2013
Tafa sy Dinika Manokana Ataonao miaraka amin’Andriamanitra
Aprily 2013


Ho an’ny ZATOVO

Tafa sy Dinika Manokana Ataonao miaraka amin’Andriamanitra

Nampianatra ny Filoha Eyring fa rehefa mihaino ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo isika dia afaka mahatsapa ho toy ny hoe manao tafa sy dinika manokana amin’Andriamanitra. Mieritreritra mikasika ireto lafin-javatra telo ireto ny Filoha Eyring. Soraty ao amin’ny diarinao ireo fanontaniana ireo ary saintsaino izy ireo isaky ny Alahady mandritra ity volana ity. Rehefa misaintsaina ianao ary mahazo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina dia afaka manoratra mikasika izany ao amin’ny diarinao koa ianao.

  • Inona no zavatra nataoko ka nahafaly an’Andriamanitra?

  • Inona no zavatra tokony hibebahako na hangatahako famelan-keloka?

  • Iza no tian’Andriamanitra ho tompoiko?