2013
Ilay Misionera Kelin’i Bebe Deny
Aprily 2013


Ilay Misiônera Kelin’i Bebe Deny

I Emília Maria Guimarães Correa dia monina any amin’ny Distrikan’i Federal, Brésil.

“Fa rehefa miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny olona iray, ny herin’ ny Fanahy Masina dia mitondra izany hankany am-pon’ ny zanak’ olombelona” (2 Nefia 33:1).

Niara-nipetraka tamin’ny reniny sy ny anabaviny i Vítor, tany amin’ny tranon’i Deny renibeny. Narary ny reniben’i Vítor ary tsy afa-niala teo am-pandriana nandritra ny herinandro maromaro. Nanirery izy raha tavela irery tao amin’ny efitra fandriany.

Nanapa-kevitra i Vítor fa azony atao ny miaraka amin’i Bebe Deny hanala fahanginana azy. Isan’andro rehefa mody avy any an-tsekoly izy dia mitondra boky Liahona iray mankao amin’ny efitranon’i Bebe Deny ary mamaky tantara ho azy ao amin’ireo pejy natokana ho an’ny ankizy.

Rehefa voavakiny avokoa ireo Liahona rehetra ananan’ny fianakaviany dia manomboka mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly ho azy izy. Tsy mpikamban’ny Fiangonana i Bebe Deny, saingy tiany ny mihaino an’i Vítor mamaky teny ho azy. Faly izy mianatra mikasika ny filazantsara.

Nametraka fanontaniana maro i Bebe. Raha tsy fantatr’i Vítor ny valiny dia anontaniany ny mpampianatra azy ao amin’ny Kilonga izany, na jereny ao amin’ny soratra masina. Nantsoin’i Bebe hoe ilay misiônera keliny i Vítor.

Nolazain’i Bebe tamin’i Vítor fa nianatra zavatra betsaka taminy izy. Nampanantena izy fa handeha hiangona hiaraka aminy rehefa sitrana. Nahatonga azy ho te ho sitrana sy handalina misimisy kokoa mikasika ny filazantsara ny zavatra izay nianarany.

Nony nihasalama i Bebe dia nitazona ny teniny izy. Nankany am-piangonana niaraka tamin’i Vítor izy mba hianatra misimisy kokoa mikasika ny zavatra izay nampianarin’i Vítor azy. Tsy ela akory dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana i Bebe. Nanampy azy i Vítor hahafantatra fa marina ny filazantsara.

Nony nihalehibe i Vítor dia lasa misiônera tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misionan’i Boston Massachusetts. Talohan’ny nandehanany dia nankany amin’ny tempoly izy—niaraka tamin’i Bebe Deny.

Sary nahazoana lalana tamin’i Emilia Maria Guimarães Correa