2013
Mahita Fifaliana ao anatin’ny Asa Fanompoana ireo Zatovo Misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana
Aprily 2013


Mahita Fifaliana ao anatin’ny Asa Fanompoana ireo Zatovo Misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana

Nanao ilay mari-pamantarana eo amin’ny tratra miloko mainty izay an’ny misiônera i Elder Ernesto Sarabia isan’andro nandritra ny asa fitoriany. Saingy niavaka tamin’ny an’ireo maro hafa ny asa fitoriana nataony—I Elder Sarabia dia zatovo misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana tao amin’ny biraon’ny Misiônan’i Mexico Hermosillo.

“Tsapanay fa tsy dia mety loatra ny hiatrehan’ireo zatovolahinay sy zatovovavinay ny hamafin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy ireo fanambiny,” hoy ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Saingy tsy midika izany hoy izy fa tsy afaka mahazo anjara amin’ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana sy fanompoana izy ireo (“One More,” Liahona, Mey 2005, 69).

Nilaza ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny asa fitoriana dia asa fanompoana atao an-tsitrapo amin’Andriamanitra sy ny olombelona” (“Anontanio ny Misiônera! Afaka Manampy Anao Izy Ireo!” Liahona, Nôv. 2012, 18), ary maro ireo fomba azo anaovana izany asa fanompoana izany.

Ho an’ireo izay afa-tsiny tamim-boninahitra noho ny tsy fahafahana manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, na ho an’ireo izay tsy maintsy mody aloha, dia afaka manome traikefa tena tsara eo amin’ny fanaovana asa fanompoana ny fandaharan’asa ho an’ny Zatovo Misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana.

Ireo Zavatra takiana Mba Hahafahana Manompo

Ny Zatovo Misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana dia tsy maintsy matanjaka ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy ary ara-pihetsehampo mba hahafahany manatanteraka ireo andraikitra ao amin’ny antsony izay atao mifanentana tsara amin’izy ireo.

Ny asa ataon’ny Zatovo Misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana dia mety maharitra eo amin’ny 6 ka hatramin’ny 24 volana eo ary mety hoe manao asa fanompoana in-droa isan-kerinandro na mandritra ny fotoana feno. Misy ireo fahafahana manompo eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny any an-trano koa. Ireo asa ataon’ny Zatovo Misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana, izay afa-miasa tsara, dia ahitana ny fanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana, teknôlôjian’ny fampahalalam-baovao, mpanampy ao amin’ny biraon’ny misiôna, trano fitehirizan’ny eveka ary maro hafa koa.

Fanohanan’ny Fianakaviana sy ny Fisoronana

Afaka manomana ireo Zatovo Misiônera Misahana Asa Fanompoana Manokana ao amin’ny Fiangonana izay afa-miasa tsara ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana mba hanao asa fitoriana.

Ny fianakavian-drahavavy Eliza Joy Young dia nitondra fanohanana mafy ho azy tokoa satria nanatitra sy naka azy tany amin’ny biraon’ny Fiangonana tany Sydney, Australie.

Hoy i Elder Michael Hillam izay miasa ao amin’ny Foibe Fanapariahana ao Hong Kong hoe: “Manampy ahy hiomana ireo mpampianatra seminera ahy vao maraina sy ireo mpitarika ahy ao amin’ny Zatovolahy.”

Mitondra Fitahiana ny Fahafoizan-tena

Nafoin-drahavavy Young ireo andro tsy hiasany ao anatin’ilay asa tsy maharitra ataony mba hanaovany asa fanompoana manokana ao amin’ny Fiangonana. Hoy izy hoe: “Mahatsapa ho akaiky kokoa ny Raiko any an-danitra aho noho ny fahafantarako fa manampy Azy Aho.”

Ankoatra ireo fitahiana ara-panahy dia manolotra tombontsoa lehibe ara-tsôsialy sy eo amin’ny lafin’ny asa ho an’ireo misiônera mbola zatovo ny fanaovana asa fanompoana manokana ao amin’ny Fiangonana. “Ilay asa fanompoana manokana nataoko dia nampiseho tamiko fa afaka manao asa tsy mila fanampiana manokana aho,” hoy Rahavavy Young. (Tsy nanao afa-tsy asa mila fanampiana manokana izy teo aloha.)

Na dia hoe mety tsy ho afaka hanompo daholo aza ny tanora manambady sy tsy manambady izay manam-paniriana ny hanao izany, dia misy ny ezaka lehibe atao mba hanomezana fahafaham-po ireo tanora manambady sy tsy manambady tsirairay izay mendrika. Ny zatovolahy sy ny zatovovavy izay te hanompo araka izany fomba izany dia afaka miresaka amin’ny evekany na ny filohan’ny sampany izay afaka mahita zavatra mifanaraka amin’ny tokony ho izy ho azy ireo.

Vakio misimisy ny momba izany ao amin’ny news.lds.org amin’ny alalan’ny fikarohana ny hoe “young church-service missionaries” (missionnaires des services de l’Église).