2013
Maty ho azy ilay telefaonina
Aprily 2013


Maty ho azy ilay Telefaonina

Seda Meliksetyan, Arménie

Tamin’ny volana marsa 1997, fony izahay nonina tany amin’ny tanànan’i Rostov-amoron’i-Don, any Rosia, dia natao batisa ho lasa mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izahay mivady.

Rehefa nandalina ireo fotopampianaran’ny Fiangonana aho dia maro tamin’ireo fanontaniana izay nananako no voavaly. Nahaliana ny nianatra mikasika ny drafitry ny famonjena, an’isan’izany ny fanaovana ny batisa ho an’ny maty. Tena nanaitra ahy ny nianarako fa azo atao batisa ho an’ireo razambenay izahay.

Herintaona taorian’ny batisanay dia nasain’ny filohan’ny misiona izahay hiomana ho any amin’ny tempoly. Tafiditra tao anatin’ny fiomananay ny nanombohanay nanao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana. Indray andro raha teo am-pieritreretana ny hanatanterahana izany asa izany aho dia naneno ny telefaonina. Ny rafozam-baviko no niantso. Nanontaniako izy raha toa ka afaka mandefa aty amiko ny lisitr’ireo razambe avy amin’ny fianakavian’ny vadiko. Taitra tokoa izy ary nilaza tamiko fa ny batisa ho an’ny maty dia tsy fotopampianaran’i Kristy fa zavatra izay noforonin’ireo Môrmôna. Tsy dia haiko loatra ny fomba hamaliana azy noho izaho mbola tsy zatra loatra an’ireo andinin-tsoratra masina izay manohana ilay fotopampianarana.

Raha teo am-pieritreretana ny fomba hamaliana izany aho dia maty ho azy ilay telefaonina. Tsy fantatro loatra izay zavatra nitranga nandritra ny fotoana fohy, fa dia napetrako ny telefaonina ary dia nandeha nankany amin’ny efitrano fandriana aho. Noraisiko teny an-tanako ny Testamenta Vaovao, ary nandohalika aho hivavaka, ary nanontany ny Ray any An-danitra mba hampiseho ahy hoe aiza no ahafahako mahita ilay valiny.

Rehefa tapitra ny vavaka nataoko dia nosokafako ny Baiboly. Tsapako toy ny hoe nisy olona niteny tamiko mba hamaky ny andininy faha 29 amin’io pejy izay nosokafako io. Tao amin’ny toko faha 15 ao amin’ny 1 Korintiana no nisy ahy, izay miresaka momba ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty.

Tena tohina ny foko ary taitra aho hoe novalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataoko tamin’io fotoana io mihitsy. Fahatsapana tena nahafinaritra izany.

Teo am-pandinihana lalina izany zavatra niainako izany aho raha naneno tampoka indray ny telefaonina. Ny rafozam-baviko no niantso, ary nanontany hoe fa nahoana no tapaka ilay antso teo. Nolazaiko izy hoe tsy fantatro, fa avy eo dia nasaiko nanokatra ny Baiboliny izy ary hamaky ny 1 Korintiana 15:29.

Andro vitsivitsy taorian’izany dia tonga teo ambony latabatro ny lisitra iray nahitana ireo fianakavianay izay efa nodimandry. Namaky ilay andinin-tsoratra masina ny rafozambaviko ary nino amin’izay fa nampianatra ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty ny Mpamonjy, tamin’ny alalan’i Paoly.

Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay manao ity asa fanavotana ity Andriamanitra. Fantatro fa marina izany.