2013
Nanavotra ny Andro i Max sy i Mia
Aprily 2013


Nanavotra ny Andro i Max sy i Mia

Niomana mba hilalao ilay mahery fo mahagaga i Max. Nanaovany ny t-shirt menany. Nanaovany koa ny akanjo lava fanaon’ny mahery fo mahagaga. Avy eo izy dia nankany amin’ny efitranon’ny zandriny vavy.

“Ndao ry Mia,” hoy i Max. “Ndao handeha hanavotra ny andro!”

Nankao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny i Max sy i Mia. Nahita sobika feno akanjo izy ireo.

“Afaka manampy ahy ve ianareo?” hoy i Neny nanontany.

“Eny,” hoy i Max. “Avy eo izahay afaka mandeha manavotra ny andro.”

Nanampy an’i Neny i Max sy i Mia namalona ireo akanjo sy nampirina izany.

Avy eo dia nahita fako teo amin’ny tany i Max. “Andao hitsimpona ny fako rehetra,” hoy i Max. “Avy eo isika afaka mandeha manavotra ny andro.”

Nihazakazaka nanerana ny trano i Max sy i Mia. Narian’izy ireo daholo izay fako hitan’izy ireo.

Nahita an’i Neny namafa trano tao an-dakozia izy ireo. “Afaka manampy anao izahay,” hoy i Max.

I Mia no nitazona ny fandraofam-pako raha i Max kosa no namafa ny gorodona.

“Andao amin’izay izao handeha hanavotra ny andro,” hoy i Max.

Nijery an’ilay trano madio tsara i Neny. Avy eo dia nofihininy i Max sy i Mia. “Raha ny hevitro dia efa vitanareo izany!”

Sary nataon’i Elise Black