2013
Fanontaniana sy Valiny
Aprily 2013


Fanontaniana & Valiny

“Ahoana no ahafahako manazava amin’ ny namako fa zavatra ratsy ny fandikana ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena?”

Tian’ny Ray any An-danitra ho sambatra sy ho mendrika ny Fanahiny isika, ka nomeny didy hanampiana antsika hitandrina ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny fihetsika asehontsika ho ao anatin’ny faritra iray mazava tsara. Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia manampy amin’ny famehezana ny fahefan’ny fananahana ho ao anatin’ny fifamatoran’ny fanambadiana. Ny antony iray handidiany ny tsy hanehoana ny fahefan’ny fananahana raha tsy eo amin’ny mpivady ihany dia satria “natao ho teraka ao anatin’ny fanambadiana ny ankizy.”1

Azonao hizarana Jeunes, soyez forts ny namanao. Manome antony maro mahatsara ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izany: “Rehefa madio fitondrantena ianao dia miomana hanao fanekempihavanana masina any amin’ny tempoly sy hitandrina izany. Miomana hanorina fanambadiana matanjaka ianao sy hitondra zanaka ho eto amin’izao tontolo izao ho isan’ny fianakaviana iray mandrakizay sy feno fitiavana. Miaro ny tenanao tsy ho azon’ny fahasimbana ara-panahy sy ara-pihetseham-po izay ateraky ny fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ianao. Miaro ny tenanao tsy ho azon’ny aretina manimba ihany koa ianao. Ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena dia manampy anao hahatoky tena sy ho sambatra marina ary hampitombo ny fahaizanao mandray fanapahan-kevitra tsara amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy.”2

Fanontaniana Manan-danja

Valio amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana sasantsasany ireo fanontanian’ny namanao: “Manao ahaona re raha mijery anao izao ilay ho vadinao rahatrizay?” Ny olona rehetra izay fantatro fa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia nanenina tamin’izany. “Manao ahoana re raha manontany anao ireo ho zanakao rahatrizay hoe nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ve ianao?” Mila mahafantatra ny maha zava-dehibe ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dieny izao ilay namanao, alohan’ny hametrahan’ny zanany io fanontaniana io. Mila mitandrina ny tenanao ho madio ianao mba hahafahana manana fiainana sambatra sy salama, tsy misy ilay fahatsapana ho meloka ateraky ny fandikana an’ilay lalàna masina.

Robyn K., 13 taona, Utah, Etazonia

Ny Tempoly

Manana tanjona masina ho antsika rehetra ny Raintsika any An-danitra, ary ao amin’ny tempoly no ahazoana manatanteraka izany tanjona izany. Tokony ho mendrika ny hiditra ny tempoly isika mba hahafahan’ny fianakaviansika ho fehezina mandrakizay. Hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra isika, ary ny zava-dehibe indrindra dia hanana fahasambarana tsy misy fiafarana isika, izay tsy ho azon’ireo izay tsy mendrika.

Alofa M., 18 taona, Samoa

Fanambadiana sy Fianakaviana

Amporisihana isika ho madio ara-pitondrantena mba hahafahantsika ho mendrika ny hiditra ny tempoly sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina. Raha manaraka ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika dia afaka manorina fanambadiana sy fianakaviana mafy orina any amin’ny ho avy. Eo foana i Satana haka fanahy antsika, saingy afaka mandresy izany isika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny soratra masina ary ireo namana tsara.

Resty M., 16 taona, Philippines

Vokatra Ratsy

Misy voka-dratsy maro ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, saingy tsy any amin’ny fianarana mikasika ny fahasalamana any an-tsekoly akory no hianaranao azy rehetra. Ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia afaka manery ny Fanahy hiala tsy ho eo amin’ny fiainanao sy mandratra ireo izay akaiky anao ary mahatonga anao hahatsiaro ho meloka. Manoro hevitra aho ny hijerena horonan-tsary iray mifono Hafatra Môrmôna antsoina hoe: “Fahadiovam-pitondrantena: hatraiza no fetra?” [ao amin’ny youth.lds.org amin’ny teny Anglisy sy Pôrtogey ary Espaniôla].

Matthew T., 17 taona, Utah, Etazonia

Fahadiovana sy Fanajana

Rehefa manaraka ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika dia mitoetra ho madio eo imason’Andriamanitra, sy manome haja ny tenantsika ary manampy ny hafa hanaja ny tenantsika ihany koa. Raha mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika dia mampiseho fa zanak’Andriamanitra ary manohana fenitra avo dia avo. Hisoroka ny mety ho nenina isika. Rehefa mankatò ny Raintsika any An-danitra isika, indrindra fa mikasika io lalàna io, dia ho sambatra kokoa ny fiainantsika eto an-tany sy any amin’ny tontolo ho avy.

Alyana G., 19 taona, Philippines

Fanomezam-pahasoavana Masina

Raha tsinontsinoavina ny fanomezam-pahasoavan’ny fananahana dia ho lasa raisina toy ny zavatra tsotsotra mahazatra io fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra io. Tsy ho tsapa ho mahasoa ny fanolorana fanomezana iray raha toa ka tsy mandray izany ho zava-dehibe ilay olona izay nanomezanao azy. Tsy maintsy mandray ny fananahana ho masina hatrany isika; satria tempolin’Andriamanitra avokoa isika rehetra ary tokony hijanona ho madio toy ny tempoly.

Jaron Z., 15 taona, Idaho, Etazonia

Hiaraka amintsika ny Fanahy

Rehefa mijanona ho madio tsy azon’ny fahotana ianao dia ho sambatra lavitra kokoa ary ho voatahy. Toy ny tempoly ny vatantsika, ary ny Ray any An-danitra “tsy mitoetra ao amin’ny tempoly izay tsy masina” (Almà 7:21). Ka rehefa mijanona ho madio tsy azon’ny fahotana isika dia afaka mitoetra miaraka amintsika ny Fanahy.

Maryann P., 14 taona, Arkansas, Etazonia

Hatsaran-toetra sy Fahadiovana

Mahafaly ny Tompo ny hatsaran-toetra sy ny fahadiovana, ary ny zava-drehetra dia tokony hitranga amin’ny fotoany avy. Didy avy amin’Andriamanitra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ny vavaka sy ny fiarahan’ny Fanahy no fiombonana tonga lafatra hahafantarana fa fitahiana izany hoe madio fitondrantena izany.

Selene R., 18 taona, Nicaragua

Ao anatin’ny Fanambadiana

Hazavaiko amin’ilay namako hoe hevitra ratsy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena satria ny fahefan’ny fananahana dia tsy natao afa-tsy ho an’ireo mpivady ara-dalàna ihany. Rehefa mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika dia very ilay Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika.

Augustina A., 15 taona, Ghana

Fanamarihana

  1. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  2. Jeunes, Soyez Forts (bokikely, 2011), 35.