2013
Fanontaniana sy Valiny mikasika ny Tempoly
Aprily 2013


Fanontaniana sy Valiny mikasika ny Tempoly

Fa nahoana isika no manana tempoly?

Ireo tempolin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia toerana masina izay hianarantsika fahamarinana mandrakizay ary handraisantsika anjara amin’ireo ôrdônansy masina.

Tahaka ny ahoana ny ao anatin’ny tempoly?

Toerana feno fiadanana sy fanajana ary kanto ny tempoly. Madio sy milamina avokoa ny zavatra rehetra ao anatin’ny Tempoly. Mitafy ankanjo fotsy daholo ny rehetra ary miteny mora rehefa miresaka.

Inona no zava-mitranga ao amin’ireo tempoly?

Azo fehezina ireo mpivady ary azo fehezina amin’ireo ray aman-dreniny ireo ankizy. Ny famehezana no ahafahan’ireo fianakaviana ho tafaraka mandrakizay. Ao amin’ny tempoly ireo lehilahy sy ireo vehivavy dia mandray ihany koa fanomezana fitahiana ara-panahy izay antsoina hoe fanafiana masina. Afaka mandray ny fanafiana masina koa izy ireo ary azo fehezina eo amin’ny toeran’ireo efa nodimandry izay tsy afaka nanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Inona koa no zavatra hafa mitranga ao amin’ireo tempoly?

Ankoatra ny famehezana sy ny fanafiana masina dia anatanterahana ôrdônansy hafa koa ao amin’ireo tempoly. Azo atao batisa sy raisina ho mpikambana koa ny olona eo amin’ny toeran’ireo izay tsy afaka niditra tao amin’ny Fiangonana nandritra ny fahavelomany. Rehefa feno 12 taona ianao ka mendrika ny hiditra ny tempoly dia manana fahafahana hatao batisa sy raisina ho mpikambana ho an’ireo izay nodimandry tsy nahalala ny filazantsara.

Ahoana raha toa ka tsy mbola tany amin’ny tempoly ny fianakaviako?

Mahafantatra ary tia anao sy ny fianakavianao ny Ray any An-danitra. Tiany hahazo ireo fitahiana entin’ny ôrdônansin’ny tempoly ny rehetra. Manàna fiainana mendrika mba hidirana ny tempoly. Mametraha tanjona amin’izao fotoana izao fa indray andro any ianao dia handray ny fanafiana masina sy hanambady any amin’ny tempoly. Hitahy anao sy ny fianakavianao ny Ray any An-danitra.

Sary nataon’i Brad Teare