2013
Mahita Fifaliana eo amin’ny fiainana
Aprily 2013


Mahita Fifaliana eo amin’ny Fiainana

Karen Rockwood, Idaho, Etazonia

Indray maka aho namaky lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Na dia efa naheno sy namaky io lahateny io aza aho tany aloha, dia nisy fehezanteny iray nisarika ny saiko ary nitoetra tao anaty eritreritro.

Ora vitsivitsy taty aoriana dia tonga namangy anay ny zanako lahy, izay niara-nipetraka tamin’ny namany maromaro tany amin’ny trano hofaina iray. Efa nanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy ary nahavita taona vitsivitsy tany amin’ny oniversite. Tsy dia natoky tena loatra izy ny amin’izay lalam-piofanana tokony harahiny sy izay anton’asa tokony ho katsahany. Noho izy diso fanantenana ary nahatsapa fa hatreo aloha dia fandaniam-potoana sy fandaniam-bola ny fianarana, dia natsahany aloha ny fianarany ary dia nanomboka niasa tamin’ny fotoana feno izy.

Nilaza tamiko izy fa nandroso hevitra ny iray tamin’ireo namany ny handehanan’izy ireo ho any amin’ny nosy iray any Bahamas na any Caraïbe, dia hitady asa ary hiala voly mandritra ny volana vitsivitsy. Feno fientanam-po ilay zanako lahy tamin’izany hevitra izany. Mora tamiko ny nahatakatra hoe tena mahasarika tokoa izany zavatra hiainana tsy dia mampamaky loha izany ho an’ny zatovolahy iray.

Tamin’izay fotoana izay indrindra no tonga tato an-tsaiko ilay hafatra tena miavaka nataon’ny Loholona Scott. Nalaiko ilay Ensign ary izao no novakiako tamin’ilay zanako lahy: “Tanjona masina no nahatongavanao eto ambonin’ny tany. Tsy ny hoe hiala voly tsy misy farany izany tanjona izany, na koa hoe hikatsaka fahafinaretana tsy tapaka. Tonga eto ianao mba hozahana toetra, mba hanaporofo fa afaka mandray ireo fitahiana fanampiny izay natokan’Andriamanitra ho anao. Takiana ny asa fampitoniana entin’ny faharetana” (“Finding Joy in Life,” Ensign, Mey 1996, 25).

Tsy niteny na inona na inona ny zanako lahy fa noraisiny ilay gazetiboky, dia nandeha izy ary namaky ilay lahateny manontolo. Ny hany nolazainy taty aoriana dia hoe tsy hiroboka amin’izany dia mankany amin’izany nosy izany izy.

Taty aoriana izy dia tafiditra tao amin’ny sekoly fianarana ho mpitandro filaminana, lalana iray izay nitondra azy tamin’ny fifankahitana tamin’ilay ho vadiny rahatrizay. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Mesa, Arizona izy ireo ary ankehitriny dia mitaiza zanaka telo mahafinaritra. Nahavita licence ny zanako lahy tamin’ny taona 2010 ary tena “mahita fifaliana [marina] eo amin’ny fiainana.”

Mety ho traikefa nahafinaritra ilay dia nankany amin’ny toerana tsy mbola fahita naroson’ilay zanako lahy; saingy tetsy ankilany mety ho nampidi-doza ara-panahy ihany koa. Isaky ny mandinika io zavatra niainana io aho dia manohina ny foko ny Fanahy.

Feno fankasitrahana aho noho ny tenin’ireo mpaminany sy noho ny fitaomana ahy hahatsiaro lahateny iray izay nanampy ahy hanolotra fitarihana. Feno fankasitrahana ihany koa aho hoe nihaino ny mpitondra hafatry ny Tompo ny zanako lahy ary namela ny Fanahy hitaona azy. Fantatro fa fitahiana maro sy famindram-po lehibe no azontsika rehefa mihaino sy manaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo Mpanompony.