2013
Mahatakatra ny atao hoe Batisa
Aprily 2013


Ho an’ny Ankizy

Mahatakatra ny atao hoe Batisa

Iza no hanao batisa ahy?

Na iza na iza manao batisa anao dia tsy maintsy mihazona ny fisoronana—ilay fahefana hanao zavatra amin’ny anaran’Andriamanitra. Tamin’i Jesoa naniry ny hatao batisa dia nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa Izy, Jaona Mpanao Batisa izay nanana fisoronana (jereo ny Matio 3:13).

Mila mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao ilay olona izay manao batisa anao.

Voatery misitrika ao anatin’ny rano ve aho raha te-hatao batisa?

Natao batisa asitrika i Jesoa, izay midika fa nisitrika tanteraka tao anaty rano izy ary dia niarina faingana indray avy teo (jereo ny Matio 3:16). Toy izany no fomba hanaovana batisa anao. Ny hoe atao batisa amin’izany fomba izany dia mampahatsiahy antsika fa avelantsika any aoriana any ny fiainantsika taloha ary manomboka fiainam-baovao izay natokana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ireo zanany.

Inona no fampanantenana ataoko rehefa atao batisa aho?

Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana, na fifanomezan-toky amin’ny Ray any An-danitra. Mampanantena Azy ianao fa hanao zavatra sasantsasany, ary mampanantena Izy fa hitahy anao. Io fanekempihavanana io dia voafaritra ao amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo izay atao isan’Alahady (jereo ny F&F 20:77–79). Mampanantena ianao fa:

  • Hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

  • Hitandrina ny didiny.

  • Hitondra ny anaran’i Kristy, izay midika hoe hametraka ny asany ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao ary hanao izay Sitrapony fa tsy izay tian’izao tontolo izao.

Rehefa mitandrina izany fampanantenana izany ianao dia manome toky anao ny Ray any An-danitra fa hiaraka aminao ny Fanahy Masina ary ho voavela ny fahotanao.

Iza ny Fanahy Masina?

Ny fanomezana ny Fanahy Masina no iray amin’ireo fanomezana sarobidy indrindra avy amin’ny Ray any An-danitra. Tsy feno ny batisa amin’ny rano izay atao aminao raha tsy misy lehilahy mihazona ny fisoronana Melkizedeka manome tsodrano anao mba handraisanao ny Fanahy Masina (jereo ny  Jaona 3:5).

Ny Fanahy Masina dia mpikambana iray ao amin’ny atao hoe Ny Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Izy ary manampy antsika hahafantatra izay marina. Manampy antsika hatanjaka ara-panahy Izy. Mampitandrina antsika amin’ny loza Izy. Manampy antsika hianatra Izy. Afaka manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Rehefa raisina ho mpikamban’ny Fiangonana ianao dia afaka miaraka aminao mandrakariva ny Fanahy Masina raha misafidy ny tsara ianao.

Nahoana no tsy maintsy valo taona aho farafahakeliny izay vao azo atao batisa?

Mampianatra ny Tompo hoe tsy tokony hatao batisa ny zaza raha tsy efa vory taona tsara ka afaka mahatakatra ny maha samy hafa ny tsara sy ny ratsy, taona izay lazain’ny soratra masina hoe valo taona (jereo ny Môrônia 8:11–12; F&F 29:46–47; 68:27).

Sary © Dynamic Graphics; sary nalain’i David Stoker sy i Matthew Reier, ary i Sarah Jenson