2013
Ireo Fanekempihavanan’ny Tempoly
Aprily 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Ireo Fanekempihavanan’ny Tempoly

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao. Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ireo ôrdônansin’ny famonjena izay raisina any amin’ny tempoly izay hanome antsika fahafahana indray andro any hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay ary hotafiana amin’ireo fitahiana sy hery avy any ambony dia mendrika hanaovana ny fahafoizana sy ny ezaka rehetra.1 Raha tsy mbola tany amin’ny tempoly ianao dia afaka miomana mba handray ireo ôrdônansin’ny tempoly amin’ny alalan’ny:

  • Finoana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina.

  • Fambolena fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

  • Fanohanana sy fanarahana ny mpaminany velona.

  • Fanaovana izay hahamendrika ny hanana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena, ny fananana fahadiovam-pitondrantena sy fahitsim-po aman-tsaina, ary ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena sy ny fiainana mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Fiangonana.

  • Fanomezana fotoana sy talenta ary fitaovana enti-manorina ny fanjakan’ny Tompo.

  • Fandraisana anjara amin’ny fanaovana asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.2

Nampianatra ny Filoha Monson avy eo hoe: “Rehefa mahatsiaro ireo fanekempihavanana ataontsika ao anatin’ny [tempoly] isika, dia ho afaka ny hizaka kokoa ny fitsapana rehetra sy handresy ny fakam-panahy tsirairay.”3

Avy amin’ny Soratra Masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7; 25:13; 109:22

Avy amin’ny Tantarantsika

“Olomasina mihoatra ny 5.000 no nivory tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo taorian’ny fanokanana azy. …

“Ny tanjaka sy ny hery ary ny fitahian’ny fanekempihavanan’ny tempoly dia [nanohana] ireo Olomasin’ny Andro Farany nandritra ny dian’izy ireo nankany [andrefana], rehefa nianjadian’ny hatsiaka, ny hafanana, ny fahantrana, ny aretina sy ny loza ary ny fahafatesana izy ireo.”4

I Sarah Rich dia mpiasa iray tao amin’ny tempoly toy ireo rahavavy maro tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Hoy izy raha niresaka ny zavatra niainany: “Raha toa ka tsy noho ny finoana sy ny fahalalana izay nomena anay tao amin’io tempoly io tamin’ny alalan’ny … Fanahin’ny Tompo, dia ho toy ny zavatra natao an-jambany ihany ilay dianay. … Saingy nanana finoana ny Rainay any an-danitra izahay, … ary nahatsapa fa vahoaka nofinidiny … , ka raha tokony hahatsapa alahelo izahay dia lasa nahatsapa fifaliana fa tonga ny andro hanavotana anay.”5

Tsy “natao an-jambany” ilay fifindra-monina ho an’ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany mahatoky. Notohanan’ireo fanekempihavany tany amin’ny tempoly izy ireo.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, Mey 2011, 92.

  2. Jereo ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 21.

  3. Thomas S. Monson, Liahona, Mey 2011, 93.

  4. Daughters in My Kingdom, (Filles dans mon royaume) 29–30.

  5. Sarah Rich, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, (Filles dans mon royaume) 30.

The End of Parley Street, nataon’i Glen S. Hopkinson, tsy azo adika