2013
Ny Herin’ny Sorompanavotana
Aprily 2013


Ny Herin’ny Sorompanavotana

Ioriti Taburuea, Kiribati

Tamin’izaho nampianarin’ireo misiônera dia i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hatrany no hevi-dehiben’ny leson’izy ireo. Nazavain’izy ireo fa ny Sorompanavotana dia fanomezana avy any amin’i Jesoa Kristy ho antsika tsirairay. Fanomezana izay azontsika ampiasaina izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro rehefa misedra fitsapana isika na rehefa manota. Ny herin’ny Sorompanavotana dia mampiorina sy manasitrana ary manampy antsika hiverina amin’ilay lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay.

Rehefa nizara izany ireo misiônera dia nahazo fahatsapana mahery vaika aho izay nijoro ho vavolombelona tamiko fa marina izany, ary dia nanapa-kevitra aho ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Taty aoriana dia nanapa-kevitra aho hanao asa fitoriana satria nanam-paniriana hanampy ny hafa hahafantatra mikasika io fanomezana mahatalanjona io. Nahita ny hafa niova nanana fiainana vaovao aho tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny firesahana momba ny Sorompanavotana. Nisy fiovana tanteraka nitranga, tsy tamin’ny alalan’ny fahenoana mikasika ny Sorompanavotana fotsiny fa tamin’ny alalan’ny fampiharana izany teo amin’ny fiainako ihany koa.

Fantatro fa tena misy marina ny Sorompanavotana. Rehefa manasa ny fitaomany isika hiditra eo amin’ny fiainantsika, na inona na inona toe-javatra iainantsika, dia ho azo hatsaraina ny zava-dehetra, ary dia hahatsapa fifaliana isika.