2013
Ny Nanasana Ahy ho amin’ny Famonjena
Aprily 2013


Ahoana no Nahafantarako

Ny Nanasana Ahy Handray Famonjena

Sary

Sary nataon’i Roger Motzkus

Fony mbola zatovo aho dia nanatrika fiangonana maro samihafa ary sahiran-tsaina satria samy nampianatra hevitra samy hafa izy ireo hanazavana ireo soratra masina. Tsy nampahazo aina ahy ny tsy fanehoam-panajana hitako tany amin’ny sasany tamin’izy ireny, hany ka dia nilavo lefona aho ka tsy niezaka ny hitady fiangonana atrehana intsony.

Taona maromaro taty aoriana dia nisy namako iray, i Cleiton Lima, natao batisa tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy nolazainy tamiko izany na dia mpinamana be aza izahay, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nahita fiovana teny aminy aho. Rehefa Alahady dia nahazatra ahy ny nandeha tany an-tranony ny maraina mba hahafahanay milalao baolina, saingy tsy nahatratra azy tao an-trano mihitsy aho. Alahady indroa sa intelo nifanesy no nitrangan’izany. Nony farany dia nolazain’i Cleiton tamiko fa tsy afaka hilalao baolina intsony izy rehefa Alahady satria manaja ny andron’ny Tompo. Hoy aho taminy hoe “Mahalasa adala anao io Fiangonana io.”

Ary dia nanasa ahy i Cleiton ho any am-piangonana. Namorona fialan-tsiny taminy aho satria mbola tsy nahafaly ahy ny fivavahana tamin’izany. Nandritra ny 10 volana dia nitondra misiônera i Cleiton mba hampianatra ahy, saingy namorona fialan-tsiny hatrany aho na nilaza tamin’izy ireo hoe mbola sahirana loatra. Saingy tsy nilavo lefona mihitsy izy.

Indray andro, tamin’ny volana Jona, dia nanasa ahy izy hanatrika fandihizana karakarain’ny Fiangonana. Nananihany azy aho nanao hoe “Hisy sakafo maimaimpoana sy vehivavy be dia be ve any?” Sady nihomehy izy no namaly hoe eny!

Mila miaiky aho hoe ny hatendako na nampilavo lefona ahy. Nandeha tany am-piangonana aho ary tiako be ny tany. Nandray ahy tsara ny rehetra, nihinan-kanina betsaka aho, ary lasa liana te hanatrika fivoriana. Rehefa tonga tany am-piangonana aho ny Alahady dia tafahaona tamin’olona marobe ary naheno ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Mbola tsy nahazatra ahy ny Bokin’i Môrmôna, saingy nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo aho rehefa nijoro ho vavolombelona ny mpikambana samihafa hoe “Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna, fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy, ary mpaminany nantsoin’Andriamanitra marina i Joseph Smith.” Tsy mbola nahatsiaro ho nahazo aina toy izany mihitsy aho. Tsy mbola te hihaona tamin’ireo misiônera aho, saingy nanohina ny foko sy ny fanahiko io fivoriana fijoroana ho vavolombelona io.

Ny herinandro manaraka an’iny dia mbola nanasa ahy ihany i Cleiton ho any am-piangonana. Tsy afaka aho satria nisy adidy hafa tsy maintsy nataoko io Alahady io. Hitako ny alahelo teny amin’ny tavany raha nilaza taminy aho hoe tsy fantatro aho raha ho afaka.

Kanefa raha nifoha aho ny Alahady maraina dia nanam-paniriana ny ho any am-piangonana. Nifoha tamin’ny fito latsaka folo aho, izay zavatra sarotra tamiko izany, dia niomana ary niandry ny fahatongavan’i Cleiton. Taitra izy raha nahita ahy efa tafakanjo sy efa niandry. Tamin’io Alahady io dia nampianatra momba ny fisoronana ilay eveka. Nahatsapa mafy ny Fanahy aho ary nanana fahatsapana hoe tokony handray ireo lesona ampianarin’ireo misiônera. Tany amin’ny fiafaran’ny fivorian’ny Zatovolahy dia nahafantatra sahady aho fa ho atao batisa.

Rehefa tapitra ny fiangonana dia nolazaiko i Cleiton hoe “Te hatao batisa aho!”

Noheveriny fa nananihany aho. Saingy niteny izy avy teo hoe “Raha miantso ireo misiônera aho dia hanaiky hihaona amin’izy ireo ve ialahy?” Novaliako hoe eny.

Elder mahatalanjona no nampianatra ahy. Rehefa naheno ny hafatry ny Famerenana amin’ny Laoniny aho dia vao mainka nahazo fanamafisana mahery kokoa hoe tokony hatao batisa aho. Saingy tiako hahafantatra manokana mikasika ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny tenako. Nasian’ireo Elder marika ny Môrônia 10:3–5 tao amin’ny Bokin’i Môrmônako ary nasain’izy ireo aho hivavaka sy hanontany amin’Andriamanitra raha marina io boky io.

Ny ampitso hariva dia tsaroako fa mbola tsy namaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Rehefa nanomboka namaky aho, dia nahatsapa mafy ny Fanahy. Nivavaka aho, ary talohan’ny namaranako izany dia efa fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Feno fankasitrahana an’Andriamanitra aho noho ny namaliany ny vavaka nataoko. Natao batisa tamin’ny volana Jolay 2006 aho.

Taty aoriana aho dia misiônera tao amin’ny Misionan’i Cuiabá, Brésil, ary i Cleiton namako dia nanompo tany amin’ny Misionan’i Santa Maria, Brésil. Ny zavatra nataon’i Cleiton tamiko no nataonay: manasa olona hanatona an’i Kristy ary manampy azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny fanaovana batisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Izany no tena lalana mankany amin’ny famonjena.

Aoka isika hanasa foana ireo namantsika sy havantsika hianatra momba ity filazantsara ity, satria nanasa ny rehetra ny Mpamonjy raha nilaza hoe “Mankanesa aty amiko” (Matio 11:28). Fantatro fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ary izao no fotoana hanasana ny rehetra hanatona Azy.