2013
Maniry eo amin’ny Tany Lonaka: Zatovo Mahatoky any Ouganda
Aprily 2013


Maniry eo amin’ny Tany Lonaka: Zatovo Mahatoky any Ouganda

Nonina tany Ouganda i Cindy Smith nandritra ny fotoana niasan’ny vadiny tany, ary ankehitriny dia monina any Utah, Etazonia izy ireo.

Rehefa manaiky sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo zatovo any Ouganda dia mahita finoana sy fanantenana mitombo manodidina azy ireo.

Sary

Eo afovoan’i Afrika Atsinanana no ahitana ny firenena Ouganda izay nomen’Andriamanitra vohitra midongona izay hanirian’ny fary sy foton’akondro—ary tanora izay vonona handray sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Naorina tamin’ny taona 2010 ny tsatòka voalohany tany Ouganda. Mitombo haingana ny Fiangonana, ary ahitana zatovolahy sy zatovovavy maro dia maro ao amin’ny paroasy sy sampana tsirairay.

Manangana Faneva, Maneho Ohatra Fakan-tahaka

Nahazo fitaomam-panahy noho ireo fampianaran-dRahavavy Elaine S. Dalton, filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany mikasika ny fahadiovana ireo zatovovavy tao amin’ny paroasy iray: “Izao no fotoana tokony hijoroantsika sy hanofahofantsika faneva iray ho an’izao tontolo izao, miantso ny olona hiverina ho any amin’ny fahadiovana.”1 Nihanika tendrombohitra iray ireo zatovovavy, izay ahatazanana ny tanàna, ary nanangana faneva miloko ranombolamena izay maneho ny fampanantenana ataon’izy ireo ny ho ohatra eo amin’ny fahadiovana. Niara-nihira ny “An-tendrombohitra” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 59) izy ireo.

Nampiakatra ny fenitra narahiny manokana mikasika ny fahamarinan-toetra ireto zatovovavy ireto. Nankahery ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo ny fankatoavan’izy ireo ary nisy fiantraikany tamin’ny hafa. Nilaza Rahavavy Dalton hoe: “Aza tsinontsinoavina na oviana na oviana ny herin’ny fitaomana ho amin’ny marina izay anananao.”2 Ary toy ny faneva dia mihofahofa ho an’izao tontolo izao ny ohatr’ireto zatovovavy ireto.

Sary

Sandra

Toy ny zatovovavy maro any Ouganda, dia mandeha an-tongotra iray kilaometatra sy sasany mahery hankanesana any am-piangonana i Sandra, manampy hanadio ny trano fiangonana rehefa Zoma, ary manatrika seminera rehefa Sabotsy. Mandritra ny herinandro dia mifoha alohan’ny amin’ny 5 ora maraina izy hamaky ireo boky any am-pianarana ary avy eo dia mandeha an-tongotra mankany am-pianarana ary miverina mody aorian’ny amin’ny 6 ora hariva. Tsy nianatra tany an-tsekoly izy nandritra ny taom-pianarana iray noho ny olana ara-bola saingy manana fijery tsara izy rehefa miatrika ireo fanamby atrehany: “Tena nanampy ahy ny filazantsara hijanona maharitra sy mifototra tsara.”

I Sandra no hany mpikamban’ny Fiangonana ao an-tranony, saingy manohana ny fanompoana ataony ao am-piangonana ireo ray aman-dreniny, toy ny fanampiana tamin’ny nanadiovan’ny paroasy ny tokotanin’ny akanin-jaza kamboty iray teo an-toerana. Hitan’ny fianakaviana ny fomba nanampian’ny filazantsara azy ho tonga mahery, na dia teo amim-piatrehana olana tsy voavaha aza. Raha nandinika ny loharanon’izany hery izany i Sandra dia nilaza hoe: “Rehefa mandeha any am-piangonana aho dia mahatsiaro ho toy ny mitafy ireo fiadian’Andriamanitra (jereo ny Efesiana 6:11–17).

Tia ny Fiangonana i Susan, izay olona niova fo vao haingana kokoa. Avy tany Soudan Atsimo ny fianakaviany tany am-piandohana ka nandositra ireo hasarotana tany ary voatahy izy ireo noho ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo misiônera tany Ouganda. Nahita fiadanana sy fiarovana izy tao amin’ny filazantsara amin’ny maha mpitsoa-ponenana azy. Rehefa Alahady dia entiny mankany am-piangonana ireo zandriny iray tampo aminy, miaraka amin’ny ankizy hafa miisa hatramin’ny folo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Taorian’ny fahafatesana tsy nampoizina izay nahazo ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia niverina tany Soudan Atsimo izy, ary any no hiandrasany ny hiorenan’ny Fiangonana eo amin’ny faritra misy azy. Samy miatrika fanamby na i Susan na i Sandra, saingy miantehitra amin’Andriamanitra izy ireo ary mankafy ny vokatry ny fiainana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Almà 32:6–8, 43).

Manao Fahafoizana mba Hanao Asa Fitoriana

Mbola zazalahy kely ireo zatovolahy any Ouganda no manomboka milalao baolina kitra, mampiasa sampa-kazo voafehy mafy tsara atao baolina. Efa hatramin’ny fahakeliny i Dennis no nanan-talenta tamin’io fanatanjahantena io, ary nomen’ny sekoly ambaratonga farany vatsim-pianarana izy mba hahafahany hilalao tao amin’ny ekipany. Rehefa nahavita ny kilasy famaranana izy dia misy ekipa matihanina iray nanambitamby azy vola sy trano fonenana. Ho fahatanterahan’ny nofinofy tsara indrindra izany, saingy tsinjon’i Dennis fa tsy maintsy hanembantsembana ny drafiny hoe handeha hanao asa fitoriana izany ao aoriana kely amin’iny taona iny.

Sary

Dennis

Nahery kokoa ny fanirian’i Dennis hanao izay tian’ny Rainy any An-danitra hataony hany ka tsy tiany akory ny ho azon’ny fakam-panahy hijanona ao amin’ilay ekipa rehefa ho tonga ny fotoana izay handehanana hanao asa fitoriana. Maro no nametra-panontaniana mikasika ny safidiny, saingy nahazo antoka i Dennis fa nandray ny fanapahan-kevitra tsara izy—ho an’ny tenany sy ho an’ireo hafa. “Vao avy vita batisa ireo zandriko lahy sy ny zandriko vavy,” hoy izy. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe handray ny filazantsara ny anabaviko. Rehefa mahita an’Andriamanitra manao fahagagana eo amin’ny fianakaviako aho dia mitondra fanantenana mamirapiratra ho ahy mikasika ny hoaviko izany.

Ao amin’ny paroasy misy an’i Dennis dia mandalina ny Torio ny Filazantsarako isan-kerinandro ireo zatovolahy. Lasa toy ny ekipa iray izy ireo, miara-miasa akaiky amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno ary mitondra namana any amin’ireo fivoriana isan’Alahady sy ireo fiaraha-mientana hafa, anisan’izany ny lalao basikety sy baolina kitra mandritra ny andavanandro. Nanao batisa ireo namana sy ireo olona hafa izay niarahany nampianatra tamin’ireo misiônera ireo mpisorona. Nandritra ny taona maromaro no nanamafisan’io ekipan-jatovolahy iray io ny paroasy manontolo, ary ny efatra amin’izy ireo, anisan’izany i Dennis, dia nahazo antso hitory any amin’ny Misionan’i Nairobi, Kenya.

Narahin’izy ireo ilay torohevitry ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia ny “ho tonga misiônera fotoana ela alohan’ny handrotsahana ny antontan-taratasy ho an’ny misiona.”3 Nanao izany izy ireo tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny naha kôlejy azy, ekipa iray tsara lavitra noho izay ekipa hafa nisy.

Ireo misiônera efatra ireo dia samy nandresy fanamby maro mba hahafahana manompo. Manazava i Wilberforce hoe “Efa saika very fanantenana aho mikasika ny handehanana hanao asa fitoriana [noho ny halafon’ny sarany], saingy namaky ny tao amin’ny Matio 6:19–20 aho izay manao hoe: ‘Aza mihary harena ho anareo eto an-tany … fa miharia harena ho anareo any an-danitra.’ Ka rehefa nampiasa fahazotoana sy fanoloran-tena aho dia nahavita nahatratra ny tanjoko dia ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Tiako ny manao asa fitoriana. Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny mikatsaka ny fanjakan’ny lanitra aloha.”

Fanantenana ho an’ny Hoavy

Manampy amin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-toerana ireo zatovo eto Ouganda, omban’ny fanantenana lehibe mikasika ny hoavy. Na dia tsy misy tempoly aza any Afrika Atsinanana, dia miandrandra ny fotoana izay hanambadian’izy ireo any amin’ny tempoly lavitra iray ireo zatovo. Nisy fiaraha-mientana iray an’ny tsatòka izay nifantoka tamin’ny fiomanana hiditra ny tempoly, ary tany amin’ny famaranana dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona ny mpikambana iray tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka hoe: “Tia anareo Andriamanitra. Ianareo no hoavin’ny Fiangonana eto Ouganda.” Efa manana fitaomana lehibe sahady ireto zatovo marina ireto.

Mahafoy ireo zavatr’izao tontolo izao ireo zatovo lahy sy vavy ao Ouganda mba hahazoana fitahiana izay haharitra mandrakizay. Efa namafy ny masombolin’ny finoana izy ireo ary mikolokolo izany amim-pitandremana (jereo ny Almà 32:33–37). Toy ny hazo iray feno voa (jereo ny Almà 32:42) ireo zatovo, mizara ny fifalian’ny filazantsara any amin’ity tany lonaka ity.

Fanamarihana

  1. Elaine S. Dalton, “Fiverenana ho any amin’ny Fahadiovana,” Liahona, Nôv. 2008, 80.

  2. Elaine S. Dalton, Liahona, Nôv. 2008, 80.

  3. David A. Bednar, “Becoming a Missionary,” Liahona, Nôv. 2005, 45.

Etsy ambony: Miara-manatrika takariva amorom-patana karakarain’ny tsatòka ireo zatovo.

Etsy ambany: Nahita fiadanana tao amin’ny filazantsara i Susan (eo afovoany), mpitsoa-ponenana iray any Ouganda ary nitondra ireo zandriny sy ankizy hafa tany am-piangonana.

Eo afovoany: Mankafy manao asa ao amin’ny Mon Progrès Personnel ireo zatovovavy ao amin’ity paroasy ity.

Etsy ankavanana: Nolavin’i Dennis ny fahafahany hiditra ho ao amin’ny ekipa matihanina iray mpilalao baolina kitra mba hahafahana mitory filazantsara. Nanao fahafoizana sy nandresy fanamby maro izy sy ireo zatovolahy hafa tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona mba hanao asa fitoriana.

Sary nalain’i Cindy Smith