàna tiana omena fahafaham-po, na karazana fandaniana andro na fialamboly atao amin’ny fitiavan-tena. Tsy fifaninanana ho vitaina izany na zavatra tokony ho atao fotsiny ihany. Izy ireo kosa eo amin’ny fiainana an-tany dia iray amin’ireo fanehoana faratampony ny toetra araka an’Andriamanitra sy ny hery anaty ananantsika ary fomba hanamafisana ny fifamatorana ara-pihetseham-po sy ara-panahy eo amin’ny mpivady. Isika dia olona nomena fitahiana hanao safidy tsara ary voafaritra amin’ny alalan’ny lovantsika masina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra—fa tsy amin’ny alalan’ny fitondrantena eo amin’ny filàna ara-nofo, ny fihetsika maoderina, na ny filôzofia lahika.

Ny Olona Araka ny Nofo

Amin’ny ampahany, ny olona araka ny nofo izay noresahan’ny Mpanjaka Benjamina dia velona tokoa ao anatin’ny tsirairay avy amintsika (jereo ny Môsià 3:19). Ny lehilahy na vehivavy araka ny nofo dia tsy mibebaka, olon’ny nofo sy manaram-batana (jereo ny Môsià 16:5; Almà 42:10; Mosesy 5:13), mamela ny zavatra handeha ho azy sy mpanao zavatra diso tafahoatra, ary mpieboebo sy tia tena. Araka ny nampianarin’ny Filoha Spencer W. Kimball, “Ny ‘olona araka ny nofo’ dia ny ‘olon’izao tontolo izao’ izay mamela ny firehetam-po toy ny an’ny biby iraisan’ny be sy ny maro hanalokaloka ny fironany ara-panahy” (“Ocean Currents and Family Influences,” Ensign, Nôv. 1974, 112).

Mifanohitra amin’izay, ny “olon’i Kristy” (Helamàna 3:29) dia ara-panahy ary mifehy ny filana rehetra (jereo ny Almà 38:12), tsy manao zavatra tafahoatra sy mahafehy tena, ary tia miantra sy tia ny hafa. Ny lehilahy sy vehivavin’i Kristy dia mihaino ny tenin’Andriamanitra, manda ny tenany ary mitondra ny hazo fijaliany (jereo ny Matio 16:24; Marka 8:34; Lioka 9:23; F&F 56:2), ary mandroso ao amin’ny lalana ety sy terin’ny fahatokiana, ny fankatoavana, ary ny fanoloran-tena ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.

Koa satria zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra isika dia nandova hery masina ao anaty avy Aminy. Saingy mitoetra ao anatin’ny tontolo lavo isika amin’izao fotoana izao. Ireo singa fototra namoronana ny vatantsika dia lavo amin’ny toetrany voajanahary ary iharan’ny fanintonan’ny ota, ny faharatsiana, ary ny fahafatesana hatrany. Vokatr’izany, ny Fahalavoan’i Adama sy ny vokatr’izany ara-panahy sy ara-batana dia misy fiantraikany mivantana amin’ny ankapobeny amin’ny alalan’ny vatantsika. Na izany aza anefa dia mizara roa ny tenantsika, satria ny fanahintsika izay ampahany mandrakizay amintsika dia mitoetra ao amin’ny vatantsika izay iharan’ny Fahalavoana. Nanantitrantitra ny Apôstôly Petera i Jesoa hoe: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery” (Matio 26:41).

Ny toetra voajanahary marin’ny fitsapana amin’ny fiainana an-tany, noho izany, dia azo fintinina ao amin’ity fanontaniana manaraka ity: Hanao zavatra amin’ny fironan’ny olona araka ny nofo ve aho, na hihaino ny fitaoman’ny Fanahy Masina ve aho ary hanaisotra ny maha olona araka ny nofo ary tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo (jereo ny Môsià 3:19)? Izay ilay fizahan-toetra. Ny filana, ny faniriana, ny fironana, ary ny fihetsehampo tsy hay tohaina rehetra an’ny olona araka ny nofo dia azo toherina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Eto an-tany isika mba hampitombo toetra tahaka ny an’Andriamanitra sy hifehy ny filan’ny nofo rehetra.

Ny Fikasan’ny Fahavalo

Ny drafitry ny Ray dia natao mba hanome torolalana ho an’ireo zanany, mba hanampiana azy ireo ho faly, ary hitondrana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Aminy miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty sy nasandratra. Maniry antsika ho tafaraka ao amin’ny fahazavana ny Ray any an-danitra ary ho feno fanantenana. Etsy ankilan’izay, i Losifera dia miasa mafy mba hampisafotofoto saina hampahory ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ary hanakantsakana ny fivoaran’izy ireo mandrakizay. Ny tanjona fototry ny rain’ny lainga dia ny hahatonga antsika rehetra ho “fadiranovana tahaka azy” (2 Nefia 2:27). Tian’i Losifera ho irery ao amin’ny haizina sy tsy manana fanantenana isika amin’ny farany.

Miasa tsy misy fitsaharana manao hosoka ireo singa manan-danja indrindra amin’ny drafitry ny Ray i Satana. Tsy manana vatana izy, ary ny fivoarany mandrakizay dia nosakanana. Toy ny renirano mikoriana sakanan’ny toho-drano, ny fivoarana mandrakizain’ny fahavalo dia voasakana satria tsy manana vatana izy. Noho ny fikomiany, i Losifera dia nanda ho an’ny tenany ireo fitahiana sy traikefa rehetra amin’ny fiainana an-tany izay afaka ny hotanterahina amin’ny alalan’ny vatana nofo sy taolana. Tsy afaka mianatra ireo lesona izay tsy azon’iza ianarana afa-tsy izay fanahy manana vatana ihany izy. Mankahala ny fisiana ara-bakiteny sy manerana izao tontolo izao ny fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty izy. Ny iray amin’ireo hevitry ny teny hoe “voaozona” azo heverina ao amin’ny soratra masina dia hita taratra amin’ny tsy fahafahany manohy mivoatra sy tonga tahaka ny Raintsika any an-danitra.

Satria tena manan-danja amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray sy ny fivoarantsika ara-panahy ny vatana, dia mikatsaka ny hanembantsembana ny fivoarantsika i Losifera amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika mba hampiasa ny vatantsika tsy araka ny tokony ho izy. Iray amin’ireo zavatra maneso sy mampihomehy indrindra momba ny mandrakizay ny hoe, ny fahavalo, izay fadiranovana tokoa satria tsy manana vatana, dia maka fanahy antsika hifampizara aminy ny fijaliany amin’ny alalan’ny fampiasana amin’ny fomba tsy mety ny vatantsika. Noho izany, ny fitaovana tsy hananany no tarigetrany voalohany amin’ny fikasany mba hitarika antsika any amin’ny fahasimbana ara-panahy.

Ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia fahotana mampahory sy fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny vatantsika. Ho an’ireo izay mahafantatra sy mahatakatra ny drafitry ny famonjena, ny fandotoana ny vatana dia fikomiana (jereo ny Môsià 2:36–37; F&F 64:34–35) ary fandavana ny maha-isika antsika marina amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra antsika. Rehefa mijery mihoatra ny fiainana an-tany sy mijery ny mandrakizay isika, dia mora ny manavaka fa tsy maharitra ary tsy misy akory ny fiarahana ho toy ny namana mandrakariva mody atolotry ny fahavalo.

Ireo Fitahiana Avy amin’ny Fahadiovam-pitondrantena

Nananatra an’i Siblôna zanany lahy i Almà mba “hifeheza[ny] ny fila[ny] rehetra mba hahatonga [azy] ho feno fitiavana” (Almà 38:12). Tena manan-danja tokoa fa ny fifehezana ny maha olona araka ny nofo ao amintsika tsirairay avy dia mahatonga ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny zanany ho betsaka sy lalina ary maharitra kokoa. Mitombo ny fitiavana rehefa mifehy tena amim-pahitsiana isika ary mihena izany rehefa manaiky ny ho azon’ny fakam-panahy isika.

Nanambara ny Filoha Marion G. Romney hoe:

“Amiko dia tsy misy fitahiana tena irina mafy mihoatra ireo izay nampanantenaina ho an’ireo madio sy manana hatsaran-toetra. Niresaka mikasika ny valisoa manokana ho an’ny hatsaran-toetra hafa i Jesoa, fa nanokana ny lehibe indrindra, araka ny fahitako azy, ho an’ireo madio am-po, ‘fa izy’ araka ny voalazany ‘no hahita an’Andriamanitra’ (Matio 5:8). Ary tsy hahita an’Andriamanitra fotsiny ihany izy ireo fa hahatsapa ho toy ny maivamaivana eo anatrehany.

“Inty ny … fampanantenan’ny Mpamonjy: ‘Aoka handravaka tsy ankijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy, dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra’ (F&F 121:45)” (“Trust in the Lord,” Ensign, Mey 1979, 42).

Ampanantenaina ihany koa isika fa rehefa manohy ny lalan’ny hatsaram-panahy dia “ny Fanahy Masina no ho naman[tsika] lalandava” (F&F 121:46). Noho izany, ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia manasa ny sasany amin’ireo fitahiana lehibe indrindra tokony ho ho azon’ny lehilahy sy vehivavy eto amin’ny fiainana an-tany—fahatokian-tena ara-panahy araka ny tokony ho izy eo anatrehan’ny fianakaviana, ny namana, ireo mpiara-mivavaka, ary amin’ny farany, eo anatrehan’ny Mpamonjy. Ny faniriana voajanahary ao amintsika mba ho an’ny hafa dia ho tanteraka amim-pahamarinana rehefa mandeha amin’ny hazavana miaraka amin’ny fanantenana isika.

Ny Fitsipiky ny Fibebahana

Ny sasany aminareo izay mandray ity hafatra ity dia mila mibebaka amin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena na fahotana hafa. Ny mpamonjy matetika dia antsoina ho ilay Mpanasitrana Lehibe, ary io anarana fiantsoana io dia sady tandindona manana heviny ara-bakiteny. Isika rehetra dia niaina ny fanaintainana miaraka amin’ny ratra ara-batana na fery. Rehefa ao anatin’ny fanaintainana isika dia mikatsaka ny ho maivamaivana araka ny mahazatra ary feno fankasitrahana noho ny fanafody sy fitsaboana nanampy tamin’ny fampihenana ny fijaliantsika. Raiso ho toy ny fery ara-panahy ny fahotana izay mahatonga fahatsapana ho meloka na, araka izay nofaritan’i Almà tamin’i Kôriantôna zanany lahy hoe “fanenenan’ny fieritreretana” (Almà 42:18). Ny fahatsapana ho meloka ho an’ny fanahintsika dia mitovy amin’ny fanaintainana ho an’ny vatantsika—fampitandremana ny loza sy fiarovana amin’ny fahavoazana fanampiny. Mikoriana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny balsaman’ny fampitoniana izay afaka manasitrana ny ferintsika ara-panahy ary manala ny fahatsapana ho meloka. Io balsama io anefa dia tsy afaka ny ho ahosotra afa-tsy amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ny fibebahana, ary ny fankatoavana mandrakariva. Ny vokatry ny fibebahana marina dia fiadanan-tsaina, fitoniana, ary fanasitranana sy fanavaozana ara-panahy.

Ny eveka na ny filohan’ny sampana misy anareo no mpitsabo mpanampy ara-panahy nahazo lalana hanampy anareo hibebaka sy ho sitrana. Tsarovy anefa, fa ny halehibeny sy ny hamafin’ny fibebahanao dia tsy maintsy mifanandrify amin’ny toetra sy ny halehiben’ny fahotana vitanao—indrindra fa ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nanao fanekem-pihavanana masina. Ny fery ara-panahy atahorana dia mitaky fitsaboana maharitra sy fotoana mba ho sitrana tanteraka sy feno.

Fampanantenana sy Fijoroana ho Vavolombelona

Ny fotopampianarana nolazaiko dia mety ho toy ny antitra sy lany andro ho an’ny olona maro eo amin’ny tontolo izay tsy mitsaha-maneso ny fahamasinan’ny fananan-janaka ary tsy mampihena ny lanjan’ny fiainan’olombelona. Saingy tsy ovaovain’ny zavatra ironan’ny be sy ny maro, ny laza, na ny hevitry ny olona rehetra ny fahamarinan’ny Tompo. Mampanantena aho fa hampitombo ny fifaliantsika mandritra ny fiainana an-tany ary mahatonga ny fivoarantsika ho azo tanterahina ao anatin’ny mandrakizay ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ny fahadiovam-pitondrantena sy ny hatsaran-toetra dia “soa sy sarobidy indrindra tambonin’ny zava-drehetra”, sy efa toy izany hatramin’izay, ary mbola ho toy izany hatrany (Môrônia 9:9). Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.