2013
Misotro avy amin’ilay Loharano
Aprily 2013


Mandrapihaonantsika Indray

Misotro avy amin’ilay Loharano

I Jesoa Kristy no loharanon’ny rano velona.

Rehefa miresaka mikasika ny hakanton’ireo tempoly isika dia mazana no manonona ireo tilikambo, ireo varavarankely ary ireo sary amin’ny rindrina. Miresaka amim-panajana isika mikasika ireo fitoeran-drano fanaovam-batisa, ireo efitrano fanaovana fanafiana masina, ireo efitrano fanaovana famehezana ary ireo efitra selestialy.

Fa rehefa manokana ny tempoly ho an’ny Tompo ny mpaminany iray dia ny trano manontolo no tokanany fa tsy ireo ampahany izay tsara fotsiny izay tsikaritry ny rehetra. Tamin’ny vavaka nanokanana ny Tempolin’i Kansas City, Missouri dia niteny ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Hamasininay ny tany izay iorenan’ity tempoly ity. Hamasininay ny zavatra rehetra ao amin’ity trano tsara tarehy ity, manomboka any amin’ireo fototra tsy hitan’ny maso ka hatramin’ilay sarin’i Môrônia be voninahitra izay mandravaka ny tendrony ambony indrindra.”1 Raha nanonona ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Ogden Utah ny Filoha Joseph Fielding Smith dia namasininy “ireo fototra, ireo rindrina, ireo gorodona, ireo tafo, ny tilikambo ary ireo zavatra rehetra ao amin’ilay trano,” ary nivavaka mba hiarovana “ireo milina, ireo tariby mitondra herinaratra sy ireo jiro, ny fitaovana fampangatsiahina ny rivotra sy ireo ascenseurs, ary ireo zavatra rehetra mahakasika ity trano ity.”2

Feno fankasitrahana aho fa manainga ny fanahin’ireo mpaminany ny Tompo hanamasina ireo zavatra rehetra ao amin’ny tempoly tsirairay. Na dia hita mazava aza fa latsa-danja kokoa ny tanjon’ny savilim-baravarana na ny endriky ny jiro raha ampitahaina amin’ny alitara iray ao amin’ny efitrano famehezana, ny singa madinika kokoa toy ireny dia mandray anjara amin’ny tanjona faratampony sy masina izay an’ny tempoly.

Ny iray tamin’ireny singa madinika ireny dia nanampy ahy hianatra lesona iray maharitra. Indray andro aho tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake, niomana ny handao ny efitrano fisoloana akanjo rehefa avy nandray anjara tamin’ny ôrdônansy iray ho an’ny maty. Raha nahatsikaritra fisotroana rano aho dia nahatsapa fa nangetaheta ka dia niondrika aho hisotro rano kely. Nisy hafatra iray tonga tato an-tsaiko:

Misotro amin’ity rano ato amin’ny tempoly ity ianao, kanefa moa ve tena misotro ilay rano velona izay hita ato?

Tsy fanamelohana mahery vaika akory izany—fa fananarana malefaka fotsiny sy fanontaniana miantefa hatrany anatin’ny fanahy.

Tsia no valinteniko tamin’izany fanontaniana izany. Tsy tena nisotro tamin’ilay rano velona tao amin’ny tempoly aho. Tsy maintsy miaiky aho fa somary nandehandeha ihany ny saiko minitra vitsivitsy teo aloha raha teo am-pandraisana ôrdônansy ho an’ireo efa nodimandry. Na dia nahavita asa tsara ho an’ny olona izay nila ny fanampiako aza aho, dia tsy namela ny tenako handray ny fanampiana rehetra izay nilaiko.

Ankehitriny isaky ny mandeha mankany amin’ny tempoly iray aho dia mitady fisotroana rano ary mijanona kely hisotro rano eo. Manontany tena aho hoe hatraiza ny halalin’ny fisotroako rano avy amin’ilay loharano velona. Ny valinteniko dia hoe: Mbola tsy lalina tsara. Saingy mitombo ny hetahetako.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, ao amin’ny “Kansas City Missouri Temple: ‘Beacon of Divine Light’—an Offering of Hands and Hearts,” Church News, 12 Mey 2012, ldschurchnews.com.

  2. Joseph Fielding Smith, ao amin’ny “Ogden Temple Dedicatory Prayer,” Ensign, Mar. 1972, 12.

Sary © iStockphoto.com/Amphotora