2013
Voasarika ho any amin’ny Tempoly
Aprily 2013


Voasarika ho any amin’ny Tempoly

Sary
Loholona Jairo Mazzagardi

Ho an’ny ankamaroan’ny olona tsara, ny tempoly dia mitondra fahatsapana izay afaka milentika avy hatrany any am-po.

Talohan’ny niantsoana ahy ho mpikambana tao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy dia nandany taona maromaro izahay mivady nanompoana tao amin’ireo Tempolin’i Campinas sy Sao Paulo, tany Brésil. Tao amin’ireo tempoly roa ireo dia matetika aho no talanjona fa voasarika loatra tamin’ireo tempoly ny olona izay mandalo ka dia mijanona sy miditra ary manontany momba izany.

Rehefa miditra izy ireo dia ampahafantarinay fa tsy afaka mandroso lalindalina kokoa izy ireo raha tsy nanaraka ny fiomanana sahaza an’izany. Avy eo dia hazavainay amin’izy ireo ny tanjon’ny tempoly, zarainay aminy ny fotopampianarana fototra sasantsasany ao amin’ny filazantsara ary dia asainay izy ireo hihaona amin’ireo misiônera. Ho an’ny ankamaroan’ny olona tsara, ny tempoly mihitsy dia efa misiônera iray mahatalanjona noho izy mitondra fahatsapana izay afaka milentika avy hatrany any am-po.

Fantatray sy Elizabeth vadiko avy amin’ny zavatra niainana manokana ny herin’izany fahatsapana izany. Efa ho 40 taona lasa izay dia nisy namana tsara sy mpiara-miasa iray, izay mpikamban’ny Fiangonana, nanomboka niresaka mikasika ny filazantsara taminay nandritra ny fifampiresahana tsotsotra. Natetika izy no nandefa misiônera hamangy anay. Nahafinaritra anay ireo misiônera ary nanaiky nandray ireo lesona izahay, saingy tsy dia tena liana tamin’izay zavatra nampianarin’izy ireo izahay.

Niova izany tamin’ny volana Ôktôbra 1978, raha nanasa namana maromaro io mpiara-miasa tamiko io, ary an’isan’izay izahay mivady, hanatrika ny varavarana misokatra tao amin’ny Tempolin’i Sao Paulo, Brésil. Nanofa fiara fitateram-bahoaka maromaro izy nialany vola am-paosy mba hahafahan’ireo namany hiaraka aminy ho any amin’ilay tempoly, izay tany amin’ny 80 kilaometatra tany ho any.

Rehefa niditra ny fitoeran-drano fanaovana batisa i Elizabeth dia nahatsapa zavatra izay mbola tsy tsapany hatrizay, zavatra iray izay taty aoriana vao fantany fa ny Fanahy Masina. Fifaliana lehibe tao am-pony ilay fahatsapana. Fantany tamin’io fotoana io fa marina ny Fiangonana ary io ilay Fiangonana izay niriany hidirana.

Fahatsapana nitovitovy tamin’izany no tsapako tany amin’ny faran’ilay varavarana misokatra, raha notarihina ho ao amin’ny efitrano famehezana izahay ary nampianarina ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay. Tena nanohina ny foko io fotopampianarana io. Nahita fahombiazana aho teo amin’ny lafin’ny asa, saingy efa ela aho no nahatsapa toy ny zavatra banga tao anatin’ny fanahiko. Tsy nahafantatra aho hoe inona no azo namenoana io banga io saingy nahatsapa aho hoe nisy hifandraisany tamin’ny fianakaviana izany. Ary teo, tao anatin’ny efitrano famehezana, no nanomboka nisy dikany tato an-tsaiko sy tato am-poko daholo ny zava-drehetra.

Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia nifandray taminay indray ireo misiônera. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tena liana mihitsy izahay hihaino ny hafatr’izy ireo.

Namporisika anay ireo elder hivavaka mafy mikasika ny fahamarinana. Resy lahatra aho fa izany ihany no fomba nahafahako nivavaka. Nahafantatra aho fa tsy afaka nanao fanoloran-tena hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana raha tsy tena nahazo fijoroana ho vavolombelona marina. Nitebiteby aho raha nieritreritra izany hoe hanatona ny Ray any An-danitra izany hangataka fanamafisana avy Aminy, fa sady nahazo antoka koa aho fa hamaly ahy Izy. Nozaraiko taminy ny faniriana lalina tao am-poko ary nangatahiko Izy hanome valiny ho ahy, izay hanome antoka ahy fa ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana no lalana mety indrindra.

Ny herinandro nanaraka an’io tao amin’ny Sekoly Alahady, dia nipetraka tao aoriako ilay namanay izay nanasa anay ho any amin’ilay varavarana misokatra ho an’ny tempoly. Nanondrika ny lohany taty amiko izy ary nanomboka niresaka tamiko. Tena namaly ara-bakiteny ny zavatra izay nangatahako tamim-bavaka mba ho fantatra ireo teny nambarany. Tena tsy nanana ahiahy aho fa ny Ray an An-danitra no niresaka tamiko tamin’ny alalany. Tamin’izany fotoana izany aho dia olona mafy fo sy hentitra dia hentitra saingy nihanalefaka ny foko ary dia nanomboka nitomany aho. Rehefa vita ny tenin’ilay namako dia nasainy izahay mivady ho atao batisa. Nanaiky izahay.

Tamin’ny 31 Ôktôbra 1978, iray volana latsaka taorian’ny zavatra niainanay tao amin’ny Tempolin’i Sao Paulo, dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana izahay. Ny ampitson’iny izahay dia nandray anjara tamin’ny fivoriana faharoa nanokanana ny Tempolin’i Sao Paulo, Brésil. Herintaona taty aoriana dia niverina tany amin’ny tempoly izahay niaraka tamin’ireo zanakay lahy anankiroa mba hofehezina amin’ny maha fianakaviana anay. Samy traikefa nahafinaritra sy mendrika ho tsaroana daholo ireo fotoana telo ireo. Nanohy nanao izay hampaharitra ireo fahatsapana ireo izahay tamin’ny alalan’ny fandehanana matetika tany amin’ny tempoly nandritra ny taona maro.

Valo amby roapolo taona taorian’ny andron’ny batisanay dia nijoro tao amin’ny Tempolin’i Sao Paulo Brésil indray izahay mivady. Vao avy nantsoina ho filohan’ny tempoly aho. Traikefa mamy ho anay tokoa ny nandeha indray tao anatin’ny efitrano fidirana ao amin’ny tranon’ny Tompo sy ny namerina nahatsapa indray ireo fihetseham-po izay nahatonga ny fiovam-ponay.

Mbola mitondra fifaliana lehibe ho anay mivady hatrany ny tempoly. Rehefa mahita mpivady vao herotrerony izahay miditra ny tempoly mba hofehezina ho lasa fianakaviana mandrakizay dia mahatsapa fanantenana lehibe.

Olona maro maneran-tany no vonona handre ny hafatry ny filazantsara. Mahatsapa hetaheta izy ireo, mitovitovy amin’izay tsapako 30 taona mahery lasa izay. Manana hery ampy ny tempoly sy ireo ôrdônansiny hanome fahafahampo an’io hetaheta io ary hameno ny fahabangana tsapan’izy ireo.

Sary nalain’i Laureni Fochetto