2013
Fanehoan-kevitra
Aprily 2013


Fanehoan-kevitra

Mampianatra Ahy ny Fanahy Masina

Hatramin’izay nidiran’ny fianakaviako ho mpikamban’ny Fiangonana izay dia nahita ny hery azo avy amin’ny famakiana ny Liahona aho. Tamin’ny alalan’ireo teny lalina ireo no nahazoako faharisihana hanao asa fitoriana. Maro ireo lohahevitra voaboasana ao anatin’ilay gazetiboky saingy ny zava-dehibe ho ahy dia ny zavatra ampianaran’ny Fanahy Masina ahy isaky ny mamaky izany aho. Tena ho afaka tokoa isika—na dia ao amin’ny “faritry ny fahavalo” aza (jereo ny Boyd K. Packer, “How to Survive in Enemy Territory,” Liahona, Oct. 2012, 24)—rehefa mandalina sy mamaky ary mampihatra ireo fitsipika nampianarina. Velona ny Mpamonjy, eto an-tany ny fisoronana ary any an-danitra Andriamanitra.

Newton T. Senyange, Ouganda

Fanitsiana

Diso ny anaran’ireo olona nosoratana fa hoe naka ny sary tao amin’ny “Naorina ny Tsatòka Voalohany any Inde” ao amin’ny pejy 76–77 ao anatin’ny Liahona Ôktôbra 2012. Nalain-drahavavy Gladys Wigg ireo sary ireo. Ialanay tsiny ny fahadisoana.

Ny fianakaviana Vigil tao anatin’ny Liahona, Desambra 2012 izay resahana ao anatin’ny lahatsoratra “Des transformations sacrées” ao amin’ny pejy 36 dia natao batisa tamin’ny Jolay 2010 fa tsy tamin’ny Jona 2011. Ary i Andrea Vigil koa dia teraka tamin’ny Jolay fa tsy Aogôsitra 2012.

Diso ny fanazavana eo amin’ilay sary ao amin’ny pejy 2, ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Lorenzo Snow. Sarin’i Oliver Goddard Snow, zanakalahin’ny Filoha Snow izany. Ao anatin’ny maribolana ao amin’ny pejy 28 koa dia tokony hampifamadihana ny anaran’i Brigham Young Jr. sy Francis M. Lyman.