2013
Nahoana no manana anarana lava be toy izany ny Fiangonana?
Aprily 2013


Vavolombelona Manokana

Nahoana no manana anarana lava be toy izany ny Fiangonana?

Nalaina avy tamin’ny “Ny Maha-Zava-dehibe ny Anarana,” Liahona, Nôv. 2011, 79–82.

Sary
Loholona M. Russell Ballard

Vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

I Jesoa Kirsty mihitsy no nanome anarana ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4).

Ny teny hoe Fiangonan’i’i Jesoa Kristy dia manambara fa ity no Fiangonany.

Ny hoe Ny Andro Farany dia manazava fa ity ihany ilay Fiangonana naorin’ i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany saingy naverina tamin’ ny laoniny amin’ izao andro farany izao.

Ny hoe Olomasina dia midika fa manaraka Azy isika ary miezaka ny hanao ny Sitrapony.

Ny mpikambana ato amintsika dia nantsoina hoe Môrmôna satria isika mino ny Bokin’i Môrmôna, saingy tokony hampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana isika na aiza na aiza maha-mety izany.

Sary nataon’i Brad Teare